Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Soa Amin’ny Sakafo Ara-panahy Rehetra Omen’i Jehovah ve Ianao?

Mandray Soa Amin’ny Sakafo Ara-panahy Rehetra Omen’i Jehovah ve Ianao?

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—ISAIA 48:17.

HIRA: 117, 114

1, 2. a) Ahoana no fiheverantsika ny Baiboly? b) Inona no boky tianao indrindra ao amin’ny Baiboly?

TENA tiantsika Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly. Azo antoka mantsy ny zavatra lazainy sady mampahery sy manome fanantenana. (Rom. 15:4) Tsy hevitr’olombelona no fiheverantsika ny zavatra voalaza ao, fa “tenin’Andriamanitra.”—1 Tes. 2:13.

2 Samy manana ny tena tiany isika rehefa mamaky Baiboly. Misy, ohatra, tena tia mamaky ny Filazantsara, satria lasa mahafantatra tsara ny toetran’i Jehovah izy rehefa mamaky ny tantaran’i Jesosy. (Jaona 14:9) Misy indray tia mamaky boky misy faminaniana, ohatra hoe ny Apokalypsy. Miresaka “ny zavatra hitranga tsy ho ela” mantsy izy io. (Apok. 1:1) Maro koa no mahatsapa fa mampahery ny bokin’ny Salamo, ary mandray lesona izy rehefa mamaky ny Ohabolana. Natao ho an’ny rehetra tokoa ny Baiboly.

3, 4. a) Ahoana no fiheverantsika an’ireo boky sy gazetintsika? b) Inona koa no azontsika ankoatra an’ireo zavatra natao ho antsika rehetra?

3 Tiantsika ny Baiboly ka tiantsika koa ireo boky, bokikely, gazety, ary zavatra hafa vokarin’ny fandaminana. Avy ao amin’ny Baiboly mantsy ny zavatra voalazan’izy ireny. Manampy antsika hiambina foana sy “hatanjaka amin’ny finoana” ireny sakafo ara-panahy avy amin’i Jehovah ireny.—Tit. 2:2.

4 Matetika no natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ny bokintsika. Misy koa natao ho an’ny sokajin’olona manokana, ohatra hoe tanora na ray aman-dreny. Misy kosa natao ho an’ny olona tsy Vavolombelona. Ho azy ireny, ohatra, ny ankamaroan’ny bokintsika sy ny zavatra ao amin’ny tranonkala jw.org. Mahazo sakafo ara-panahy be dia be àry isika. Notanterahin’i Jehovah tokoa ilay teniny hoe “hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra” izy.—Isaia 25:6.

5. Inona no azontsika antoka hoe mampifaly an’i Jehovah?

5 Azo antoka fa tiantsika raha manam-potoana bebe kokoa isika hamakiana ny Baiboly sy ny bokintsika. Matokia anefa fa faly i Jehovah mahita antsika miezaka ‘manararaotra tsara ny fotoana’, ka mamaky ny Teniny isan’andro sy mianatra samirery. (Efes. 5:15, 16) Marina fa tsy ho vitantsika foana ny hianatra tsara ny zavatra tsirairay avoakan’ny fandaminana. Mila mitandrina anefa isika. Nahoana?

6. Nahoana isika no mety tsy handray soa amin’ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah?

6 Mety hieritreritra isika hoe tsy tena ilaintsika ny sakafo ara-panahy sasany, ka lasa tsy mandray soa amin’ilay izy isika. Ahoana, ohatra, raha hoatran’ny tsy mahakasika anao ny zavatra sasany ao amin’ny Baiboly? Ary raha tsy anisan’ny olona tena nanoratana ny boky na gazety sasany ianao? Zara raha mamaky an’ilay izy ve ianao sa tsy mamaky mihitsy? Ho matiantoka ianao raha manao an’izany, satria mety ho tena hahasoa anao ilay izy. Inona àry no tokony hatao? Mila mitadidy isika hoe avy amin’i Jehovah ireny sakafo ara-panahy ireny. Hoy izy: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.” (Isaia 48:17) Inona àry no hanampy antsika handray soa amin’ny Baiboly manontolo sy ny karazana sakafo ara-panahy rehetra omena antsika? Handinika soso-kevitra telo isika ato.

