Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Ianareo ho Mafy Orina ao Amin’ny Finoana”

“Aoka Ianareo ho Mafy Orina ao Amin’ny Finoana”

‘Aoka ianareo ho mafy orina ao amin’ny finoana sy hatanjaka.’—1 KOR. 16:13.

HIRA: 60, 64

1. a) Inona no nitranga tamin’i Petera, tamin’izy teny amin’ny Ranomasin’i Galilia? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana i Petera no nanomboka nilentika?

ALINA ny andro ary nisy tafio-drivotra be. Nandeha sambokely teny ambony Ranomasin’i Galilia i Petera sy ny apostoly hafa, ary niezaka mafy nivoy an’ilay sambo. Tampoka teo dia nahita an’i Jesosy nandeha teo ambony rano izy ireo. Niantso an’i Jesosy i Petera ary nanontany raha afaka mandeha eo ambony rano mba ho eny aminy. Nanaiky i Jesosy. Niala tao an-tsambokely i Petera ary nahavita nandeha teo ambonin’ilay rano nanonja. Nanomboka nilentika anefa izy avy eo. Nahoana? Nijery an’ilay tafio-drivotra izy ka natahotra. Niantso vonjy tamin’i Jesosy àry izy ka notazoniny haingana. Hoy i Jesosy: “Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”—Mat. 14:24-32.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Misy zavatra telo momba ny finoana azontsika ianarana avy tamin’izay nitranga tamin’i Petera: 1) Ahoana no nampisehoan’i Petera hoe natoky izy fa hanampy azy Andriamanitra? 2) Nahoana no nihena ny finoany avy eo? 3) Inona no nanampy azy hanana finoana indray? Handinika an’ireo isika, mba hanampiana antsika ho “mafy orina ao amin’ny finoana.”—1 Kor. 16:13.

MATOKIA FA HANAMPY ANAO I JEHOVAH

3. Nahoana i Petera no niala avy tao an-tsambokely, ary inona no zavatra nataontsika mitovy amin’izany?

3 Nanam-pinoana i Petera matoa niala tao an-tsambokely. Nandeha teo ambony rano izy rehefa niantso azy i Jesosy. Natoky izy fa mahery Andriamanitra ka hanampy azy, toy ny nanampiany an’i Jesosy. Nanam-pinoana koa isika matoa nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa, rehefa nantsoin’i Jesosy hanara-dia azy. Nila naneho finoana an’Andriamanitra sy Jesosy isika, izany hoe nila natoky fa hanampy antsika foana izy ireo.—Jaona 14:1; vakio ny 1 Petera 2:21.

4, 5. Nahoana no tena ilaina ny finoana?

4 Tena ilaina ny finoana. Nahavita nandeha teo ambony rano i Petera satria nanam-pinoana. Hahavita zavatra tsy eritreretintsika ho vita koa isika raha manam-pinoana. (Mat. 21:21, 22) Maro amintsika, ohatra, no nanova tanteraka ny toe-tsaintsika sy ny fanaontsika, ka saika tsy nahafantatra antsika ny olona efa nahalala antsika. Nanampy antsika i Jehovah satria nino azy isika matoa niova. (Vakio ny Kolosianina 3:5-10.) Ny finoantsika koa no nandrisika antsika hanokan-tena ho an’i Jehovah, ary lasa namany isika. Tsy ho lasa naman’i Jehovah mihitsy isika raha tsy nampiany.—Efes. 2:8.

5 Mbola manome hery antsika ny finoana hatramin’izao. Izy io no manampy antsika hahatohitra ny fanafihan’ny Devoly, ilay fahavalo tena mahery. (Efes. 6:16) Tsy mitebiteby be koa isika rehefa manana olana, satria matoky fa hanampy antsika i Jehovah. Efa nilaza izy fa homeny antsika izay ilaintsika raha manam-pinoana isika ka manao loha laharana ny asan’ilay Fanjakana. (Mat. 6:30-34) Hampian’i Jehovah hahazo fiainana mandrakizay koa isika raha manam-pinoana.—Jaona 3:16.

HIHENA NY FINOANTSIKA RAHA TSY MIFANTOKA TSARA ISIKA

6, 7. a) Azo ampitahaina amin’ny inona ilay rivotra sy onja nanodidina an’i Petera? b) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra hoe tsy hihena mihitsy ny finoantsika?

