Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaka ho Matotra toa An’i Kristy ve Ianao?

Miezaka ho Matotra toa An’i Kristy ve Ianao?

‘Tratraro ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’—EFES. 4:13.

HIRA: 69, 70

1, 2. Inona no tanjon’ny Kristianina rehetra? Manomeza ohatra.

AHOANA no ataon’ny olona mahay miantsena rehefa hividy voankazo? Tsy voatery hifidy an’izay ngeza indrindra na izay mora indrindra foana izy. Voankazo tsara tsiro sy manitra ary mahasalama kosa no tadiaviny, izany hoe voankazo efa masaka tsara.

2 Toy ny voankazo masaka tsara ny Kristianina matotra. Ny ho lasa Kristianina matotra no tanjon’ny olona nanokan-tena sy natao batisa. Mila mandroso ara-panahy anefa izy raha te ho matotra. Nilaza tamin’ny Kristianina tany Efesosy ny apostoly Paoly fa nila niezaka mba ho matotra izy ireo. Nampirisihiny izy ireo mba hanana ‘zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, ho tonga olon-dehibe, ary hahatratra ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’—Efes. 4:13.

3. Inona no itovizan’ny fiangonan’i Efesosy sy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

3 Efa nisy elaela ny fiangonan’i Efesosy rehefa nanoratra ho azy ireo i Paoly. Efa tena matotra ny Kristianina maro tao. Mbola nisy nila niezaka mba ho matotra koa anefa tao. Toy izany koa ankehitriny. Efa ela no nanompo an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah maro ary efa matotra ara-panahy. Tsy ny rehetra anefa no toy izany. An’arivony, ohatra, no atao batisa isan-taona ary mbola mila miezaka mba ho matotra ny sasany aminy. Ary ianao?—Kol. 2:6, 7.

INONA NO HANAMPY ANAO HO MATOTRA?

4, 5. Inona no tsy mampitovy ny Kristianina na dia samy matotra aza izy ireo, nefa inona no itovizany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Tsy mitovy tanteraka ny voankazo iray karazana, na dia samy masaka aza. Misy mampitovy azy ihany anefa ary izany no amantarana azy hoe masaka. Samy hafa firenena sy kolontsaina koa ny Kristianina matotra, ary tsy mitovy ny tanjany, ny fitaizana azony, ny toetrany, ny taonany ary ny traikefa ananany. Misy toetra mampiavaka ny Kristianina matotra anefa ary samy manana an’izany toetra izany izy ireo. Inona avy izany?

5 Manahaka an’i Jesosy ny Kristianina matotra ka ‘manaraka akaiky ny diany.’ (1 Pet. 2:21) Inona no nolazain’i Jesosy fa tena zava-dehibe? Nilaza izy hoe tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fo sy ny tena ary ny saina manontolo isika, ary tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. (Mat. 22:37-39) Miezaka mankatò an’izany ny Kristianina matotra. Hita eo amin’ny fiainany hoe mifandray akaiky amin’i Jehovah izy ary be fitiavana sy mahafoy tena ho an’ny hafa. Ireo no zava-dehibe indrindra aminy.

Manetry tena toa an’i Kristy ny rahalahy zokiolona ka manohana an’ireo tanora kokoa, izay mitarika eo anivon’ny fiangonana (Fehintsoratra 6)

6, 7. a) Inona no toetra sasany mampiavaka ny Kristianina matotra? b) Inona izao no fanontaniana hodinihintsika?

6 Tsy ny fitiavana ihany anefa no ananan’ny Kristianina matotra fa ny vokatry ny fanahy rehetra, anisan’izany ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena ary ny fahari-po. (Gal. 5:22, 23) Samy tena ilaina ireo. Hanampy azy tsy ho sosotra ireo toetra ireo rehefa misy olana. Hahavita hiaritra sy hanana fanantenana foana koa izy na dia misy zavatra mahakivy aza. Mikaroka toro lalana afaka manampy azy hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny Kristianina matotra, isaky ny mianatra samirery. Hita hoe matotra izy avy eo rehefa manapa-kevitra. Henoiny, ohatra, ny feon’ny fieritreretany, satria efa nampiofanin’ny Baiboly. Manetry tena koa izy ka manaiky fa ny tari-dalan’i Jehovah sy ny fitsipiny foana no tokony harahina. * Mazoto mitory ny vaovao tsara izy ary manampy ny fiangonana hiray saina.

7 Na efa ela isika na vao haingana no nanompo an’i Jehovah, dia tsara ny mieritreritra hoe: ‘Inona no fiovana mbola azoko atao mba hanahafako kokoa an’i Jesosy, ka hahatonga ahy ho matotra kokoa hatrany?’

