Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Avelanao Hanova Anao ve ny Baiboly?

Mbola Avelanao Hanova Anao ve ny Baiboly?

“Miovà ka havaozy ny sainareo.”—ROM. 12:2.

HIRA: 61, 52

1-3. a) Inona no mety ho sarotra amintsika, na dia efa vita batisa aza isika? b) Inona avy ny fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TENA te hifandray akaiky tamin’i Jehovah i Mark, [1] raha vao nahalala ny fahamarinana. Efa an-taonany maro anefa izy no niloka, nifoka, niboboka toaka, ary nidoroka zava-mahadomelina. Nila niala tamin’ireo fanao ratsy ireo izy raha te hampifaly an’i Jehovah. Nahavita an’izany izy satria nanampy azy i Jehovah sy ny Teniny. Mahery mantsy ny Tenin’Andriamanitra ka afaka manova olona.—Heb. 4:12.

2 Mbola nila nanova ny toetrany anefa i Mark na dia efa vita batisa aza. (Efes. 4:31, 32) Mora tezitra, ohatra, izy ary tsy nampoiziny hoe sarotra taminy ny nifehy an’izany. Hoy izy: “Ny niala tamin’ireo zavatra ratsy nataoko no mora kokoa noho ny nifehy ny hatezerako.” Nivavaka mafy izy sady nianatra tsara ny Baiboly, ka nahavita niova.

3 Tsy maintsy nanao fiovana be hoatran’i Mark koa ny ankamaroantsika talohan’ny batisa. Tiantsika mantsy ny hampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Te hanahaka bebe kokoa an’Andriamanitra sy Kristy anefa isika, ka misy toetra sasany mbola mila ezahintsika ovana. (Efes. 5:1, 2; 1 Pet. 2:21) Tsapantsika angamba hoe mora manakiana isika, na matahotra olona, na tia mifosafosa, na manana toetra ratsy hafa. Tsy nampoizintsika anefa hoe sarotra amintsika ny miala amin’ireo toetra ireo, ka mety hieritreritra isika hoe: ‘Fa maninona àry? Zavatra ratsy noho ireny aza vitako ny niala taminy! Inona no azoko atao mba hanatsara kokoa ny toetrako ny Baiboly?’

MAHAIZA MANDANJALANJA

4. Nahoana isika no tsy mahavita mampifaly an’i Jehovah indraindray?

4 Lasa nahafantatra an’i Jehovah sy tia azy isika, ka tena te hampifaly azy amin’ny fo manontolo. Tsy mahavita an’izany anefa isika indraindray satria tsy lavorary. Tsapantsika ny nahazo ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Ato anatiko ihany ny faniriana, saingy ny hahatanteraka izay tsara no tsy ato.”Rom. 7:18; Jak. 3:2.

5. Inona no fiovana efa nataontsika talohan’ny batisa, nefa inona no mbola mety hitranga?

5 Efa nialantsika ny fanao ratsy mety hahatonga antsika tsy ho anisan’ny fiangonana. (1 Kor. 6:9, 10) Mbola tsy lavorary anefa isika. (Kol. 3:9, 10) Tsy tokony hanantena àry isika hoe tsy hanao fahadisoana intsony rehefa vita batisa. Mbola hitranga izany na dia efa ela aza isika no nanompo an’i Jehovah. Mety mbola hiverina amin’ny toetra ratsintsika isika, na hieritreri-dratsy. Mety ho an-taonany maro aza ny toetra ratsy sasany vao ho afaka.

6, 7. a) Nahoana isika no afaka minamana amin’i Jehovah na dia tsy lavorary aza? b) Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hangataka famelana amin’i Jehovah?

6 Mbola afaka minamana amin’i Jehovah sy manompo azy isika na dia tsy lavorary aza. Saintsaino ange izao e! Notaomin’i Jehovah ho namany isika, nefa efa fantany fa hanota indraindray. (Jaona 6:44) Mahalala ny toetrantsika sy ny ao am-pontsika izy. Fantany koa àry ny toetra ratsy tiantsika hialana saingy sarotra amintsika ny miala aminy. Efa nampoiziny hoe hanao fahadisoana isika, nefa tsy manakana azy tsy hinamana amintsika izany.

7 Tia antsika Andriamanitra ka nanome fanomezana sarobidy ho antsika. Nanome ny Zanany tena tiany izy mba ho sorom-panavotana. (Jaona 3:16) Afaka matoky àry isika fa na nanao fahadisoana aza isika dia mbola ho naman’i Jehovah, raha mibebaka sy mangataka famelan-keloka. (Rom. 7:24, 25; 1 Jaona 2:1, 2) Ahoana anefa raha misalasala ny hangataka famelana aminy ianao, satria mahatsapa hoe mpanota? Tadidio fa maty ho an’ny mpanota mibebaka i Jesosy. Raha misalasala ianao, dia hoatran’ny hoe maloto ny tananao ary misy rano eo, nefa ianao tsy mety misasa. Soa ihany àry fa eo ny sorom-panavotana, ka afaka mifandray tsara amin’i Jehovah isika na dia tsy lavorary aza.—Vakio ny 1 Timoty 1:15.

