Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hajao ny Trano Fivavahantsika

Hajao ny Trano Fivavahantsika

“Handany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” —JAONA 2:17.

HIRA: 127, 118

1, 2. a) Taiza avy ny mpanompon’i Jehovah fahiny no nivavaka? b) Ahoana no niheveran’i Jesosy ny tempoly tao Jerosalema? d) Inona no hodinihintsika ato?

EFA ela ny mpanompon’Andriamanitra no nanana toerana fivavahana. Nety ho teo amin’ny alitara, ohatra, i Abela no nanao fanatitra ho an’i Jehovah. (Gen. 4:3, 4) Samy nanorina alitara koa i Noa, Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Mosesy. (Gen. 8:20; 12:7; 26:25; 35:1; Eks. 17:15) Nasain’i Jehovah nanorina tranolay masina koa ny Israelita. (Eks. 25:8) Nanorina tempoly hivavahana amin’i Jehovah izy ireo, tatỳ aoriana. (1 Mpanj. 8:27, 29) Nivory tsy tapaka tany amin’ny synagoga ny Jiosy, rehefa avy natao sesitany tany Babylona. (Mar. 6:2; Jaona 18:20; Asa. 15:21) Nivory tany an-tranon’ny mpiray finoana taminy ny Kristianina voalohany. (Asa. 12:12; 1 Kor. 16:19) Any amin’ireo Efitrano Fanjakana an’aliny eran-tany kosa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny no mianatra momba azy sy miara-mivavaka.

2 Tena tia sy nanaja ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema i Jesosy. Nilaza àry ny mpanoratra Filazantsara iray fa tanteraka taminy ity faminaniana ity: “Mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” (Sal. 69:9; Jaona 2:17) Tsy tena azo lazaina hoe “tranon’i Jehovah” toy ny tempoly tany Jerosalema ny Efitrano Fanjakana. (2 Tan. 5:13; 33:4) Tokony hohajaintsika anefa ny trano fivavahantsika. Handinika toro lalana hanampy antsika amin’izany isika izao. Hojerentsika hoe ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana, ahoana no hikarakarana azy ireny, ary inona no azontsika atao mba hanana efitrano izay mbola tsy manana. *

HAJAO NY FIVORIANTSIKA

3-5. Inona no atao atỳ amin’ny Efitrano Fanjakana, ary ahoana no tokony hiheverantsika ny fivoriana noho izany?

3 Ny Efitrano Fanjakana no foiben’ny fivavahana marina eo amin’ny faritra iray. Atỳ isika no mivory isan-kerinandro, ary nataon’i Jehovah mba hahazoantsika sakafo ara-panahy izany. Atỳ koa isika no omen’ny fandaminana tari-dalana sy fampaherezana tena ilaina. I Jehovah sy Jesosy anefa no tena manasa an’izay rehetra tonga mivory. Izy ireo no manasa antsika hisakafo eo amin’ny “latabatr’i Jehovah.” (1 Kor. 10:21) Marina fa misy foana io fanasana io nefa tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy.

4 Tena tian’i Jehovah hiara-mivavaka sy hifampahery isika. Nasainy nampirisika antsika àry ny apostoly Paoly mba tsy hahafoy ny fiarahana mivory. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Tsy manaja an’i Jehovah isika raha tsy mivory nefa tsy misy antony lehibe. Tena mankasitraka an’i Jehovah sy ny fivoriana kosa isika raha manomana tsara, ary mazoto mandray anjara rehefa tonga any.—Sal. 22:22.

5 Tokony ho hita amin’izay ataontsika atỳ amin’ny efitrano fa manaja azy io sy ny fivoriana atao atỳ isika. Manome voninahitra ny anaran’i Jehovah isika rehefa manao an’izany. Matetika mantsy no misoratra eo ivelan’ny efitrano ny anarany.—Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 8:17.

6. Inona no lazain’ny olona momba ny Efitrano Fanjakana sy ireo mivory ao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Matetika no tsikaritry ny olona tsy Vavolombelona hoe manaja ny toerana ivoriantsika isika. Hoy ny lehilahy iray any Torkia: “Madio sy milamina ilay Efitrano Fanjakana. Nanao akanjo milamina tsara koa ny olona tao sady nitsikitsiky sy nandray ahy tsara. Tena nampiaiky volana ahy izany!” Nivory tsy tapaka ilay lehilahy nanomboka teo, ary tsy ela dia natao batisa. Nasain’ny fiangonana iray tany Indonezia hitsidika ny Efitrano Fanjakana ny mpiara-monina sy ny manam-pahefana teo an-toerana, talohan’ny hitokanana azy io. Tonga àry ny ben’ny tanàna. Gaga izy satria tsara tarehy ilay efitrano sady misy zaridaina kanto. Mety tsara koa ny zava-drehetra ao anatiny sy eny ivelany. Hoy izy: “Madio tsara ilay trano! Hita hoe tena mpivavaka ianareo.”