‘NY VENTIN-KANINA DIA HO AN’NY OLONA MATOTRA’

8. Nahoana isika no afaka milaza fa tena nahay ny Soratra Masina i Jesosy?

8 Tena nahay ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Vao 12 taona monja izy dia efa nahavita nanazava azy io tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly. “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.” (Lioka 2:46, 47) Nahay nampiasa andinin-teny koa i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny mpanohitra azy, ka tsy nahavaly azy izy ireo.—Mat. 22:41-46.

9. a) Ahoana no tokony hataonao rehefa mianatra, raha te ho matotra ianao? b) Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mianatra Baiboly?

9 Rehefa jerena izay nataon’i Jesosy, dia hita fa tsy ampy ny mahalala ambangovangony an’izay lazain’ny Baiboly raha te ho matotra. Ilaina koa ny mandalina tsy tapaka azy io, satria ‘ny ventin-kanina dia ho an’ny olona matotra.’ (Heb. 5:14) Te hanana ‘fahalalana marina tsara momba ny Zanak’Andriamanitra’ ny Kristianina matotra. (Efes. 4:13) Mamaky Baiboly isan’andro àry ve ianao? Zatra mianatra samirery ve ianao? Miezaka manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ve ianao isan-kerinandro? Inona no azonao atao rehefa mandinika ny Tenin’Andriamanitra ianao? Mitadiava toro lalana hanampy anao hahafantatra ny hevitr’i Jehovah sy ny fihetseham-pony. Ampiharo izany avy eo rehefa manapa-kevitra. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao amin’izay.

10. Tsy maintsy miezaka mba hanao inona ny Kristianina matotra?

10 Tsy ampy anefa ny manana fahalalana. Tsy maintsy miezaka koa ny Kristianina matotra mba ho tia ny torohevitr’i Jehovah sy ny toro lalany. Raha tena tia an’ireo izy, dia ny sitrapon’i Jehovah aloha no ataony fa tsy ny azy. Azo inoana koa fa efa niezaka nanaisotra ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany taloha izy. Manahaka an’i Kristy kosa izy ka mitafy ny toetra vaovao, izay “noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.” (Vakio ny Efesianina 4:22-24.) Nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra rehefa nampanoratra ny Baiboly. Mamela ny fanahy masina hanan-kery eo amin’ny fony sy ny sainy àry ny Kristianina iray rehefa mandalina ny fitsipiky ny Baiboly sy tia an’izany. Hanampy azy ho matotra ara-panahy izany.

MIRAISA SAINA

11. Inona no zavatra niainan’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany?

11 Lavorary i Jesosy nefa nifanerasera tamin’ny olona tsy lavorary izy tetỳ an-tany. Tsy lavorary ny ray aman-dreniny sy ny iray tam-po aminy. Na ny mpianany akaiky azy indrindra aza nanambony tena sy tia tena, satria izany no toe-tsain’ny olona tamin’izany. Ny alina talohan’ny hamonoana an’i Jesosy, ohatra, dia “nifanditra mafy” izy ireo “momba ny hoe iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy.” (Lioka 22:24) Natoky anefa i Jesosy fa hihamatotra ny mpanara-dia azy na dia tsy lavorary aza, ka ho lasa fiangonana miray saina. Nivavaka i Jesosy tamin’io alina io mba hiray saina ny apostoliny. Nangataka tamin’ilay Rainy any an-danitra izy hoe: “Mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo [ary] mba ho iray tahaka antsika.”—Jaona 17:21, 22.

12, 13. a) Inona no tanjon’ny Kristianina, araka ny Efesianina 4:15, 16? b) Inona no nanampy ny rahalahy iray hiala tamin’ny toetra ratsiny sy hampisy firaisan-tsaina?

12 Manampy ny fiangonana hiray saina ny mpanompon’i Jehovah rehefa matotra. (Vakio ny Efesianina 4:1-6, 15, 16.) Tiantsika ho “tafakambana mirindra tsara” sy hahay hiara-miasa ny vahoakan’i Jehovah rehetra. Milaza ny Baiboly fa ilaina ny manetry tena raha te hiray saina. Manetry tena ny olona matotra ka manao izay hisian’ny firaisan-tsaina, na eo aza ny olana vokatry ny tsy fahalavorariana. Inona no ataonao rehefa manao fahadisoana ny rahalahy na anabavy iray? Ary ahoana raha misy mpiara-manompo manao zavatra mahasosotra anao? Manangana rindrina manasaraka anareo ve ianao sa miezaka manorina tetezana hampifandray anareo? Tia mamitram-pihavanana sy miezaka manao izany ny Kristianina matotra fa tsy mihatakataka amin’izay nampahatezitra azy.

