Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Be Herim-po sy Hahay Hanavaka toa An’i Jesosy

Miezaha ho Be Herim-po sy Hahay Hanavaka toa An’i Jesosy

“Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo. Ary na tsy hitanareo aza izy ankehitriny, dia mino azy ianareo.”1 PET. 1:8.

1, 2. a) Inona no tokony hataontsika mba ho voavonjy? b) Inona no hanampy antsika hanohy foana an’ilay dia hahazoana ny famonjena?

TOY ny manomboka dia iray isika rehefa lasa mpianatr’i Kristy. Mety hitarika ho amin’ny fiainana any an-danitra na eto an-tany io dia io. Hoy i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mat. 24:13) Mety ho ny faran’ny fiainantsika izany, na ny faran’ity tontolo ity. Mety ho voavonjy isika raha tsy mivadika mihitsy. Ilaina anefa ny mitandrina mba tsy ho varimbariana na ho diso lalana. (1 Jaona 2:15-17) Inona no hanampy antsika hanohy foana an’ilay dia?

2 I Jesosy ilay Modelintsika no mitarika ny dia. Hita ao amin’ny Baiboly ny fomba fiainany. Hahalala azy isika raha mianatra azy io, ka ho tia sy haneho finoana azy. (Vakio ny 1 Petera 1:8, 9.) Nilaza ny apostoly Petera fa nanome modely ho antsika i Jesosy mba hanarahantsika akaiky ny diany. (1 Pet. 2:21) Raha manao izany isika dia hahazo “ny famonjena”, izay vokatry ny finoantsika. * Noresahin’ny lahatsoratra teo aloha ny fomba ampisehoana fa manetry tena sy mangoraka toa an’i Jesosy isika. Hodinihina ato kosa ny fomba ampisehoana fa be herim-po sy mahay manavaka toa azy isika.

BE HERIM-PO I JESOSY

3. Inona no atao hoe be herim-po, ary inona no hanampy antsika ho be herim-po?

3 Matoky tena ny olona be herim-po ka manana hery hiatrehana zava-tsarotra. Ny hoe be herim-po dia midika hoe “miezaka foana na mafy aza ny manjo”, “sahy miaro ny fahamarinana”, ary “tony sy manam-pinoana na dia mijaly aza.” Mifandray amin’ny tahotra sy fanantenana ary fitiavana ny herim-po. Ho be herim-po isika ka tsy hatahotra olona, raha matahotra an’Andriamanitra. (1 Sam. 11:7; Ohab. 29:25) Hifantoka amin’ny hoavy isika raha manana fanantenana fa tsy hieritreritra be ny olana mahazo antsika. (Sal. 27:14) Mandrisika antsika ho be herim-po ny fitiavana feno fahafoizan-tena, na dia mety hahita loza aza isika. (Jaona 15:13) Ho be herim-po isika raha matoky an’Andriamanitra sy manara-dia ny Zanany.—Sal. 28:7.

4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa be herim-po izy tao amin’ny tempoly? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Sahy niaro ny fahamarinana i Jesosy na dia vao 12 taona aza. Mariho izay nitranga tamin’izy ‘nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra tao amin’ny tempoly.’ (Vakio ny Lioka 2:41-47.) Nahay tsara ny Lalàn’i Mosesy ireo mpampianatra. Hainy koa ny fomban-drazana jiosy izay nanasarotra ny fankatoavana azy io. Tsy nangina noho ny tahotra anefa i Jesosy. “Nanontany” azy ireo kosa izy. Azo antoka fa tsy fanontaniana fametraky ny ankizilahy te hahalala zavatra fotsiny no napetrany. Nety ho nametraka fanontaniana nampisaintsaina izy ka nihaino azy tsara ireo mpampianatra. Tsy nahomby izy ireo raha nitady hamandrika an’i Jesosy tamin’ny fanontaniana miteraka adihevitra. ‘Talanjona noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny izay rehetra nihaino azy’, anisan’izany ireo mpampianatra. Niaro ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa izy.

