Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatsarao Ilay Paradisa Ara-panahy

Hatsarao Ilay Paradisa Ara-panahy

“Homeko voninahitra ny fitoeran-tongotro.”—ISAIA 60:13.

HIRA: 102, 75

1, 2. Inona ilay fitoeran-tongotr’Andriamanitra?

HOY i Jehovah Andriamanitra: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro.” (Isaia 66:1) Hoy koa izy: “Homeko voninahitra ny fitoeran-tongotro.” (Isaia 60:13) Ahoana no anaovany an’izany? Ary inona no tokony hataontsika satria isika monina eto amin’ny ‘fitoeran-tongony’?

2 Tsy ny tany ihany no lazain’ny Soratra Hebreo hoe fitoeran-tongotr’Andriamanitra, fa ny tempoly tany Israely fahiny koa. (1 Tan. 28:2; Sal. 132:7) Tsara tarehy tamin’i Jehovah io tempoly io satria izy io no foiben’ny fivavahana marina teto an-tany. Nahazo voninahitra àry ny tany noho ilay tempoly.

3. Inona ilay tempoly ara-panahy lehibe, ary oviana izy io no nanomboka nisy?

3 Tsy tempoly ara-bakiteny intsony izao no foiben’ny fivavahana marina. Misy tempoly ara-panahy anefa ary io no tena manome voninahitra an’i Jehovah. Tsy inona izy io fa ny fandaharana nataony mba hihavanantsika aminy indray. Afaka mihavana aminy isika satria nanao sorona ho antsika i Jesosy Kristy sady lasa Mpisoronabe ho antsika. Nanomboka nisy io tempoly io rehefa natao batisa i Jesosy tamin’ny taona 29. Voahosotra ho Mpisoronabe ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe izy tamin’izay.—Heb. 9:11, 12.

4, 5. a) Inona no tena irin’ny vahoakan’i Jehovah, araka ny Salamo faha-99? b) Inona no tokony hosaintsainintsika?

4 Ankasitrahantsika io fandaharana nataon’i Jehovah io. Midera azy àry isika ka mampahafantatra ny anarany. Manome voninahitra azy koa isika noho izy mamindra fo amintsika ka nanome ny vidim-panavotana. Tena faly isika satria efa valo tapitrisa mahery izao ny tena Kristianina mazoto manome voninahitra an’i Jehovah. Misy mpivavaka mihevitra fa rehefa lasa any an-danitra izy vao hidera an’Andriamanitra. Isika kosa mahalala fa etỳ an-tany isika no tokony hidera azy ary izao izany no tokony hatao.

5 Arahintsika àry ny modelin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika resahin’ny Salamo 99:1-3, 5-7. (Vakio.) Hita ao fa tena nanohana ny fivavahana marina i Mosesy sy Arona ary Samoela. Izany koa no ataon’ny voahosotra ankehitriny. Ho lasa mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy izy ireo. Manompo eto an-tany anefa aloha izay voahosotra mbola eto. An-tapitrisany koa ny “ondry hafa” manohana azy ireo. (Jaona 10:16) Miara-manompo an’i Jehovah eto amin’ny fitoeran-tongony ny voahosotra sy ny ondry hafa, na dia tsy mitovy aza ny fanantenany. Ary ahoana ny amintsika tsirairay? Tsara isika raha misaintsaina hoe: ‘Tena manohana ny fivavahana marina ve aho?’

IZA IREO MANOMPO AO AMIN’NY TEMPOLY ARA-PANAHY?

6, 7. Inona no olana nitranga teo anivon’ny fiangonana kristianina, ary inona no nila natao, 1 800 taona mahery tatỳ aoriana?

6 Efa nilaza ny Baiboly fa hisy mpivadi-pinoana. Nitranga tokoa izany, zato taona latsaka taorian’ny niorenan’ny fiangonana kristianina. (Asa. 20:28-30; 2 Tes. 2:3, 4) Lasa sarotra, taorian’izay, ny nanavaka hoe iza marina no tena manompo an’Andriamanitra ao amin’ilay tempoly ara-panahy. Efa 1 800 taona mahery tatỳ aoriana vao tonga ny fotoana nampahafantaran’i Jehovah azy ireo. I Jesosy Kristy, izay vao avy notendreny ho Mpanjaka, no nasainy nanao izany.

7 Efa nazava tsara tamin’ny 1919 hoe iza ireo eken’i Jehovah hanompo ao amin’ilay tempoly ara-panahy. Nodiovina teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, mba hahatonga ny fanompoany hahafaly kokoa an’Andriamanitra. (Isaia 4:2, 3; Mal. 3:1-4) Nanomboka tanteraka àry ny fahitana iray hitan’ny apostoly Paoly 1 800 taona mahery talohan’io.

