Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 1

Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 1

“Hohamasinina anie ny anaranao!”—MAT. 6:9.

1. Ahoana matetika no ampiasantsika an’ilay vavaka ao amin’ny Matio 6:9-13?

MARO no mahay tsianjery an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Matetika isika no miresaka an’io vavaka io rehefa mitory, mba hampahafantarana fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra ary hanova ny tany ho Paradisa. Angamba koa isika efa niresaka an’ilay hoe “hohamasinina anie ny anaranao”, mba hanaporofoana fa manana anarana Andriamanitra ary tokony hohamasinina izy io.—Mat. 6:9.

2. Inona no porofo fa tsy tian’i Jesosy hataontsika tsianjery ilay vavaka modely?

2 Tian’i Jesosy hanao tsianjery an’io vavaka io ve ny mpianany isaky ny mivavaka, toy ny ataon’ny olona maro? Tsia. Hoy i Jesosy talohan’ny nilazany azy io: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.’ (Mat. 6:7) Namerina nilaza an’io vavaka io izy tatỳ aoriana saingy novany ny teny nampiasainy. (Lioka 11:1-4) Te hampianatra antsika fotsiny àry izy hoe inona avy no tokony horesahina rehefa mivavaka ary inona no tokony hangatahina voalohany. Izany no iantsoana azy io hoe vavaka modely.

3. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

3 Hodinihintsika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka io vavaka modely io. Eritrereto àry hoe: ‘Inona no azoko ianarana avy amin’izy io mba hanatsarana ny vavaka ataoko? Mampihatra an’izay voalaza ao ve aho?’

“RAINAY IZAY ANY AN-DANITRA”

4. Mampahatsiahy antsika inona ilay hoe “Rainay”, ary nahoana i Jehovah no Rain’ireo manantena hiaina eto an-tany?

4 Tsy hoe “Raiko” no teny nampiasain’i Jesosy fa hoe “Rainay.” Mampahatsiahy antsika izany fa Raintsika rehetra i Jehovah ka mpirahalahy daholo isika sady tena mifankatia. (1 Pet. 2:17) Tena voninahitra lehibe izany! Miantso an’i Jehovah hoe “Ray” ny Kristianina voahosotra, ary rariny izany. Natsangany ho zanany mantsy izy ireo ary hiaina any an-danitra. (Rom. 8:15-17) Miantso an’i Jehovah hoe “Ray” koa ny Kristianina manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, satria izy no Mpanome aina. Tiany koa ny mpanompony rehetra ka omeny an’izay ilainy. Ho lasa tena zanak’Andriamanitra ireo manantena hiaina eto an-tany rehefa lasa lavorary sy tsy mivadika mandritra an’ilay fitsapana farany.—Rom. 8:21; Apok. 20:7, 8.

5, 6. Inona no fanomezana sarobidy azon’ny ray aman-dreny omena an-janany, ary inona no tokony hataon’ny ankizy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Azon’ny ray aman-dreny ampianarina hivavaka sy handray an’i Jehovah ho toy ny Ray tsara fanahy ny zanany. Manome fanomezana sarobidy ho an-janany izy ireo raha manao izany. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray atsy Afrika Atsimo: “Vao teraka ny zanakay roa vavy dia efa niara-nivavaka tamin’izy ireo foana aho isan’alina, raha tsy hoe tsy tao an-trano angaha. Matetika izy roa no milaza fa tsy tadidiny ny teny nolazaiko. Tadidiny kosa hoe niresaka nilamina tsara tamin’i Jehovah izahay sady tena nanaja azy. Vao nahay niteny izy ireo dia nasaiko nivavaka, amin’izay henoko izay nolazainy tamin’i Jehovah. Lasa fantatro àry ny tena tao am-pony. Nampianariko tsikelikely azy ireo avy eo hoe raha tiany hety tsara ny vavaka ataony, dia tokony hiresaka hevi-dehibe avy ao amin’ilay vavaka modely izy.”

6 Tsy mahagaga raha lasa nifandray tsara tamin’i Jehovah ny zanak’io rahalahy io. Miara-manompo manontolo andro amin’ny vadiny izao izy ireo, ary sambatra. Ampianaro hifandray akaiky amin’i Jehovah àry ny zanakao. Izany no fanomezana sarobidy indrindra azonao omena azy. Anjarany avy eo ny miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Mila miezaka ho tia ny anaran’Andriamanitra sy hanaja azy io, ohatra, izy.—Sal. 5:11, 12; 91:14.

“HOHAMASININA ANIE NY ANARANAO!”

7. Nahoana isika no sambatra, ary inona no tokony hataontsika noho izany?

7 Tena sambatra isika satria sady mahalala ny anaran’Andriamanitra no vahoaka ‘mitondra ny anarany.’ (Asa. 15:14; Isaia 43:10) Miangavy an’ilay Raintsika any an-danitra isika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao!” Azo antoka àry fa mivavaka koa isika mba hampiany tsy hiteny na hanao zavatra manala baraka ny anarany masina. Tsy tiantsika ny hitovy amin’ny Kristianina sasany fahiny. Tsy nampihatra an’izay notoriny mantsy izy ireo ka hoy i Paoly: “Tevatevaina eo amin’ny hafa firenena ny anaran’Andriamanitra, noho ny aminareo.”—Rom. 2:21-24.

8, 9. Milazà ohatra mampiseho fa mitahy an’izay manamasina ny anarany i Jehovah.

8 Te hanamasina ny anaran’i Jehovah isika. Maty, ohatra, ny vadin’ny anabavy iray any Norvezy, ka izy irery no nitaiza ny zanany lahy vao roa taona. Hoy izy: “Nivavaka foana aho isan’andro, saika isaky ny adiny iray mihitsy aza, mba hatanja-tsaina. Tsy te hanaonao foana na hivadika amin’i Jehovah mantsy aho, ka hahatonga an’i Satana hanaratsy azy. Te hanamasina ny anarany aho sady tiako hahita ny dadany indray ny zanako any amin’ny Paradisa.”—Ohab. 27:11.

9 Namaly ny vavak’io anabavy io ve i Jehovah? Eny. Niaraka foana tamin’ny mpiara-manompo izy ka nampahery azy izany. Nanambady anti-panahy izy, dimy taona tatỳ aoriana. Efa 20 taona izao ilay zanany ary efa vita batisa. Hoy izy: “Tena faly aho fa nanampy ahy hitaiza tsara azy ny vadiko.”

10. Inona no hataon’i Jehovah mba hanamasinana tanteraka ny anarany?

10 Horinganin’i Jehovah izay rehetra tsy manaiky azy ho mpitondra. Amin’izay vao hohamasinina tanteraka ny anarany ary tsy ho afa-baraka intsony. (Vakio ny Ezekiela 38:22, 23.) Ho lavorary tsikelikely ny olombelona avy eo. Hanamasina ny anaran’i Jehovah daholo, na anjely na olona. Tsy andrintsika izany fotoana izany. Ela ny ela ka ho “zava-drehetra ho an’ny rehetra” ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.—1 Kor. 15:28.

“HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO!”

11, 12. Inona no nampahafantarina an’ireo tena Kristianina, tamin’ny 1876?

11 Hoy ny apostoly, talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” Nohazavain’i Jesosy fa mbola tsy tamin’izay ny fotoana tokony hahalalan’izy ireo hoe rahoviana no hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nasainy nifantoka tamin’ny asa fitoriana kosa izy ireo, satria izany no tokony hataony. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:6-8.) Nasainy notadidina foana anefa hoe mbola ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Nivavaka momba izany foana àry ny Kristianina, nanomboka tamin’izay.

12 Inona no nitranga rehefa nanakaiky ilay fotoana nanombohan’i Jesosy nanjaka tany an-danitra? Nataon’i Jehovah izay hahalalan’ny vahoakany an’izany. Namoaka lahatsoratra tao amin’ny gazety Mpandinika Baiboly (anglisy) i Charles Russell, tamin’ny 1876. Izao no lohatenin’izy io: “Rahoviana no Hifarana ny Andron’ny Jentilisa?” Voalaza tao fa ho taona miavaka ny 1914. Noresahina tao koa hoe mifandray ilay “fe-potoana fito” nolazain’ny faminanian’i Daniela sy ilay “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” nolazain’i Jesosy. *Dan. 4:16; Lioka 21:24.

13. Inona no nitranga tamin’ny 1914, ary manaporofo inona ny zava-nitranga nanomboka tamin’izay?

13 Nisy ady nipoaka tany Eoropa tamin’ny 1914, ary nitatra eran-tany izy io. Nisy mosary mafy avy eo rehefa nifarana ilay ady, tamin’ny 1918. Nisy gripa mahery be koa, ary mihoatra noho ny maty tamin’ilay ady no matiny. Niseho tsikelikely àry ilay “famantarana” nolazain’i Jesosy fa hahalalana hoe efa manatrika na manjaka izy. (Mat. 24:3-8; Lioka 21:10, 11) Voaporofo fa tamin’ny 1914 i Jesosy Kristy Tompo no “nomena satroboninahitra. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.” (Apok. 6:2) Nanadio ny lanitra izy ka niady tamin’i Satana sy ny demoniany ary nanipy azy ireo tetỳ amin’ny manodidina ny tany. Tanteraka nanomboka tamin’izay ireto teny ireto: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apok. 12:7-12.