5. Inona no mampiseho fa be herim-po i Jesosy nandritra ny fanompoany?

5 Tena be herim-po i Jesosy nandritra ny fanompoany. Sahiny ny nampiharihary fa namitaka olona ny mpitondra fivavahana satria nampianatra zavatra diso. (Mat. 23:13-36) Tsy nanaiky ho voataonan’ity tontolo ity izy. (Jaona 16:33) Nitory foana izy na nisy nanohitra aza. (Jaona 5:15-18; 7:14) Indroa izy no sahy nanadio ny tempoly ka nandroaka an’ireo tsy nanaja ny fivavahana natao tao.—Mat. 21:12, 13; Jaona 2:14-17.

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy herim-po, tamin’ny andro farany niainany teto an-tany?

6 Manatanjaka finoana ny mandinika ny herim-pon’i Jesosy tamin’izy nampijalina. Eritrereto ny herim-po nasehony tamin’ny andro farany niainany teto an-tany. Efa fantany ny zavatra hitranga vokatry ny tetik’ilay mpamadika azy. Hoy anefa izy tamin’i Jodasy, nandritra ny sakafon’ny Paska: “Ataovy haingana izay ataonao.” (Jaona 13:21-27) Sahy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo miaramila tonga hisambotra azy koa izy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Niaro ny mpianany izy na dia efa notandindomin-doza aza ny ainy. (Jaona 18:1-8) Be herim-po koa izy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy ka nilaza fa izy no Kristy Zanak’Andriamanitra. Efa fantany anefa fa nitady hirika hamonoana azy ny mpisoronabe. (Mar. 14:60-65) Tsy nivadika mihitsy i Jesosy mandra-pahafatiny teo amin’ny hazo fijaliana. Niantso mafy izy rehefa hiala aina hoe: “Vita!”—Jaona 19:28-30.

MIEZAHA HO BE HERIM-PO TOA AN’I JESOSY

7. Inona no tsapanareo tanora noho ianareo mitondra ny anaran’i Jehovah, ary ahoana no ampisehoanareo fa be herim-po ianareo?

7 Ahoana no ampisehoantsika fa be herim-po toa an’i Jesosy isika? Any am-pianarana: Ry tanora, be herim-po ianareo raha tsy misalasala milaza fa Vavolombelon’i Jehovah, na dia mety hesoin’ny mpiara-mianatra aminareo sy ny olon-kafa aza. Porofo izany fa mampirehareha anareo ny mitondra ny anaran’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 86:12.) Mety hisy hampirisika anareo hino ny evolisiona, nefa matokia fa marina izay lazain’ny Baiboly momba ny famoronana. Azonareo ampiasaina ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, mba hamaliana an’ireo te hahalala “ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.” (1 Pet. 3:15) Ho afa-po ianareo raha manao izany satria miaro ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

8. Nahoana isika no mitory amim-pahasahiana?

8 Rehefa manompo: Ilaintsika foana ny mitory ‘amim-pahasahiana araka ny fahefana nomen’i Jehovah’ satria Kristianina isika. (Asa. 14:3) Nahoana isika no tokony ho be herim-po rehefa mitory? Fantatsika fa marina ny zavatra torintsika satria avy ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:17) Fantatsika koa fa “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika ary manampy antsika ny fanahy masina. (1 Kor. 3:9; Asa. 4:31) Hita fa tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika isika rehefa mazoto mitory. (Mat. 22:37-39) Be herim-po isika ka tsy hisy hahavita hampangina antsika. Tapa-kevitra isika fa hampibaribary ny lainga aelin’ny fivavahana, izay mahatonga ny olona tsy hahita ny marina. (2 Kor. 4:4) Hitory ny vaovao tsara foana isika, na dia tsy miraika na maneso na manohitra aza ny olona.—1 Tes. 2:1, 2.

9. Ahoana no ampisehoantsika fa be herim-po isika rehefa misy zavatra mampahory?

9 Rehefa misy zavatra mampahory: Hanana finoana sy herim-po hiatrehana zava-tsarotra isika raha matoky an’Andriamanitra. Malahelo isika nefa tsy very fanantenana, rehefa misy havantsika maty. Matoky isika fa hampahery antsika ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Kor. 1:3, 4; 1 Tes. 4:13) Mety hanaintaina isika raha marary na maratra mafy, nefa tsy hanaiky fitsaboana mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly mihitsy. (Asa. 15:28, 29) Mety ‘hanameloka antsika ny fontsika’ rehefa kivy be isika. (1 Jaona 3:19, 20) Tsy mamoy fo anefa isika satria matoky an’ilay Andriamanitra “akaiky an’izay torotoro fo.” *Sal. 34:18.

