Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA NO TENA AFAKA MAMPIONONA ANAO?

Rahoviana Isika no Mila Mpampionona?

Rahoviana Isika no Mila Mpampionona?

Isan-karazany ny zava-manahirana mahazo ny olona, ka tsy ho voatanisa ato daholo. Horesahintsika bebe kokoa anefa ireo olana voaresaka terỳ aloha. Mariho fa na samy hafa aza ny zava-manahirana hitan’ny olona resahina ato, dia samy mahatsapa izy ireo hoe nampiononin’Andriamanitra.

REHEFA VERY ASA

“Niezaka tsy hifidifidy asa sy tsy handanilany vola izahay.”​—Jonathan

Hoy i Solofo: * “Niara-very asa izahay mivady. Asa an-tselika sy fanampiana avy amin’ny fianakaviana no mba nivelomanay, nandritra ny roa taona. Kivy tanteraka i Anja vadiko, ary izaho indray nahatsiaro ho tsy nisy nilana ahy.

“Niezaka nitadidy an’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:34 i Anja, mba hiatrehana an’ilay izy. Voalaza ao fa tsy tokony hanahy ny amin’ny ampitso isika, satria manana ny fanahiany ny andro tsirairay. Nahazo hery koa izy rehefa nivavaka tamin’ny fo. Ny ahy indray ny Salamo 55:22 no tena nampionona ahy. Nanao hoatran’ilay mpanao salamo aho. Napetrako tamin’i Jehovah izay nanavesatra ahy, dia tena nanohana ahy izy. Efa nahita asa aho izao, kanefa miezaka hanana fiainana tsotra foana izahay mivady, araka ny Matio 6:20-22. Lasa akaiky an’Andriamanitra koa izahay, ary vao mainka mifankatia.”

Hoy i Jonathan: “Lasa nanahy momba ny hoavy aho, rehefa bankirompitra ilay orinasa kelinay. Very maina ny asa mafy nataonay nandritra ny 20 taona, satria nitotongana ny toe-karena. Lasa nampifamaly anay mivady ny resa-bola. Tsy sahy nampiasa karatra fitrosana koa izahay rehefa niantsena, sao tsy hekena ilay izy.

“Nanampy anay hahay hanapa-kevitra anefa ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny. Niezaka tsy hifidifidy asa sy tsy handanilany vola izahay. Nanohana anay koa ireo Vavolombelon’i Jehovah mpiara-mivavaka aminay. Nataon’izy ireo foana izay hahatsapanay hoe misy vidiny izahay. Nampiany koa izahay rehefa tena sahirana.”

REHEFA RAVA NY TOKANTRANO

Hoy i Rachel: “Sady nalahelo aho no tezitra. Vao mainka aho nalahelo be avy eo. Nifandray akaiky tamin’Andriamanitra anefa aho, dia nampionona ahy izy. Niaro ny foko ny fiadanany rehefa nivavaka taminy isan’andro aho. Nanasitrana ny ratram-poko izy.

“Nanampy ahy koa ny Baiboly mba tsy ho tezitra intsony na hanao an-dolompo. Nampihariko ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 12:21 hoe: ‘Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.’

“Misy fotoana tsy maintsy ‘amoizana ny very.’ ... Manana tanjona vaovao aho izao.”​—Rachel

“Nisy namako koa nilaza tamiko fa mila manomboka pejy vaovao indray aho. Nasehony ahy ny Mpitoriteny 3:6, ary nilaza tamiko moramora izy fa misy fotoana tsy maintsy ‘amoizana ny very.’ Mafy tamiko ilay torohevitra, nefa tena nilaiko. Manana tanjona vaovao aho izao.”

Hoy i Nivo: “Mila fanampiana ianao, rehefa rava ny tokantranonao. Soa ihany fa teo foana izay namako izay. Niara-nitomany tamiko izy, nampionona ahy, ary nataony izay hahatsapako hoe tiana aho fa tsy nailikilika. Tena nampiasain’i Jehovah izy mba hanasitrana ny ratram-poko.”

