Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Azo Atao Ihany ve ny Manambady “ao Amin’ny Tompo”?

Mbola Azo Atao Ihany ve ny Manambady “ao Amin’ny Tompo”?

“Tsy mety mahita vady eo anivon’ny fiangonana aho, ka matahotra ny ho antitra irery.”

“Tsara fanahy sy tsara toetra ary be fiahiana ny lehilahy sasany eo amin’ity tontolo ity. Tsy manohitra ny fivavahako izy ireo ary hoatran’ny mahafinaritra kokoa noho ny ranadahy sasany.”

Milaza hoatr’izany ny mpanompon’Andriamanitra sasany mitady vady. Fantatr’izy ireny tsara anefa ilay torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina rehetra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Nahoana àry no misy Kristianina milaza zavatra toy ireo?

NAHOANA NO MISY MISALASALA?

Mieritreritra angamba izy ireo hoe tsy mifandanja ny isan’ny rahalahy sy anabavy mpitovo afaka mivady. Tena marina izany any amin’ny tany maro. Ny 57 isan-jaton’ny Vavolombelona mpitovo any Korea, ohatra, no anabavy ary ny 43 isan-jato no rahalahy. Ny 66 isan-jaton’ny Vavolombelona any Kolombia kosa no anabavy ary ny 34 isan-jatony no rahalahy.

Lafo be koa ny vodiondry takin’ny ray aman-dreny tsy Vavolombelona any amin’ny tany sasany, ka lasa sarotra amin’ireo rahalahy tsy dia manam-bola ny manambady. Mety hihevitra àry ny anabavy sasany hoe tsy antenaina loatra ny hahazoana vady “ao amin’ny Tompo.” Lasa saina izy ireny hoe: ‘Mbola afaka ny hahazo vady Vavolombelona mety amiko ihany ve aho?’ *

TENA ILAINA NY MITOKY AMIN’I JEHOVAH

Efa lasa saina toy izany koa ve ianao? Matokia fa hitan’i Jehovah ny manjo anao. Fantany mihitsy aza ny fihetseham-ponao.—2 Tan. 6:29, 30.

Nataony ao amin’ny Teniny anefa ilay didy mba hanambady ao amin’ny Tompo ihany. Nahoana? Satria fantany ny mahasoa ny vahoakany. Tsy tiany hanao safidy ratsy ny mpanompony ka hijaly. Tiany ho sambatra kosa izy ireo. Niresaka ny ohatra ratsin’i Solomona i Nehemia rehefa nisy Jiosy maro nanambady olona hafa firenena sy tsy nanompo an’i Jehovah, tamin’ny androny. Tia an’i Solomona ny Andriamaniny, nefa ‘na izy aza voataonan’ny vehivavy hafa firenena hanota.’ (Neh. 13:23-26) Ny hahasoa ny mpanompony àry no nahatonga an’i Jehovah handidy azy ireo mba tsy hanambady afa-tsy olona tena manompo azy. (Sal. 19:7-10; Isaia 48:17, 18) Mankasitraka ny fiahian’i Jehovah ny tena Kristianina ary matoky ny tari-dalany. Mankatò azy amin’ny maha Mpitondra isika, ka manaiky fa izy no manan-jo hiteny amintsika izay tokony hataontsika.—Ohab. 1:5.

Azo antoka fa tsy tianao ny “hiray zioga” amin’ny olona mety hampiala anao amin’i Jehovah. (2 Kor. 6:14) Maro ny Kristianina mankatò ny didin’Andriamanitra, izay miaro foana hatramin’izay ka hatramin’izao. Miaiky izy ireo fa nety ny nataony. Nisy kosa nifidy ny tsy hankatò.

TENA MBOLA AZO ATAO IZANY

Nampiaraka tamin’ny lehilahy tsy Vavolombelona i Maggy, * anabavy any Aostralia. Hoy izy nitantara izay nitranga tamin’izy ireo vao niaraka: “Imbetsaka aho no tsy nivory, amin’izay mba tafaraka taminy. Niharatsy be ny fifandraisako tamin’i Jehovah.” I Ratana any Inde indray nampiaraka tamin’ny ankizilahy mpiara-mianatra taminy. Nanomboka nianatra Baiboly izy io. Hita anefa rehefa nandeha ny fotoana fa noho izy te hiaraka tamin’i Ratana no nahatonga azy hianatra. Niala tamin’ny fahamarinana i Ratana ary niova fivavahana mba hanambadiana azy.

Diniho koa ny nanjo an’i Ndenguè any Cameroun. Nanambady izy tamin’izy 19 taona. Nampanantena azy ilay fofombadiny fa havelany hanaraka ny fivavahany izy. Tsy navelany hivory intsony anefa izy, tapa-bolana taorian’ny mariazin’izy ireo. Hoy i Ndenguè: “Nanirery aho sady nitomany foana. Tsapako hoe tsy izaho intsony no mifehy ny fiainako. Nanenina foana aho.”

Marina fa tsy ny vady tsy Vavolombelona rehetra no lasa masiaka be sy manjakazaka. Ary na tsy hoatr’izany aza ilay vadinao raha manambady tsy Vavolombelona ianao, hanao ahoana ny fifandraisanao amin’ilay Rainao be fitiavana any an-danitra? Inona no ho tsapanao rehefa mieritreritra hoe tsy narahinao ilay torohevitra nomeny mba hahasoa anao? Ary ny tena lehibe dia hoe ahoana no ho fahitany an’ilay safidinao?—Ohab. 1:33.

Rahalahy sy anabavy maro eran-tany no afaka manaporofo fa tsy misy tsara hoatran’ny manambady “ao amin’ny Tompo ihany.” Tapa-kevitra hampifaly ny fon’i Jehovah ny Kristianina mpitovo, ka mpanompon’i Jehovah ihany no ekeny ho vady. Anabavy any Japon i Michiko ary nandresy lahatra azy hanambady tsy Vavolombelona ny havany. Mafy taminy ny nanohitra an’izany, nefa hitany koa fa nahita vady teo anivon’ny fiangonana ny sasany tamin’ny namany sy ny olom-pantany. Hoy izy: “Nataoko an-tsaina foana hoe ‘Andriamanitra falifaly’ i Jehovah ka afaka ny ho sambatra isika na manambady na tsia. Mino koa aho fa homeny antsika izay irin’ny fontsika. Raha tsy mahita vady àry isika nefa te hanambady, dia ny mijanona ho mpitovo aloha no mety indrindra.” (1 Tim. 1:11) Nanambady rahalahy mahafinaritra i Michiko tatỳ aoriana ary faly izy fa niandry.

Nisy rahalahy tsy maintsy niandry koa vao nahita vady nifanentana taminy. Anisan’izy ireny i Bill any Aostralia. Niaiky izy fa efa tia vehivavy tsy Vavolombelona. Niezaka mafy anefa izy mba tsy hifankazatra loatra tamin’izy ireny. Tsy tiany mantsy ny hanao zavatra hahatonga azy “hiray zioga” amin’ny tsy Vavolombelona. Nisy anabavy tiany koa saingy fitia tsy nifamaly ilay izy. Niandry 30 taona i Bill vao tojo anabavy nifanentana taminy. Hoy izy: “Tsy manenina aho. Sambatra aho satria miara-mitory izahay, miara-mianatra, ary miara-manompo an’i Jehovah. Mpanompon’i Jehovah daholo ny naman’ny vadiko, ka faly aho mihaona amin’izy ireny sy mifanerasera aminy. Mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly koa izahay mivady mba hanamafy orina ny tokantranonay.”

INONA NO AZO ATAO EO AM-PIANDRASANA AN’I JEHOVAH?

Inona no azonao atao rehefa avy nametraka an’ilay olana tamin’ilay Rainao be fitiavana ianao? Eritrereto ny antony tsy anambadianao. Noho ianao te hankatò an’ilay didy mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ve? Mendri-piderana ianao raha izany satria manaja ny didin’i Jehovah. Matokia fa faly izy satria tapa-kevitra ny hankatò ny Teniny ianao. (1 Sam. 15:22; Ohab. 27:11) Miezaha foana ‘hamboraka aminy ny ao am-ponao.’ (Sal. 62:8) Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao rehefa mitalaho mafy aminy foana. Hihatsara isan’andro ny fifandraisanao aminy, raha mankatò azy foana ianao, na eo aza ny fanirianao hanambady sy ny faneren’ny manodidina. Matokia fa miahy ny mpanompony tsy mivadika rehetra ilay Avo Indrindra, ary sarobidy eo imasony ianao. Mihevitra izay ilainao sy ny fanirianao izy. Marina fa tsy mampanantena hanome vady an’iza na iza izy. Raha tena mila vady anefa ianao, dia fantatr’Andriamanitra ny fomba tsara indrindra hanatanterahana ny fanirianao.—Sal. 145:16; Mat. 6:32.

Mety hitovy fihetseham-po amin’i Davida mpanao salamo ianao indraindray. Hoy izy: “Valio haingana aho, Jehovah ô! Efa ho tapitra ny aiko. Aza manafina ny tavanao amiko.” (Sal. 143:5-7, 10) Manàna faharetana raha izany no tsapanao, ka avelao ilay Rainao any an-danitra hampiseho hoe inona no tiany hatao ho anao. Ho vitanao izany raha mamaky ny Teniny sy misaintsaina izay vakinao ianao. Ho azonao tsara ny didiny amin’izay, ary ho hainao hoe ahoana no nanampiany ny vahoakany fahiny. Raha mihaino azy ianao, dia vao mainka hatoky fa fahendrena ny mankatò azy.

Sarobidy amin’ny fiangonana ny mpitovo, satria matetika no manampy ny mpianakavy sy ny ankizy

Inona koa no azonao atao mba ho sambatra sy ho be atao? Hararaoty mba hanatsarana ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny fotoana maha mpitovo. Miezaha halala-tanana, hazoto hiasa, ho mora ifandraisana, hahafoy tena ho an’Andriamanitra, ary ho tsara laza. Tena ilaina mba hahasambatra ny tokantrano ireo. (Gen. 24:16-21; Rota 1:16, 17; 2:6, 7, 11; Ohab. 31:10-27) Ataovy loha laharana ilay Fanjakana, ka mazotoa mitory sy manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Hiaro anao izany. Nilaza i Bill, ilay voaresaka teo aloha, fa nandalo haingana ireo taona, tamin’izy naniry hanambady. Nampiasainy hanompoana an’i Jehovah mantsy ny fotoana, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy.

Mbola azo atao tsara àry ny mankatò an’ilay didy mba hanambady “ao amin’ny Tompo.” Hanome voninahitra an’i Jehovah ianao raha manao izany ary ho afa-po foana. Hoy ny Baiboly: “Sambatra izay olona matahotra an’i Jehovah, sy finaritra erỳ mankatò ny didiny. Zava-tsarobidy sy harena no ao an-tranony, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.” (Sal. 112:1, 3) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hankatò an’ilay didin’Andriamanitra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.”

^ feh. 7 Ny anabavy no tena voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity, nefa mihatra amin’ny rahalahy koa ny toro lalana ato.

^ feh. 13 Novana ny anarana sasany.