NAHAY NANAVAKA I JESOSY

10. Inona no mampiavaka ny olona mahay manavaka, ary inona no hataon’ny mpanompon’i Jehovah raha mahay manavaka izy?

10 Mahalala ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy ny olona mahay manavaka, ary mifidy ny hanao ny tsara. (Heb. 5:14) Mahay mandray fanapahan-kevitra manatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra izy. Hiezaka hampifaly an’Andriamanitra amin’izay lazainy sy ataony ny mpanompony raha mahay manavaka. Milaza teny mampahery fa tsy mandratra izy. (Ohab. 11:12, 13) “Tsy mora tezitra” izy. (Ohab. 14:29) “Mandeha mahitsy” izy, ka tsy miala amin’ilay lalana tokony halehany. (Ohab. 15:21) Inona no hanampy antsika hahay hanavaka? Tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra izay ianarantsika isika. (Ohab. 2:1-5, 10, 11) Tena hanampy antsika ny mandinika ny ohatr’i Jesosy. Izy mantsy no olona nahay nanavaka indrindra.

11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nahay nanavaka izy rehefa niteny?

11 Nasehon’i Jesosy tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony fa nahay nanavaka izy. Tamin’ny teniny: Nieritreritra tsara izy rehefa nitory ny vaovao tsara ary nampiasa “teny mahafinaritra” ka gaga ny mpihaino. (Lioka 4:22; Mat. 7:28) Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy matetika, ka namaky na nanonona andinin-teny nety tsara mba hanaporofoana ny teniny. (Mat. 4:4, 7, 10; 12:1-5; Lioka 4:16-21) Nanohina ny fon’ny mpihaino azy koa ny fomba nanazavany ny Soratra Masina. Niresaka tamin’ny mpianatra roa ho any Emaosy, ohatra, izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.” Hoy izy ireo taorian’izay: ‘Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?’—Lioka 24:27, 32.

12, 13. Milazà ohatra mampiseho fa tsy mora tezitra i Jesosy ary nahay nandanjalanja.

12 Tamin’ny toetrany: Nahafehy ny fihetseham-pony i Jesosy ka “tsy mora tezitra” satria nahay nanavaka. (Ohab. 16:32) ‘Nalemy fanahy’ izy. (Mat. 11:29) Nanam-paharetana tamin’ny mpianany foana izy na dia nanao fahadisoana aza izy ireo. (Mar. 14:34-38; Lioka 22:24-27) Tony izy na dia rehefa niharan’ny tsy rariny aza.—1 Pet. 2:23.

13 Nahay nandanjalanja koa i Jesosy satria nahay nanavaka. Tsy nanizingizina izy hoe tsy maintsy narahina tamin’ny an-tsipiriany ny Lalàn’i Mosesy. Fantany kosa ny antony nanomezana azy io, ka nampifanarahany tamin’izany ny zavatra nataony. Diniho, ohatra, ny Marka 5:25-34. (Vakio.) Nanavatsava vahoaka ny vehivavy iray nandeha ra ary nikasika ny akanjon’i Jesosy ka sitrana. Naloto izy raha araka ny Lalàna ka tsy tokony ho nikasika olona. (Lev. 15:25-27) Tsy nibedy azy anefa i Jesosy satria nahay nanavaka an’izay “mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna”, anisan’izany ny hoe “mamindra fo” sy “mendri-pitokisana.” (Mat. 23:23) Hoy kosa izy: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho, ary ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao!” Mampihetsi-po erỳ ilay hoe nahay nanavaka i Jesosy ka tsara fanahy.

14. Nanokan-tena hanao inona i Jesosy, ary inona no nanampy azy tsy hiala tamin’ilay fomba fiaina nofidiny?

14 Tamin’ny fomba fiainany: Nahay nanavaka i Jesosy ka nifidy ny fomba fiaina mety ary tsy niala tamin’izany. Nanokan-tena hitory ny vaovao tsara izy ary io no tena nimasoany. (Lioka 4:43) Tsy niala tamin’io fomba fiaina io izy, ka nandray fanapahan-kevitra nahafahany nifantoka foana tamin’ny fitoriana sy namita tsara an’izany. Naleony nanana fiainana tsotra mba hahafahany hanokana ny fotoanany sy ny heriny amin’ny fanompoana. (Lioka 9:58) Hitany fa ilaina ny mampiofana olon-kafa mba hisy hanohy an’ilay asa rehefa maty izy. (Lioka 10:1-12; Jaona 14:12) Nampanantena izy fa hanampy ny mpanara-dia azy hitory, “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Mat. 28:19, 20.

