Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MANKASITRAKA NY ADY VE ANDRIAMANITRA?

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Tamin’ny Taonjato Voalohany

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Tamin’ny Taonjato Voalohany

Nijaly ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Teo ambany ziogan’ny Fanjakana Romanina mantsy izy ireo. Azo antoka fa nivavaka imbetsaka tamin’Andriamanitra, toa an’ireo razambeny, koa izy ireo. Naheno resaka momba an’i Jesosy izy ireo, ka nieritreritra hoe tena izy àry ve ilay Mesia nampanantenaina. Tsy mahagaga raha betsaka no “nanantena fa izy no voatendry hanafaka ny Israely” amin’ny fanandevozan’ny Romanina. (Lioka 24:21) Tsy izany anefa no nitranga. Vao mainka aza noravan’ny miaramila romanina i Jerosalema sy ny tempoliny, tamin’ny taona 70.

Fa nahoana Andriamanitra no tsy niady ho an’ny Jiosy, hoatran’ny nataony taloha? Nahoana izy ireo no tsy nasainy niady tamin’ireo nampijaly azy? Niova ve ny fiheveran’Andriamanitra ny ady? Tsia! Ny Jiosy no niova tanteraka. Tsy neken’izy ireo hoe i Jesosy Zanak’Andriamanitra no Mesia. (Asan’ny Apostoly 2:36) Lasa tsy afaka nifandray tamin’Andriamanitra intsony àry io firenena io.—Matio 23:37, 38.

Tsy niaro ny firenena jiosy sy ny Tany Nampanantenaina intsony Andriamanitra. Tsy afaka nilaza intsony koa izy ireo hoe nankasitrahany na notohanany izay ady nataon’izy ireo. Efa nilaza i Jesosy fa tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra intsony ny firenena jiosy, ka tsy hotahiny. Ilay firenena vaovao, na firenena ara-panahy, indray no hatao solon’izy ireo. Antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra” izy io. (Galatianina 6:16; Matio 21:43) Voaporofo fa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra io firenena vaovao io. Izao no nolazaina tamin’izy ireo, tamin’ny taonjato voalohany: ‘Firenen’Andriamanitra ianareo ankehitriny.’—1 Petera 2:9, 10.

Lasa “firenen’Andriamanitra” àry ny Kristianina voalohany. Niady ho azy ireo ve Andriamanitra mba hanafahana azy ireo tamin’ny Romanina, sa navelany hiady izy ireo? Tsia. Hitantsika teo aloha fa rehefa asainy miady ny mpanompony, dia Izy ihany no mamaritra hoe rahoviana no hatao ilay izy. Tsy niady ho an’ireo Kristianina voalohany Izy sady tsy namela azy ireo hiady. Hita amin’izany fa tsy tamin’ny taonjato voalohany no fotoana tian’Andriamanitra hiadiana, mba handringanana ny ratsy fanahy sy ny mpampijaly.

Tsy maintsy niandry toa an’ireo Israelita àry ny Kristianina voalohany, mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fampijaliana. Tsy navelany hiady tamin’ny fahavalony izy ireo teo am-piandrasana an’izany. Tsy nampirisika ny mpianany hiady koa i Jesosy rehefa nampianatra azy ireo. Izao, ohatra, no nolazainy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Nilaza i Jesosy fa hanafika an’i Jerosalema ny miaramila romanina. Tsy nasainy nijanona tao anefa ny mpianany mba hiady. Nampirisihany kosa izy ireo mba handositra, ary izany tokoa no nataon’izy ireo.—Lioka 21:20, 21.

Hoy koa ny apostoly Paoly: “Aza mamaly faty, ... fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’” (Romanina 12:19) Andriamanitra no niteny an’ireo tamin’ny Israelita, ao amin’ny Levitikosy 19:18 sy Deoteronomia 32:35, fa naverin’i Paoly fotsiny. Hitantsika teo aloha fa nanampy an’ireo Israelita hiady tamin’ny fahavalony Andriamanitra, ary anisan’ny fomba namaliany an’izay nampijaly azy ireo izany. Hita amin’ny tenin’i Paoly àry fa tsy niova ny fiheveran’Andriamanitra ny ady, tamin’ny taonjato voalohany. Mbola nihevitra foana izy fa ny ady no fomba amaliany an’izay mampijaly ny mpanompony, sy hanafoanany an’izay manao ratsy sy mampijaly olona. Izy ihany no namaritra hoe rahoviana no hatao ilay ady ary iza no hanao an’ilay izy.

Tsy navelan’Andriamanitra hiady àry ny Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany. Ary ahoana no fiheverany ny ady amin’izao andro izao? Misy antokon’olona omeny alalana hiady ve? Sa amin’izao Andriamanitra no hiditra an-tsehatra ka hiady ho an’ny mpanompony? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.