Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ny Zanakao, Fizarana 2

Ampio ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ny Zanakao, Fizarana 2

“Nihanitombo fahendrena i Jesosy, sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.”—LIOKA 2:52.

HIRA: 41, 89

1, 2. a) Inona no mampanahy ny ray aman-dreny rehefa lasa tanora ny zanany? b) Inona no azon’ny Kristianina atao mandritra ny fahatanorany?

ANISAN’NY tena mahafaly ny ray aman-dreny ny mahita ny zanany atao batisa. Manan-janaka efatra, ohatra, i Berenice ary natao batisa talohan’ny faha-14 taonany izy ireo. * Hoy izy: “Nampihetsi-po be ilay izy. Faly aloha izahay hoe te hanompo an’i Jehovah ny zanakay, nefa fantatray koa fa maro ny olana miandry azy ireo rehefa mihalehibe.” Mety hitovy hevitra amin’i Berenice ianao, raha manan-janaka tanora.

2 Nilaza ny manam-pahaizana iray momba ny ankizy fa fotoan-tsarotra ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fotoana maha tanora. Hoy koa anefa izy: “Tsy hoe ‘miadaladala’ na ‘tsy matotra’ foana akory ny ankizy rehefa mihalehibe. Lasa tia karokaroka sy tia mifandray amin’ny olona kosa izy ary lasa mora mampiseho ny fihetseham-pony.” Efa afaka miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah àry ny zanakao, na dia mbola tanora aza. Mety ho hitany fa io no fotoana tsara handrosoana ara-panahy, toy ny nataon’i Jesosy. (Vakio ny Lioka 2:52.) Azony atao ny miezaka hanana tanjona eo amin’ny fanompoana. Afaka manapa-kevitra samirery koa izy, ohatra hoe manapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hankatò azy. Inona àry no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanompo an’i Jehovah? Miezaha ho be fitiavana sy hanetry tena ary hahay handinika toa an’i Jesosy. Hiresaka an’izany isika izao.

TIAVO NY ZANAKAO

3. Nahoana ny apostoly no nahatsapa hoe naman’i Jesosy?

3 Tsy nivadika tamin’ny apostoliny i Jesosy ary tena tia azy ireo. (Vakio ny Jaona 15:15.) Tsy fanaon’ny olona fahiny ny namboraka ny eritreriny sy ny fihetseham-pony tamin’ny mpanompony. Nasehon’i Jesosy tamin’ny apostoliny anefa fa sady tompon’izy ireo izy no namany. Niaraka tamin’izy ireo izy, namboraka ny tao am-pony taminy, ary nihaino tsara rehefa niresaka ny tao am-pony izy ireo. (Mar. 6:30-32) Lasa nifankatia be àry i Jesosy sy ny apostoliny. Vonona hanao ny andraikitra niandry azy ny apostoly vokatr’izany.

4. Inona no azonao atao mba ho lasa naman’ny zanakao ianao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Hoy i Michael, manan-janaka roa: “Tsy mitovy taona amin’ny zanatsika isika ray aman-dreny, nefa afaka minamana aminy.” Miaraka matetika ny mpinamana. Mivavaha àry ka diniho sao dia azonao amboarina ny fotoana iasanao na anaovanao zavatra hafa, mba hahafahanao hiaraka matetika amin’ny zanakao. Mitovy zavatra tiana koa ny mpinamana, ka miezaha ho tia ny zavatra tian’ny zanakao, ohatra hoe ny mozika na filma na fanatanjahan-tena tiany. Hoy i Ilaria, any Italia: “Niezaka namantatra ny mozika tiako ny ray aman-dreniko. Lasa mpinamana be izahay sy Dada, ka sahiko noresahina taminy na dia zavatra mahamenatra aza.” Ataovy namana ny zanakao ary ampio ‘hifandray akaiky amin’i Jehovah.’ (Sal. 25:14) Tsy hoe hihena ny fahefanao raha manao izany ianao. Ho hitany kosa fa tia sy manaja azy ianao ary mora hatonina. Ho sahy kokoa hamboraka aminao an’izay mampiady saina azy àry izy.

5. Inona no nataon’i Jesosy mba hahatsapan’ny mpianany fa mahasambatra ny manompo an’i Jehovah?

5 Tian’i Jesosy ho tsapan’ny mpianany fa ho sambatra izy ireo raha be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nampirisihiny àry izy ireo mba hazoto hitory sy hanao mpianatra ary hanao zavatra hafa mifandray amin’ny fanompoana. Nomeny toky izy ireo fa hampiany hahavita tsara an’izany.—Mat. 28:19, 20.