14. a) Nahoana no tena mbola ilaina ny mivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no hataontsika mandra-pahatongan’izany?

14 Hita amin’io faminaniana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-12 io hoe nahoana no lasa feno loza teto an-tany rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Manjaka any an-danitra izy, fa i Satana kosa mbola manjaka eto an-tany. “Hamita ny fandreseny” anefa i Jesosy tsy ho ela, ka hanafoana ny faharatsiana. Mandra-pahatongan’izany, dia hivavaka foana isika mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitory momba azy io foana koa isika. Anisan’ny “famantarana” miavaka nolazain’i Jesosy izany satria hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Mat. 24:14.

“HATAO ETỲ AN-TANY ANIE  NY SITRAPONAO”

15, 16. Inona no hataontsika, ankoatra ny hoe mivavaka mba hatao eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?

15 Natao tetỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, 6 000 taona lasa teo ho eo izay. Hitan’Andriamanitra tamin’izay fa “tena tsara” ny zava-drehetra nataony ho an’ny olombelona. (Gen. 1:31) Nikomy avy eo i Satana, ka lasa vitsy ny olona nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Faly anefa isika izao satria misy valo tapitrisa eo ho eo ny olona manompo an’i Jehovah. Tsy hoe mivavaka mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra fotsiny izy ireo fa miezaka manao ny sitrapony koa. Sady miezaka mampifaly azy eo amin’ny fiainany andavanandro izy ireo no mazoto manao mpianatra.

Ampianao hanao ny sitrapon’Andriamanitra ve ny zanakao? (Fehintsoratra 16)

16 Niezaka nampihatra an’ilay vavaka modely, ohatra, ny anabavy misionera iray tatsy Afrika. Natao batisa tamin’ny 1948 izy ary 80 taona izao. Hoy izy: “Matetika aho no mivavaka, mba hahare ny vaovao tsara sy hahalala an’i Jehovah daholo ny olona toy ny ondry, dieny mbola tsy tara loatra. Mivavaka koa aho alohan’ny hiresahako amin’ny olona iray, mba hahaizako hanohina ny fony. Rehefa mahita olona liana indray izahay, dia mivavaka aho hoe enga anie izahay hahavita hikarakara tsara azy ireny.” Mahita vokatra tsara àry io anabavy io. Niara-niasa tamin’ny mpiara-manompo maro izy, ka nahavita nanampy olona be dia be ho lasa vahoakan’i Jehovah. Angamba koa ianao mahalala mpitory be taona nefa mazoto manao sorona, izany hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra.—Vakio ny Filipianina 2:17.

17. Inona no tsapanao rehefa misaintsaina an’izay hataon’i Jehovah ho an’ny tany sy ny olombelona ianao?

17 Hivavaka foana àry isika mba hatao eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy hitsahatra hivavaka isika raha tsy efa ringana ny fahavalon’ilay Fanjakany. Amin’izay fotoana izay vao tena hatao etỳ ny sitrapony. Ho lasa Paradisa ny tany ary hisy olona an’arivony tapitrisa hitsangana amin’ny maty. Hoy i Jesosy: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feoko], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Tena hahafinaritra ny hitsena azy ireo. ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika.’ (Apok. 21:4) Olona “tsy marina”, izany hoe olona mbola tsy nahalala an’i Jehovah sy ny Zanany, ny ankamaroan’ireo hatsangana amin’ny maty. Ho faly isika hampianatra azy ireo ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany, mba hahafahan’izy ireo ‘hiaina mandrakizay.’—Asa. 24:15; Jaona 17:3.

18. Inona no tena ilain’ny olombelona?

18 Hohamasinina ny anaran’Andriamanitra rehefa tonga ny Fanjakany. Hiray saina sy hiadana ny olona rehetra amin’izay. Hotanterahin’i Jehovah ireo fangatahana telo voalohany ao amin’ilay vavaka modely. Ireo mantsy no tena ilain’ny olombelona. Mbola misy zavatra efatra hafa nasain’i Jesosy nangatahintsika anefa, ary zava-dehibe koa izy ireo. Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 12 Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 215-218, raha tianao ny hahalala hoe nahoana io faminaniana io no tanteraka tamin’ny 1914.