Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miseho Amin’ny Alalan’i Kristy ny Herin’Andriamanitra

Miseho Amin’ny Alalan’i Kristy ny Herin’Andriamanitra

Amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra.” 1 KOR. 1:24.

1. Nahoana i Paoly no nilaza hoe “amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra”?

IMBETSAKA i Jehovah no nampiseho ny heriny. Nampiasa an’i Jesosy Kristy izy mba hanao zavatra miavaka. Nanao fahagagana be dia be i Jesosy tetỳ an-tany, ary tantaraina ao amin’ny Filazantsara efatra ny sasany. (Mat. 9:35; Lioka 9:11) Tena mampahery izy ireny. Nomen’i Jehovah hery lehibe tokoa i Jesosy. Hoy àry ny apostoly Paoly: “Amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra.” (1 Kor. 1:24) Inona anefa no vokatr’ireny fahagagana ireny eo amintsika?

2. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy?

2 Nilaza ny apostoly Petera fa nanao fahagagana na “fambara” i Jesosy. (Asa. 2:22) Midika izany fa mbola hanao zavatra tsara lavitra i Jesosy rehefa hanjaka ao amin’ny tontolo vaovao. Ny olona eran-tany mihitsy no handray soa amin’izay. Ianarantsika avy amin’ny fahagagana nataony koa fa tsara toetra izy sy ny Rainy. Hiresaka fahagagana vitsivitsy nataony isika izao, ary ho hitantsika hoe inona no vokatr’izy ireny eo amintsika dieny izao sy amin’ny hoavy.

TIA NANOME I JESOSY

3. a) Nahoana i Jesosy no nanao fahagagana tamin’ilay mariazy tao Kana? b) Inona no porofo fa tena tia manome i Jesosy?

3 Tao amin’ny mariazy iray tany Kana, any Galilia, i Jesosy no nanao fahagagana voalohany. Nihoatra angamba ny isan’ny olona tonga tao ka lany ny divay. Anisan’ireo nasaina i Maria, renin’i Jesosy. Azo antoka fa efa ela izy no nisaintsaina an’ireo faminaniana momba an’io zanany io. Efa fantany, ohatra, fa hantsoina hoe “Zanaky ny Avo Indrindra” izy io. (Lioka 1:30-32; 2:52) Nety ho nino àry izy fa hahavita zavatra miavaka i Jesosy, na dia mbola tsy nanao an’izany mihitsy aza. Hita fa nalahelo an’ilay mpivady vao i Maria sy Jesosy, tamin’io mariazy io. Nahamenatra mantsy ilay zava-nitranga. Fantatr’i Jesosy koa fa noheverina ho adidy ny mandray vahiny. Nanao fahagagana àry izy ka nanova rano 380 litatra teo ho eo ho “divay tsara.” (Vakio ny Jaona 2:3, 6-11.) Voatery nanao an’izany ve i Jesosy? Tsia. Nanao azy io anefa izy satria tsara fanahy sady tia manome, toy ilay Rainy any an-danitra.

4, 5. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahagagana voalohany nataon’i Jesosy? b) Inona no hitranga amin’ny hoavy rehefa jerena io fahagagana io?

4 Vitan’i Jesosy ny nanova ny rano ho divay tsara sy ampy ho an’olona be dia be. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Nanao an’io zavatra tena miavaka io izy, satria tena mahatsapa an’izay ao am-pon’ny olona izy sy ny Rainy sady tsy kahihitra. Saintsaino àry izay hitranga ao amin’ny tontolo vaovao. Hampiasa ny heriny i Jehovah amin’izay mba hanomezana hanim-pito loha “ho an’ny firenena rehetra.”—Vakio ny Isaia 25:6.

5 Eritrereto ange e! Hahazo sakafo mahavelona sy trano tsara ary izay zavatra hafa ilainy sy iriny ny olona tsirairay, rehefa lasa Paradisa ny tany. Homen’i Jehovah zava-tsoa be dia be isika amin’izay. Tena ho faly isika raha misaintsaina an’izany.

Manahaka an’i Jesosy isika raha mahafoy fotoana hanampiana olona (Fehintsoratra 6)

6. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny heriny, ary inona no hataontsika mba hanahafana azy?

6 Tsy nampiasa ny heriny mba hahazoana an’izay niriny i Jesosy. Noana, ohatra, izy indray mandeha, ka nampirisika azy hanova ny vato ho mofo ny Devoly. Tsy nanaiky anefa izy. (Mat. 4:2-4) Tsy tia tena izy fa nampiasa ny heriny hanampiana ny hafa. Inona no hataontsika mba hanahafana azy? Nampirisihiny ho “zatra manome” ny mpanompon’Andriamanitra. (Lioka 6:38) Nahoana raha miezaka manana an’izany toetra tena tsara izany, ka manasa olona hiara-misakafo sy hifampahery aminao? Hahafoy fotoana hanampiana ny hafa koa ve ianao rehefa avy mivory, ohatra hoe hihainoana azy mamerina ny lahateniny? Ary inona no azonao atao mba hanampiana an’izay mbola tsy mahay mitory tsara? Tia manome toa an’i Jesosy isika raha manampy ny hafa isaky ny afaka manao izany.

“NIHINANA NY REHETRA KA VOKY”

7. Inona no hisy foana mandra-pandringana an’ity tontolo ratsy ity?

7 Efa ela no nisy ny fahantrana. Nilaza tamin’ny Israelita i Jehovah fa hisy mahantra foana eo amin’izy ireo. (Deot. 15:11) Nilaza koa i Jesosy, tatỳ aoriana, hoe: “Eo aminareo foana ny mahantra.” (Mat. 26:11) Midika ve izany fa hisy mahantra foana mandrakizay? Tsia. Te hilaza i Jesosy fa hisy foana ny mahantra, mandra-pandringana an’ity tontolo ratsy ity. Nanao fahagagana àry izy mba hanaporofoana fa tsy hisy intsony izany rehefa hanjaka eto an-tany izy. Hanana sakafo be dia be ny olon-drehetra amin’izay ka ho voky tsara. Tsy mampahery anao ve izany?

8, 9. a) Nahoana i Jesosy no nanome sakafo olona an’arivony? b) Inona no tena manohina ny fonao amin’io fitantarana io?

8 Hoy ny Salamo 145:16 momba an’i Jehovah: “Manokatra ny tananao ianao, ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.” Nanahaka ny Rainy i Kristy ka nalala-tanana, ary matetika izy no nanome izay nirin’ny mpanara-dia azy. Nahoana izy no nanao izany? Tsy hoe mba hampisehoana ny heriny fotsiny fa noho izy tena nitady izay hahasoa ny hafa. Diniho ny Matio 14:14-21. (Vakio.) Noana angamba ny mpianatr’i Jesosy tamin’izay. Nalahelo koa izy ireo nahita an’ilay vahoaka be niaraka tamin’izy ireo. Nandeha an-tongotra nanaraka an’i Jesosy avy tany amin’ny tanàna maromaro ilay vahoaka, ka noana be sady reraka. (Mat. 14:13) Niresaka tamin’i Jesosy momba izany àry ny mpianany. Inona no nataon’i Jesosy?

9 Mofo dimy sy trondro roa no teny amin’i Jesosy, nefa nahavoky lehilahy 5 000 teo ho eo sy zaza amam-behivavy! Tsy manohina ny fonao ve izany? Tena tia olona sady nangoraka i Jesosy ka nampiasa ny heriny mba hanomezana sakafo an’ilay vahoaka manontolo, anisan’izany ny ankizikely. “Nihinana ny rehetra ka voky.” Be dia be mihitsy àry ny sakafo tamin’izay. Lavi-podiana ilay vahoaka, ka tsy sakafo indraim-bava fotsiny no nomen’i Jesosy azy ireo, fa sakafo nahavoky azy tsara mandra-pahatongany tany aminy. (Lioka 9:10-17) Mbola nahafeno harona 12 aza ny ambiny!

