Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa ny Devoly?

Iza moa ny Devoly?

Iza moa ny Devoly?

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Fanahy tsy hita maso ve izy?

  • Sa ny faharatsiana ao anatin’ny olona tsirairay?

  • Sa zavatra foronin’ny sain’ny olona fotsiny?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Niresaka tamin’i Jesosy ny Devoly sady ‘naka fanahy’ azy. (Matio 4:1-4) Tsy zavatra foronin’ny sain’ny olona fotsiny àry ny Devoly. Tsy ny faharatsiana ao anatin’ny olona fotsiny koa izy io. Anjely ratsy ny Devoly.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Anjely tsara ny Devoly tamin’ny voalohany, saingy “tsy nifikitra tamin’ny marina.” (Jaona 8:44) Lasa mpandainga sy nikomy tamin’Andriamanitra izy.

  • Nisy anjely hafa koa niara-nikomy tamin’i Satana.—Apokalypsy 12:9.

  • Voafitaky ny Devoly ny olona maro, ka lasa tsy mino hoe tena misy izy.—2 Korintianina 4:4.

Manan-kery eo amin’ny olona ve ny Devoly?

MISY MILAZA FA lainga ny hoe afaka mifehy olona ny Devoly. Ny olona sasany kosa matahotra mafy sao dia lasa fehezin’ny fanahy ratsy. Ahoana ny hevitrao?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Tena mampirisika ny olona hanao ratsy ny Devoly, saingy tsy ny olona rehetra akory no feheziny.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Mamitaka ny olona ny Devoly, amin’izay be dia be no manaraka azy.—2 Korintianina 11:14.

  • Afaka mifehy olona ny anjely ratsy indraindray.—Matio 12:22.

  • Afaka manampy anao ‘hanohitra ny Devoly’ Andriamanitra.—Jakoba 4:7.