Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA NO TENA AFAKA MAMPIONONA ANAO?

Afaka Mampionona Antsika Andriamanitra

Afaka Mampionona Antsika Andriamanitra

Nilaza ny apostoly Paoly fa “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, * ary “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.” (2 Korintianina 1:3, 4) Vitan’ilay Raintsika any an-danitra àry ny mampionona ny olona rehetra, na iza izy na iza, ary na mafy toy inona aza ny fahoriany.

Misy zavatra tsy maintsy ataontsika anefa, raha tiantsika hampionona antsika Andriamanitra. Ahoana tokoa moa no hanampian’ny dokotera antsika, raha tsy isika aloha no manatona azy? Mampirisika antsika àry ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

Tena hanatona antsika ve anefa Andriamanitra? Eny. Imbetsaka mantsy izy no milaza fa te hanampy antsika. (Jereo ny  efajoro.) Betsaka koa ny olona efa nampiononiny, na taloha izany na ankehitriny.

Anisan’izany i Davida Mpanjaka fahiny. Nijaly sy nila vonjy tamin’Andriamanitra izy, toy ny olona maro ankehitriny. Niangavy an’i Jehovah izy hoe: “Henoy ny fitalahoako rehefa miantso vonjy aminao aho.” Nihaino azy i Jehovah matoa izy nilaza hoe: “Nanampy ahy izy ka faly ny foko.”—Salamo 28:2, 7.

NAMPIONONA NY ORY REHETRA I JESOSY

Efa fikasan’Andriamanitra ny hampiasa an’i Jesosy mba hampionona ny olona. Nirahiny, ohatra, izy mba “hamehy ny ratran’ny torotoro fo” sy “hampionona an’izay ory rehetra.” (Isaia 61:1, 2) Izany tokoa no nataon’i Jesosy. Niantra an’ireo ‘niasa mafy sy navesatra entana’ izy.—Matio 11:28-30.

Nampionona ny olona i Jesosy rehefa nanome torohevitra tsara azy ireo sy tsara fanahy taminy. Nisy mihitsy aza nositraniny. Niangavy azy ny boka iray, indray andro, hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Nangoraka azy i Jesosy ka namaly hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” (Marka 1:40, 41) Dia sitrana ilay boka.

Tsy eto an-tany intsony izao ilay Zanak’Andriamanitra, ka tsy afaka mampionona antsika mivantana. Soa fa mbola afaka manampy antsika i Jehovah Rainy, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Korintianina 1:3) Ireto misy fomba efatra anaovany an’izany:

  • Ny Baiboly. “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4.

  • Ny fanahy masina. Nandry feizay ny fiangonana kristianina, tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. “Nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina” mantsy izy io. (Asan’ny Apostoly 9:31) Tena mahery ny fanahy masina na ny hery ampiasain’Andriamanitra. Afaka mampiasa azy io izy mba hampiononana ny olona rehetra, na inona na inona mampahory azy.

  • Ny vavaka. Hoy ny Filipianina 4:6, 7: ‘Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.’

  • Ny namana kristianina. Afaka mampionona antsika izy ireny rehefa manana olana isika. Nilaza i Paoly fa “nanampy sy nankahery” azy ny namany, rehefa tao anatin’ny ‘fahantrana sy ny fahoriana’ izy.—Kolosianina 4:11; 1 Tesalonianina 3:7.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe ahoana no ahazoana fampiononana amin’ny alalan’ireo fomba efatra ireo. Andeha hojerentsika ny zavatra niainan’ireo olona voaresaka terỳ aloha. Ho hitanao fa tena tanterahin’Andriamanitra ilay fampanantenany hoe: “Hampiononiko foana ianareo, toy ny lehilahy ampiononin-dreniny foana.”—Isaia 66:13.

^ feh. 3 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly