Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NIDONAM-PAHORIANA VE IANAO?

Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana

Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana

Efa nana-namana nidonam-pahoriana angamba ianao. Nalahelo be izy tamin’izay, nefa tsy hitanao izay natao. Tsy mahateny na inona na inona tokoa isika indraindray, no sady tsy mahavita na inona na inona, rehefa mitranga ny hoatr’izany. Misy zavatra azontsika atao anefa mba hampaherezana an’ilay olona.

Rehefa tonga any aminy fotsiny ianao, dia efa mety hampahery azy. Afaka milaza, ohatra, ianao amin’izay hoe: “Tena malahelo be anareo aho. Mahereza an!” Fanao any amin’ny tany maro ny hoe mamihina an’ilay olona na mihazona ny tanany mba hampisehoana fa tena malahelo azy ianao. Henoy tsara koa izy raha te hiresaka. Tsara kokoa anefa ny manao zavatra ho azy ireo raha tiany izany, ohatra hoe mahandro sakafo, mikarakara ny zanany, na manampy amin’ny fikarakarana ny fandevenana. Izany no mety hisy vokany kokoa noho ny teny tsara lahatra.

Mety te hiresaka momba an’ilay olona maty ianao indraindray, ohatra hoe milaza ny toetra tsarany na ny zavatra nahafinaritra nataony. Mety mba hampitsiky an’ilay olona nidonam-pahoriana mihitsy aza izany. Maty, ohatra, i Ian vadin’i Pam, enin-taona lasa izay. Hoy izy: “Resahin’ny olona amiko indraindray ny zavatra nataon’i Ian, nefa tsy fantatro akory hoe nanao an’izany izy. Faly be aho naheno an’ilay izy.”

Hitan’ny mpikaroka anefa fa amin’ny voalohany ihany ny olona no tena manampy an’ilay nidonam-pahoriana. Variana amin’ny fiainany indray mantsy izy ireo avy eo. Raha mana-namana nidonam-pahoriana àry ianao, dia miezaha hifandray aminy foana. * Betsaka no faly rehefa atao an’izany, satria lasa tsy malahelo be intsony izy ireo.

Diniho, ohatra, i Kaori, ankizivavy any Japon. Kivy be izy satria maty ny mamany, ary maty koa ny zokiny vavy herintaona sy telo volana tatỳ aoriana. Soa ihany fa nanohana azy foana ny namany, anisan’izany i Ritsuko. Zokin’i Kaori lavitra be i Ritsuko, nefa niezaka ninamana be taminy. Hoy i Kaori: “Tsy tena tiako aloha ilay izy e! Tsy tiako hosoloana olon-kafa mantsy i Neny, sady tsy hisy hahasolo azy mihitsy koa. Tsara fanahy tamiko anefa i Mama Ritsuko, dia lasa niraiki-po taminy aho. Niara-nitory sy nampianatra Baiboly foana izahay isan-kerinandro, ary niara-nandeha nivory tany amin’ny fiangonanay. Nasainy niara-nisotro dite taminy aho, dia nitondrany sakafo, ary nanoratany taratasy sy karta kely imbetsaka. Nisy vokany tsara tamiko ny toetran’i Mama Ritsuko.”

Efa 12 taona izay no nahafatesan’ny maman’i Kaori, ary mpitory manontolo andro any amin’ny faritra hafa any Japon izy sy ny vadiny amin’izao. Hoy i Kaori: “Mbola miahy an’ahy foana i Mama Ritsuko hatramin’izao. Mamangy an’azy foana aho rehefa mitsidika ny any aminay, dia mba afaka miaraka kely aminy.”

Nisy nanampy foana koa i Poli, Vavolombelon’i Jehovah any Chypre, ka tena nandray soa. Tsara fanahy be i Sozos vadin’i Poli. Mpiandry kristianina izy, ary nanome modely tsara. Matetika mantsy izy no nanasa kamboty sy mpitondratena hisakafo sy hanao fety kely tany an-tranony. (Jakoba 1:27) Nampalahelo anefa fa voan’ny kanseran’ny atidoha i Sozos, tamin’izy 53 taona, dia maty. Hoy i Poli: “Tsy eo intsony ilay vady tena natokisako, ilay niara-niaina tamiko nandritra ny 33 taona.”

Mitadiava zavatra hanampiana an’ireo olona nidonam-pahoriana

Nifindra tany Kanada i Poli sy Daniel, zanany lahy 15 taona, taorian’ny fandevenana. Nanomboka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany ry zareo. Hoy i Poli: “Tena tsy fantatry ny namanay ao amin’io fiangonanay vaovao io mihitsy ny fiainanay taloha sy ny zavatra mafy nahazo anay. Nanatona sy nanampy anay anefa ry zareo, ka tena nampahery anay ny zavatra nataony sy ny zavatra nolazainy. Tena zava-dehibe taminay mihitsy izany, indrindra fa rehefa nila ny dadany ilay zanako. Nieritreritra an’izay hahasoa an’i Daniel koa ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Nisy anankiray izay, ohatra, nanasa an’i Daniel foana rehefa nanao fetifety ry zareo, na nandeha nanao baolina.” Efa tsy dia malahelo be intsony izao izy mianaka.

Betsaka àry ny zavatra azontsika atao, mba hanampiana sy hampiononana an’ireo nidonam-pahoriana. Mampahery antsika koa ny Baiboly, satria mampanantena zavatra tena tsara be ho antsika amin’ny hoavy.

^ feh. 6 Misy aza manamarika ny daty nahafatesan’ilay olona ao amin’ny kalandrie mihitsy. Amin’izay izy afaka mampahery an’ilay nidonam-pahoriana, ohatra hoe rehefa mitsingerina ny daty nahafatesan’ilay olona, na aloha na aoriana kelin’izay.