Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao ve ny Hadio Fitondran-tena Foana?

Azo Atao ve ny Hadio Fitondran-tena Foana?

‘Diovy ny tananareo ary diovy ny fonareo.’—JAK. 4:8.

1. Inona no zava-misy ankehitriny?

TSY miezaka hadio fitondran-tena intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Tsy ratsy ny fijangajangana sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, any amin’ny tany maro. Mampirisika ny olona hanao izany mihitsy aza ny dokam-barotra sy ny filma ary ny hira. (Sal. 12:8) Be loatra ny olona ratsy fitondran-tena, ka mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Tena azo atao ve ny hadio fitondran-tena foana?’ Tena azo atao izany. Ampian’i Jehovah ny tena Kristianina ka afaka ny hadio fitondran-tena foana.—Vakio ny 1 Tesalonianina 4:3-5.

2, 3. a) Nahoana isika no tokony hiezaka mafy tsy hieritreri-dratsy? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Mila miezaka mba tsy hieritreri-dratsy isika raha te hadio fitondran-tena. Te hihinana an’izay jono hitany ny trondro. Toy izany koa fa lasa te hanatanteraka ny eritreritra vetaveta na fanirian-dratsy ao anatiny ny Kristianina iray, raha tsy manala izany haingana. Manaitra ny filan’ny nofo ny faniriana toy izany, ka mety hahatonga ny olona iray hijangajanga. Mety ho mafy be ilay faniriana rehefa ela ny ela, ka tsy ho voatohitra intsony. Mety ho sahy hanatanteraka an’ilay izy na dia ny mpanompon’i Jehovah aza, raha vao mahita hirika. “Miteraka fahotana” tokoa ny “faniriana.”—Vakio ny Jakoba 1:14, 15.

3 Tena mila mitandrina àry isika satria faniriana mihelina fotsiny dia mety hahatonga fahotana lehibe. Raha tsy avelantsika hitombo anefa ilay izy, dia tsy halaim-panahy hijangajanga isika ka tsy hizaka ny voka-dratsiny. (Gal. 5:16) Inona no hanampy antsika tsy hieritreri-dratsy? 1) Mila mifandray tsara amin’i Jehovah isika, 2) mila mankatò ny Teniny isika, ary 3) mila miresaka amin’ny Kristianina matotra isika. Handinika an’ireo isika izao.

“MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA”

4. Inona no vokany eo amintsika raha manatona an’i Jehovah isika?

4 Inona no tokony hataon’izay te ‘hanatona an’Andriamanitra’? Hoy ny Baiboly: ‘Diovy ny tananareo ary diovy ny fonareo.’ (Jak. 4:8) Raha tena raisintsika ho namana i Jehovah, dia hiezaka tsy hampalahelo azy isika amin’ny zava-drehetra ataontsika, anisan’izany ny zavatra eritreretintsika. Te ho “madio fo” isika, ka tsy te hieritreritra afa-tsy izay madio sy tsara ary mendri-piderana. (Sal. 24:3, 4; 51:6; Fil. 4:8) Marina fa takatr’i Jehovah hoe tsy lavorary isika ka mora mieritreri-dratsy. Tadidio anefa fa malahelo izy raha tsy ezahintsika esorina izay eritreri-dratsy mandalo ao an-tsaintsika fa avelantsika hitombo. (Gen. 6:5, 6) Saintsaino izany, dia ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hieritreri-dratsy ianao.

5, 6. Nahoana ny vavaka no manampy antsika tsy hieritreri-dratsy?