REHEFA MARARY NA ANTITRA

‘Tsapako hoe manome hery ahy ny fanahin’Andriamanitra isaky ny avy mivavaka aho.’​—Luis

Marary fo i Luis, ilay voaresaka tany aloha, ary efa indroa saika maty. Sempotra izy ka mila oksizenina adiny 16 isan’andro. Hoy izy: “Mivavaka amin’i Jehovah foana aho. Tsapako hoe manome hery ahy ny fanahiny isaky ny avy manao an’izany aho. Manampy ahy hiaritra ny vavaka, satria matoky an’Andriamanitra aho ary fantatro hoe mikarakara ahy izy.”

Hoy i Estera, izay efa 80 taona mahery: “Be dia be ny zavatra tiako hatao, saingy tsy vitako intsony. Mafy be amiko ny mahita hoe mihena ny heriko. Reraka aho sady tsy maintsy mihinam-panafody. Eritreretiko matetika ilay tenin’i Jesosy tamin’ny Rainy hoe esory amiko ity kaopy ity, raha azo atao. Marina hoe tsy nesorin’i Jehovah ilay fitsapana, nefa nomeny hery izy. Dia izany koa no ataony amiko. Ny vavaka no tena ‘fanafodiko.’ Mahatsiaro ho maivamaivana aho isaky ny avy mivavaka.”—Matio 26:39.

Izany koa no tsapan’i Julian, izay voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra efa ho 30 taona izao. Hoy izy: “Eo ambony seza misy kodiarana aho izao, fa tsy direktera intsony. Mbola tiako anefa ny fiainako, satria atokako hanampiana ny hafa. Tsy dia mahatsiaro mijaly aho rehefa manampy olona. Jehovah rahateo tena manome hery amin’ny fotoana ilana an’izany. Marina ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.’”—Filipianina 4:13.

REHEFA MISY HAVANA MATY

Hoy i Mahandry: “Tsy nino aho tamin’ny voalohany hoe maty voadonan’ny fiara i Dada. Tsy rariny ilay izy satria sendra nandeha an-tongotra tamin’ilay lalana fotsiny izy. Tsy afa-nanoatra anefa aho. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny dimy andro i Dada vao maty. Niezaka tsy hitomany teo imason’i Neny aho, fa nigogogogo kosa rehefa irery. Niverimberina tao an-tsaiko ny hoe: ‘Fa dia nahoana loatra?’

“Niangavy an’i Jehovah aho mba hanampy ahy hifehy ny fihetseham-poko sy hilamin-tsaina. Nihatony àry aho. Tadidiko ilay resahin’ny Baiboly hoe mety ho ‘azon-tsampona’ isika rehetra. Matoky aho fa mbola hihaona amin’i Dada rehefa hitsangana ny maty. Tsy mahay mandainga mantsy Andriamanitra.”—Mpitoriteny 9:11; Jaona 11:25; Titosy 1:2.

‘Marina fa maty tamin’ilay loza ny zanakay, nefa miezaka izahay hifantoka amin’ny fotoana mahafinaritra niarahanay.’​—Robert

Niteny toy izany koa i Robert, ilay voaresaka tany aloha. Hoy izy: “Tsapanay mivady ilay fiadanan-tsaina resahin’ny Filipianina 4:6, 7, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah izahay. Nolazainay tamin’ny mpanao gazety àry fa manantena izahay hoe mbola hitsangana ny zanakay. Marina fa maty tamin’ilay loza izy, nefa miezaka izahay hifantoka amin’ny fotoana mahafinaritra niarahanay.

“Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nahita anay niseho tele. Tony be, hono, izahay nanazava ny finoanay. Nolazainay tamin’ireo mpiara-mivavaka aminay ireo fa ny vavaka maro nataony ho anay no nahatonga an’izany. Tena mino aho fa ireo hafatra mampahery nalefan’izy ireo no nampiasain’i Jehovah hampiononana anay.”

Hitantsika amin’ireo ohatra ireo fa afaka mampionona ny olona i Jehovah, na dia samy hafa aza ny zava-manahirana atrehin’izy ireo. Afaka mampionona anao koa izy, na inona na inona olana atrehinao. * Nahoana àry raha mitady fanampiana aminy? Izy mantsy no “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintianina 1:3.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 23 Raha mila fanampiana ianao mba hanatonana an’Andriamanitra sy hahazoana ny fampiononany, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na manorata amin’ny biraon’ny sampana akaiky indrindra.