INONA NO AZO ATAO REHEFA MAMAKY BAIBOLY?

7. Nahoana isika no tokony ho vonona hiana-javatra foana rehefa mamaky Baiboly?

7 Eritrereto hoe tsy maintsy hisy lesona hotsoahanao foana amin’ilay izy. Milaza ny Baiboly fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Tim. 3:16) Natao ho an’ny olona iray na sokajin’olona manokana ny zavatra sasany voalazan’ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Izany no mahatonga antsika hoe tokony ho vonona hiana-javatra. Hoy ny rahalahy iray: “Rehefa mamaky Baiboly aho, dia ataoko an-tsaina foana hoe mety ho betsaka ny zavatra azoko ianarana avy amin’ny andinin-teny vakiko.” Hoy koa izy: “Manampy ahy izany mba handinika tsara fa tsy hianina amin’izay voalaza ao fotsiny.” Isaky ny hamaky Baiboly àry ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao ho vonona hiana-javatra. Mangataha koa fahendrena mba hahitanao an’izay tiany hianaranao amin’ilay izy.—Ezra 7:10; vakio ny Jakoba 1:5.

Miezaka mafy ve ianao mba handray soa avy amin’izay vakinao ao amin’ny Baiboly? (Fehintsoratra 7)

8, 9. a) Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa mamaky Baiboly? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa mandinika ny fepetra ho an’ny anti-panahy isika?

8 Mametraha fanontaniana. Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia miatoa kely ary eritrereto izao: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah? Ahoana no azoko ampiharana an’ity andinin-teny ity? Ahoana no azoko ampiasana azy ity mba hanampiana ny hafa?’ Handray soa kokoa ianao raha manao an’izany. Eritrereto, ohatra, ny fepetra natao ho an’ny anti-panahy. (Vakio ny 1 Timoty 3:2-7.) Tsy anti-panahy ny ankamaroantsika, ka mety hieritreritra hoe tsy dia mahakasika antsika ireo andininy ireo. Handray soa anefa isika raha mandinika an’ireo. Andao ange hovaliantsika ireo fanontaniana telo tetsy aloha e!

9 Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah? Hita amin’ireo andininy ireo hoe izay mahafeno ny fepetra omen’i Jehovah ihany no avelany hiandraikitra fiangonana. Tiany ho modely ny mpiandraikitra. Mbola hataony ampamoaka koa izy ireny amin’ny fomba itondrany ny fiangonana, izay “novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.” (Asa. 20:28) Nanome antsika an’ireny mpiandraikitra ireny i Jehovah mba hahatonga antsika tsy hanana ahiahy. (Isaia 32:1, 2) Hitantsika amin’ireo fepetra ho an’ny anti-panahy ireo àry fa tena mitady izay hahasoa antsika i Jehovah.

10, 11. a) Inona no azontsika atao rehefa mamaky an’ireo fepetra ho an’ny anti-panahy isika? b) Ahoana no azontsika ampiasana an’ireo andininy ireo mba hanampiana ny hafa?

10 Ahoana no azoko ampiharana an’ireo andinin-teny ireo? Mila mijery tsindraindray an’ireo fepetra ho an’ny anti-panahy ny rahalahy voatendry, ka mieritreritra hoe inona no azony hatsaraina. Mila mandinika tsara an’ireo fepetra ireo koa ny rahalahy te “ho tonga mpiandraikitra”, satria mila miezaka mafy araka izay azony atao izy mba hahafeno an’ireo. (1 Tim. 3:1) Ny Kristianina tsirairay mihitsy no mila mandinika an’ireo fepetra ireo, satria tian’i Jehovah hataontsika rehetra ny ankamaroan’izy ireo. Tiany hahay handanjalanja sy hisaina tsara daholo, ohatra, isika. (Fil. 4:5; 1 Pet. 4:7) Afaka miana-javatra avy amin’ny anti-panahy sy ‘manahaka ny finoany’ isika rehefa “modely ho an’ny andian’ondry” izy ireny.—1 Pet. 5:3; Heb. 13:7.

11 Ahoana no azoko ampiasana an’ireo andininy ireo mba hanampiana ny hafa? Azontsika resahina amin’ny olona liana sy ny olona ampianarintsika Baiboly ireo fepetra ho an’ny mpiandraikitra. Ho hitany amin’izay hoe tsy mitovy amin’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fivavahana hafa ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa mamaky an’ireo fepetra ireo isika, dia azontsika atao koa ny mitadidy fa miezaka mafy ny anti-panahy manampy antsika. ‘Hanisy fiheverana’ bebe kokoa azy ireny isika amin’izay. (1 Tes. 5:12) Vao mainka ho faly izy ireny rehefa miezaka hanaja azy kokoa isika.—Heb. 13:17.

12, 13. a) Inona no azontsika karohina rehefa mamaky Baiboly isika? b) Manomeza ohatra mampiseho fa mahita lesona tsy tonga dia miharihary isika raha mikaroka.

12 Manaova fikarohana. Ampiasao izay fitaovana anananao ary tadiavo ny valin’ireto:

  • Iza no nanoratra an’ilay boky?

  • Taiza ary oviana ilay izy no nosoratana?

  • Inona no zava-dehibe nitranga tamin’ilay izy nosoratana?

Raha mikaroka hoatr’izany isika, dia mety hahita lesona tsy tonga dia miharihary.

13 Diniho, ohatra, ny Ezekiela 14:13, 14. Izao no voalaza ao: “Raha mivadika amiko ny tany iray ka manota amiko, dia haninjitra ny tanako hamely azy aho. Koa hotapahiko tsy hisy ao intsony ny hazo fihantonan’ny mofo boribory. Ary handefasako mosary ao amin’ilay tany, dia haripako daholo ny olona sy ny biby fiompy ao. ‘Na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany ireto telo lahy ireto, dia i Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” Raha mikaroka isika, dia hahita fa tamin’ny 612 T.K. i Ezekiela no nanoratra an’izany. Efa ela be i Noa sy Joba no maty tamin’izany, saingy mbola tsaroan’i Jehovah hoe tsy nivadika izy ireo. I Daniela kosa mbola velona. Mety ho 20 taona teo ho eo izy tamin’i Jehovah nilaza hoe olo-marina hoatran’i Noa sy Joba izy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hitan’i Jehovah sady sarobidy aminy ny mpanompony tsy mivadika rehetra, anisan’izany ny tanora.—Sal. 148:12-14.

NAHOANA NO MAHASOA IREO LAHATSORATRA ISAN-KARAZANY?

14. Nahoana no mahasoa ny tanora ny lahatsoratra natao ho azy ireo, ary nahoana no mahasoa ny hafa koa izy ireny? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

14 Hitantsika teo fa mahasoa antsika izay rehetra voalazan’ny Baiboly. Mahasoa antsika koa anefa ny sakafo ara-panahy rehetra omena antsika. Eritrereto, ohatra, ny lahatsoratra ho an’ny tanora. Be dia be ny lahatsoratra natokana ho azy ireny tato ho ato, mba hanampiana azy hiatrika ny olana mpahazo ny tanora sy ny zava-tsarotra any am-pianarana. [1] Ilaintsika rehetra koa anefa ny mamaky an’ireny lahatsoratra ireny. Ho fantatsika mantsy amin’izay ny olana atrehin’ny tanora, ka ho haintsika kokoa ny hanampy sy hampahery azy ireny.

15. Nahoana ny olon-dehibe no tokony hamaky an’ireo lahatsoratra ho an’ny tanora?

15 Tsy ny tanora ihany no miatrika ny olana resahin’ireny lahatsoratra ireny, fa isika rehetra. Mila miaro ny finoantsika sy mifehy ny fihetseham-pontsika koa mantsy isika. Mila mitandrina isika mba tsy ho voataona hanao ratsy, tsy hanao fialam-boly tsy mety, ary tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy. Miresaka an’izany sy ny zavatra maro hafa ny lahatsoratra ho an’ny tanora. Tsy tokony hieritreritra àry ny olon-dehibe hoe manambany azy ny mamaky azy ireny. Marina fa natao hahasarika ny tanora izy ireny. Miorina amin’ny toro lalan’ny Baiboly anefa izy ireny ary tsy mety lany andro. Afaka mandray soa amin’ireny sakafo ara-panahy ireny isika rehetra.