6, 7. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hanampy ny zanany ho zatra mivory sy mitory ary mianatra Baiboly?

6 Tianao hifandray tsara amin’i Jehovah foana ny zanakao. Tian’i Jehovah hitaiza ny zanakao araka ny ‘fananarana sy ny fomba fisainany’ koa ianao. (Efes. 6:4) Ataovy foana àry izany andraikitra nankininy taminao izany. Tsy manaiky ny ray aman-dreny raha tsy mandeha mianatra ny zanany, satria tena ilaina izany sady tiany ho tia mianatra ilay ankizy. Toy izany koa fa tianao ny zanakao, ka tsy manaiky ianao raha tsy mianatra ny “fomba fisainan’i Jehovah” izy. Entinao mivory àry izy. Manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa ianareo. Tena ilaina ny fampianaran’i Jehovah, ka ampio ny zanakao ho tia mianatra momba azy sy hahatsapa fa mila fahendrena avy aminy. (Ohab. 24:14) Ampio hahavita tsara ny fanompoany koa ny zanakao, toy ny nanampian’i Jesosy ny mpianany. Ataovy izay hitiavany mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary ampio izy ho zatra manompo.

7 Nahoana no tsara raha zatra mivory sy mitory ary mianatra Baiboly tsy tapaka ny ankizy? Hoy i Erin, anabavy atsy Afrika Atsimo: “Matetika izahay ankizy no nimenomenona satria tsy tia nianatra Baiboly sy nivory ary nanompo. Tsy te hanao fianaram-pianakaviana koa izahay, ka nataonay indraindray izay tsy hahavitan’ilay izy. Tsy nanaiky anefa i Dada sy Neny fa notohizany foana ilay izy.” Hoy ihany izy: “Nampianatra ahy hanana fikirizana izany. Raha sendra tsy afaka mivory na mitory na mianatra Baiboly aho izao, dia tsy andriko ny hanaovana an’ilay izy indray. Soa ihany fa hentitra ny ray aman-dreninay. Raha nilefitra ry zareo dia angamba aho tsy ho toy izao, satria mety tsy hampaninona ahy ny tsy mivory na tsy mitory na tsy mianatra Baiboly.”

MIEZAHA HANETRY TENA

8. a) Inona no porofo fa nanetry tena i Jesosy? b) Inona no vokatr’izany tamin’ny mpianany?

8 Lavorary i Jesosy nefa nanetry tena ka nanaiky fa nisy zavatra tsy vitany. Nekeny koa fa nila niantehitra tamin’i Jehovah izy. (Vakio ny Jaona 5:19.) Lasa tsy nanaja azy ve ny mpianany noho izany? Tsia. Vao mainka aza ny mpianany natoky azy rehefa nahita fa natoky an’i Jehovah izy. Lasa nanetry tena toa an’i Jesosy koa izy ireo.—Asa. 3:12, 13, 16.

9. Inona no ho vokany eo amin’ny zanakao raha miala tsiny ianao ary manaiky fa voafetra ny zavatra vitanao?

9 Tsy toa an’i Jesosy isika satria tsy lavorary sy manao fahadisoana. Miezaha àry hanetry tena ka ekeo fa voafetra ny zavatra vitanao. Rehefa diso koa ianao, dia ekeo izany. (1 Jaona 1:8) Araka ny hevitrao, iza no hajain’ny olona kokoa? Ny mpampiasa miaiky ny fahadisoany sa ny mpampiasa tsy miala tsiny mihitsy? Azo inoana fa hanaja anao kokoa ny zanakao raha miala tsiny ianao rehefa diso. Mety hanampy azy hiaiky fahadisoana koa izany. Hoy i Rosemary, manan-janaka tanora telo: “Niaiky ny fahadisoanay izahay, ka lasa tsy nisalasala niresaka taminay ny zanakay rehefa nanana olana. Nekenay hoe voafetra ny zavatra fantatray, ary natoronay azy ireo hoe aiza no misy ny vahaolana tsara indrindra. Asainay mijery ao amin’ny boky sy gazetintsika foana izy ireo rehefa mila fanampiana, sady miara-mivavaka izahay.”

