Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hiambina Hatrany’ ve Ianao?

‘Hiambina Hatrany’ ve Ianao?

“Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”MAT. 25:13.

1, 2. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny andro farany? b) Inona avy no hodinihintsika ato?

ALAO sary an-tsaina i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Tazana avy teo ny tempolin’i Jerosalema. Teo koa ny apostoliny efatra, dia i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Nanongilan-tsofina izy efa-dahy rehefa nilaza faminaniana miavaka momba ny hoavy i Jesosy. Niresaka betsaka momba ny andro faran’ity tontolo ratsy ity izy, izany hoe momba ny fotoana hanjakany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza izy fa hisolo tena azy eto an-tany ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” amin’izay, ka hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety ho an’ny mpanompony.—Mat. 24:45-47.

2 Nilaza an’ilay fanoharana momba ny virjiny folo i Jesosy avy eo, tao amin’io faminaniana io. (Vakio ny Matio 25:1-13.) Hodinihintsika ato ireto: 1) Inona no hevi-dehibe ao amin’ilay fanoharana? 2) Ahoana no ampiharan’ny voahosotra tsy mivadika ny torohevitra ao amin’izy io, ary inona no vokatr’izany? 3) Nahoana izy io no mahasoa antsika tsirairay?

NY HEVI-DEHIBE AMIN’ILAY FANOHARANA

3. Ahoana no fomba nanazavan’ny bokintsika an’ilay fanoharana momba ny virjiny folo taloha, ary inona no nety ho vokatr’izany?

3 Nasehon’ny lahatsoratra teo aloha fa tsy dia mifantoka amin’ny hevitra an’ohatra intsony ny mpanompo mendri-pitokisana tato ho ato, rehefa manazava ny Baiboly. Mifantoka kokoa amin’ny lesona azo ampiharina kosa izao io mpanompo io. Nilaza ny bokintsika taloha fa misy heviny an’ohatra na dia ny tsipiriany madinika ao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny folo aza, anisan’izany ny jiro sy ny menaka ary ny fitoera-menaka. Nety ho lasa hadino ve anefa ny hevitra tsotra sy maika ampitain’ilay fanoharana noho ireny tsipiriany ireny? Tena ilaina ny valin’izany.

4. Ao amin’ilay fanoharana, ahoana no ahalalantsika hoe: a) Iza ilay mpampakatra? b) Iza ireo virjiny?

4 Hodinihintsika izao ny hevi-dehibe nampitain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana. Hojerentsika aloha hoe iza ilay mpampakatra. Ny tenany no tian’i Jesosy horesahina, satria efa nampitaha ny tenany tamin’ny mpampakatra izy. (Lioka 5:34, 35) Ary ireo virjiny? Nilaza i Jesosy fa tokony ho vonona izy ireo ary hirehitra ny jirony rehefa tonga ilay mpampakatra. Mariho fa mitovy amin’izany ity toromarik’i Jesosy ho an’ny voahosotra na “ondry vitsy” ity: “Misikìna ary aoka hirehitra ny jironareo. Aoka koa ianareo ho tahaka ny mpanompo miandry ny fiverenan’ny tompony avy amin’ny fampakaram-bady.” (Lioka 12:32, 35, 36) Nahazo fanahy masina koa ny apostoly Paoly sy ny apostoly Jaona, ka nilaza fa toy ny virjiny madio ny voahosotra mpanara-dia an’i Kristy. (2 Kor. 11:2; Apok. 14:4) Nilaza an’ilay fanoharana ao amin’ny Matio 25:1-13 àry i Jesosy, satria te hanoro hevitra sy hampitandrina ny voahosotra.

5. Ahoana no anampian’i Jesosy antsika hahita ny fotoana hahatanterahan’ilay fanoharana?

5 Diniho koa hoe rahoviana ilay torohevitra no tokony hampiharina. Manampy antsika hahalala an’izany i Jesosy any amin’ny faran’ilay fanoharana, rehefa nilaza hoe: “Tonga ny mpampakatra.” (Mat. 25:10) Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013 fa imbalo i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25 no nilaza hoe “tonga” na “ho avy” izy. Ilay fotoana hahatongavany mba hitsara sy handringana an’ity tontolo ratsy ity mandritra ny fahoriana lehibe no tiany holazaina amin’izany. Mazava àry fa tanteraka amin’ny andro farany ilay fanoharana, ary mandritra ny fahoriana lehibe i Jesosy no ho tonga.