Hita amin’ny ataonao ve fa tsy manaja an’i Jehovah ianao? (Fehintsoratra 7, 8)

7, 8. Inona no tsy tokony hataontsika raha manaja an’i Jehovah isika rehefa mivory?

7 Tokony ho hita amin’ny fihetsitsika, ny akanjontsika, ny taovolontsika, ary ny fihaingontsika fa manaja an’ilay Andriamanitra manasa antsika hivory isika. Tsy tokony hanao zavatra tafahoatra anefa isika. Misy, ohatra, sarotiny loatra ka miteny hoe izao no mety sy tsy mety rehefa atỳ am-pivoriana. Ny hafa indray tsy mivaky loha mihitsy. Marina fa tian’i Jehovah hahazo aina tsara isika sy ny olona asaintsika, rehefa mivory. Tsy manaja an’ireo fivoriana anefa isika raha manao akanjo baranahiny be, na misakafo, na variana mandefa SMS sy miresaka, na manao zavatra hafa. Tokony hampianarin’ny ray aman-dreny koa ny zanany hoe tsy natao hihazakazahana na hilalaovana atỳ amin’ny Efitrano Fanjakana.—Mpito. 3:1.

8 Tezitra be i Jesosy rehefa nahita olona nivarotra tao amin’ny tempoly, ka noroahiny izy ireo. (Jaona 2:13-17) Toerana fianarana momba an’i Jehovah sy fivavahana aminy koa ny Efitrano Fanjakana. Tsy tokony hividy na hivarotra zavatra àry isika rehefa atỳ.—Ampitahao amin’ny Nehemia 13:7, 8.

AHOANA NO AHAZOANA EFITRANO FANJAKANA?

9, 10. a) Inona no ezaka ataon’ny fandaminan’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no fandaharana ataontsika mba hanana efitrano ny fiangonana any amin’ny tany mahantra?

9 Miezaka mafy manorina Efitrano Fanjakana ny fandaminan’i Jehovah. Trano tsotsotra no atao, ary tsy karamaina ny olona manao planina sy manorina ary manavao azy ireny. Efitrano Fanjakana tsara tarehy 28 000 mahery àry no vita eran-tany, nanomboka tamin’ny 1 Novambra 1999. Midika izany fa nahavita efitrano dimy eo ho eo isan’andro isika, tato anatin’ny 15 taona.

10 Ampiana mba hanana Efitrano Fanjakana daholo izay fiangonana mila an’izany. Arahintsika ilay toro lalan’ny Baiboly hoe afaka manampy an’izay tsy manana izay manana vola mihoatra, mba ‘hisian’ny fitoviana.’ (Vakio ny 2 Korintianina 8:13-15.) Inona no vokatr’izany? Nahazo trano tsara tarehy hivavahana amin’i Jehovah ny fiangonana maro any amin’ny tany mahantra. Tsy ho nanana efitrano mihitsy izy ireny, raha tsy nampiana.

11. Inona no nolazain’ny mpiara-manompo amintsika rehefa nahazo Efitrano Fanjakana izy ireo, ary inona no tsapanao noho izany?

11 Nanoratra toy izao ny fiangonana iray any Costa Rica rehefa nahazo Efitrano Fanjakana: “Hoatran’ny manonofy izahay mahita an’ilay efitrano tsara tarehy. Tena tsy mampino! Valo andro dia vita tanteraka ilay izy! Tsy ho vita izany raha tsy nitahy anay i Jehovah. Soa ihany koa fa nanampy anay ny fandaminany sy ireo rahalahy malalanay. Tena fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ilay efitrano. Faly be mihitsy izahay!” Faly be toy izany koa ny mpiara-manompo amintsika any amin’ny faritra maro eran-tany rehefa mahazo Efitrano Fanjakana. Tsy mampahery anao ve izany? Hita hoe mitahy antsika i Jehovah. Vao mahavita efitrano mantsy isika, dia matetika no be dia be ny olona tonga ao mba hianatra momba an’ilay Mpamorona be fitiavana.—Sal. 127:1.

12. Inona no azonao atao mba handraisana anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana?

12 Maro ny rahalahy sy anabavy mirotsaka an-tsitrapo manorina Efitrano Fanjakana. Mahatsiaro ho sambatra izy ireny. Azontsika rehetra atao koa anefa ny manome vola hanohanana an’ilay tetikasa. Nahavita nanorina trano fivavahana ny vahoakan’i Jehovah fahiny satria nazoto nanao fanomezana. Mazoto manome koa isika ankehitriny, ka mahazo voninahitra i Jehovah.—Eks. 25:2; 2 Kor. 9:7.

DIOVY FOANA NY EFITRANO FANJAKANA

13, 14. Inona no toro lalan’ny Baiboly manampy antsika hanadio sy handamina tsara foana ny Efitrano Fanjakana?

13 Tokony hadio sy hilamina foana ny Efitrano Fanjakana. Andriamanitra tia filaminana mantsy ilay ivavahantsika. (Vakio ny 1 Korintianina 14:33, 40.) Hita ao amin’ny Baiboly fa madio ny olona masina sy ny olona manaraka ny fivavahana marina. (Apok. 19:8) Ny olona madio ihany àry no eken’i Jehovah hanompo azy.