5 Mivavaha foana amin’i Jehovah hoe te handresy eritreri-dratsy ianao. Tena matoky azy ianao raha manao an’izany. Hanatona anao izy raha manatona azy amin’ny alalan’ny vavaka ianao. Homeny fanahy masina ianao, ka vao mainka ho tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena foana sy tsy hieritreri-dratsy. Lazao azy àry fa tena te hampifaly azy ianao, ka te hisaintsaina zavatra tsara. (Sal. 19:14) Manetry tena ve ianao, ka miangavy azy handinika sao misy “lalana mampahory” ao anatinao ao, izany hoe fanirian-dratsy mety hahatonga anao hanota? (Sal. 139:23, 24) Mitalaho amin’i Jehovah foana ve ianao mba hanampy anao tsy ho resin’ny fakam-panahy?—Mat. 6:13.

6 Tia nanao zava-dratsy angamba isika talohan’ny nanompoantsika an’i Jehovah, ary mbola te hanao an’ilay izy ihany indraindray. Afaka manampy antsika hiova anefa i Jehovah, ka hampifaly azy foana ny fanompoantsika. Niangavy an’i Jehovah toy izao, ohatra, i Davida Mpanjaka rehefa avy nijangajanga tamin’i Batseba: ‘Amorony fo madio aho, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova.’ (Sal. 51:10, 12) Mety ho tena te hanao zava-dratsy isika, nefa afaka manampy antsika hanana toe-tsaina vonona hankatò i Jehovah. Ary ahoana raha efa tena latsa-paka ilay eritreri-dratsy ka mitady tsy hieritreritra zavatra tsara intsony isika? Mbola afaka manampy antsika foana i Jehovah. Ataony izay hahavitantsika hankatò foana ny didiny, ka tsy hisy zava-dratsy hanandevo antsika.—Sal. 119:133.

Esory avy hatrany izay faniriana na eritreri-dratsy mitsiry ao am-ponao (Fehintsoratra 6)

‘AOKA IANAREO HO MPANKATÒ NY TENY’

7. Nahoana ny Tenin’Andriamanitra no manampy antsika tsy hieritreri-dratsy?

7 Omen’i Jehovah torohevitra avy ao amin’ny Teniny koa isika rehefa mangataka ny fanampiany. “Madio” ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Jak. 3:17) Manampy antsika tsy hieritreri-dratsy ny mamaky Baiboly isan’andro sy misaintsaina an’izay vakintsika ao. (Sal. 19:7, 11; 119:9, 11) Misy tantaran’olona sy torohevitra mandrisika antsika mba tsy hanana fanirian-dratsy koa ao.

8, 9. a) Inona no nahatonga ny tovolahy iray hijangajanga? b) Mbola azo ampiharina ve ny fampitandreman’ny Ohabolana toko faha-7? Manomeza ohatra.

8 Hoy ny Ohabolana 5:8, momba ny vehivavy ratsy fitondran-tena: “Ataovy lavitra azy foana ny lalanao, ary aza manakaiky ny fidirana mankao an-tranony.” Resahin’ny Ohabolana toko faha-7 fa tena ratsy ny vokany rehefa tsy arahina io torohevitra io. Voalaza ao hoe nisy tovolahy nandehandeha tamin’ny andro alina teny akaikin’ny tranon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena. Nanao akanjon’ny mpivaro-tena ilay vehivavy, ary nanatona azy teo an-joron-dalana, ka nitazona azy sady nanoroka azy. Nanao teny malefaka ravehivavy ka nanaitra ny filan’ilay tovolahy. Tsy nahatohitra ny faniriany intsony izy, ka nijangajanga. Toa tsy nieritreritra ny hijangajanga ilay tovolahy. Tanora fanahy sy tsy ampy saina izy, nefa tsy maintsy nizaka ny voka-dratsin’ny nataony. Raha mba tsy nandalondalo teny akaikin’ny tranon’ilay vehivavy mantsy izy!—Ohab. 7:6-27.