6 Nisy rivotra sy onja nanodidina an’i Petera tamin’izy teny ambony rano. Toy izany koa fa miaritra fitsapana sy fakam-panahy isika Kristianina. Tena mafy izy ireny nefa ho zakantsika satria ampian’i Jehovah isika. Tadidio fa tsy ilay onja mahery na ilay rivotra nifofofofo no nampilentika an’i Petera. Hoy ny Matio 14:30: ‘Natahotra izy nony nahita ny tafio-drivotra.’ Tsy nijery an’i Jesosy intsony i Petera fa nijery an’ilay tafio-drivotra, ka nihena ny finoany. Mety hihena koa ny finoantsika raha ny hamafin’ny fitsapana na fakam-panahy no ifantohantsika, ka misalasala isika raha hanampy antsika i Jehovah na tsia.

7 Aza mihevitra hoe tsy hihena mihitsy ny finoanao. Antsoin’ny Baiboly hoe ‘ota mora mamatopatotra antsika’ mantsy ny tsy fahampiam-pinoana sy ny tsy fananana finoana. (Heb. 12:1) Hita tamin’ny tantaran’i Petera fa mora mihena ny finoantsika raha ny fitsapana sy ny fakam-panahy mahazo antsika no ifantohantsika. Ahoana àry no ahalalana raha efa mihamalemy finoana isika? Misy fanontaniana hanampy antsika handini-tena ireto.

8. Inona no mety hahatonga antsika tsy tena hino intsony ny fampanantenan’Andriamanitra?

8 Tsy tena mino intsony ve aho hoe ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra? Mampanantena, ohatra, Andriamanitra fa handrava an’ity tontolo ratsy ity. Variana amin’ireo karazana fialam-boly eto amin’ity tontolo ity ve anefa isika, ka lasa tsy tena mino ny fampanantenany? Mety hanomboka hisalasala isika raha tena akaiky tokoa ny farany. (Hab. 2:3) Mampanantena koa Andriamanitra fa hamela ny fahotantsika satria efa nanome ny vidim-panavotana. Raha mifantoka be amin’ny fahadisoana nataontsika tamin’ny lasa anefa isika, dia mety hanomboka hisalasala raha tena ‘namono ny fahotantsika’ tokoa i Jehovah. (Asa. 3:19) Mety tsy hahafaly antsika intsony àry ny manompo an’Andriamanitra ka hiala an-daharana isika.

9. Inona no mety hitranga raha variana mitady an’izay hahasoa antsika isika?

9 Mbola mazoto manompo an’Andriamanitra toy ny taloha ve aho? Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘ho tena azontsika antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana’ raha mazoto manompo an’i Jehovah isika. Ahoana anefa raha lasa variana tsikelikely amin-javatra hafa isika, ohatra hoe amin’ny asa tsara karama nefa tsy tena ahafahana manompo an’i Jehovah? Mety hihena ny finoantsika ka ho kamo isika, na dia afaka manompo bebe kokoa aza.—Heb. 6:10-12.

10. Nahoana isika no manaporofo hoe mino an’i Jehovah, rehefa mamela ny heloky ny hafa?

10 Sarotra amiko ve ny mamela heloka? Ahoana, ohatra, raha misy olona mampahatezitra na manao zavatra mampalahelo antsika? Mety halahelo be isika ary hieritreritra an’ilay izy foana, ka hasiaka amin’ilay olona na tsy hiresaka aminy intsony. Raha mamela heloka anefa isika, dia mampiseho hoe mino an’i Jehovah. Ahoana izany? Toy ny ananantsika trosa ny olona nanao fahadisoana tamintsika. Isika koa anefa ananan’i Jehovah trosa satria manota. (Lioka 11:4, f.a.p.) Matoky an’i Jehovah isika rehefa mamela ny fahadisoan’ny hafa. Matoky isika hoe hotahin’i Jehovah, ary aleo tahiny toy izay mampandoa trosa olona, izany hoe mamaly faty. Niaiky ny mpianatr’i Jesosy fa nila finoana izy ireo, izay vao hahavita hamela heloka. Nampianarin’i Jesosy, ohatra, izy ireo hoe ilaina foana ny mamela ny heloky ny olona iray, na dia manao fahadisoana imbetsaka aza izy. Nangataka àry izy ireo hoe: “Ampitomboy ny finoanay.”—Lioka 17:1-5.

