Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandraisa Lesona avy Amin’ilay Fanoharana Momba ny Talenta

Mandraisa Lesona avy Amin’ilay Fanoharana Momba ny Talenta

“Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray.”MAT. 25:15.

1, 2. Nahoana i Jesosy no nilaza ilay fanoharana momba ny talenta?

NAHARIHARIN’I Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny talenta ny andraikitry ny voahosotra mpanara-dia azy. Mahakasika ny tena Kristianina rehetra izy io ka mila mahazo ny dikany isika, na manantena ho any an-danitra na eto an-tany.

2 Nilaza an’ilay fanoharana i Jesosy rehefa namaly ny fanontanian’ny mpianany momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Mat. 24:3) Tanteraka amin’ny androntsika àry io fanoharana io ary anisan’ny famantarana fa efa manatrika sy manjaka i Jesosy.

3. Inona no ianarantsika avy amin’ireo fanoharana ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25?

3 Mifandray ireo fanoharana efatra ao amin’ny Matio 24:45 ka hatreo amin’ny Matio 25:46, ary anisan’ireo ilay fanoharana momba ny talenta. Momba ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ny virjiny folo, ary ny ondry sy osy ireo telo hafa. Anisan’ny valin’ilay fanontaniana momba ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy koa izy ireo. Niresaka ny toetra mampiavaka ny tena mpanara-dia azy amin’ny andro farany i Jesosy tao amin’ireo fanoharana efatra ireo. Natao ho an’ny voahosotra ny fanoharana momba ny mpanompo sy ny virjiny ary ny talenta. Nasongadiny tao amin’ny fanoharana momba ny mpanompo fa tokony ho mendri-pitokisana sy malina ireo voahosotra vitsivitsy asainy mamahana an’ireo mpanompo ao an-trano mandritra ny andro farany. Nohamafisiny tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny indray fa tokony hiomana sy ho mailo ny voahosotra rehetra, satria ho avy amin’ny andro sy ora tsy fantatra i Jesosy. Hita amin’ilay fanoharana momba ny talenta fa tokony hazoto hanao ny andraikiny ny voahosotra. Natao ho an’ireo manantena hiaina eto an-tany kosa ilay fanoharana farany, izay momba ny ondry sy osy. Nohamafisin’i Jesosy fa tokony tsy hivadika izy ireo ary hanohana tsara an’ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy eto an-tany. * Handinika ilay fanoharana momba ny talenta isika.

NOMEN’ILAY TOMPO HAREM-BE NY MPANOMPONY

4, 5. Mifanitsy amin’iza ilay tompo, ary manao ahoana ny hasarobidin’ny talenta iray?

4 Vakio ny Matio 25:14-30. Efa ela ny bokintsika no nilaza fa i Jesosy ilay lehilahy na tompo ao amin’ilay fanoharana. Toy ny nankany an-tany hafa izy rehefa niakatra tany an-danitra tamin’ny taona 33. Nasehon’i Jesosy tao amin’ny fanoharana hafa fa nankany an-tany hafa izy mba “handray fahefana hanjaka.” (Lioka 19:12) Tsy tonga dia nandray fahefana feno i Jesosy rehefa niverina tany an-danitra. * “Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra” kosa izy ary “nanomboka tamin’izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.”—Heb. 10:12, 13.

5 Nanana talenta valo ilay lehilahy resahin’ilay fanoharana. Harem-be izany. * Nozarainy tamin’ny mpanompony izany talohan’ny handehanany tany an-tany hafa ary nanantena izy fa hampiasa izany izy ireo. Nanana zava-tsarobidy koa i Jesosy talohan’ny hiakarany tany an-danitra. Mifandray amin’ny asa nataony teto an-tany izy io.

6, 7. Manondro inona ny talenta?

6 Tena zava-dehibe tamin’i Jesosy ny fitoriana sy fampianarana. (Vakio ny Lioka 4:43.) Toy ny namboly teo amin’ny saha iray afaka mamokatra be izy rehefa nanao izany. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35-38) Ny fanangonana olona tso-po maro mba ho lasa mpianany no tao an-tsainy. Toy ny mpamboly mahay i Jesosy ka tsy hilaozany fotsiny ny saha efa masaka hojinjaina. Nomeny andraikitra lehibe àry ny mpianany taloha kelin’ny hiakarany tany an-danitra. Hoy izy: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona.’ (Mat. 28:18-20) Nanankinany harena sarobidy ny mpianany, dia ny fitoriana.—2 Kor. 4:7.

7 Inona no azo tsoahana avy amin’izany? Toy ny hoe nanankina ny “fananany” na ny talentany tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy rehefa naniraka azy ireo hanao mpianatra. (Mat. 25:14) Raha tsorina, dia manondro ny andraikitra hitory sy hanao mpianatra ny talenta.