13 Diniho ny tantaran’ny rahalahy iray. Mora tezitra izy taloha rehefa nisy mpiara-manompo nanao zavatra nahasosotra azy. Nanapa-kevitra hianatra momba an’i Davida àry izy, ka nandinika ny Baiboly sy ny boky Fandalinana ny Soratra Masina. Nahoana? Hoy izy: “Ratsy fanahy tamin’i Davida ny mpanompon’i Jehovah sasany. Nitady hamono azy, ohatra, i Saoly Mpanjaka. Nisy vahoaka saika hitora-bato azy koa, ary na ny vadiny aza naneso azy. (1 Sam. 19:9-11; 30:1-6; 2 Sam. 6:14-22) Tsy navelan’i Davida hampihena ny fitiavany an’i Jehovah mihitsy anefa ny zavatra nataon’ny hafa. Tia namindra fo koa i Davida. Tena nila nanana an’io toetra io aho. Niova ny fiheverako ny mpiara-manompo rehefa avy nianatra momba an’i Davida aho. Tsy mitana lolompo intsony aho izao, fa miezaka mampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana.” Ataonao tanjona koa ve ny hampiray saina ny fiangonana?

MITADIAVA NAMANA MANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH

14. Iza no nofidin’i Jesosy ho namany akaiky?

14 Tsara fanahy tamin’ny rehetra i Jesosy Kristy. Tia niaraka taminy ny olona, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na ny ankizy aza. Nofidiny tsara kosa ny namany akaiky. Hoy izy tamin’ireo apostoliny tsy mivadika: “Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.” (Jaona 15:14) Olona nanara-dia azy foana sady nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo no nataon’i Jesosy namana akaiky. Olona manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo koa ve no ataonao namana akaiky? Nahoana izany no zava-dehibe?

15. Nahoana no mahasoa ny tanora ny mifanerasera amin’ny Kristianina matotra?

15 Maro ny voankazo tsy masaka tsara raha tsy mahazo hafanan’ny masoandro. Azo oharina amin’ny hafanana ny fitiavana, ka hihamatotra ny olona rehefa mahatsapa hoe tia azy ny mpiara-manompo aminy. Misy olona efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela eo anivon’ny fiangonana. Manampy ny fiangonana hiray saina izy ireny. Mety ho efa nifandimby teo amin’ny fiainan’izy ireny ny soa sy ny ratsy. Angamba koa izy ireny efa niatrika zava-tsarotra tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tanora àry ve ianao ka mieritreritra hoe inona no hataonao eo amin’ny fiainana? Afaka manampy anao hifidy ny fomba fiaina tsara indrindra ireny rahalahy sy anabavy ireny. Tena hendry ianao raha mifandray tsara sy mifanerasera aminy. Handray fanapahan-kevitra tsara ianao amin’izay sady hihamatotra.—Vakio ny Hebreo 5:14.

16. Inona no nataon’ny Kristianina matotra mba hanampiana ny tanora iray?

16 Niresaka momba ny tanjon’izy ireo, ohatra, ny mpiara-mianatra tamin’i Helga, tamin’ny taona farany nianarany teny amin’ny lise. Maro taminy no te hianatra teny amin’ny oniversite, satria nihevitra fa izany no hanampy azy hahazo asa tsara. Niresaka momba ny tanjony tamin’ireo namany teo anivon’ny fiangonana kosa i Helga. Hoy izy: “Efa zokiko ny maro taminy, ary tena nanampy ahy. Nampirisika ahy hanompo manontolo andro izy ireo. Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny dimy taona aho taorian’izay. Faly aho izao, taona maro atỳ aoriana, satria natokako hanompoana an’i Jehovah ny fahatanorako. Tsy manenina mihitsy aho!”

17, 18. Nahoana isika no tokony hiezaka mba ho matotra ara-panahy?

17 Hihamatotra ara-panahy isika rehefa miezaka manahaka an’i Jesosy. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika sady vao mainka haniry hanompo azy araka izay fara herintsika. Rehefa lasa Kristianina matotra ny olona iray vao ho afaka hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Nampirisika ny mpianany i Jesosy hoe: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’—Mat. 5:16.

18 Hitantsika tato fa mahasoa ny fiangonana ny Kristianina matotra. Mahay mampiasa ny feon’ny fieritreretany koa izy ireny. Nahoana ny feon’ny fieritreretantsika no afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara? Ary inona no ataontsika raha manaja ny feon’ny fieritreretan’ny mpiray finoana amintsika isika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

^ feh. 6 Mety hiangaviana mba tsy hanao ny andraikiny sasany intsony, ohatra, ny rahalahy zokiolona efa ampy traikefa, fa hanampy rahalahy tanora kokoa mba hahay an’izany andraikitra izany.