9 Mety tsy hisaina tsara koa isika indraindray, ka hanao zavatra hampidi-kizo antsika. Mety hanaitra ny filan’ny nofo mantsy ilay izy. Mandefa fandaharana na filma tsy mety amin’ny Kristianina, ohatra, ny tele sasany amin’ny alina. Ahoana àry raha tia manovaova ny zavatra jerentsika ao amin’ny tele isika? Ary ahoana indray no ataontsika rehefa mijery Internet? Mijerijery zavatra tsy tena ilaina ve isika, na miditra ao amin’ny tranonkala misy fanasana hijery sary vetaveta na hanao zavatra mamoafady hafa? Mety hahita zavatra manaitra ny filan’ny nofo isika raha manao an’izany, ka mety ho resin’ny fakam-panahy hijangajanga.

10. Nahoana no ratsy ny mijejojejo amin’olona tsy vadinao na tsy eritreretinao halaina ho vady? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Resahin’ny Baiboly koa hoe ahoana no tokony hifampitondran’ny lehilahy sy ny vehivavy. (Vakio ny 1 Timoty 5:2.) Hita ao fa tsy mety ny mijejojejo amin’olona tsy vadinao na tsy eritreretinao halaina ho vady. Misy, ohatra, manao fijery na fihetsika maneho fitiavana amin’olona tsy vadiny, ary mihevitra fa tsy mampaninona izany satria tsy mifampikasika izy sy ilay olona. Mety hieritreri-dratsy anefa ny olona iray raha manao an’izany na manaiky hanaovana an’izany, ary mety hanao fahotana lehibe amin’ny farany. Efa nitranga izany, ary mbola mety hitranga.

11. Inona no modely navelan’i Josefa ho antsika?

11 Modely ho antsika i Josefa. Tsy nanaiky ho resy izy rehefa naka fanahy azy ny vadin’i Potifara. Tsy nilavo lefona koa anefa ilay vehivavy fa nanasa azy hiaraka irery taminy foana isan’andro. (Gen. 39:7, 8, 10) Nilaza ny manam-pahaizana iray fa toa te hiteny ny vadin’i Potifara hoe: “ ‘Avia mba hitokana kely isika roa.’ Amin’izay mantsy mba i Josefa indray no hanadala azy.” Tsy nilefitra anefa i Josefa, na nanao zavatra mety hahatonga an’ilay vehivavy ho vao mainka hanadala azy. Tsy nanaiky hadalainy izy sady tsy nanadala azy, ka tsy nisy eritreri-dratsy nitsiry mihitsy tao am-pony. Nanery azy hanao firaisana taminy ilay vehivavy nony farany. Tonga dia “nandositra” anefa izy, ary “navelany teo an-tanan-dravehivavy” ny akanjony.—Gen. 39:12.

12. Inona no porofo fa mety hisy vokany eo amintsika izay jerentsika?

12 Mampitandrina antsika koa ny Baiboly hoe mety hisy fanirian-dratsy hitsiry na hitombo ao am-pontsika, raha tsy mifehy ny masontsika isika. Hoy i Jesosy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Mat. 5:28) Izany no nanjo an’i Davida Mpanjaka. ‘Nahatazana vehivavy nandro izy avy teo an-tampon-tranony.’ (2 Sam. 11:2) Vadin’olona ilay izy. Tsy naviliny anefa ny masony sy ny eritreriny ka lasa te hanao firaisana taminy izy, ary nijangajanga nony farany.

13. Nahoana isika no mila ‘manao fifanekena amin’ny masontsika’, ary inona no dikan’izany?

13 Tsy maintsy ‘manao fifanekena amin’ny masontsika’ toy ny nataon’i Joba isika, raha te handresy eritreri-dratsy. (Joba 31:1, 7, 9) Mila hentitra isika ka ho tapa-kevitra ny hifehy ny masontsika mba tsy hahatonga antsika hanana eritreritra vetaveta, rehefa mahita olona tsy vadintsika. Avilio àry ny masonao rehefa sendra sary manaitra ny filan’ny nofo ianao, na amin’ny tele izany, na amin’ny peta-drindrina, na amin’ny boky, na amin’ny zavatra hafa.