8. Nanantena inona ilay tompo, na dia samy hafa aza ny isan’ny talenta nomeny ny mpanompony?

8 Resahin’ilay fanoharana fa nomen’ilay tompo talenta dimy ny mpanompo iray, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray. (Mat. 25:15) Tsy nitovy ny isan’ny talenta nomeny azy ireo, nefa nanantena izy fa hazoto hampiasa an’ireo talenta izy rehetra. Midika izany fa manantena i Jesosy hoe hanao izay tsara indrindra vitany amin’ny fanompoana ireo voahosotra. (Mat. 22:37; Kol. 3:23) Nanomboka nampiasa an’ireo talenta ny mpanara-dia azy tamin’ny Pentekosta taona 33. Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa nazoto nitory sy nanao mpianatra izy ireo. *Asa. 6:7; 12:24; 19:20.

FAMPIASANA IREO TALENTA MANDRITRA NY FOTOANAN’NY FARANY

9. a) Nataon’ireo mpanompo roa tsy mivadika ahoana ireo talenta, ary inona no dikan’izany? b) Inona no anjara asan’ny “ondry hafa”?

9 Mandritra ny fotoanan’ny farany, dia mampiasa ny talentan’ny Tompo ireo voahosotra tsy mivadika, indrindra nanomboka tamin’ny 1919. Manao izay tsara indrindra vitany amin’ny fitoriana ireo rahalahy sy anabavy voahosotra, toa an’ireo mpanompo roa voalohany. Tsy ilaina ny manombantombana hoe iza no nahazo talenta dimy ary iza no nahazo talenta roa. Asehon’ilay fanoharana fa samy nazoto ireo mpanompo roa matoa samy lasa avo roa heny ny talentany. Mandray anjara betsaka amin’ilay asa koa ireo manantena hiaina eto an-tany. Hita ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy osy fa tsy mivadika amin’ny voahosotra rahalahin’i Kristy izy ireo ary manohana azy ireo amin’ny fitoriana sy fampianarana. Voninahitra lehibe izany! Mazoto manao mpianatra ny voahosotra sy ny “ondry hafa” mandritra izao andro farany izao, ary miara-miasa toy ny “andiany iray.”—Jaona 10:16.

10. Inona ny lafiny miavaka amin’ilay famantarana ny fanatrehan’i Jesosy?

10 Rariny raha manantena vokatra i Jesosy. Efa voalaza fa tena nampitombo ny fananany ireo mpianany tsy nivadika, tamin’ny taonjato voalohany. Ary ny amin’izao fotoanan’ny farany izao? Amin’izao mantsy no tanteraka ilay fanoharana momba ny talenta. Mbola tsy niroborobo be toy izao ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, satria tsy mivadika sy miasa mafy ny mpanara-dia an’i Jesosy. Miara-miasa izy ireo ka ana hetsiny isan-taona no lasa mpianatr’i Kristy ary manampy isa an’ireo efa mitory ilay Fanjakana. Lafiny miavaka amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy àry ny fitoriana sy fampianarana. Azo antoka fa mahafaly ny Tompo izany.

Nomen’i Kristy andraikitra sarobidy ny mpanompony, dia ny fitoriana (Fehintsoratra 10)

RAHOVIANA ILAY AMPAMOAKA MOMBA NY KAONTIM-BOLA?

11. Nahoana isika no milaza fa mandritra ny fahoriana lehibe i Jesosy no ho tonga hanao ampamoaka ny kaontim-bolany?

11 Rahoviana i Jesosy no ho tonga ka hanao ampamoaka ny mpanompony, momba ny kaontim-bolany? Aloha kelin’ny hifaranan’ny fahoriana lehibe. Nahoana isika no milaza izany? Naverin’i Jesosy imbetsaka tao amin’ilay faminaniany ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25 fa ho tonga na ho avy izy. Nilaza, ohatra, izy fa ‘hahita ny Zanak’olona ho avy ao amin’ny rahon’ny lanitra’ ny olona, ary ny fotoam-pitsarana mandritra ny fahoriana lehibe no tao an-tsainy. Nampirisihiny ho mailo ny mpanara-dia azy amin’ny andro farany ka hoy izy: “Tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” Hoy koa izy: “Amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” (Mat. 24:30, 42, 44) Inona àry no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza izy fa ‘tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka azy ireo momba ny kaontim-bolany’? Azo inoana fa ny fotoana hahatongavany mba hampihatra ny didim-pitsarana amin’ity tontolo ity izany. *Mat. 25:19.

12, 13. a) Inona no hataon’ilay tompo amin’ireo mpanompo roa voalohany, ary nahoana? b) Rahoviana ireo voahosotra no hasiana tombo-kase farany? (Jereo ilay efajoro hoe “ Atao Ampamoaka Izy Ireo Amin’ny Fotoana Ahafatesany.”) d) Inona no ho valisoan’ireo notsaraina ka hita hoe ondry?