14 Tsy ho menatra hanasa olona hivory isika raha ataontsika madio sy milamina foana ny efitrano. Ho hita mantsy fa mampihatra an’ilay vaovao tsara torintsika isika. Hiaiky ny olona fa masina ilay Andriamanitra ivavahantsika, ary kely sisa izy dia hanadio ny tany sy hanova azy io ho Paradisa.—Isaia 6:1-3; Apok. 11:18.

15, 16. a) Inona no mety hahatonga ny Efitrano Fanjakana tsy hadio, nefa nahoana izy io no tena mila diovina? b) Inona no fandaharana ataon’ny fiangonana misy anao mba hanadiovana efitrano, ary inona no azon’ny tsirairay atao?

15 Misy olona tena tia fahadiovana fa ny hafa kosa tsy dia mivaky loha. Tsy tena tia manadio ny olona sasany satria efa izay no nitaizana azy. Ny hafa koa angamba efa zatra fotaka sy vovoka ary lalan-dratsy, na tsy manana rano sy fitaovana ampy. Tokony ho modely eo amin’ny manodidina anefa ny Efitrano Fanjakana, ka tokony hadio sy hilamina foana, na manao ahoana na manao ahoana zava-misy na toe-tsain’ny olona eo an-toerana. Atỳ amin’ny Efitrano Fanjakana mantsy isika no mivavaka amin’i Jehovah, ary ahitana ny anarany eo ivelan’izy io.—Deot. 23:14.

16 Tsy tokony hoe rehefa sendra mahatsiaro isika rehetra vao hanadio efitrano. Mila manao fandaharam-potoana mba hanadiovana azy io ny anti-panahy. Tokony hojeren’izy ireo koa raha ampy tsara ny fitaovana fanadiovana mba ho voakarakara tsara foana ilay trano. Misy fanadiovana mila atao isaky ny avy mivory, fa misy kosa mahalankalana vao tokony hatao. Tokony halamina tsara sy harahi-maso izany mba tsy hisy zavatra hadino. Ampirisihina ny rehetra eo anivon’ny fiangonana mba hanohana an’ilay fandaharana, satria voninahitra ny manao an’izany.

KOJAKOJAO TSARA NY EFITRANO FANJAKANA

17, 18. a) Inona no modely navelan’ny mpanompon’i Jehovah fahiny? b) Nahoana no tokony hokarakaraina tsara foana ny Efitrano Fanjakana?

17 Miezaka mafy koa ny mpanompon’i Jehovah mba hikojakoja foana ny trano fivavahany. Izany no nataon’i Joasy, mpanjakan’i Joda. Nasainy nampiasain’ny mpisorona ‘hanamboarana an’izay triatra’ tamin’ny tranon’i Jehovah izay vola nomen’ny vahoaka. (2 Mpanj. 12:4, 5) Nanao toy izany koa i Josia Mpanjaka, 200 taona mahery tatỳ aoriana. Nanamboarany an’izay simba tao amin’ny tranon’i Jehovah ny vola fanomezana tao.—Vakio ny 2 Tantara 34:9-11.

18 Misy sampana manao tatitra fa tsy dia mikojakoja trano sy fitaovana ny olona any amin’ny tany sasany. Nahoana? Satria angamba vitsy no mahay an’ilay asa sy manana vola hanaovana an’izany. Vetivety anefa dia ho simba ny Efitrano Fanjakana, ary ho lasa ratsy laza eo amin’ny manodidina i Jehovah, raha atao tsirambina ny fikojakojana azy. Hahazo voninahitra kosa i Jehovah raha miezaka mikarakara tsara azy io isika. Tsy ho lanilany koa ny fanomezan’ireo mpiray finoana amintsika.

Aza atao tsirambina ny fanadiovana sy fikojakojana ny Efitrano Fanjakana (Fehintsoratra 16, 18)

19. Inona no hataonao mba hampisehoana fa manaja ny trano fivavahana amin’i Jehovah ianao?

19 Trano notokanana ho an’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana. Tsy an’olon-tokana na an’ny fiangonana iray àry izy io, na dia mety ho anaran’olona na anarana fiangonana aza no misoratra any amin’ny fanjakana. Toerana fivavahana amin’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana, ka hataontsika izay hahatonga azy io ho mendrika an’izany foana. Hanampy antsika ireo toro lalana hitantsika tato. Samy afaka miezaka isika mba hanaja ny Efitrano Fanjakana, hanome vola hanorenana efitrano vaovao, ary hazoto hanadio sy hikojakoja azy ireny foana. Hasehontsika amin’izany fa mafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah isika, toa an’i Jesosy.—Jaona 2:17.

^ feh. 2 Ny Efitrano Fanjakana no tena horesahina ato. Azo ampiharina amin’ny Efitrano Fivoriambe sy ny trano hafa natao hivavahana amin’i Jehovah koa anefa ny toro lalana ato.