10. Inona no mampiseho fa nanetry tena i Jesosy rehefa nanome baiko ny mpanara-dia azy?

10 Nanana fahefana hibaiko ny mpanara-dia azy i Jesosy. Nanetry tena anefa izy ka matetika no nolazainy ny anton’ilay baiko. Tsy nampirisika azy ireo fotsiny, ohatra, izy hoe katsaho ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra, fa hoy koa izy: ‘Dia homena anareo izany rehetra izany.’ Nolazainy koa ny antony nitenenany hoe: “Aza mitsara intsony.” Hoy izy: ‘Mba tsy hotsaraina ianareo, fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.’—Mat. 6:31–7:2.

11. Nahoana no tsara raha hazavain’ny ray aman-dreny ny antony ametrahany fitsipika na andraisany fanapahan-kevitra iray?

11 Raha azo atao, dia hazavao foana ny antony ametrahanao fitsipika iray na andraisanao fanapahan-kevitra iray. Ho vonona kokoa hankatò anao ny zanakao amin’izay. Hoy i Barry, manan-janaka efatra: “Lasa matoky anao ny zanakao raha hazavainao aminy ny anton’ny fanapahan-kevitrao. Hitany mantsy hoe rariny ilay izy fa tsy hoe mandidididy fotsiny ianao.” Tadidio koa fa mihamatotra ny tanora rehefa ‘mampiasa ny sainy.’ (Rom. 12:1) Hoy ihany i Barry: “Mila mianatra mampiasa ny sainy ny tanora rehefa mandray fanapahan-kevitra fa tsy entin’ny fo fotsiny.” (Sal. 119:34) Miezaha àry hanetry tena ka hazavao ny anton’ny fanapahan-kevitra raisinao. Ho hitan’ny zanakao amin’izay fa ekenao hoe efa mihamatotra izy. Hianatra ‘hampiasa ny sainy’ koa izy rehefa manapa-kevitra.

MAHAIZA MANDINIKA NY AO AM-PONY

12. Inona no manaporofo fa nahay nandinika i Jesosy rehefa nanitsy an’i Petera?

12 Nahay nandinika i Jesosy ka fantany hoe inona no mbola nila nahitsin’ny mpianany. Tian’ny apostoly Petera, ohatra, i Jesosy ka nampirisihiny ho tsara fanahy tamin’ny tenany, mba tsy hovonoina ho faty. Hitan’i Jesosy anefa hoe diso hevitra i Petera. Tsy nisorona àry i Jesosy fa nanitsy azy sy ny mpianatra hafa. Nolazainy koa hoe inona no ho vokany raha tsy tena mahafoy tena izy ireo, ary inona no ho valisoany raha mahafoy tena. (Mat. 16:21-27) Azon’i Petera ny tian’i Jesosy hampianarina azy.—1 Pet. 2:20, 21.

13, 14. a) Ahoana no hahalalanao hoe efa mitady hihena ny finoan’ny zanakao? b) Inona no hataonao mba hanampiana ny zanakao, raha mahay mandinika ianao?

13 Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao hahay handinika ka hamantatra an’izay mbola mila ahitsin’ny zanakao. (Sal. 32:8) Ahoana, ohatra, no hahalalanao hoe efa mitady hihena ny finoany? Angamba izy lasa tsy dia falifaly intsony, na lasa tia manakiana mpiara-manompo, na lasa tia manafinafina. Raha mahatsikaritra an’ireo ianao, dia aza mieritreritra avy hatrany hoe manao fahotana lehibe any ambadimbadika any ny zanakao. * Tsy mety koa anefa raha odianao tsy hita ny olana mahazo azy na eritreretinao hoe mandalo fotsiny.

Ampio hahita namana eo anivon’ny fiangonana ny zanakao (Fehintsoratra 14)

