Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vanobe

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vorona?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vorona?

“Mba anontanio ... ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, dia hilaza aminao izy. Iza amin’izy rehetra ireny moa no tsy mahalala tsara fa ny tanan’i Jehovah no nanao izany?”—Joba 12:7, 9.

TSAPAN’ILAY lehilahy atao hoe Joba, 3 000 taona mahery lasa izay, fa betsaka ny zavatra ampianarin’ny vorona antsika momba ny asa tanan’Andriamanitra. Miavaka, ohatra, ny toetoetran’ny vorona ka azo ampiasaina tsara amin’ny fanoharana sy teny an’ohatra. Mahasoa eo amin’ny fiainana sady manampy antsika hifandray amin’i Jehovah ny ankamaroan’ny zavatra resahin’ny Baiboly momba azy ireny. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy.

TOERANA ANAOVAN’NY SIDINTSIDINA NY AKANINY

Sidintsidina

Zatra nahita sidintsidina ny mponin’i Jerosalema. Teny ambanin’ny sisin-tafontrano izy ireny matetika no nanao ny akaniny. Nisy koa nanao ny akaniny tao amin’ny tempolin’i Solomona, isan-taona. Hain’ny sidintsidina angamba hoe toerana nety tsara ametrahana akany ny faritry ny tempoly. Tsy nisy nanakotaba mantsy izy ireo tao, ka afaka nikarakara tsara ny zanany.

Hitan’ny iray tamin’ny taranak’i Kora fa nijanona tao an-tranon’i Jehovah foana ireny sidintsidina ireny, ka te ho hoatr’ireny izy. Izy mantsy isaky ny enim-bolana ihany no mba nanompo tao, sady amin’izay indray herinandro monja. Hoy àry izy ao amin’ny Salamo 84:1-3: “Tiako loatra ny tranolainao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô! Manimanina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranolain’i Jehovah aho, ka trotraky ny alahelo. ... Na ny vorona aza nahita trano, ary ny sidintsidina nahita akany hametrahany ny zanany, dia eo amin’ny alitaranao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Mpanjakako sy Andriamanitro!” Ary isika sy ny zanatsika? Tena tiantsika sy ankasitrahantsika ve ny mivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra?—Salamo 26:8, 12.

MAHALALA FOTOANA NY VANOBE

Hoy i Jeremia mpaminany: “Ny vanobe eny amin’ny lanitra aza mahalala tsara ny fotoana voatondro.” Hitany nandalo tany amin’ny Tany Nampanantenaina mantsy ny vanobe rehefa nifindra monina. Maherin’ny 300 000 ny vanobe fotsy miala avy any Afrika mankany Eoropa Avaratra rehefa lohataona, ary mandalo eo amin’ny Lohasahan’i Jordana. Toy ny hoe misy famantaranandro ao anatiny, ka fantany ny fotoana tokony hiverenany any amin’ny toerana fanatodizany. “Manaja tsara ny fotoana” hiverenany izy ireny, toy ny vorona mpifindra monina hafa.—Jeremia 8:7.

Hoy ny boky iray momba ny vorona: “Tena mahavariana hoe efa voajanahary amin’ny vorona ny mifindra monina.” Nomen’i Jehovah fahaizana voajanahary ny vorona mpifindra monina mba hahalalan’izy ireny ny fotoana. Nataony afaka mamantatra ny fotoana sy ny vanim-potoana kosa ny olombelona. (Lioka 12:54-56) Tsy voajanahary toy ny an’ny vanobe anefa izany fahalalana izany. Mila mianatra momba an’Andriamanitra ny olona, raha te hamantatra ny dikan’ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Tsy nahalala ny dikan’ny zava-nitranga tamin’ny androny anefa ny Israelita. Nahoana? Hoy ny Baiboly: “Ny tenin’i Jehovah no nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?”—Jeremia 8:9.

Maro ny porofo ananantsika fa miaina amin’ny “andro farany” isika izao. (2 Timoty 3:1-5) Hanahaka ny vanobe ve ianao ka hamantatra ny “fotoana voatondro”?

MAHATAZAN-DAVITRA NY VOROMAHERY

Voromahery

Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny voromahery, ary fahita tany amin’ny Tany Nampanantenaina izy io. Avy eny amin’ny akaniny eny amin’ny harambato izy no “mitady sakafo, ary mitazan-davitra foana ny masony.” (Joba 39:27-29) Matsilo be ny mason’ny voromahery ka tazany na dia bitro any amin’ny iray kilaometatra aza.

Mahatsinjo lavitra toy ny voromahery i Jehovah, ka afaka mahita an’izay hitranga amin’ny hoavy. Izy mantsy “Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” (Isaia 46:10) Faran’izay hendry i Jehovah sady mahalala ny hoavy, ka handray soa isika raha mankatò ny toroheviny.—Isaia 48:17, 18.

Oharin’ny Baiboly amin’ny voromahery koa ireo matoky an’i Jehovah. Hoy ny Isaia 40:31: ‘Izay manantena an’i Jehovah hahazo hery indray. Hanidina izy ireo, toy ny hoe manana ela-boromahery.’ Manararaotra ny fisian’ny rivotra mafana ny voromahery rehefa manidina. Velariny ny elany raha vao misy rivotra mafana mitsoka, ary mihodinkodina ao anatin’ilay rivotra izy. Entin’izy io miakatra ambony be izy avy eo. Tsy miantehitra amin’ny heriny fotsiny àry ny voromahery rehefa manidina lavitra. Miantehitra amin’ny “hery fanampiny” avy amin’i Jehovah koa ny olona matoky azy, fa tsy amin’ny heriny fotsiny.—2 Korintianina 4:7, 8.

“NY FANANGON’NY RENIAKOHO NY ZANANY”

Reniakoho sy akohokely

Nitazana ny renivohitry ny tanànan’ny Jiosy i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany. Sady nisento izy no nilaza hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo.”—Matio 23:37.

Efa voajanahary amin’ny vorona ny hoe te hiaro ny zanany. Ny vorona manao akany eny amin’ny tany no tena mila mailo. Raha vao mahita papango misidintsidina eny ambony eny, ohatra, ny reniakoho, dia mikoràka mba hampitandremana ny zanany. Mihazakazaka mankao ambany elany àry ireo akohokely mba ho voaro. Ao koa izy ireo no mialoka rehefa mahamay ny andro, na rehefa avy ny orana. Te hiaro ny mponin’i Jerosalema koa i Jesosy mba hihavana amin’i Jehovah foana izy ireo. Mbola asain’i Jesosy hanatona azy isika ankehitriny. Ho velombelona isika raha manao izany, ary ho voaro amin’ireo olana sy tebiteby eo amin’ny fiainana.—Matio 11:28, 29.

Maro tokoa ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny vorona. Iezaho tadidina àry ireo teny an’ohatra ampiasain’ny Baiboly momba azy ireny, rehefa mandinika azy ireny ianao. Mandraisa fianarana avy amin’ny sidintsidina, ka ankasitraho ny toeram-pivavahana amin’i Jehovah. Tadidio ny fomba fanidin’ny voromahery, ka miantehera amin’ny hery avy amin’Andriamanitra. Ekeo ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy, dia ho voaro toy ny akohokely mialoka ao ambany elatry ny reniny ianao. Miezaha koa hanahaka ny vanobe ka fantaro ny dikan’ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao.