Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA NO TENA AFAKA MAMPIONONA ANAO?

Mila Mpampionona Isika Rehetra

Mila Mpampionona Isika Rehetra

Efa nianjera ve ianao tamin’ny mbola kely? Naratra angamba ny tananao na ny lohalikao tamin’izay, ka nitomany ianao. Soa ihany anefa fa teo i Neny. Nanambitamby anao izy sady nanafosafo anao, ka tsy ela ianao dia nangina. Mora erỳ ny nahazo fampiononana tamin’izany!

Mihasarotra anefa ny fiainana rehefa mihalehibe. Mitombo ny olana, ary sarotra kokoa ny mahita fampiononana. Indrisy anefa fa tsy mahavaha an’ireny olana ireny intsony ny tambitambin’i Neny! Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto.

  • Efa very asa ve ianao? Sahiran-tsaina angamba ianao tamin’izay. Nilaza i Julian fa toy ny nilatsaham-baratra izy, rehefa nahare hoe voaroaka tamin’ny asany. Hoy izy: ‘Ahoana izao no hamelomako ny vady aman-janako? Fa maninona aho no tsy ilain’ilay orinasa intsony, nefa efa an-taonany maro aho no nifofotra niasa ho azy io?’

  • Rava ve ny tokantranonao? Mafy aminao angamba izany. Hoy i Rachel: “Nalahelo be aho rehefa nandao ahy tampoka ny vadiko, herintaona sy tapany izay. Hoatran’ny hoe vaky mihitsy ny foko sady nanaintaina ny vatako manontolo. Nanahy be aho hoe hanao ahoana ny hoaviko.”

  • Marary mafy ve ianao, ary tsy mety mihatsara? Mety hitovy amin’ny an’i Joba ny tsapanao indraindray. Hoy izy: “Maharikoriko ahy ny fiainako. Tsy ho ela velona aho.” (Joba 7:16) Angamba koa ianao mitovy fihetseham-po amin’i Luis, lehilahy 80 taona mahery. Nitaraina izy hoe: “Hoatran’ny miandry fahafatesana fotsiny aho indraindray.”

  • Sa nisy havanao maty, ka tena mila fampiononana ianao? Hoy i Robert: “Tsy nino mihitsy aho, tamin’ny voalohany, hoe maty ny zanakay lahy, rehefa nianjera ilay fiaramanidina nandehanany. Avy eo dia nanaintaina be tao anatiko tao, hoatran’ny hoe voatrobaky ny sabatra, araka ilay resahin’ny Baiboly.”—Lioka 2:35.

Tena mafy ny nanjo an’i Robert, Luis, Rachel, ary Julian. Nisy nampionona anefa izy ireo. Tsy iza izany fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Izy no tena mahay mampionona. Ahoana no anaovany an’izany? Afaka mampionona anao koa ve izy?