6. Inona no hevi-dehibe ao amin’ilay fanoharana rehefa jerena ny andinin-teny manodidina?

6 Inona no hevi-dehibe ao amin’ilay fanoharana? Tadidio fa vao avy niresaka momba ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy. Io mpanompo io dia rahalahy voahosotra vitsivitsy, izay hitarika ny mpanara-dia an’i Kristy mandritra ny andro farany. Nampitandrina i Jesosy fa tokony ho mendri-pitokisana foana izy ireo. Ny voahosotra rehetra amin’ny andro farany kosa no tiany ‘hiambina hatrany’, ka nilaza an’ilay fanoharana momba ny virjiny folo izy. (Mat. 25:13) Mety hamoy ny valisoany any an-danitra mantsy izy ireo, raha tsy miambina. Handinika bebe kokoa an’ilay fanoharana isika. Ho hitantsika hoe ahoana no ampiharan’ny voahosotra ny torohevitra ao amin’izy io.

MAMPIHATRA NY TOROHEVITRA AO AMIN’ILAY FANOHARANA NY VOAHOSOTRA

7, 8. a) Inona no nanampy an’ireo virjiny malina mba ho vonona? b) Inona no mampiseho fa vonona ireo voahosotra?

7 Asongadin’ilay fanoharan’i Jesosy fa vonona ho amin’ny fahatongavan’ny mpampakatra ireo virjiny malina, fa tsy toa an’ireo virjiny adala. Nahoana? Satria efa niomana izy ireo sady mailo. Nasaina niandry ny hahatongavan’ilay mpampakatra ireo virjiny folo tamin’ny alina, ka tokony hirehitra foana ny jirony. Tokony ho vonona foana koa izy ireo mandritra ny ora maro alohan’ny hahatongavan’izy io. Tsy toa an’ireo virjiny adala ny virjiny dimy fa niomana tsara. Nitondra menaka fanampiny izy ireo. Efa niomana koa ve ireo voahosotra tsy mivadika?

8 Izany tokoa. Manahaka an’ireo virjiny malina izy ireo, mandritra ny andro farany. Miomana mba hanao foana ny andraikiny izy ireo, mandra-pahatongan’ny farany. Hitany hoe inona no mety hafoiny raha tsy mivadika izy, ary fantany fa mety hamoy zavatra maro mampiadana eo amin’ny tontolon’i Satana izy. Nanokan-tena tanteraka ho an’i Jehovah mba hanompo azy izy ireo, satria tia azy sy ny Zanany ary tsy mivadika amin’izy ireo, fa tsy mieritreritra daty. Mankatò foana an’i Jehovah izy ireo, ka tsy manaiky hotaomin’ity tontolo ity ho tia harena sy haloto fitondran-tena ary ho tia tena. Vonona foana àry izy ireo, ka mamirapiratra toy ny mpanazava. Tsy matahotra izy ireo na dia toa ela aza vao ho tonga ilay Mpampakatra.—Fil. 2:15.

9. a)  Ahoana no nampitandreman’i Jesosy hoe mety ho rendremana ny olona rehetra? b) Inona no ataon’ireo voahosotra rehefa mandre an’ilay antso hoe: “Iny ny mpampakatra”? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

9 Nahavita niandry koa ny virjiny malina satria mailo. Mety hisy Kristianina voahosotra ho rendremana ve eo am-piandrasana? Izany tokoa. Mariho fa nilaza i Jesosy hoe “rendremana” ireo virjiny folo “ka nandeha natory”, satria toa elaela ny mpampakatra vao tonga. Fantatr’i Jesosy tsara fa malemy ny nofo ka mety hisy vokany eo amin’ny olona, na dia vonona sy mazoto aza izy. Te hampitandrina ny olona izy tamin’izay. Mankatò an’izany ireo voahosotra tsy mivadika, ka vao mainka miezaka ho mailo sy hiambina foana. Samy nanao zavatra ireo virjiny folo rehefa nandre ilay antso hoe: “Iny ny mpampakatra!” Ireo virjiny mailo ihany anefa no naharitra hatramin’ny farany. (Mat. 25:5, 6; 26:41) Ary ireo voahosotra tsy mivadika ankehitriny? Manao zavatra koa izy ireo satria hitany ny porofo miharihary fa efa ho tonga ilay mpampakatra, ka toy ny misy miantso hoe: “Iny ny mpampakatra!” Maharitra miandry izy ireo, ka miezaka ny ho vonona foana ho amin’ny fahatongavan’ny Mpampakatra. * Niresaka fotoana voafaritra kokoa anefa i Jesosy any amin’ny faran’ilay fanoharana.