8, 9. Inona ilay “paradisa” hitan’i Paoly tao amin’ny fahitana?

8 Fahitana mahagaga ilay hitan’i Paoly. (Vakio ny 2 Korintianina 12:1-4.) Nilaza izy fa zavatra naharihary taminy ilay izy. Zavatra mbola tsy nisy tamin’ny androny no hitany. “Nentina ho any amin’ny lanitra fahatelo” izy ary nahita “paradisa.” Inona io paradisa io? Karazany telo ilay izy, ary samy hisy amin’ny hoavy. Voalohany, mety ho ilay Paradisa ara-bakiteny hisy eto an-tany izy io. (Lioka 23:43) Faharoa, mety ho ilay paradisa ara-panahy izy io, ary ao amin’ny tontolo vaovao isika vao tena hankafy azy io. Ary fahatelo, mety ho ilay “paradisan’Andriamanitra” izy io, izany hoe ny fiainana any an-danitra.—Apok. 2:7.

9 Nahoana i Paoly no nilaza fa “nandre teny tsy tokony holazaina izay tsy azon’olona tenenina”? Satria mbola tsy tamin’izay no fotoana hanazavana amin’ny an-tsipiriany an’ilay zavatra mahafinaritra hitany. Efa mahazo miresaka momba izany kosa isika izao satria efa manomboka miaina ao amin’ilay paradisa ara-panahy.

10. Inona no tsy mampitovy ny “paradisa ara-panahy” sy ny “tempoly ara-panahy”?

10 Fitenintsika matetika ilay hoe “paradisa ara-panahy.” Tsy mitovy ny “paradisa ara-panahy” sy ny “tempoly ara-panahy.” Inona no dikan’ny hoe ao amin’ny paradisa ara-panahy isika? Midika izany fa mahazo fitahiana miavaka isika satria voakarakara tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy, ka afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra sy amin’ny rahalahintsika. Ny “tempoly ara-panahy” kosa dia ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahafahantsika hanompo azy. Avelan’i Jehovah hanompo azy ao amin’io tempoly io ireo olona ankasitrahany. Ny zavatra mahafinaritra iainan’izy ireo no tiana holazaina amin’ny hoe paradisa ara-panahy.—Mal. 3:18.

11. Inona no tombontsoa ananantsika?

11 Navelan’i Jehovah hanampy azy hanorina an’ilay paradisa ara-panahy isika olombelona tsy lavorary, nanomboka tamin’ny 1919. Avelany hanatsara sy hanitatra azy io koa isika. Tena mahafaly izany! Mandray anjara amin’io asa miavaka io ve ianao? Vonona hiara-miasa amin’i Jehovah foana ve ianao, mba hanomezam-boninahitra ny ‘fitoeran-tongony’?

NOHATSARAINA NY FANDAMINAN’I JEHOVAH

12. Inona no zavatra inoantsika rehetra noho isika mahita fa efa tanteraka ny Isaia 60:17? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

12 Nilaza i Isaia fa hisy fanovana lehibe hatao eo anivon’ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Vakio ny Isaia 60:17.) Nitranga tokoa izany. Mety ho efa namaky an’ilay izy tao amin’ny bokintsika na nahare fitantarana momba an’ilay izy ny tanora sy ireo vaovao eo anivon’ny fandaminana. Ny hafa kosa nahita maso an’ilay fiovana mihitsy! Mino àry izy ireny fa tena i Jehovah no mitarika ny fandaminany ary mampiasa an’i Jesosy Mpanjaka izy amin’izany. Tsy hoe minomino fahatany ireny rahalahy sy anabavy ireny, ary toy izany koa isika rehetra. Asaivo tantarainy aminao ny zavatra niainany, dia hihamatanjaka ny finoanao sady hatoky kokoa an’i Jehovah ianao.

13. Inona no mila ataontsika, araka ny Salamo 48:12-14?

13 Isika rehetra mihitsy no mila miresaka amin’ny hafa momba ny fandaminan’i Jehovah, na efa ela isika no lasa mpanompony na vao haingana. Mahagaga hoe ao amin’ny paradisa ara-panahy isika nefa ity tontolo ity feno faharatsiana sy fankahalana! Hotantaraintsika amin’ny “taranaka ho avy” àry fa tena miavaka i “Ziona” na ny fandaminan’i Jehovah. Ho faly koa isika hiresaka momba an’ilay paradisa ara-panahy.—Vakio ny Salamo 48:12-14.

14, 15. Inona no fanitsiana natao teo anivon’ny fandaminana, taorian’ny taona 1970, ary nahoana izy ireny no nahasoa?