12 Inona no hitan’ilay tompo rehefa tonga izy? Hitany fa mendri-pitokisana ilay mpanompo nomena talenta dimy sy ilay nomena roa, satria samy lasa avo roa heny ny talentan’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo ilay tompony hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra maro.” (Mat. 25:21, 23) Inona àry no hitranga amin’ny hoavy rehefa ho tonga hitsara ilay Tompo, na i Jesosy?

13 Alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, dia ho efa voaisy tombo-kase farany ny mpanompo roa voalohany, izany hoe ny voahosotra mazoto miasa. (Apok. 7:1-3) Homen’i Jesosy ny valisoa nampanantenaina izy ireo alohan’ny Hara-magedona, ka hampiakarina any an-danitra. Ary ireo manantena ho eto an-tany, izay nanohana ny rahalahin’i Kristy tamin’ny fitoriana? Ho efa notsaraina izy ireo ka hita fa ondry ary havela hiaina mandrakizay eto an-tany eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Mat. 25:34.

MPANOMPO RATSY FANAHY SY KAMO

14, 15. Nahoana isika no milaza fa tsy te hilaza i Jesosy hoe ho ratsy fanahy sy ho kamo ny maro amin’ireo voahosotra?

14 Nandevina ny talentany ilay mpanompo fahatelo fa tsy nampiasa na nametraka azy io tany amin’ny banky. Ratsy saina izy satria ninia nanao izay tsy hahazoan’ny tompony tombom-barotra. Rariny àry raha nilaza ilay tompony hoe “ratsy fanahy sady kamo” izy. Nalain’ilay tompo ilay talenta ka nomeny an’ilay nanana talenta folo. Noroahina tany amin’ny ‘haizina tany ivelany’ ilay mpanompo ratsy fanahy. “Any izy no hitomany sy hitoloko.”—Mat. 25:24-30; Lioka 19:22, 23.

15 Rehefa nilaza i Jesosy hoe nanafina an’ilay talenta ny iray tamin’ireo mpanompo telo, te hilaza ve izy fa ho ratsy fanahy sy ho kamo ny ampahatelon’ny voahosotra? Tsia. Efa niresaka izy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina fa hisy mpanompo ratsy fanahy hikapoka ny mpanompo hafa. Tsy te hilaza anefa izy fa hisy antokona mpanompo ratsy fanahy. Te hampitandrina ny mpanompo mendri-pitokisana kosa izy mba tsy hananany ny toetran’ny mpanompo ratsy fanahy. Tsy te hilaza koa i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny folo hoe hitovy amin’ireo virjiny adala ny antsasaky ny voahosotra. Nampitandrina ny voahosotra kosa izy hoe inona no hitranga raha tsy mailo sy tsy miomana izy ireo. * Toa tsy te hilaza àry i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny talenta hoe hisy voahosotra maro ho lasa ratsy fanahy sy kamo amin’ny andro farany. Te hampitandrina ny mpanara-dia azy voahosotra kosa izy hoe tsy tokony hanahaka an’ilay mpanompo ratsy fanahy izy ireo fa hazoto foana, ka ‘hampiasa’ ny talenta nomena azy.—Mat. 25:16.

16. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny talenta? b) Nahoana ity lahatsoratra ity no manampy antsika hahazo kokoa an’io fanoharana io? (Jereo ilay efajoro hoe “ Inona no Hevitr’ilay Fanoharana Momba ny Talenta?”)

16 Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny talenta? Voalohany, misy zava-tsarobidy nankinin’ilay Tompo na Kristy tamin’ny voahosotra, dia ny fitoriana sy ny fanaovana mpianatra. Faharoa, tian’i Kristy hazoto hitory isika rehetra. Matokia fa hamaly soa antsika izy, raha mazoto foana isika ka manana finoana sy mailo ary tsy mivadika.—Mat. 25:21, 23, 34.

^ feh. 3 Resahin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013, pejy 21-22, fehintsoratra 8-10 hoe iza ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Noresahin’ny lahatsoratra teo aloha indray hoe iza ireo virjiny. Manazava ny fanoharana momba ny ondry sy osy kosa Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1995, pejy 23-28 sy ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 5 Nitovitovy tamin’ny denaria 6 000 ny talenta iray tamin’ny andron’i Jesosy. Denaria iray isan’andro ny karaman’ny mpiasa iray ary nila niasa 20 taona teo ho eo izy vao nahazo talenta iray.

^ feh. 8 Nampisy fivadiham-pinoana i Satana rehefa maty ny apostoly, ary niroborobo nandritra ny taonjato maro izany. Tsy nisy ezaka natao mba hanampiana ny olona ho lasa tena mpianatr’i Kristy tamin’izany. Niova tanteraka anefa izany rehefa tonga ny “fotoam-pijinjana”, izany hoe ny andro farany. (Mat. 13:24-30, 36-43) Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013, pejy 9-12.

^ feh. 15 Jereo ilay lahatsoratra hoe “ ‘Hiambina Hatrany’ ve Ianao?”, fehintsoratra 13, ato amin’ity gazety ity.