8. Nahoana no tsy mety raha tsy raharahaintsika ny toetra ratsintsika?

8 Tsy mety anefa raha tsy raharahaintsika fotsiny ny toetra ratsintsika. Raha te ho naman’i Jehovah isika, dia mila miezaka kokoa hanahaka azy sy Kristy. Mila miezaka hanana ny toetra tiany hananantsika koa isika. (Sal. 15:1-5) Ankoatra izany, dia ilaintsika ny mifehy ny toetra ratsintsika, ary miala amin’ilay izy mihitsy raha azo atao. Tsy maintsy ‘miezaka foana isika hanitsy izay tokony hahitsy’, na vao haingana isika no vita batisa na efa ela.—2 Kor. 13:11.

9. Ahoana no ahalalantsika fa afaka miezaka foana isika mba hanana ny toetra vaovao?

9 Mila miezaka foana isika raha te “hanitsy izay tokony hahitsy” sy hanana “ny toetra vaovao.” Hoy i Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy: “Nampianarina ianareo mba hanaisotra ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny sady mihasimba araka ny faniriany mamitaka, fa mba hohavaozina hatrany kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.” (Efes. 4:22-24) Hita amin’ilay hoe “hohavaozina hatrany” fa mila miezaka foana isika mba hanana ny toetra vaovao. Mampahery izany satria manome toky fa afaka manatsara ny toetrantsika foana isika, na firy taona na firy taona no nanompoantsika an’i Jehovah. Tena afaka manampy antsika hiova foana ny Baiboly.

NAHOANA NO SAROTRA BE NY MIOVA?

10. Inona no tokony hataontsika raha mbola tiantsika hanova ny toetrantsika ny Baiboly, ary inona avy ny fanontaniana mety hoeritreretintsika?

10 Tiantsika raha mbola manova ny toetrantsika ny Tenin’Andriamanitra. Mila ezaka mafy avy amintsika anefa izany. Nahoana? Tsy tokony ho mora ve ilay izy satria efa manampy antsika i Jehovah? Maninona raha esoriny fotsiny ny toetra ratsintsika, dia mba mora amintsika ny manana toetra tsara?

11-13. Nahoana isika no tian’i Jehovah hiezaka hiala amin’ny toetra ratsintsika?

11 Manana hery lehibe i Jehovah, rehefa dinihina ny zavatra noforoniny. Mamoaka angovo dimy tapitrisa taonina isan-tsegondra, ohatra, ny masoandro. Ampahany kely amin’izany no tonga etỳ an-tany, nefa mahavelona ny zavaboary ny hafanana sy hazavana entiny. (Sal. 74:16; Isaia 40:26) Omen’i Jehovah hery koa ny mpanompony rehefa mila an’izany. (Isaia 40:29) Azony atao mihitsy aza ny manome hery antsika dia tsy mila miezaka be isika vao afaka amin’ny toetra ratsy, ary tsy voatery ho voa vao ho fay. Nahoana anefa izy no tsy manao an’izany?

12 Omen’i Jehovah safidy isika, ary sarobidy izany. Hita hoe tena tia azy sy te hampifaly azy isika, rehefa mifidy ny hanao ny sitrapony sy miezaka mafy manao an’izany. Hita amin’izany koa fa ekentsika hoe i Jehovah no Mpitondra antsika. Nilaza mantsy i Satana fa tsy manana zo hitondra i Jehovah. Tena faly àry ilay Raintsika any an-danitra, rehefa mifidy ny hankatò azy isika sady miezaka mafy manao an’izany. Porofointsika amin’izany mantsy fa tiantsika ho Mpitondra antsika izy. (Joba 2:3-5; Ohab. 27:11) Ahoana anefa raha hataon’i Jehovah tsotra kely ny miala amin’ny toetra ratsy, ka tsy mila miezaka mafy isika mba hampifaly azy? Lasa tsy afaka manaporofo isika hoe tsy mivadika aminy sady manaiky azy ho Mpitondra.

13 Asain’i Jehovah ‘manao izay rehetra azontsika atao’ àry isika mba hanana toetra tsara. (Vakio ny 2 Petera 1:5-7; Kol. 3:12) Tiany hiezaka mafy isika hifehy ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika. (Rom. 8:5; 12:9) Ho afa-po isika raha manao izany, satria ho hitantsika fa mbola manova antsika ny Baiboly.

