Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohano Foana ny Rahalahin’i Kristy

Tohano Foana ny Rahalahin’i Kristy

“Araka izay nataonareo tamin’ny iray amin’ny kely indrindra amin’ireto rahalahiko ireto no nataonareo tamiko.”MAT. 25:40.

1, 2. a) Inona avy ireo fanoharana noresahin’i Jesosy tamin’ny namany akaiky? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no tokony ho fantatsika mahakasika an’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy?

NIRESAKA tamin’i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona i Jesosy. Vao avy nihaino azy nilaza ny fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ny virjiny folo, ary ny talenta ireo namany akaiky ireo. Mbola nilaza fanoharana iray izy rehefa namarana ny resany. Niresaka ny fotoana hitsaran’ny “Zanak’olona” ny “firenena rehetra” izy. Azo antoka fa tena nahaliana ny mpianany izany. Niresaka antokon’olona roa atao hoe ondry sy osy i Jesosy tamin’izay. Mbola nisy antokon’olona miavaka noresahiny, izay nolazainy fa ‘rahalahin’ny Mpanjaka.’—Vakio ny Matio 25:31-46.

2 Efa ela no nahaliana ny mpanompon’i Jehovah io fanoharana io. Rariny izany satria milaza izay hiafaran’ny olona i Jesosy ao amin’izy io. Nolazainy ao hoe nahoana no hisy hiaina mandrakizay sy ho ringana mandrakizay. Mila mahazo an’izay nolazainy sy manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, satria iankinan’ny aintsika izany. Tena mila mieritreritra àry isika hoe: Ahoana no nanampian’i Jehovah antsika tsikelikely mba hahazo kokoa an’io fanoharana io? Nahoana isika no milaza fa asongadin’io fanoharana io ny maha zava-dehibe ny fitoriana? Iza no nirahina hitory? Ary nahoana no izao isika no tena tokony tsy hivadika amin’ilay ‘Mpanjaka’ sy amin’ireo ‘rahalahiny’?

NIHANAZAVA KOKOA ILAY FANOHARANA

3, 4. a) Inona no zava-dehibe tokony ho fantatsika raha te hahazo ny hevitr’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy isika? b) Ahoana no nanazavan’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona an’ilay fanoharana, tamin’ny 1881?

3 Misy zava-dehibe telo tokony ho fantatsika mba hahazoantsika tsara an’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy: Iza ireo resahina ao? Rahoviana ilay fotoam-pitsarana? Ary nahoana ny olona iray no atao hoe ondry na osy?

4 Nilaza Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) tamin’ny 1881 fa i Jesosy no “Zanak’olona” na ‘Mpanjaka.’ Nihevitra ny Mpianatra ny Baiboly fa tsy ireo hiara-manjaka amin’i Kristy ihany no ‘rahalahin’ilay’ Mpanjaka fa ny olombelona rehetra efa lasa lavorary sy hiaina eto an-tany koa. Nieritreritra izy ireo fa mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ny fanavahana ny ondry sy osy. Nino koa izy ireo fa izay manaraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitiavana no atao hoe ondry.

5. Ahoana no nanazavana an’ilay fanoharana, tamin’ny 1923?

5 Nanampy antsika hahazo kokoa ny dikan’ilay fanoharana i Jehovah tatỳ aoriana. Nohamafisin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1923 fa i Jesosy no “Zanak’olona.” Nisy fanazavana nitombina tsara sy araka ny Soratra Masina anefa tao, nampiseho fa ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ihany no rahalahin’ilay Mpanjaka. Voalaza tao koa fa ireo manantena hiaina eto an-tany eo ambany fitondran’ilay Fanjakana no atao hoe ondry. Ary rahoviana ny fanavahana ny ondry sy osy? Nilaza ilay lahatsoratra fa hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ao amin’ilay Fanjakana Arivo Taona ireo rahalahiny. Tsy ho afaka hanampy na tsy hiraharaha azy ireo àry ny olona eto an-tany. Noho izany, dia tsy maintsy ho alohan’ny Fanjakana Arivo Taona ilay fanavahana. Nilaza koa ilay lahatsoratra fa lazaina hoe ondry ny olona iray rehefa manaiky an’i Jesosy ho Tompo sy manantena hoe ilay Fanjakana no hanatsara ny fiainana.

6. Inona no fanazavana vaovao tamin’ny 1995?

6 Inona no vokatr’ilay fanazavana? Lasa nihevitra ny vahoakan’i Jehovah hoe mandritra ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity ny tsirairay no hotsaraina ka ho hita hoe ondry na osy. Miankina amin’izay andraisany ny hafatra momba ilay Fanjakana no hitsarana azy. Nisy fanazavana vaovao anefa tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1995. Nasehon’ny lahatsoratra roa tao ny mampitovy ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:29-31 (vakio) sy Matio 25:31, 32. (Vakio.) * Nilaza àry ilay lahatsoratra voalohany hoe: “Mbola ho avy ny famoahana ny didim-pitsarana ho an’ny ondry sy ny osy.” ‘Hitranga izy io aorian’ny fipoahan’ilay “fahoriana” voalazan’ny Matio 24:29, 30, sy ny fahatongavan’ny Zanak’olona “amim-boninahitra.” Hitsara i Jesosy ary hamoaka sy hampihatra didim-pitsarana, amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity.’