14. Inona no tokony hataontsika raha te hadio fitondran-tena foana isika?

14 Misy torohevitra hitanao fa tena manampy anao handresy eritreri-dratsy ve tamin’ireo nodinihintsika teo ireo? Ampiharo avy hatrany àry ilay izy. Ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy hanao zava-dratsy ianao fa hadio fitondran-tena foana.—Vakio ny Jakoba 1:21-25.

‘MIANTSOA ANTI-PANAHY’

15. Nahoana isika no tena mila mitady olona hanampy antsika rehefa miady mafy mba tsy hieritreri-dratsy?

15 Afaka manampy antsika koa ny mpiray finoana amintsika, raha miady mafy mba tsy hieritreri-dratsy isika. Marina fa tsy mora ny mamboraka olana toy izany. Aza misalasala anefa miresaka amin’ny Kristianina matotra sy mahay mandinika. Hanampy anao tsy hanamarin-tena izany. (Ohab. 18:1; Heb. 3:12, 13) Mety ho hitanao koa amin’izay hoe inona no tsy mety ka mila ovana. Ho naman’i Jehovah foana ianao raha manao izany.

16, 17. a) Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana an’ireo miady mafy mba tsy hieritreri-dratsy? Hazavao amin’ny ohatra. b) Nahoana no mila manatona anti-panahy avy hatrany izay nijery sary vetaveta?

16 Ny anti-panahy no tena afaka manampy antsika. (Vakio ny Jakoba 5:13-15.) Nisy tovolahy tany Brezila niady mafy an-taonany maro mba tsy hieritreri-dratsy. Hoy izy: “Fantatro hoe tsy tian’i Jehovah ilay izy, nefa menatra be aho hiresaka an’ilay izy amin’olona.” Nanatona azy anefa ny anti-panahy iray satria nahatsikaritra hoe nanana olana izy. Nampirisihiny hiresaka tamin’ny anti-panahy ilay tovolahy. Hoy io tovolahy io: “Tsy nampoiziko hoe tsara fanahy be ry zareo sady nahatakatra ny nanjo ahy, nefa tsy mendrika an’izany akory aho! Nihaino tsara ahy ry zareo, dia nampiasa andinin-teny mba hanamafisana fa tia ahy i Jehovah. Niara-nivavaka izahay avy eo. Lasa mora tamiko àry ny nanaiky ny torohevitra nomeny.” Niezaka nifandray tsara tamin’i Jehovah indray ilay tovolahy. Hoy izy tatỳ aoriana: “Izao vao tsapako hoe tsy tsara ny miady irery fa aleo mitady olona hanampy.”

17 Ary ahoana raha misy Kristianina zatra mijery sary vetaveta, ka lasa mieritreri-dratsy? Tena mila manatona anti-panahy izy. Raha mangataka andro izy, dia vao mainka hitombo ilay fanirian-dratsy, ary ‘hiteraka fahotana.’ Hisy voka-dratsiny amin’ny hafa izany, ary hanala baraka an’i Jehovah. Be fitiavana ny anti-panahy, ary maro ny Kristianina nanaiky hampian’izy ireo. Te hampifaly an’i Jehovah mantsy ireny Kristianina ireny sady te ho anisan’ny fiangonana foana.—Jak. 1:15; Sal. 141:5; Heb. 12:5, 6.

MIEZAHA HADIO FITONDRAN-TENA FOANA

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Vao mainka ratsy fitondran-tena ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana. Tena faly anefa i Jehovah satria miezaka mafy tsy hieritreri-dratsy sy hadio fitondran-tena ny mpanompony. Miezaha foana àry hifandray akaiky aminy, sy hankatò ny torohevitra omeny ao amin’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny fiangonana. Ho sambatra sy hilamin-tsaina isika dieny izao, raha madio fitondran-tena. (Sal. 119:5, 6) Hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao koa isika amin’ny hoavy. Tsy ho eo intsony i Satana amin’izay, ka hadio fitondran-tena ny olon-drehetra.