10. Inona no hitranga tsy ho ela?

10 An-jatony tapitrisa ankehitriny no tsy mahazo izay tena ilainy satria tsy manao ny rariny ny mpitondra. Mahita hohanina ihany ny rahalahintsika sasany saingy tsy tena voky. Soa ihany fa efa kely sisa dia ho foana ny tsy rariny sy ny fahantrana, ka ho sambatra izay tsy mivadika amin’i Jehovah. Tsy hanome izay ilain’ny hafa ve ianao raha manana hery hanaovana izany? Sady manana hery hanampiana ny hafa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no te hanao izany koa. Efa tena kely sisa dia hofoanany ny fijaliana!—Vakio ny Salamo 72:16.

11. Nahoana ianao no matoky fa kely sisa i Jesosy dia hanampy ny olona eran-tany, ary tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

11 Telo taona sy tapany monja i Jesosy no nitory tetỳ an-tany, ary faritra kely fotsiny no nitoriany. (Mat. 15:24) Ny olona eran-tany kosa no hampiany, rehefa hanjaka eto an-tany izy. (Sal. 72:8) Rehefa mandinika ny fahagagana nataony isika, dia matoky fa te hanao zavatra tsara ho antsika izy, ary tsy ho ela dia hampiasa ny fahefany hanaovana izany. Tsy mahavita fahagagana isika, nefa inona no azontsika atao? Mazotoa mitory ny Tenin’Andriamanitra. Vavolombelon’i Jehovah isika ka fantatsika hoe mampanantena ny Baiboly fa ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy. Tsy mahatsapa ve isika hoe manana adidy hiresaka an’izany? (Rom. 1:14, 15) Hazoto hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika raha misaintsaina ny zavatra tsara hataon’izy io.—Sal. 45:1; 49:3.

MAHAFEHY NY HERIN’NY NATIORA I JEHOVAH SY JESOSY

12. Nahoana isika no matoky fa mahay tsara momba ny tontolo iainana i Jesosy?

12 Nanampy an’Andriamanitra ny Zanany lahitokana, tamin’izy namorona ny tany sy ny zavaboary rehetra eto an-tany. “Mpiasa tena mahay teo anilany” izy io. (Ohab. 8:22, 30, 31; Kol. 1:15-17) Mahay tsara momba ny tontolo iainana àry i Jesosy. Hainy hoe ahoana no hampiasana sy hitsinjarana araka ny tokony ho izy ny zavatra vokarin’ny tany.

Inona no hitanao hoe nampiavaka an’i Jesosy rehefa nanao fahagagana? (Fehintsoratra 13, 14)

13, 14. Inona no porofo fa mahafehy ny herin’ny natiora i Jesosy?

13 Nahavita nifehy ny herin’ny natiora i Jesosy tetỳ an-tany, ka tena hita hoe ‘tamin’ny alalany no nisehoan’ny herin’Andriamanitra.’ Diniho, ohatra, ny nataony indray mandeha. Nisy tafio-drivotra ary efa saika maty ny mpianany. (Vakio ny Marka 4:37-39.) Hoy ny manam-pahaizana iray: ‘Rivo-doza na oram-be miampy rivo-mahery no tiana holazaina amin’ilay teny grika [nadika hoe “tafio-drivotra” ao amin’ny Marka 4:37]. Tsy rivotra kely indray mitsoka izy io fa rivotra mifofofofo be. Mainty be koa ny lanitra sady misy orana mikija. Simba daholo izay sendra an’izany.’

14 Alao sary an-tsaina ange e! Reraka be i Jesosy ka natory. Nisy onja tamy anefa avy any, ary nidona mafy be teo amin’ilay sambo, ka tafiditry ny rano tao anatiny, ary feno rano niparitaka sy nandroadroatra be. Natopatopan’ny onja koa ilay sambo. Ny orana amin’io nivatravatra be tsy nifandrenesana. Mbola renoka ihany anefa i Jesosy satria nila niala sasatra. Natahotra be ny mpianany ka namoha azy sady niantsoantso hoe: “Ho faty isika!” (Mat. 8:25) Nitsangana àry i Jesosy ka nibaiko ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Mangìna! Mitonia!” Dia nitsahatra ilay rivo-mahery ary tsy nanonja intsony ny ranomasina. (Mar. 4:39) “Nanjary tony dia tony ny andro.” Tena mahery tokoa i Jesosy!