11. Inona no mety hahatonga antsika tsy handray soa rehefa omena torohevitra?

11 Sosotra ve aho rehefa omena torohevitra avy ao amin’ny Soratra Masina? Mety tsy hieritreritra ny soa ho azontsika avy amin’ilay torohevitra isika, fa hifantoka amin’izay tsy mety amin’ilay izy na hanakiana an’ilay nanome azy. (Ohab. 19:20) Ho voa mafy isika raha manao izany satria tsy miezaka hanova ny toe-tsaintsika mba hitovy amin’ny an’i Jehovah.

12. Inona no mety hahatonga antsika himenomenona lava momba an’ireo lehilahy ampiasain’i Jehovah hitarika ny vahoakany?

12 Mimenomenona amin’ireo mpiandraikitra voatendry eo anivon’ny fiangonana ve aho? Nifantoka tamin’ny tatitra ratsy nolazain’ireo mpitsikilo folo tsy nanam-pinoana ny Israelita, ka lasa nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona. Hoy àry i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Mandra-pahoviana ity vahoaka ity no tsy hino ahy?’ (Nom. 14:2-4, 11) Andriamanitra mihitsy no tsy natokisan’ny Israelita rehefa nimenomenona izy ireo. Izy mantsy no nanendry an’i Mosesy sy Arona. Mety ho efa mihena àry ny finoantsika matoa isika mimenomenona lava momba an’ireo lehilahy ampiasain’i Jehovah hitarika ny vahoakany.

13. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha mahita fa nihena ny finoantsika?

13 Nandini-tena ve ianao ka nahita fa nihena ny finoanao? Aza kivy raha izany no tsapanao. I Petera aza natahotra sy nisalasala nefa izy apostoly. Nananatra ny apostoly koa i Jesosy indraindray noho izy ireo “kely finoana.” (Mat. 16:8) Tadidio fa izay nataon’i Petera taorian’ny nilentehany tao anaty rano no tena andraisantsika lesona.

DINIHO FOANA IZAY NATAON’I JESOSY

14, 15. a) Inona no nataon’i Petera rehefa nanomboka nilentika izy? b) Nahoana isika no afaka “mibanjina tsara” an’i Jesosy na dia tsy mahita maso azy aza?

14 Inona no nataon’i Petera rehefa avy nijery an’ilay tafio-drivotra izy ka nanomboka nilentika? Nahay nilomano izy ka azony natao ny niverina tao an-tsambokely. (Jaona 21:7) Tsy natoky tena anefa izy fa niverina nijery an’i Jesosy ary nanaiky hampiany. Mila manahaka an’i Petera koa isika raha mahatsapa fa mihena ny finoantsika. Ahoana no hanahafantsika azy?

15 Toa an’i Petera, dia ilaintsika ny ‘mibanjina tsara an’i Jesosy, ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika.’ (Vakio ny Hebreo 12:2, 3.) Marina fa tsy afaka mahita maso an’i Jesosy isika. “Mibanjina tsara” azy anefa isika raha mandinika ny fampianarany sy ny nataony ka manahaka azy. Andeha hodinihintsika ny zavatra sasany nataon’i Jesosy. Hatanjaka ny finoantsika raha mampihatra an’izany isika.

Hanana finoana matanjaka isika raha mifantoka amin’ny ohatra navelan’i Jesosy sy manaraka akaiky ny diany (Fehintsoratra 15)

16. Inona no tokony hataonao rehefa mianatra Baiboly, raha tianao ny hanana finoana matanjaka?

16 Miezaha hatoky kokoa ny Baiboly. Natoky i Jesosy fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary ao no misy ny tari-dalana tsara indrindra. (Jaona 17:17) Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hamaky Baiboly isan’andro sy hianatra azy io ary hisaintsaina an’izay ianarantsika. Mety hanana fanontaniana ianao rehefa mianatra, ka tadiavo ny valiny. Tianao ve, ohatra, ny ho resy lahatra fa efa akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity? Ianaro amin’ny an-tsipiriany àry ireo porofo fa efa andro farany izao. Te hatoky kokoa ny fampanantenan’ny Baiboly ve ianao? Diniho ireo faminaniana maro efa tanteraka. Tianao ve ny ho resy lahatra fa tena azo ampiharina ny torohevitra ao amin’ny Baiboly? Mamakia tantara manaporofo hoe manatsara ny fiainan’ny olona izy io. *1 Tes. 2:13.

