Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nahita Asa Mahafa-po Kokoa Izahay

Nahita Asa Mahafa-po Kokoa Izahay

VAO dimy taona izahay sy Gwen dia nianatra nandihy, saingy mbola tsy nihaona. Samy tapa-kevitra izahay rehefa nihalehibe fa ny dihy no hataonay anton’asa. Efa saika lasa lavitra mihitsy izahay nefa niala. Fa naninona?

David: Teraka tany amin’ny faritr’i Shropshire any Angletera aho tamin’ny 1945. Nanana toeram-pambolena sy fiompiana tany ambanivohitra i Dada ary nilamindamina tany. Faly erỳ aho namahana akoho sy nanangona atody ary nikarakara omby sy ondry, rehefa avy nianatra. Nanampy tamin’ny fijinjana koa aho rehefa vakansy, ary nitondra traktera indraindray.

Nisy zavatra lasa nifantohako koa anefa. Hitan’i Dada fa isaky ny naheno mozika aho tamin’ny mbola zaza, dia te handihy. Nasainy nampidirin’i Neny tao amin’ny sekoly mampianatra karazana dihy iray àry aho, tamin’izaho dimy taona. Nisy dihy hafa hitan’ny mpampianatra ahy fa nety ho haiko, ka nampianariny ahy koa. Nahazo vatsim-pianarana hianarana tao amin’ny Royal Ballet School, ao Londres, aho tamin’izaho 15 taona. Sekoly malaza mampianatra dihy izy io. Tao aho no nihaona tamin’i Gwen, ary nampiarahina nandihy izahay.

Gwen: Teraka tany Londres, tanàn-dehibe maresaka, aho tamin’ny 1944. Mbola kely aho dia nino an’Andriamanitra. Namaky Baiboly aho fa tsy azoko ilay izy. Niditra nianatra tao amin’ny sekoly mampianatra dihy aho talohan’izay, tamin’izaho dimy taona. Nandresy tamin’ny fifaninanana ho an’ny olona eran’i Grande-Bretagne aho, enin-taona taorian’izay, ka tafiditra tao amin’ny Royal Ballet School. Tao White Lodge, tranobe tsara tarehy ao amin’ny Valan-javaboarin’i Richmond, any Londres, izy io. Tao aho no nianatra. Nisy mpampianatra malaza be nampiofana ahy handihy koa tao. Nifindra tany amin’ny Royal Ballet School any afovoan’i Londres aho, tamin’izaho 16 taona. Tany izahay sy David no nihaona. Volana vitsivitsy taorian’izay izahay dia efa nandihy tamin’ny tantara an-kira, tao amin’ny Royal Opera House any Londres.

Nitety an’izao tontolo izao izahay tamin’izahay mpandihy

David: Ie, nandihy tao amin’io toerana malaza io izahay, ary niara-nandihy tamin’ny tarika malaza iray mpanao dihy mirindra. Nanangana tarika iraisam-pirenena tany Wuppertal, any Alemaina, ny iray tamin’ny mpampianatra sora-dihy tao amin’ny Royal Ballet, ka izahay no nofidiny hiaraka aminy. Nandihy tany amin’ny trano filalaovana teatra eran-tany izahay, ary niara-nandihy tamin’ny olo-malaza toa an’i Margot Fonteyn sy Rudolf Nureyev. Matetika ny mpandihy no mifaninana ka lasa tia tena. Natokanay ho an’ny dihy ny fiainanay.

Gwen: Nifantoka tamin’ny dihy aho ary natokako ho amin’izany ny vatako. Samy te halaza be izahay sy David. Tiako erỳ ny nanome sonia ho an’ny mpankafy sy ny nahazo voninkazo ary ny nandre ny mpijery nitehaka. Naloto fitondran-tena sy mpifoka ary mpisotro ny ankamaroan’ny olona nifanerasera tamiko, tamin’izaho nanao teatra. Nitoky tamin’ny ody mahatsara vintana toa azy ireo aho.

NIOVA TANTERAKA NY FIAINANAY

Tamin’ny mariazinay

David: Leo nitety tany aho, taona maro tatỳ aoriana. Zanaka tantsaha aho ka manimanina ny fiainana ambanivohitra. Niala tsy ho mpandihy àry aho tamin’ny 1967, ary niasa tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana lehibe tsy lavitra an-dry Dada. Navelan’ny tompon’ilay toerana hanofa tranokely aho. Nitelefaonina an’i Gwen aho taorian’izay, tamin’izy tany amin’ny filalaovana teatra, ary nangataka azy ho vady. Sahirana izy nanapa-kevitra, satria efa nekena ho mpandihy mandeha irery sady efa nihanalaza. Nanaiky ho vadiko anefa izy ary nanaraka ahy tany ambanivohitra, na dia tsy zatra ny fiainana tany azy.

Gwen: Tsy mora tokoa ny namboly sy niompy. Tena tsy nahazatra ahy ilay hoe nitery ronono sy namahana kisoa sy akoho, na tsara ny andro na ratsy. Nianatra ny teknika farany momba ny fambolena sy fiompiana koa i David nandritra ny sivy volana, ka alina vao nody. Nangina be aho mandra-piveriny. Efa teraka i Gilly vavimatoanay tamin’izay. Nasain’i David nianatra nitondra fiara aho ary nanaiky. Nitsidika tanàna iray tsy lavitra anay aho, indray mandeha, ka nahita an’i Gael. Niasa tao amin’ny fivarotana iray tao an-tanànanay io vehivavy io, ka tao no nahalalako azy.

Tao amin’ny toeram-piompiana taoriana kelin’izay

Nasainy hisotro dite tany an-tranony aho. Nijery sary mariazy izahay ary nisy sariny niaraka tamin’ny olona maromaro teo anoloan’ny trano iray atao hoe Efitrano Fanjakana. Nanontaniako izy hoe fiangonana inona io. Faly be aho rehefa nilazany fa Vavolombelon’i Jehovah izy mivady. Nisy nenitoako Vavolombelona mantsy. Tadidiko fa tezitra be taminy i Dada, ary nariany tany anaty fako ny bokiny. Olona sariaka be i Dada, ka tsy azoko hoe naninona izy no nisafoaka tamin’io nenitoako tsara fanahy io.

Ela ny ela ka fantatro hoe nahoana ny zavatra ninoan’i Nenitoa no tsy nitovy tamin’ny fampianaran’ny fiangonana. Nasehon’i Gael ahy mantsy izay tena lazain’ny Baiboly. Gaga aho fa hay mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny fampianarana maro, toy ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty. (Mpito. 9:5, 10; Jaona 14:28; 17:3) Sambany koa vao hitako tao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.—Eks. 6:3.

David: Notantarain’i Gwen tamiko izay nianarany. Tadidiko fa nampirisika ahy hamaky Baiboly i Dada tamin’izaho mbola kely. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Gael sy Derrick vadiny àry izahay. Afaka nanofa toerana kely hambolena sy hiompiana izahay, ka nifindra tany Oswestry ao amin’ny faritr’i Shropshire, enim-bolana taorian’izay. Ny Anabavy Deirdre indray no nampianatra Baiboly anay. Be atao izahay satria niompy, ka tsy dia nandroso. Nanam-paharetana anefa izy, ary namaka tsikelikely tao am-ponay ihany ny fahamarinana.

Gwen: Mafy ny niala tamin’ny finoanoam-poana. Hitako tao amin’ny Isaia 65:11 ny fiheveran’i Jehovah an’ireo “manomana latabatra ho an’ny andriamanitry ny Vintana.” Tsy maintsy nivavaka aho ary elaela vao afaka tamin’ireo ody rehetra mahatsara vintana. Nianarako fa “izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra”, ka lasa fantatro hoe olona manao ahoana no tian’i Jehovah. (Mat. 23:12) Te hanompo azy aho, satria tena tia antsika izy matoa nahafoy ny Zanany ho vidim-panavotana. Efa teraka ny zanakay vavy faharoa tamin’izany, ka faly be aho hoe ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany izahay mianakavy.

David: Niaiky aho hoe nahita ny fahamarinana rehefa takatro fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly, anisan’izany ny ao amin’ny Matio toko faha-24 sy ny Daniela. Tsapako fa sarobidy noho ny zavatra eto amin’ity tontolo ity ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Lasa tsy dia te hisongadina be intsony aho. Takatro fa sarobidy hoatr’ahy koa ny vady aman-janako. Novakiko ny Filipianina 2:4, ka hitako fa tsy tokony hifantoka be amin’ny tenako aho, na hieritreritra foana ny hahazo toeram-pambolena sy fiompiana lehibe kokoa. Ny fanompoana an’i Jehovah no tokony hataoko loha laharana. Niala tamin’ny sigara koa aho. Tsy mora anefa ny nivory asabotsy, satria hariva ilay izy ary tany amin’ny 10 kilaometatra. Tamin’io koa izahay no nitery ronono. Nanampy ahy anefa i Gwen ka tsy tapaka fivoriana mihitsy izahay. Nentinay nitory koa ny zanakay isaky ny alahady maraina, rehefa avy nitery ronono izahay.

Tsy faly tamin’ny fiovanay ny havanay. Tsy niresaka tamin’i Gwen nandritra ny enin-taona ny dadany. Nisakana anay tsy hifanerasera tamin’ny Vavolombelona koa i Dada sy Neny.

Gwen: Nanampy anay hiatrika an’izany i Jehovah. Lasa toy ny fianakavianay ny Fiangonana Oswestry, ary tia sy nanohana anay tamin’ny sarotra. (Lioka 18:29, 30) Nanokan-tena ho an’i Jehovah izahay ary natao batisa tamin’ny 1972. Nirotsaka ho mpisava lalana aho, satria te hiezaka mafy hanampy olona betsaka araka izay azo atao mba hahalala ny marina.

ASA VAOVAO MAHAFA-PO

David: Namizana be ny namboly sy niompy, nefa niezaka ny ho modely ho an’ny zanakay izahay teo amin’ny fanompoana. Nihena ny fanampiana nomen’ny fanjakana ny tantsaha tatỳ aoriana, ka tsy afaka namboly sy niompy intsony izahay. Tsy nanana trano sy asa izahay ary vao herintaona ny zanakay fahatelo. Nangataka ny fanampian’i Jehovah sy ny tari-dalany àry izahay. Nanapa-kevitra hampiasa ny fahaizanay izahay, ka nanokatra sekoly fianarana dihy. Nataonay loha laharana foana ny fanompoana, ary nisy vokany tsara izany. Faly be izahay fa lasa mpisava lalana izy telo vavy rehefa nahavita fianarana. Mpisava lalana koa i Gwen ka afaka nanohana azy ireo isan’andro.

Nakatonay ilay sekoly rehefa nanambady i Gilly sy Denise, zanakay roa voalohany. Nanontany ny biraon’ny sampana izahay hoe aiza no toerana mila fanampiana, ka nasainy nankany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Angletera. I Debbie faravavinay sisa no tao aminay, ka nirotsaka ho mpisava lalana koa aho. Nasaina nanampy fiangonana hafa tany avaratra kokoa izahay, dimy taona taorian’izay. Rehefa nanambady i Debbie dia nahazo tombontsoa hanao fanorenana iraisam-pirenena izahay nandritra ny folo taona, ka tany Zimbabwe, Moldavia, Hongria, ary Côte d’Ivoire. Nody teto Angletera izahay avy eo mba hanampy tamin’ny fanorenana ny Betelan’i Londres. Mbola nisy toeram-pambolena sy fiompiana tao amin’ny Betela, ka voatendry hiasa tao aho satria nanana traikefa tamin’izany. Mpisava lalana atỳ amin’ny faritra avaratrandrefan’i Angletera izahay izao.

Tena nahafaly anay ny nandray anjara tamin’ny fanorenana iraisam-pirenena

Gwen: Nanokan-tena handihy izahay taloha, nefa nihelina ny fahafinaretana azo tamin’izany. Nanokan-tena ho an’i Jehovah kosa izahay tatỳ aoriana. Io no lehibe indrindra sy tena mahafaly ary maharitra mandrakizay. Mbola miara-miasa izahay, saingy tsy miara-mandihy fa miara-manao ny asan’ny mpisava lalana. Tena sambatra izahay manampy olona maro hahalala ny fahamarinana mamonjy aina. Toy ny “taratasy fiderana” ho anay izy ireny, ary tsara noho ny laza eo amin’ity tontolo ity. (2 Kor. 3:1, 2) Tsy nanana afa-tsy fahatsiarovana sy sary tranainy ary fandaharana momba ny dihy nataonay izahay, raha tsy nahalala ny fahamarinana.

David: Hafa mihitsy ny fiainanay rehefa nataonay anton’asa ny fanompoana an’i Jehovah. Nanampy ahy ho vady sy ray tsara kokoa izany. Milaza ny Baiboly fa naneho ny hafaliany tamin’ny dihy i Miriama sy Davida Mpanjaka ary ny olon-kafa. Ho faly koa izahay ao amin’ny tontolo vaovao, ka handihy hiaraka amin’ny olona maro hafa. Efa tsy andrinay izany.—Eks. 15:20; 2 Sam. 6:14.