NOVALIAN-TSOA IREO MALINA FA NOSAZINA IREO ADALA

10. Inona no fanontaniana mipoitra noho ny resaky ny virjiny malina sy ny virjiny adala?

10 Ny faramparan’ilay fanoharana angamba no tena manitikitika ny saina, izany hoe ny resaky ny virjiny adala sy ny virjiny malina. (Vakio ny Matio 25:8, 9.) Mipoitra àry ity fanontaniana ity: “Rahoviana ireo voahosotra tsy mivadika no tsy hanome fanampiana an’izay mangataka an’izany?” Diniho ny fotoana ahatanterahan’ilay fanoharana. Rehefa akaiky hifarana ny fahoriana lehibe no ho tonga mba hitsara i Jesosy, ilay Mpampakatra. Azo inoana àry fa ho tanteraka aloha kelin’ny hitsaran’i Jesosy io ampahany amin’ilay fanoharana io. Toa izany no izy, satria ho efa voaisy tombo-kase farany ny voahosotra amin’io fotoana io.

11. a) Inona no hitranga aloha kelin’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe? b) Midika inona ny nanirahan’ireo virjiny malina an’ireo virjiny adala tany amin’ny mpivarotra menaka?

11 Ho efa voaisy tombo-kase farany àry ny voahosotra tsy mivadika rehetra eto an-tany, alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe. (Apok. 7:1-4) Azo antoka ny fiantsoana azy ireo manomboka eo. Hanao ahoana anefa izy ireo mandritra ireo taona alohan’ny fahoriana lehibe? Inona no hanjo an’ireo voahosotra tsy miambina ka mivadika? Tsy hahazo ny valisoany any an-danitra indray izy ireo ary mazava ho azy fa tsy hasiana tombo-kase farany, alohan’ny fanombohan’ny fahoriana lehibe. Efa misy Kristianina hafa tsy mivadika lasa voahosotra ho solon’izy ireo amin’izay. Rehefa manomboka ny fahoriana lehibe, dia mety ho taitra ireo virjiny adala mahita hoe rava i Babylona Lehibe. Amin’izay angamba izy ireo vao ho tonga saina hoe tsy vonona ho amin’ny fahatongavan’ny Mpampakatra. Inona no hitranga raha amin’izay izy ireo vao mangataka fanampiana? Mamaly izany ilay fanoharana. Tsy nety nanome menaka an’ireo virjiny adala ireo malina, fa nasainy nitady tany amin’ny mpivarotra izy ireo. Efa “misasakalina” anefa tamin’izay, ka tsy hisy mpivarotra menaka. Tara loatra izy ireo.

12. a) Mandritra ny fahoriana lehibe, tsy hahazo inona ireo voahosotra nivadika nefa mbola tsy voaisy tombo-kase farany? b) Inona no hiafaran’ireo toy ny virjiny adala?

12 Toy izany koa mandritra ny fahoriana lehibe. Tsy hahazo fanampiana avy amin’ireo voahosotra tsy mivadika ireo nivadika. Efa tara loatra amin’izay. Inona àry no hiafaran’ireo nivadika? Nohazavain’i Jesosy izay nitranga rehefa lasa nitady menaka ireo virjiny adala. Hoy izy: “Tonga ny mpampakatra. Niara-niditra taminy tao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona, ary nohidiana ny varavarana.” Ho tonga amin’ny voninahiny i Kristy rehefa akaiky hifarana ny fahoriana lehibe, ary hangoniny ho any an-danitra ireo voahosotra tsy mivadika. (Mat. 24:31; 25:10; Jaona 14:1-3; 1 Tes. 4:17) Hikatona ny varavarana ka tsy ho tafiditra ireo nivadika, izay toy ny virjiny adala. Mety hilaza izy ireo hoe: “Tompoko, tompoko, vohay izahay!” Hamaly azy ireo toy ny namaliany ny olona maro toy ny osy anefa i Jesosy amin’io fotoam-pitsarana io. Hilaza izy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy fantatro ianareo.” Loza tokoa izany!—Mat. 7:21-23; 25:11, 12.