17. Nahoana i Jesosy no nahavita niaritra fitsapana faran’izay mafy, ary inona no azonao atao mba hanahafana azy?

17 Eritrereto foana ireo fitahiana ampanantenain’i Jehovah. Nahavita tsy nivadika i Jesosy na dia tao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy aza, satria nieritreritra foana ny “fifaliana natao teo anoloany.” (Heb. 12:2) Tsy variana tamin’ny zavatra nety ho azony teto tamin’ity tontolo ity mihitsy izy. (Mat. 4:8-10) Tahafo i Jesosy ka saintsaino ireo zavatra tsara ampanantenain’i Jehovah anao. Eritrereto hoe efa ao amin’ny tontolo vaovao ianao, ka soraty na ataovy sary ny zavatra tianao hatao. Ataovy lisitra izay olona hatsangana amin’ny maty tianao ho hita sy ny zavatra tianao horesahina aminy. Eritrereto hoe natao ho anao mihitsy ilay fampanantenana fa tsy ho an’ny olon-drehetra fotsiny.

18. Nahoana ny vavaka no manampy anao hanana finoana bebe kokoa?

18 Mivavaha mba hanana finoana bebe kokoa. Nasain’i Jesosy nangataka fanahy masina tamin’i Jehovah ny mpianany. (Lioka 11:9, 13) Rehefa manao izany ianao, dia mivavaha mba hanana finoana bebe kokoa satria anisan’ny vokatry ny fanahy izy io. Ataovy voafaritra tsara ny zavatra angatahinao. Raha hitanao, ohatra, hoe nihena ny finoanao ka sarotra aminao ny mamela heloka, dia iangavio i Jehovah hanampy anao hahay hamela heloka.

19. Olona manao ahoana no tokony hataontsika namana?

19 Olona manam-pinoana no ataovy namana. Nofidin’i Jesosy tsara ny namany, indrindra ireo nifaneraserany akaiky. Noraisiny ho namana akaiky, ohatra, ny apostoliny, satria nankatò ny didiny ka hitany hoe nanam-pinoana sy tsy nivadika. (Vakio ny Jaona 15:14, 15.) Olona manam-pinoana, izany hoe olona mankatò an’i Jesosy, àry no ataovy namana. Tadidio koa fa mifampiresaka tsara ny tena mpinamana. Mifanome torohevitra izy ireo ary tsy tezitra rehefa manoro hevitra ny andaniny ny ankilany.—Ohab. 27:9.

20. Inona no soa horaisintsika raha manampy ny hafa mba hanam-pinoana kokoa isika?

20 Ampio ny hafa mba hanam-pinoana kokoa. Nanampy ny mpianany hanana finoana bebe kokoa i Jesosy, na tamin’ny zavatra nolazainy na tamin’izay nataony. (Mar. 11:20-24) Tokony hanahaka azy koa isika satria hatanjaka ny finoantsika raha manampy ny hafa hanana finoana matanjaka isika. (Ohab. 11:25) Rehefa mitory sy mampianatra ianao, dia asongadino ireo porofo fa misy Andriamanitra sady mikarakara antsika. Porofoy koa fa Teniny ny Baiboly. Ampio hanatanjaka ny finoany koa ny mpiara-manompo aminao. Ahoana, ohatra, raha hita hoe mihena ny finoany ka manomboka manakiana an’ireo rahalahy voatendry izy? Aza tonga dia ihatakatahana izy fa ampio tsikelikely hampitombo ny finoany. (Joda 22, 23) Raha mbola mpianatra indray ianao ary mianatra momba ny evolisiona ianareo, dia miezaha hiaro ny zavatra inoanao. Mety tsy hampoizinao fa hisy vokany tsara izany.

21. Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika?

21 Nampian’i Jehovah sy Jesosy i Petera ka lasa tsy natahotra sy tsy nisalasala intsony. Lasa modely ho an’ny Kristianina voalohany izy tatỳ aoriana satria nanana finoana matanjaka. Manampy antsika rehetra hanana finoana matanjaka koa i Jehovah. (Vakio ny 1 Petera 5:9, 10.) Ampitomboy àry ny finoanao dia hahazo valisoa tena miavaka ianao.

^ feh. 16 Jereo, ohatra, ireo lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro.