Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TE HIANATRA BAIBOLY VE IANAO?

Fianarana ho An’ny Rehetra

Fianarana ho An’ny Rehetra

Mitory no tena ahalalan’ny olona anay Vavolombelon’i Jehovah. Fantatrao ve anefa fa mampianatra Baiboly maneran-tany koa izahay?

Misy Vavolombelona any amin’ny tany 240, ary 8 000 000 mahery izahay, tamin’ny 2014. Nitarika fampianarana Baiboly efa ho 9 500 000 isam-bolana izahay tamin’io taona io. * Eritrereto ange e! Firenena 140 eo ho eo no manana mponina vitsy kokoa noho ny isan’ny olona mianatra Baiboly.

Ahoana no nahavitanay Vavolombelon’i Jehovah an’izany? Efa ho 1 500 tapitrisa isan-taona ny Baiboly, boky, gazety, ary zavatra hafa avoakanay, amin’ny fiteny 700 eo ho eo. Tena miavaka ilay izy! Natao izany rehetra izany mba hahafahan’ny olona hifidy hoe amin’ny fiteny inona izy no hianatra.

FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA MOMBA AN’ILAY FIANARANA

Ahoana no fizotran’ilay fianarana?

Misy foto-kevitra maro azo ianarana, ary jerena ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy. Voavaly ao amin’ny Baiboly, ohatra, hoe iza Andriamanitra, hoatran’ny ahoana izy, iza no anarany, aiza izy no mipetraka, afaka mifandray aminy ve isika, sy ny sisa. Aiza ho aiza ao anefa ny valin’ireo?

Mba hahitan’ny olona ny valiny, dia matetika izahay no mampiasa an’ilay boky 224 pejy hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * Natao hanampiana ny olona hahalala an’izay tena ampianarin’ny Baiboly izy io. Maro ny foto-kevitra ao, ohatra hoe momba an’Andriamanitra, Jesosy Kristy, ny fijaliana, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny vavaka.

Ary ahoana ny fotoana sy ny toerana ianarana?

Ianao no mifidy ny fotoana sy toerana mety aminao.

Adiny firy no ilaina isaky ny mianatra?

Betsaka ny olona mianatra adiny iray eo ho eo isan-kerinandro. Azo ovaovana anefa ilay izy, arakaraka ny fotoananao. Misy, ohatra, mianatra 10 na 15 minitra monja isan-kerinandro.

Ohatrinona ny saram-pianarana?

Maimaim-poana ilay fianarana sy ny boky ampiasaina. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:8.

Maharitra hafiriana ilay fianarana?

Miankina aminao ihany ilay izy. Misy lesona 19 ao amin’ilay boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo vitaina haingana ilay izy nefa azo atao miadana koa arakaraka izay mety aminao, na inona na inona lesona tianao hianarana.

Tsy maintsy lasa Vavolombelon’i Jehovah ve aho rehefa mianatra Baiboly?

Tsia. Manan-jo hino an’izay tianao hinoana ianao, ary hajainay izany. Rehefa mahafantatra ny zavatra ampianarin’ny Baiboly anefa ianao, dia hahay hanapa-kevitra tsara.

Ahoana raha misy zavatra hafa tiako hanontaniana?

Misy fanazavana marina momba ny zavatra inoanay sy ataonay Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tranonkala jw.org/mg.

Ary ahoana no hataoko raha te hianatra Baiboly aho?

  • Mandefasa fangatahana ao amin’ny www.pr418.com/mg.

  •  
  • Na miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo.

^ feh. 4 Olona iray no ampianarina, na olona maromaro indray miaraka.

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa mihoatra ny 230 tapitrisa no natao pirinty tamin’ny fiteny 260 mahery.