Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

Manahy Momba ny Fianakaviana

Manahy Momba ny Fianakaviana

Hoy i Janet: “Vao maty kelikely i Dada, dia niteny tamiko ny vadiko hoe misy vehivavy miaraka aminy. Nahorony ny entany, tsy ela taorian’izay, ary lasa tsy nanao veloma izy, ka nilaozany izahay telo mianaka.” Efa nitrosa tany amin’ny banky i Janet tamin’izy nividy an’ilay tranony, ka na nahita asa aza izy, dia tsy ampy nandoavany ny volan’ny banky akory ny karamany. Hoy koa izy: “Mafy be ilay miantsoroka andraikitra vaovao, sady amin’izay ianao irery no tsy maintsy manao an’ilay izy. Nanamelo-tena aho satria tsy nahavita nanome tsara an’izay ilain’ny zanako hoatran’ny ataon’ny ray aman-dreny hafa. Mbola lasa saina foana aho hatramin’izao hoe ahoana no fiheveran’ny olona an’ahy sy ny zanako. Mety hieritreritra ve izy ireo hoe tsy nanao izay azoko natao aho mba hanavotana ny tokantranoko?”

Janet

Ny vavaka no nanampy an’i Janet hifehy ny fihetseham-pony sy hiezaka hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Amin’ny alina no tena mafy, rehefa ilay mangina be iny. Miady saina be mantsy aho. Manampy ahy hahita tory ny mivavaka sy mamaky Baiboly. Tiako be ilay voalazan’ny Filipianina 4:6, 7 hoe: ‘Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.’ Imbetsaka aho no nahatsapa hoe nampionona ahy ny fiadanan’Andriamanitra, rehefa mivavaka aho amin’ny alina.”

Na inona na inona mampanahy antsika, dia hanampy antsika foana ity tenin’i Jesosy momba ny vavaka ity: “Fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.” (Matio 6:8) Mila mangataka aminy tokoa isika! Ny vavaka no tena hanampy antsika ‘hanatona an’Andriamanitra’, ary ‘hanatona antsika izy’ raha manao izany isika.—Jakoba 4:8.

Tsy hoe lasa maivamaivana fotsiny isika rehefa mivavaka. “Mpihaino vavaka” i Jehovah ka manao zavatra ho an’izay mino azy sy mitady azy. (Salamo 65:2) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny mpanara-dia azy mba “hivavaka foana, ka tsy hitsahatra.” (Lioka 18:1) Tsy maintsy mangataka ny fitarihan’Andriamanitra sy ny fanampiany foana isika, sady matoky hoe hamaly antsika izy. Aza misalasala mihitsy hoe tsy te hanao an’izany izy na tsy mahavita an’izany. Ho hita fa tena mino azy isika raha ‘tsy mitsahatra mivavaka.’—1 Tesalonianina 5:17.

INONA NO TENA DIKAN’NY HOE MANAM-PINOANA?

Inona marina ny finoana? Hanam-pinoana isika raha “mianatra hahalala” an’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Hahalala azy kosa isika raha mamaky Baiboly ka mianatra ny fomba fisainany. Ho hitantsika fa mandinika antsika tsirairay izy ary te hanampy antsika. Tsy izay mahafantatra zavatra kely momba an’Andriamanitra anefa dia manana finoana. Mila minamana aminy sy manaja azy koa ilay olona. Tsy misy olona tonga dia ho mpinamana vetivety eo fotsiny, ary toy izany koa ny minamana amin’Andriamanitra. Hitombo ny finoantsika arakaraka ny hahalalantsika azy, sy ‘hanaovantsika izay sitrany’, ary hahatsapantsika hoe manampy izy. (2 Korintianina 10:15; Jaona 8:29) Finoana toy izany no nahafahan’i Janet nizaka ny fanahiany.

Hoy i Janet: “Rehefa tsapako hoe teo foana i Jehovah, dia izay no tena nahatonga ahy hanam-pinoana. Imbetsaka izahay no nizaka ny tsy eran’ny aina. Nivavaka tamin’i Jehovah foana izahay ary nampiany tamin’ny fomba tsy noeritreretiko mihitsy. Isaky ny misaotra azy aho, dia tsaroako hoe be dia be ny zavatra nataony ho ahy. Tonga tamin’ny fotoana nilanay azy foana ny fanampiany. Izy koa no nanome ahy an’ireo Kristianina tena namako. Vonon-kanampy foana izy ireo sady ohatra tsara ho an’ny zanako.” *

“Azoko ny mahatonga an’i Jehovah hiteny hoe ‘halako ny fisaraham-panambadiana’, ao amin’ny Malakia 2:16. Mafy be izany hoe nisarahan’ny vadinao izany nefa ianao tsy diso! Efa ela ny vadiko no nandao anay nefa mbola manirery sy mahatsapa ho tsy misy vidiny ihany aho indraindray. Miezaka manao zavatra ho an’olona àry aho, dia izany foana no manampy ahy.” Ampiharin’i Janet ilay toro lalan’ny Baiboly hoe tsy mitokantokana ka lasa tsy dia manahy izy. *Ohabolana 18:1.

“Ray ho an’ny kamboty ray ary mpitsara ho an’ny mpitondratena Andriamanitra.”—Salamo 68:5

Hoy ihany i Janet: “Tena mampahery ahy ny mahafantatra hoe ‘Ray ho an’ny kamboty ray ary mpitsara ho an’ny mpitondratena Andriamanitra.’ Tsy handao anay toy ny nataon’ny vadiko mihitsy izy.” (Salamo 68:5) Fantatr’i Janet tsara fa tsy mitsapa antsika “amin-javatra ratsy” Andriamanitra. “Malala-tanana amin’ny rehetra” kosa izy rehefa manome fahendrena, sady manome antsika “hery fanampiny” mba hiatrehantsika fanahiana.—Jakoba 1:5, 13; 2 Korintianina 4:7.

Ary ahoana raha manahy ianao satria tandindomin-doza ny ainao?

^ feh. 10 Misy torohevitra hafa hanampy anao tsy hanahy be loatra koa ao amin’ilay matoan-dahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehanao ny Olana Mahazo Anao?”, ao amin’ny Mifohaza! Jolay 2015, azo alaina ao amin’ny jw.org/mg.