MIEZAHA HAHAY HANAVAKA TOA AN’I JESOSY

Fantaro izay mahaliana ny olona sy izay ilainy ary ampifanaraho amin’izany ny zavatra lazainao (Fehintsoratra 15)

15. Ahoana no ampisehoantsika fa mahay manavaka isika rehefa miteny?

15 Ahoana no ampisehoantsika fa mahay manavaka toa an’i Jesosy isika? Amin’ny tenintsika: Milaza teny mampahery fa tsy mahakivy isika, rehefa miresaka amin’ny mpiara-manompo. (Efes. 4:29) Ataontsika “mamy sira” ny tenintsika rehefa mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika. (Kol. 4:6) Mamantatra izay ilain’ny olona sy izay mahaliana azy isika, ary ampifanarahantsika amin’izany izay lazaintsika. Mety hahatonga ny olona hanokatra ny varavarany sy ny fony ny teny mahafinaritra. Miezaka mampiasa Baiboly koa isika rehefa manazava ny zavatra inoantsika. Izay voalazan’izy io no marina ka mamaky azy io amin’ny olona isika isaky ny afaka manao izany. Ekentsika fa misy heriny kokoa noho ny tenintsika ny hafatra ao amin’ny Baiboly.—Heb. 4:12.

16, 17. a) Ahoana no ampisehoantsika fa tsy mora tezitra sy mahay mandanjalanja isika? b) Inona no hanampy antsika hifantoka foana amin’ny fanompoana?

16 Amin’ny toetrantsika: Hahafehy ny fihetseham-pontsika isika ka “tsy ho mora tezitra” raha mahay manavaka. (Jak. 1:19) Raha misy miteny na manao zavatra mahatezitra antsika dia miezaka isika hahatakatra ny antony mahatonga azy hanao izany. Mety hampisinda fahatezerana izany ary hanampy antsika ‘hamela fahadisoana.’ (Ohab. 19:11) Manampy antsika hahay handanjalanja koa ny fahaiza-manavaka. Tsy mitaky be loatra amin’ny mpiara-manompo amintsika àry isika, fa mitadidy hoe mety tsy ho takatsika tsara ny manjo azy. Vonona hihaino ny heviny isika ary manaiky an’izany raha azo atao.—Fil. 4:5.

17 Amin’ny fomba fiainantsika: Fantatsika fa tsy misy tombontsoa lehibe noho ny mitory ny vaovao tsara. Tsy miala amin’ilay fomba fiaina nofidintsika isika, ka mandray fanapahan-kevitra ahafahana mifantoka foana amin’ny fanompoana. Ataontsika loha laharana foana ny fanompoana an’i Jehovah. Miezaka hanana fiainana tsotra isika mba ho afaka hanokana ny fotoanantsika sy ny herintsika amin’ny fitoriana, alohan’ny hahatongavan’ny farany.—Mat. 6:33; 24:14.

18. Inona no hanampy antsika tsy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana? Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Tena faly isika nandinika ny toetra mahafinaritra sasany nananan’i Jesosy. Azo antoka fa tena hahasoa antsika ny mianatra ny toetrany hafa sy ny miezaka hanahaka azy kokoa. Enga anie àry isika ka ho tapa-kevitra hanaraka akaiky ny diany. Tsy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana isika amin’izay sady ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay notahafin’i Jesosy.

^ feh. 2 Natao ho an’ny Kristianina manantena ho any an-danitra ny 1 Petera 1:8, 9, nefa mihatra amin’ireo hiaina eto an-tany koa.

^ feh. 9 Raha tianao ny hamaky tantaran’olona be herim-po rehefa niatrika zavatra mampahory, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2000, pejy 24-28, sy ny Mifohaza! 8 Mey 2003, pejy  26-29.