Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

Manahy Momba ny Loza

Manahy Momba ny Loza

Hoy i Alona: “Vao maheno fanairana aho, dia midobodoboka be ny foko. Mitsoaka haingana any amin’ny toerana fiafenana amin’ny baomba aho. Tsy milamina ny saiko na any aza aho. Vao mainka aho matahotra rehefa any ivelany ka tsy misy hiafenana. Tratran’izany aho indray mandeha, dia nitomany sady tsy avy miaina. Ela be aho vao tony, nefa naneno indray ilay fanairana.”

Alona

Tsy ny ady ihany no mahatonga loza. Mety ho toy ny nilatsaham-baratra, ohatra, ianao rehefa fantatrao hoe tratran’ny aretina mahafaty ianao na ny havanao akaiky. Mampanahy ny olona sasany koa izay havoakan’ny ampitso. Matahotra izy ireo sao ny zanany na ny zafikeliny hiaina ao anatin’ny ady, heloka bevava, areti-mandringana, ary tontolo iainana simba sy maloto. Inona no hanampy antsika tsy hanahy be loatra?

“Mahatsinjo ny loza ny malina ka miafina” satria fantany fa tsy maintsy hisy zava-dratsy hitranga. (Ohabolana 27:12) Miezaka miaro ny aintsika isika, ary afaka miaro ny saintsika sy ny fontsika koa. Tsy hoe tsy te hahita ny zava-misy akory isika raha tsy mijery sary feno herisetra. Manampy trotraka ny fanahiantsika sy ny an’ny zanatsika mantsy ny fialam-boly feno herisetra, ary na dia ny vaovao misy sary mahatsiravina aza. Tsy nataon’Andriamanitra ho feno zava-dratsy ny saintsika, fa tiany hofenointsika zavatra ‘marina, mahitsy, madio, ary mahatehotia.’ Hataon’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” tony tsara ny saintsika sy ny fontsika amin’izay.—Filipianina 4:8, 9.

ZAVA-DEHIBE NY VAVAKA

Manampy antsika hiatrika fanahiana ny tena finoana. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” (1 Petera 4:7) Mivavaha mba hampian’Andriamanitra, sy hahita hevitra ka hanao izay tsara indrindra vitantsika na dia mafy aza ny manjo. Matokia fa “mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika.”—1 Jaona 5:15.

Miaraka amin’i Avi, vadiny

Milaza ny Baiboly fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao” fa tsy Andriamanitra, ary ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) I Satana no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nampianatra antsika hivavaka izy hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Matio 6:13) Hoy i Alona: “Rehefa maneno ny fanairana, dia mivavaka amin’i Jehovah aho mba hahavitako hifehy ny fihetseham-poko. Mitelefaonina ahy koa ny vadiko dia miaraka mivavaka amiko. Tena manampy ny vavaka.” Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.”—Salamo 145:18.

ILAINA NY MANANTENA ZAVATRA TSARA

Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpanara-dia azy: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” (Matio 6:10) Hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy hisy intsony ny zavatra mampanahy. Hampiasa an’i Jesosy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana”, Andriamanitra ka ‘hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany.’ (Isaia 9:6; Salamo 46:9) “Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro” Andriamanitra. “Ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo. ... Tsy hisy hampangovitra azy.” (Mika 4:3, 4) Ho faly “hanao trano” ny fianakaviana “ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.” (Isaia 65:21) “Ary tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

Mety ho tratran’ny “tsy ampoizina” ihany isika na mitandrina be aza. (Mpitoriteny 9:11) Misy foana ny olona tsara fanahy matin’ny ady, herisetra, ary aretina, toy ny hatramin’izay. Ahoana ny amin’ireny olona ireny?

Matory izao ireny olona an-tapitrisany ireny, ary ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Ho avy anefa ny fotoana hivoahan’izay rehetra any am-pasana. (Jaona 5:28, 29) Hoy ny Baiboly, momba ny fitsanganan’ny maty: “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina.” (Hebreo 6:19) Efa nomen’Andriamanitra “antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany [an’i Jesosy] tamin’ny maty.”—Asan’ny Apostoly 17:31.

Miatrika fanahiana aloha izao, na dia ireo miezaka mampifaly an’Andriamanitra aza. Mahavita an’izany i Paul sy Janet ary Alona, satria manana fahendrena sy mivavaka ary mino ny fampanantenan’ny Baiboly. “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo”, toy ny nataony tamin’izy ireo.—Romanina 15:13.