7. Ahoana izao no fahazoantsika an’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy?

7 Mazava tsara amintsika izao ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. Iza ireo resahina ao? I Jesosy no “Zanak’olona” na Mpanjaka. Ireo lehilahy sy vehivavy voahosotra hiara-manjaka aminy any an-danitra no ‘rahalahin’ilay’ Mpanjaka. (Rom. 8:16, 17) Olona avy amin’ny firenena rehetra kosa ny “ondry” sy “osy”, ary tsy voahosotry ny fanahy masina. Rahoviana ilay fotoam-pitsarana? Aloha kelin’ny hifaranan’ny fahoriana lehibe. Ary nahoana ny olona iray no atao hoe ondry na osy? Miankina amin’izay ataony amin’ny voahosotra rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany izany. Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity. Faly tokoa àry isika satria nohazavain’i Jehovah tsikelikely io fanoharana io sy ireo fanoharana hafa mifandray aminy, ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25.

AHOANA NO ANASONGADINAN’ILAY FANOHARANA NY ASA FITORIANA?

8, 9. Nahoana no lazaina fa “olo-marina” ny ondry?

8 Tsy miresaka mivantana momba ny fitoriana i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. Nahoana àry isika no milaza fa manasongadina ny maha zava-dehibe ny fitoriana izy io?

9 Voalohany, mariho fa nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana i Jesosy teo. Mazava àry fa tsy niresaka fanavahana ondry sy osy ara-bakiteny izy. Tsy niteny koa izy hoe ny olona tsirairay voalaza fa ondry no tsy maintsy hanome sakafo sy fitafiana ho an’ny iray amin’ny rahalahiny, na hikarakara azy rehefa marary, na hitsidika azy any am-ponja. Tiany haseho kosa ny toetra tokony hananan’ny ondry an’ohatra rehefa mifandray amin’ny rahalahiny. Nahoana i Jesosy no nilaza fa “olo-marina” ny ondry? Satria eken’izy ireo fa rahalahin’i Kristy ireo voahosotra mbola eto an-tany ka tohanany foana amin’izao andro farany tena sarotra izao.—Mat. 10:40-42; 25:40, 46; 2 Tim. 3:1-5.

10. Ahoana no anampian’ny ondry ny rahalahin’i Kristy?

10 Faharoa, tadidio fa teo am-piresahana ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana. (Mat. 24:3) Nilaza izy teny am-piandohan’ny resany fa anisan’ny lafiny miavaka amin’ilay famantarana ny ‘fitoriana maneran-tany’ ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mat. 24:14) Niresaka an’ilay fanoharana momba ny talenta koa izy taloha kelin’ny niresahany momba ny ondry sy osy. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa tiany hasongadina amin’ilay fanoharana momba ny talenta hoe tsy maintsy mazoto mitory ny voahosotra. Tena asa be no miandry azy ireo. Vitsivitsy aminy mantsy sisa no eto an-tany mandritra ny fanatrehan’i Jesosy, nefa mila mitory amin’ny “firenena rehetra” izy ireo alohan’ny hahatongavan’ny farany. Hita amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy fa hisy hanampy izy ireo. Ny fanampiana azy ireo hahavita ny fitoriana àry no anisan’ny fomba lehibe indrindra anampian’ny ondry ny rahalahin’i Kristy. Inona avy no tafiditra amin’izany? Ampy ve ny manohana ara-bola sy mampahery azy ireo, sa misy zavatra hafa?

IZA NO TOKONY HITORY?

11. Inona no fanontaniana mipoitra ary nahoana?

11 Tsy voahosotra ny ankamaroan’ireo mpianatr’i Jesosy valo tapitrisa ankehitriny. Tsy nomen’i Jesosy talenta toa an’ireo mpanompony voahosotra izy ireo. (Mat. 25:14-18) Mipoitra àry ity fanontaniana ity: ‘Tena tokony hitory koa ve ny Kristianina tsy voahosotry ny fanahy masina?’ Izany tokoa, araka ireto antony ireto.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20?

12 Ny mpianany rehetra no nirahin’i Jesosy hitory. Naniraka ny mpanara-dia azy hanao mpianatra sy hampianatra ny olona hitandrina “izay rehetra” nandidiany izy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Anisan’ny zavatra nandidiany azy ireo ny fitoriana. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Ny mpianatr’i Kristy rehetra àry no tokony hitory, na ho any an-danitra izy na hiaina eto an-tany.—Asa. 10:42.

13. Inona no asehon’ilay fahitana hitan’i Jaona, ary nahoana?

13 Asehon’ny Apokalypsy fa samy hitory ny voahosotra sy ny olon-kafa. Nahazo fahitana avy tamin’i Jesosy ny apostoly Jaona, ka nahita an’ilay “ampakarina” nanasa ny olona “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 14:1, 3; 22:17) Ireo voahosotra 144 000 hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra io ampakarina io. Ilay rano dia ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana, amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy. (Mat. 20:28; Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10) Votoatin’ny hafatra torintsika ny vidim-panavotana. Mazoto mampianatra momba azy io ny voahosotra sady manampy ny olona handray soa amin’izy io. (1 Kor. 1:23) Misy olon-kafa tsy anisan’ny ampakarina anefa hitan’i Jaona tao amin’ilay fahitana. Asaina milaza koa izy ireo hoe: “Avia!” Iza ireo olon-kafa ireo? Ireo manantena hiaina eto an-tany. Mankatò izy ireo ka manasa olon-kafa koa mba hisotro amin’ny ranon’aina. Asehon’io fanoharana io àry fa manana andraikitra hitory ireo rehetra manaiky an’ilay fanasana hoe: “Avia!”

14. Inona no tafiditra amin’ny hoe mankatò “ny lalàn’i Kristy”?

14 Ireo rehetra mankatò “ny lalàn’i Kristy” no tokony hitory. (Gal. 6:2) Mitovy ny lalàna apetrak’i Jehovah ho an’ny mpanompony rehetra. Hoy, ohatra, izy tamin’ny Israelita: “Lalàna iray ihany no ho an’ny teratany sy ny vahiny eo aminareo.” (Eks. 12:49; Lev. 24:22) Tsy asaina manaraka ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Tsy maintsy mankatò “ny lalàn’i Kristy” anefa isika rehetra, na voahosotra na tsia. Tafiditra amin’izy io ny zavatra rehetra nampianarin’i Jesosy, ary ilay didy mba hifankatia no lehibe indrindra amin’izany. (Jaona 13:35; Jak. 2:8) Inona no anisan’ny fomba lehibe indrindra anehoantsika fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy ary ny mpiara-belona? Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Jaona 15:10; Asa. 1:8.

15. Nahoana isika no afaka milaza fa ny mpanara-dia an’i Jesosy rehetra no tokony hitory?

15 Mety hahakasika olona maro ny tenin’i Jesosy tamin’ny olona vitsivitsy. Ny mpianany 11 monja, ohatra, no nanaovany an’ilay fifanekena ny amin’ilay Fanjakana, nefa mihatra amin’ireo 144 000 ilay izy. (Lioka 22:29, 30; Apok. 5:10; 7:4-8) Vitsy tamin’ny mpianany koa no nomeny didy mba hitory, dia ireo nisehoany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Asa. 10:40-42; 1 Kor. 15:6) Nanaiky anefa ny mpanara-dia azy rehetra tamin’ny taonjato voalohany hoe nasaina nitory izy ireo, na dia tsy niteny mivantana tamin’izy ireo aza i Jesosy. (Asa. 8:4; 1 Pet. 1:8) Tsy miteny mivantana amin’ireo mpitory valo tapitrisa koa i Jesosy ankehitriny hoe mila mitory izy ireo. Miaiky anefa izy rehetra fa mila maneho finoana an’i Kristy sy mampiseho izany amin’ny fitoriana.—Jak. 2:18.

IZAO ISIKA NO TENA TSY TOKONY HIVADIKA

16-18. Inona no azontsika atao mba hanohanana ny rahalahin’i Kristy, ary nahoana no izao isika no tena tokony hanao izany?

16 Miady amin’ny voahosotra rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany i Satana. Hihamafy foana ny fanafihany, arakaraka ny maha “fohy” ny fotoana ananany. (Apok. 12:9, 12, 17) Mitarika ny fitoriana ny voahosotra na dia miaritra fitsapana mafy aza, ary mbola tsy betsaka toy ny amin’izao ny olona mandre ny vaovao tsara. Tena mitarika sy momba azy ireo tokoa i Jesosy.—Mat. 28:20.

17 Mihabetsaka ny olona mety ho lasa ondry. Voninahitra ho azy ireo ny manohana ny rahalahin’i Kristy amin’ny fitoriana sy amin’ny fomba hafa. Manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary tranon’ny sampana, ohatra, izy ireo ary manome vola ho amin’izany. Ankatoaviny foana koa ireo rahalahy tendren’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hitarika azy ireo.—Mat. 24:45-47; Heb. 13:17.

Maro ny zavatra ataon’ireo olona toy ny ondry, mba hanohanana ny rahalahin’i Kristy (Fehintsoratra 17)

18 Tsy ho ela dia havotsotr’ireo anjely ny rivotry ny fandringanana amin’ny fahoriana lehibe. Hitranga izany rehefa voaisy tombo-kase farany daholo ny rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany. (Apok. 7:1-3) Hakarina any an-danitra ireo voahosotra, alohan’ny hanombohan’ny Hara-magedona. (Mat. 13:41-43) Izao àry isika no tena tokony hanohana foana ny rahalahin’i Kristy, raha te ho anisan’ny ondry rehefa hitsara i Jesosy.

^ feh. 6 Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hijoroanao eo Anoloan’ny Seza Fitsarana?” sy ilay hoe “Inona ny Hoavy ho An’ny Ondry sy ny Osy?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1995.