Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Mbola ho Foana ve ny Herisetra?

Mety Mbola ho Foana ve ny Herisetra?

Efa niharan’ny herisetra ve ianao na ny havanao? Matahotra ve ianao hoe mety hiharan’izany? Voalaza fa anisan’ny “tena mampijaly ny olona eran-tany” ny herisetra. Diniho ireto ohatra ireto:

HERISETRA AO AN-TOKANTRANO SY FANOLANANA: Milaza ny Firenena Mikambana fa “vehivavy iray ao anatin’ny telo no efa novonoin’ny olon-tiany na notereny hanao firaisana. Tombanana ho vehivavy iray ao anatin’ny dimy, eran-tany, no hisy hanolana na hisy hitady hanolana.”

ASAN-JIOLAHY: Voalaza fa misy jiolahy 30 000 mahery any Etazonia. Nasehon’ny tatitra koa fa efa ho ny ampahatelon’ny mponina any Amerika Latinina no notafihin’ny jiolahy.

VONOAN’OLONA: Tombanana ho dimy hetsy latsaka kely ny olona nisy namono tamin’ny 2012. Mbola betsaka noho ny maty an’ady izany. Rehefa atao ny salanisa, dia ny any Amerika Afovoany sy ny faritra atsimon’i Afrika no be vonoan’olona indrindra, satria avo efatra heny noho ny vonoan’olona eran-tany ny any. Nisy fotoana nahatratra 100 000 mahery ny olona nisy namono tany Amerika Latinina, tao anatin’ny herintaona, ary 50 000 teo ho eo ny tany Brezila fotsiny. Ho fongotra ihany ve ny herisetra?

INONA NO TENA VAHAOLANA?

Nahoana ny herisetra no miely be? Maro ny anton’izany fa ireto ny sasany: Tsy mifanaraka ny mahantra sy ny manankarena ary ny olona tsy mitovy saranga, tsy zava-dehibe amin’ny olona intsony ny aina, misy vokany amin’ny olona ny toaka sy ny zava-mahadomelina, iharan’ny herisetra ny ankizy sady mahita ny ady ataon’ny olon-dehibe, ary hoatran’ny afa-maina ny mpanao heloka bevava.

Efa mba voafehy ihany ny herisetra any amin’ny firenena sasany. Nihena 80 isan-jato eo ho eo, ohatra, ny vonoan’olona any São Paulo, Brezila, tato anatin’ny folo taona. Mbola manjaka ihany anefa ny herisetra isan-karazany ao amin’io tanàna be mponina io, ary mbola misy 10 isaky ny 100 000 eo ho eo ny olona maty nisy namono. Ahoana àry no hanafoanana ny herisetra?

Ny olona mahery setra mihitsy no mila manova ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany. Tsy tokony hanambony tena, na ho tia vola, na ho tia tena izy ireo, fa hiezaka ho be fitiavana, hanaja olona, ary hiahy ny hafa.

Inona no hanampy ny olona hiova be hoatr’izany? Ireto misy andinin-teny azo saintsainina:

  • “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

  • “Midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah.” *Ohabolana 8:13.

Na ny olona tena mahery setra aza afaka manova tanteraka ny maha izy azy, raha lasa tia an’Andriamanitra sady matahotra ny hampalahelo azy. Tena marina ve izany?

Nanao heloka bevava imbetsaka, ohatra, i Alex, * ary efa 19 taona izy izao no migadra any amin’ny fonjan’i Brezila. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 2000, rehefa avy nianatra Baiboly tamin’izy ireo. Niova tokoa ve izy? Eny. Tena nanenina tamin’ny zava-dratsy rehetra nataony i Alex. Hoy izy: “Lasa tia an’Andriamanitra aho, satria tsapako hoe namela ny heloko izy. Tia azy aho sady mankasitraka ny zavatra nataony, dia izay no nanampy ahy hiova.”

Jiolahy nitam-piadiana i César, nandritra ny 15 taona teo ho eo. Avy any Brezila koa izy. Inona no nampiova azy? Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany am-ponja, ary nianatra Baiboly koa. Hoy izy: “Tamin’izay vao tsapako hoe misy dikany ny fiainako. Nianatra ny ho tia an’Andriamanitra aho, ary nianatra ny hatahotra azy. Natahotra aho sao dia hanao ratsy indray ka hampalahelo azy. Te hankasitraka azy aho, noho izy tsara fanahy amiko. Niova àry aho satria lasa natahotra an’i Jehovah sady tia azy.”

Fantaro hoe ahoana no hahafahanao hiaina ao amin’ny tontolo tsy misy herisetra intsony

Hitantsika avy amin’izany fa afaka manova olona ny Baiboly, ary ny fomba fisainana mihitsy no ovany. (Efesianina 4:23) Hoy ihany i Alex: “Toy ny rano nanadio ahy ireo zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly, ka nanala tsikelikely an’ireo eritreri-dratsy tao amiko. Zavatra tsy noeritreretiko ho afaka mihitsy izany, nefa afaka.” Raha ny hafatra madio ao amin’ny Baiboly àry no ataontsika mameno ny saintsika, dia ho afaka hiala amin’ny toetra ratsy isika. Afaka manadio antsika ny Tenin’Andriamanitra. (Efesianina 5:26) Na ny olona lozabe sy tia tena aza, dia lasa tsara fanahy sy tia fihavanana. (Romanina 12:18) Milamina ny fiainany satria ampihariny ny toro lalan’ny Baiboly.—Isaia 48:18.

Nahita vahaolana amin’ny herisetra ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 240. Misy valo tapitrisa mahery izy ireo, sady avy amin’ny foko sy saranga ary fari-piainana rehetra. Mianatra ho tia sy hatahotra an’Andriamanitra izy ireo ary mianatra hifankatia sy hihavana, ka lasa toy ny fianakaviana iray ihany eran-tany. (1 Petera 4:8) Izy ireo no porofo fa tena azo foanana ny herisetra.

KELY SISA DIA HO FOANA NY HERISETRA!

Milaza ny Baiboly fa kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra tanteraka ny herisetra. Efa hiatrika ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” ity tontolo mahery setra ity. (2 Petera 3:5-7) Tsy hisy intsony ny olona mahery setra mampijaly ny hafa. Nahoana isika no afaka matoky fa te hanafoana ny herisetra Andriamanitra?

‘Tena halan’i Jehovah ny olona tia herisetra.’ (Salamo 11:5) Tia rariny sy tia fihavanana koa ilay Mpamorona antsika. (Salamo 33:5; 37:28) Tsy handefitra foana amin’ny olona mahery setra àry izy.

Tsy ho ela dia hanjaka eto an-tany ny fiadanana. (Salamo 37:11; 72:14) Nahoana raha mitady fanazavana fanampiny, mba hahalalanao hoe ahoana no hahafahanao hiaina amin’izany?

^ feh. 14 Novana ny anarana.