13. a) Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe maro ny voahosotra hivadika? b) Nahoana ny fampitandreman’i Jesosy no porofon’ny fatokisany an’ireo voahosotra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

13 Te hilaza àry ve i Jesosy fa maro ny voahosotra hivadika ka mila soloana? Tsia. Tadidio fa vao avy nampitandrina ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba tsy ho lasa mpanompo ratsy fanahy izy. Tsy nieritreritra izy rehefa nilaza an’izany fa ho lasa mpanompo ratsy fanahy io mpanompo io. Toy izany koa fa fampitandremana ilay fanoharana momba ny virjiny. Adala ny virjiny dimy ary malina ny virjiny dimy. Midika izany fa afaka misafidy ny voahosotra tsirairay hoe hiomana sy ho mailo izy sa ho adala sy hivadika. Nahazo herin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly ka nilaza hevitra mitovy amin’izany rehefa niresaka tamin’ireo Kristianina voahosotra toa azy. (Vakio ny Hebreo 6:4-9; ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19.) Mariho fa hentitra i Paoly, nefa nilaza izy avy eo fa matoky hoe misy “zavatra tsara kokoa” miandry an’ireo voahosotra ireo. Hita amin’ilay fanoharana koa fa sady nampitandrina an’ireo voahosotra i Jesosy no natoky azy ireo. Fantany fa afaka ny tsy hivadika sy hahazo ny valisoany ny voahosotra tsirairay.

MANDRAY SOA KOA NY “ONDRY HAFA”

14. Nahoana no mahasoa ny “ondry hafa” koa ilay fanoharana momba ny virjiny folo?

14 Navantan’i Jesosy tamin’ny Kristianina voahosotra ny fanoharana momba ny virjiny folo. Midika ve izany hoe tsy mahasoa ny “ondry hafa” izy io? (Jaona 10:16) Tena mahasoa azy ireo izy io. Tadidio fa tsotra ny hevi-dehibe ao amin’ilay fanoharana, dia hoe: “Miambena hatrany.” Ho an’ny voahosotra ihany ve izany? Hoy i Jesosy indray mandeha: “Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.” (Mar. 13:37) Tiany hiambina foana sy hanomana ny fony mba tsy hivadika ny mpanara-dia azy rehetra. Manahaka ny voahosotra àry ny Kristianina rehetra ka manao ny fanompoana ho loha laharana. Tadidio koa fa nangataka menaka tamin’ireo virjiny malina ireo virjiny adala fa tsy nahazo. Mampahatsiahy antsika izany fa isika tsirairay no mila mijanona ao amin’ny fahamarinana sy miambina hatrany ary tsy mivadika, fa tsy misy afaka manao an’izany ho antsika. Samy hatao ampamoaka eo anatrehan’ilay Mpitsara manao ny rariny notendren’i Jehovah ny tsirairay. Ho tonga tsy ho ela izy ka tsy maintsy mivonona isika.

Mampahatsiahy antsika ilay fangatahana menaka fa isika tsirairay no mila miambina foana sy tsy mivadika, fa tsy misy afaka manao an’izany ho antsika

15. Nahoana no mahafaly ny tena Kristianina rehetra ny fampakaram-badin’i Kristy?

15 Mahafaly ny Kristianina rehetra koa ilay fampakaram-bady resahin’ilay fanoharana, satria afaka ny hitondra soa ho azy ireo. Ho any an-danitra ireo voahosotra ary ho lasa vadin’i Kristy aorian’ny Hara-magedona. (Apok. 19:7-9) Handray soa amin’io fampakaram-bady any an-danitra io ny olona rehetra eto an-tany, satria izy io no antoka fa hisy fitondrana tonga lafatra hifehy ny tany. Aoka isika ho tapa-kevitra hampihatra ny lesona ao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny folo, na manantena ho any an-danitra isika na manantena ho eto an-tany. Enga anie isika ka hiezaka ho vonona, ka hanomana ny fontsika sy tsy hivadika ary ho mailo foana. Hahazo an’ilay hoavy tena tsara efa omanin’i Jehovah isika amin’izay.

^ feh. 9 Misy fotoana elaela eo anelanelan’ilay antso hoe: “Iny ny mpampakatra!” (andininy 6) sy ny fahatongavan’ny mpampakatra (andininy 10). Mahita ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy ny voahosotra mailo, mandritra ny andro farany. Fantany àry fa lasa Mpanjaka i Jesosy. Tsy maintsy maharitra miandry anefa izy ireo mandra-pahatongany.