15. Inona no porofo fa mahafehy ny herin’ny natiora ilay Andriamanitra Mahery Indrindra?

15 I Jehovah no nanome hery an’i Jesosy. Mahafehy tsara ny herin’ny natiora koa àry ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Inona no manaporofo an’izany? Hoy i Jehovah talohan’ny Safodrano: “Fito andro sisa dia hampilatsaka orana efapolo andro sy efapolo alina eny ambonin’ny tany aho.” (Gen. 7:4) Hoy koa ny Eksodosy 14:21: ‘Rivo-mahery avy any atsinanana no nentin’i Jehovah nampihemotra ny ranomasina.’ Milaza koa ny Jona 1:4 hoe: “Nampifofofofo rivotra mahery teny an-dranomasina i Jehovah, ka nisy tafio-drivotra be narahin’oram-baratra teny. Koa nila ho vaky ilay sambo.” Voafehin’i Jehovah tokoa ny herin’ny natiora. Manome toky antsika izany fa hilamina tsara ny tontolo iainana amin’ny hoavy.

16. Nahoana isika no faly rehefa mieritreritra hoe mahafehy ny herin’ny natiora i Jehovah sy Jesosy?

16 Faly isika rehefa misaintsaina hoe tena mahery ilay Mpamorona antsika sy ilay “mpiasa tena mahay” nanampy azy. Tsy hanana ahiahy isika rehetra, rehefa hikarakara ny tany manontolo izy ireo mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Ho tantara sisa ny loza, ka tsy hatahotra rivo-doza, tsunami, volkano, ary horohoron-tany intsony isika. Eritrereto ange izao e! Tsy hisy hitondra takaitra na ho faty noho ny loza intsony satria ho “eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra.” (Apok. 21:3, 4) Afaka matoky àry isika fa ho voafehy tsara ny herin’ny natiora amin’izay, satria homen’Andriamanitra hery hifehezana azy io i Jesosy.

TAHAFO ANDRIAMANITRA SY KRISTY

17. Inona no azontsika atao mba hanahafana an’Andriamanitra sy Kristy?

17 Tsy mitovy amin’i Jehovah sy Jesosy isika satria tsy mahasakana loza. Manana hery ihany anefa isika. Ahoana àry no hampiasantsika azy io? Ampiharo ny Ohabolana 3:27. (Vakio.) Omeo izay ilainy sy ampaherezo ireo mpiara-manompo manana olana, ary ampio hifandray tsara amin’i Jehovah foana. (Ohab. 17:17) Azonao ampiana, ohatra, izy raha tra-boina. Ravan’ny rivo-doza ny tranon’ny anabavy iray maty vady. Hoy anefa izy: “Tena faly aho fa anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy hoe nanome izay nilaiko fotsiny ny mpiara-manompo fa nanampy ahy hanana finoana matanjaka koa.” Kivy be sady very hevitra ny anabavy mpitovo iray satria simban’ny tafio-drivotra ny tranony. Nanampy azy anefa ny mpiara-manompo taminy, ka hoy izy: ‘Tsy hitako izay hotenenina! Tsy haiko izay teny hilazana ny ato am-poko. Misaotra Jehovah ô!’ Faly isika fa toy ny fianakaviambe iray tena mifanampy. Ny tena mahafaly anefa dia hoe tena mikarakara antsika i Jehovah sy Jesosy.

18. Inona no nampiavaka an’i Jesosy rehefa nanao fahagagana?

18 Nasehon’i Jesosy tetỳ an-tany fa ‘amin’ny alalany no isehoan’ny herin’Andriamanitra.’ Tsy izay hahasoa ny tenany na izay hahazoany dera avy tamin’olona anefa no notadiaviny. Nanao fahagagana kosa izy satria tena tia olona. Hiresaka bebe kokoa an’izany ny lahatsoratra manaraka.