14 Tahafo i Jesosy ka anontanio ny zanakao. Miezaha ho tsara fanahy sy hanaja rehefa manao izany. Raha sintoninao haingana loatra, ohatra, ny rano alainao ao anaty lavadrano, dia hisy ho very. Tsy tena ho fantatrao koa izay ao an-tsain’ny zanakao sy ao am-pony raha tsy manam-paharetana ianao. Tena ilainao anefa ny mahalala an’izany. (Vakio ny Ohabolana 20:5.) Tadidin’i Ilaria, ilay voaresaka terỳ aloha, fa te hinamana tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy, na dia fantany aza fa ratsy izany. Hoy izy: “Voamariky ny ray aman-dreniko fa nisy zavatra nampiady saina ahy ka niresaka tamiko izy ireo, indray hariva. Nilaza fotsiny ry zareo hoe tsikariny fa kivikivy aho ka tiany ho fantatra ny antony. Tonga aho dia nitomany sy nanazava ny olana nahazo ahy ary nangataka fanampiana. Namihina ahy ry zareo dia niteny hoe takany ny nahazo ahy. Nilaza koa ry zareo fa hanampy ahy.” Nataon’ny ray aman-drenin’i Ilaria avy hatrany izay hahazoany namana tsara teo anivon’ny fiangonana.

15. Inona koa no manaporofo fa nahay nandinika i Jesosy?

15 Nahay nandinika koa i Jesosy ka tsy izay nila nahitsin’ny mpianany ihany no hitany, fa ny toetra tsaran’izy ireo koa. Hoy, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Natanaela rehefa nandre fa avy any Nazareta i Jesosy: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?” (Jaona 1:46) Raha teo ianao tamin’izay, ahoana no ho fahitanao an’i Natanaela? Mpanakiana ve? Sa mpitsaratsara olona? Sa tsy manam-pinoana? Nahay nandinika i Jesosy ka nitady an’izay toetra tsara tao aminy. Niantso azy hoe “tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka” i Jesosy. (Jaona 1:47) Nahalala ny tao am-pon’ny olona i Jesosy, ka ny toetra tsaran’ilay olona no notadiaviny.

16. Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanana toetra tsara?

16 Tsy mahalala ny ao am-pon’ny olona ianao, nefa afaka manampy anao hahay handinika Andriamanitra. Hiezaka hahay handinika ve ianao ka hitady ny toetra tsaran’ny zanakao? Tianao ve raha lazaina hoe “maditra” ianao? Azo antoka fa tsia! Aza antsoina hoe “zaza mafy loha” na “zaza maditra” àry ny zanakao, na dia mahasosotra anao aza. Aza mieritreritra an’izany akory. Ataovy tsapany kosa fa hitanao hoe afaka manao zavatra tsara izy sady tena te hanao an’izany. Diniho raha efa mba niova izy, ka derao. Ampio hanatsara ny toetrany izy ka ampanaovy zavatra, ary ampitomboy tsikelikely izany. Izany no nataon’i Jesosy. Nofidin’i Jesosy ho apostoliny i Natanaela (izay antsoina koa hoe Bartolomeo), herintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nihaonany taminy. Hita tatỳ aoriana fa Kristianina be zotom-po izy. (Lioka 6:13, 14; Asa. 1:13, 14) Derao koa ny zanakao ary ampaherezo, dia ho tsapany fa tsy hoe zaza tsy misy ilana azy izy, fa mahavita zavatra tsara ary azon’i Jehovah ampiasaina.

HO FALY BE IANAO RAHA TSARA TAIZA NY ZANAKAO

17, 18. Inona no ho vokany raha miezaka manampy ny zanakao hanompo an’i Jehovah ianao?

17 Mety hahatsapa toy izay tsapan’ny apostoly Paoly ianao indraindray rehefa mitaiza. Maro ny olona noraisiny ho toy ny zanany, anisan’izany ny Kristianina tany Korinto. Nisy fotoana izy nahatsapa ‘fahoriana be sy alahelom-po mafy’, satria ‘niavaka ny fitiavany’ azy ireo. (2 Kor. 2:4; 1 Kor. 4:15) Manan-janakalahy roa sy vavy iray i Victor. Hoy izy: “Tsy mora taminay ny nitaiza ny zanakay, rehefa nihalehibe izy ireo. Betsaka anefa ny zavatra nahafinaritra, na teo aza ny olana. Nampian’i Jehovah izahay, ka lasa ninamana be tamin’ny zanakay.”

18 Miezaha foana hanampy ny zanakao ho lasa mpanompon’i Jehovah. Porofoy hoe tena tianao izy ireo. Mety hanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah izy ireo, ary tsy hivadika aminy fa ‘handeha foana ao amin’ny fahamarinana.’ (3 Jaona 4) Ho faly be ianao amin’izay!

^ feh. 1 Ny ankizy 13 taona ka hatramin’ny 19 taona no tiana holazaina amin’ny hoe tanora, ato amin’ity lahatsoratra ity.