16. Manampy ny tanora hahavita inona koa ny lahatsoratra ao amin’ny bokintsika?

16 Tsy manampy ny tanora hiatrika olana fotsiny ny lahatsoratra ao amin’ny bokintsika, fa manampy azy handroso tsara sy ho akaiky an’i Jehovah koa. (Vakio ny Mpitoriteny 12:1, 13.) Na ny olon-dehibe koa aza anefa mandray soa amin’izy ireny. Nisy lahatsoratra nivoaka, ohatra, tao amin’ny Mifohaza! Aprily 2009. Izao no lohateniny: “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko mba ho Tiako ny Mamaky Baiboly?” Nisy soso-kevitra maromaro tao, sady nisy efajoro azo nohetezana sy notehirizina. Nandray soa tamin’ilay izy ve ny olon-dehibe? Hoy ny renim-pianakaviana iray, 24 taona: ‘Sahirana foana aho vao nahavaky Baiboly. Narahiko ny soso-kevitra tao amin’io lahatsoratra io ary nampiasaiko tsara ilay faritra nasaina nohetezana. Tsy andriko izao ny fotoana hamakiana Baiboly. Hitako hoe mifanaraka tsara ny hevitra ao anatiny. Lasa mahafinaritra be an’ahy ny mamaky Baiboly.’

17, 18. Inona no soa raisintsika rehefa mamaky an’ireo lahatsoratra ho an’ny besinimaro isika? Manomeza ohatra.

17 Eritrereto koa ny lahatsoratra ho an’ny besinimaro. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana gazety fianarana isika nanomboka tamin’ny 2008, ary ho antsika Vavolombelon’i Jehovah no tena nanaovana azy io. Mahasoa antsika koa ve anefa ny gazety ho an’ny besinimaro? Eritrereto hoe nisy olona nasainao hanatrika lahateny ho an’ny besinimaro, dia tonga izy. Azo antoka fa faly be ianao. Mieritreritra an’ilay olona ianao eo am-pihainoana an’ilay lahateny, sady lasa saina hoe: ‘Mba inona re izao no tsapany e?’ Lasa tianao kokoa ny zavatra noresahina tao amin’ilay lahateny, rehefa misaintsaina hoatr’izany ianao.

18 Toy izany koa rehefa mamaky lahatsoratra ho an’ny besinimaro isika. Teny mora azon’ny olona tsy Vavolombelona no ampiasaina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro, rehefa miresaka foto-kevitra avy ao amin’ny Baiboly. Hoatr’izany koa ny lahatsoratra maro ao amin’ny jw.org, anisan’izany ny lahatsoratra ao amin’ilay hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” sy ilay hoe “Fanontaniana Fametraky ny Olona.” Vao mainka tiantsika ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Baiboly, rehefa mamaky azy ireny isika. Mety hahita fomba vaovao hanazavana ny zavatra inoantsika koa isika, ary ho azontsika ampiasaina ilay izy rehefa manompo. Rehefa mamaky ny Mifohaza! indray isika, dia lasa matoky kokoa fa tena misy Andriamanitra ary lasa haintsika ny miaro ny zavatra inoantsika.—Vakio ny 1 Petera 3:15.

19. Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy manome sakafo ara-panahy antsika?

19 Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy be dia be tokoa isika, mba hanampiana antsika hifandray akaiky kokoa aminy. (Mat. 5:3) Enga anie àry isika hahay hanararaotra an’ireny zavatra rehetra omeny ireny. Ho hita amin’izany fa mankasitraka an’i Jehovah isika, noho izy mampianatra antsika mba hahitantsika soa.—Isaia 48:17.

^ [1] (fehintsoratra 14) Anisan’izany ny ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy 2, ary ireo andian-dahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” ao amin’ny tranonkala jw.org.