Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?

Tsara ho Fantatra ny Tantaran’ny Baiboly

Tsara ho Fantatra ny Tantaran’ny Baiboly

Tsy misy boky ara-pivavahana afaka mitaha amin’ny Baiboly. Izy io ihany mantsy no tena nisy vokany teo amin’ny zavatra inoan’ny olona maro hatry ny ela be. Ny Baiboly koa no boky be mpandalina indrindra nefa be mpanakiana indrindra.

Misy manam-pahaizana, ohatra, misalasala raha tena mitovy amin’ny Baiboly tany am-boalohany izy io. Hoy ny iray amin’izy ireo: “Tsy azontsika antoka hoe mitovy tanteraka amin’ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany ny Baiboly ankehitriny. Be diso ny Baiboly misy amin’izao. Efa an-jatony taona tatỳ aoriana ny ankamaroany vao nadika, ka samy hafa be amin’ny Baiboly tany am-boalohany ary amin’ny lafiny maro mihitsy.”

Tsy Kristianina ny olona sasany, ka misalasala raha marina ny Baiboly. Nampianatra an’i Faizal, ohatra, ny fianakaviany hoe boky masina ny Baiboly saingy novana ny tao anatiny. Hoy i Faizal: “Lasa tsy natokitoky aho rehefa nisy olona te hiresaka tamiko momba ny Baiboly. Izy aza tsy manana ny Baiboly tany am-boalohany fa novana ilay izy.”

Tena ilainao ve ny mahalala raha novana ny Baiboly na tsia? Saintsaino izao: Hatoky ny fampanantenany momba ny hoavy ve ianao, raha tsy fantatrao hoe tena tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany izany? (Romanina 15:4) Hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly ve ianao rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe momba ny asa, na fianakaviana, na fivavahana, raha be diso izy io?

Efa tsy misy intsony ireo boky nosoratana tany am-boalohany, izay lasa anisan’ny Baiboly. Sora-tanana tranainy an’arivony anefa no mbola azontsika dinihina. Nahoana izy ireny no mbola misy hatramin’izao na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, na dia nisy nitady hamongotra aza, ary na dia nisy nitady hanova aza ny tao anatiny? Nahoana izany no mahatonga anao hatoky hoe marina ny Baiboly misy amin’izao? Mamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.