MBOLA AVELANAO HANOVA ANAO VE NY TENIN’ANDRIAMANITRA?

14, 15. Inona no azontsika atao mba hananantsika toetra tian’i Jehovah? (Jereo ilay efajoro hoe “ Nanova Azy Ireo ny Baiboly sy ny Vavaka.”)

14 Inona no azontsika atao raha tiantsika ny ho tsara toetra sy hampifaly an’i Jehovah? Mila miezaka mafy foana isika. Tsy izay tiantsika hovana fotsiny koa no tokony hovantsika, fa mila manaraka an’izay lazain’i Jehovah isika. Hoy mantsy ny Romanina 12:2: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” Omen’i Jehovah antsika ny Teniny sy ny fanahy masina, mba ho afaka hamantatra sy hanatanteraka ny sitrapony isika. Hanampy antsika izany mba hanova ny fiainantsika hifanaraka amin’izay takiny. Mila mamaky ny Baiboly isan’andro àry isika, misaintsaina an’izay vakintsika, ary mangataka fanahy masina. (Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23) Inona no ho vokany raha manaiky hotarihin’ny fanahy masina isika sady miezaka hitovy fisainana amin’i Jehovah? Hampifaly kokoa azy ny zavatra eritreretintsika sy lazaintsika ary ataontsika. Mila miezaka foana anefa isika na izany aza, mba hiady amin’ny toetra ratsintsika.—Ohab. 4:23.

Mety hahasoa anao ny manangona sy mamerina mijery andinin-teny na lahatsoratra manampy anao hiala amin’ny toetra ratsinao (Fehintsoratra 15)

15 Tsy ampy ny mamaky Baiboly isan’andro. Mila mampiasa an’ireo boky ara-baiboly koa isika rehefa mianatra azy io, sady misaintsaina ny fomba hanahafana ny toetran’i Jehovah. Maro ny andinin-teny tena manampy antsika hanana toetra tsara sy hiala amin’ny toetra ratsy. Misy lahatsoratra toy izany koa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Hitan’ny Kristianina sasany hoe mahasoa ny manangona azy ireny sy mamerina mijery azy ireny tsindraindray.

16. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha elaela vao mahavita manahaka an’i Jehovah?

16 Tsapanao ve hoe elaela ianao vao mahavita manatsara ny toetranao? Tadidio fa mitaky fotoana ny miezaka hanahaka an’i Jehovah, ary hitohy foana izany ezaka izany. Mila manam-paharetana àry isika raha tiantsika hanova antsika ny Baiboly. Mila mifehy tena angamba isika amin’ny voalohany, mba hanao izay voalaza ao. Hifanaraka tsikelikely amin’ny sitrapon’i Jehovah anefa avy eo ny zavatra ataontsika sy lazaintsika, ka ho mora kokoa amintsika ny hieritreritra zavatra tsara sy hanao ny tsara.—Sal. 37:31; Ohab. 23:12; Gal. 5:16, 17.

SAINTSAINO NY HOAVINAO

17. Inona no azontsika antenaina raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika?

17 Ho lavorary amin’ny hoavy ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, ka ho afaka hanompo azy mandrakizay. Tena hahafinaritra antsika foana ny hanahaka an’i Jehovah, sady tsy ho sarotra amintsika intsony. Efa afaka manompo an’io Raintsika be fitiavana io anefa isika izao, noho ny vidim-panavotana. Afaka manompo azy isika na dia tsy lavorary aza, raha avelantsika hanova antsika foana ny Teniny.

18, 19. Inona no afaka manampy antsika hiaiky fa tena mbola afaka manova antsika ny Baiboly?

18 Niezaka mafy hifehy ny hatezerany i Mark, ilay noresahintsika terỳ aloha. Nisaintsaina sy nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy. Nekeny koa ny torohevitry ny Kristianina hafa. Niova be izy taona vitsivitsy taorian’izay, ary voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tatỳ aoriana. Efa 20 taona koa izy no anti-panahy. Fantany anefa hoe mila mitandrina foana izy mba tsy hiverina ilay toetra ratsiny.

19 Hita amin’izany fa manampy ny mpanompon’i Jehovah hanatsara ny toetrany foana ny Baiboly. Avelao foana àry ny Tenin’i Jehovah hanova anao sy hanampy anao ho akaiky kokoa azy. (Sal. 25:14) Ho tsapanao fa manampy anao i Jehovah, ka hiaiky ianao hoe tena mbola afaka manova anao ny Teniny.—Sal. 34:8.

^ [1] (fehintsoratra 1) Novana ny anarana.