Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NIDONAM-PAHORIANA VE IANAO?

Ho Velona Indray ny Maty!

Ho Velona Indray ny Maty!

Tadidinao angamba i Gail, ilay noresahina tany amin’ny lahatsoratra tany aloha. Manahy izy hoe ho vitany ihany ve ny tsy halahelo be loatra an’i Rob, ilay vadiny maty. Manantena anefa izy hoe mbola hahita azy indray, ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra. Hoy izy: “Ny Apokalypsy 21:3, 4 no andinin-teny tiako indrindra.” Izao mantsy no voalaza ao: “Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Hoy i Gail: “Efa voalaza ao amin’io daholo ny zava-drehetra. Mampalahelo an’ahy ny olona nidonam-pahoriana nefa tsy mahafantatra an’io fampanantenana io akory. Tsy fantany hoe mbola ho hitany indray ny havany efa maty.” Manao zavatra mifanaraka amin’ny zavatra antenainy i Gail, ka mitory manontolo andro ary miresaka amin’ny olona an’ilay fampanantenana hoe “tsy hisy fahafatesana intsony.”

Natoky i Joba fa hitsangana amin’ny maty izy

Mety hilaza ianao hoe: ‘Aiza koa no hisy an’izany!’ Diniho anefa ny tantaran’ny lehilahy iray atao hoe Joba. Nisy fotoana izy narary be, dia te ho faty. Natoky koa anefa izy fa vitan’Andriamanitra ny manangana azy amin’ny maty. Hoy izy: “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana mantsy ianao! ... Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” (Joba 2:7; 14:13, 15) Nino i Joba fa halahelo an’azy Andriamanitra, ka te hanangana azy amin’ny maty.

Kely sisa Andriamanitra dia hanangana an’i Joba sy ny olon-kafa maro be, rehefa lasa paradisa ny tany. (Lioka 23:42, 43) Hoy ny Asan’ny Apostoly 24:15: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” Nampanantena koa i Jesosy hoe: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Ho hitan’i Joba izany rehefa ho tanteraka. Hiverina aminy indray “ny heriny tamin’ny fahatanorany”, ka ho tanora foana mandrakizay izy. (Joba 33:24, 25) Ho lasa hoatr’izany daholo koa isika, raha asehontsika fa ankasitrahantsika ilay fandaharana nataon’Andriamanitra mba hananganana ny maty.

Mety tsy hanala tanteraka ny alahelonao ny zavatra noresahina tato, raha malahelo be ianao satria maty ny olona tena tianao. Hanana fanantenana sy hahavita hanohy ny fiainanao anefa ianao, raha misaintsaina ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—1 Tesalonianina 4:13.

Mbola te hahafantatra bebe kokoa ve ianao hoe ahoana no atao mba hizakana ny alahelo rehefa misy havana maty? Sa ve ianao manana fanontaniana hafa, ohatra hoe: “Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?” Tsidiho àry ny tranonkalanay jw.org/mg, dia ho hitanao fa tena manampy antsika hionona ny Baiboly ary misy torohevitra azo ampiharina ao.