14 Maro ny zokiolona nahita maso an’ilay fanatsarana ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tadidin’izy ireo, ohatra, fa rahalahy iray monja no niandraikitra ny fiangonana fa tsy rahalahy maromaro. Natao hoe mpikarakara ny fiangonana izy io. Rahalahy iray natao hoe mpikarakara ny sampana koa no niandraikitra ny tany iray, fa tsy Komitin’ny Sampana. Rahalahy iray nantsoina hoe prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana koa no nanome tari-dalana tany amin’ny foibe, fa tsy olona maromaro antsoina hoe Filan-kevi-pitantanana. Marina fa nisy nanampy ireny rahalahy nahafoy tena ireny. Ilay rahalahy irery anefa no tena nandray fanapahan-kevitra, na ilay tany amin’ny fiangonana izany na ilay tany amin’ny sampana na ilay tany amin’ny foibe. Nahitsy izany taorian’ny taona 1970. Lasa anti-panahy maromaro no niandraikitra teo anivon’ny fandaminana fa tsy olon-tokana.

15 Nahasoa ireny fanitsiana ireny, ary izany no tokony ho izy. Lasa nazava kokoa mantsy ny Soratra Masina ka fantatra hoe ahoana no tokony hitarihana ny fiangonana. Tsy olona iray intsony àry no manapa-kevitra fa ny anti-panahy rehetra. I Jehovah no nanendry an’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny. Samy mahasoa ny fandaminana daholo ny toetra tsaran’izy ireny.—Efes. 4:8; Ohab. 24:6.

Omen’i Jehovah ny tari-dalana tena ilainy ny olona rehetra, na aiza na aiza (Fehintsoratra 16, 17)

16, 17. Inona no tianao indrindra amin’ireo fanitsiana teo anivon’ny fandaminana, ary nahoana?

16 Diniho koa ireo fanitsiana tato ho ato. Novana, ohatra, ny endriky ny boky aman-gazetintsika sy ny zavatra resahina ao ary ny fomba izarana azy. Manintona izy ireny sady misy soso-kevitra azo ampiharina, ka mahafinaritra ny mizara azy. Ampiasaintsika mba hitoriana koa ny teknolojia farany. Mitory amin’ny alalan’ny tranonkala jw.org, ohatra, isika. Porofo izany fa te hanampy ny olona rehetra i Jehovah. Tsy mba mahazo tari-dalana tsara mantsy ny ankamaroany, nefa tena mila an’izany.

17 Tena hevitra tsara koa ilay hoe nahena ny fivoriantsika isan-kerinandro. Lasa manam-potoana kokoa hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na hianarana samirery mantsy isika. Faly koa isika fa nohatsaraina ireo fivoriambe. Matetika aza isika no milaza fa mihatsara ilay izy isan-taona! Lasa nisy sekoly ara-baiboly maro koa tato ho ato mba hampiofanana antsika bebe kokoa. Tsy mahafaly anao ve izany? Hita avy amin’ireny fanitsiana ireny fa i Jehovah no mitarika ny fandaminany. Hatsarainy tsikelikely izy io sy ilay paradisa ara-panahy.

MITONDRA NY ANJARA BIRIKINAO VE IANAO?

18, 19. Inona no azontsika atao mba hanatsarana an’ilay paradisa ara-panahy?

18 Omen’i Jehovah voninahitra isika ka avelany hanatsara an’ilay paradisa ara-panahy. Manao izany isika rehefa mazoto mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. Efa azo lazaina hoe manitatra an’ilay paradisa isika, rehefa mahavita manampy olona ho lasa mpanompon’i Jehovah.—Isaia 26:15; 54:2.

19 Manatsara an’ilay paradisa ara-panahy koa isika raha miezaka foana mba ho tsara toetra. Hahasarika ny olona kokoa ilay paradisa raha manao izany isika. Marina fa mahay Baiboly isika. Tsy izany anefa matetika no mahasarika ny olona hanatona an’i Jehovah sy Jesosy fa noho isika madio fitondran-tena sy tia fihavanana.

Miezaka manitatra an’ilay paradisa ara-panahy ve ianao? (Fehintsoratra 18, 19)

20. Inona no tokony hataontsika, araka ny Ohabolana 14:35?

20 Azo antoka fa faly be mihitsy i Jehovah sy Jesosy mandinika an’ilay paradisa ara-panahy. Efa faly isika izao manatsara an’io paradisa io nefa vao mainka ho faly isika rehefa hanova ny tany ho Paradisa. Tadidio foana ny Ohabolana 14:35 hoe: “Ny mpanompo lalin-tsaina no mahafinaritra ny mpanjaka.” Aoka àry isika hisaina tsara foana ka hiezaka mafy hanatsara an’ilay paradisa ara-panahy.