Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Variana Manangona Fananana, fa Katsaho Ilay Fanjakana

Aza Variana Manangona Fananana, fa Katsaho Ilay Fanjakana

“Aza mitsahatra mikatsaka ny fanjakany, dia homena anareo koa izany zavatra izany.”​LIOKA 12:31.

HIRA: 40, 98

1. Inona no tsy mampitovy ny zavatra ilaina sy ny zavatra irina?

VITSY ny zavatra tena ilain’ny olona, fa ny zavatra iriny no betsaka. Tsy mitovy ny hoe zavatra ilaina sy zavatra irina, saingy maro no tsy mahay manavaka an’izany. Ny zavatra ilaina, dia izay zavatra iankinan’ny ainao, anisan’izany ny sakafo, fitafiana, trano. Ny zavatra irina indray, dia izay zavatra tianao hananana saingy tsy tena ilainao.

2. Inona ny zavatra sasany irin’ny olona?

2 Samy hafa be ny zavatra irin’ny olona. Ny any amin’ny firenena mahantra, ohatra, te hanana telefaonina na môtô na tany kely. Ny any amin’ny firenena manankarena indray, mbola te hanana akanjo tsara be dia be na trano lehibe kokoa na fiara lafo kokoa. Na ilaintsika anefa ilay zavatra irintsika na tsia, ary na manam-bola hividianana an’ilay izy isika na tsia, dia mila mitandrina isika sao lasa tia harena ka te hahazo zavatra foana.

MITANDREMA SAO LASA TIA HARENA

3. Ahoana izany hoe tia harena?

3 Tia harena ny olona iray rehefa te hahazo zavatra be dia be, ary izay foana no mibahana ao an-tsainy fa tsy ny hifandray amin’Andriamanitra. Efa manana izay ilainy izy, nefa tsy afa-po fa mbola te hahazo zavatra foana. Tsy voatery ho manam-bola be na mividy zavatra lafo be ny olona iray vao atao hoe tia harena. Na ny mahantra aza mety ho lasa tia harena, ka tsy hanao loha laharana an’ilay Fanjakana intsony.​—Heb. 13:5.

4. Ahoana no ataon’i Satana mba hanararaotana ny “fanirian’ny maso”?

4 Ataon’i Satana izay hahatonga antsika hieritreritra hoe mila zavatra hafa ankoatra an’izay ilaintsika isika vao ho sambatra. Mampiasa ny tontolon’ny varotra izy amin’izany. Hainy tsara ny manararaotra ny “fanirian’ny maso.” (1 Jaona 2:15-17; Gen. 3:6; Ohab. 27:20) Feno zavatra isan-karazany eto amin’ity tontolo ity. Ao ny tena tsara, fa ao koa ny tsy misy dikany. Tena manintona anefa ny sasany amin’izy ireny. Efa nisy zavatra novidinao ve nefa tsy nilainao akory? Nanintona ny masonao angamba ilay izy rehefa hitanao tamin’ny dokam-barotra na teny an-tsena. Tonga saina ve ianao tatỳ aoriana hoe tsy naninona na tsy nanana an’ilay izy aza? Raha variana mividy zavatra tsy ilaina isika, dia hanasarotra ny fiainantsika izany. Mety tsy ho vitantsika ny mianatra Baiboly, manomana fivoriana, mivory, ary manompo tsy tapaka. Tadidio anefa ny tenin’ny apostoly Jaona hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.”

5. Inona no hitranga raha mandany ny herintsika mba hahazoana zavatra be dia be isika?

5 Ny Harena no tian’i Satana hotompointsika, fa tsy i Jehovah. (Mat. 6:24) Inona anefa no hitranga raha mandany ny herintsika mba hahazoana zavatra be dia be isika? Tsy hisy dikany ny fiainantsika, satria ho lasa tia tena isika dia hanao izay tiantsika fotsiny. Mety ho diso fanantenana sy halahelo be koa isika, na tsy hino an’i Jehovah sy ny Fanjakany intsony. (1 Tim. 6:9, 10; Apok. 3:17) Raha izany no mitranga, dia ho tanteraka ny tenin’i Jesosy. Nilaza izy fa rehefa ‘afafy eny amin’ny tsilo’ ny voan’ilay Fanjakana, dia ‘lasa mibahan-toerana tsikelikely ny faniriana zavatra hafa, ka mangeja ny teny, dia manjary tsy mamoa.’​—Mar. 4:14, 18, 19.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Baroka?

6 Eritrereto i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany. Lasa ‘nikatsaka zavatra lehibe’ izy. Nampahatsiahy azy àry i Jehovah hoe kely sisa dia ho rava i Jerosalema. Nampanantena anefa izy hoe: ‘Homeko ho babonao ny ainao.’ (Jer. 45:1-5) Midika izany hoe ho avotra i Baroka, ary tsy tokony hanantena zavatra hafa izy. Tsy hisy harovan’i Jehovah mantsy ny fananan’ny olona ao Jerosalema rehefa horavana izy io. (Jer. 20:5) Efa akaiky koa izao ny faran’ity tontolo ity, ka tsy tokony ho variana hanangona zavatra be dia be isika. Tsy tokony hanantena isika hoe rehefa tonga ny fahoriana lehibe dia ho avotra hiaraka amintsika ny fananantsika, na tena tiantsika sy lafo vidy tahaka ny inona aza ilay izy.​—Ohab. 11:4; Mat. 24:21, 22; Lioka 12:15.

7. Inona no hodinihintsika, ary nahoana?

7 Inona no hanampy antsika hahazo an’izay ilaintsika, nefa tsy hanadino an’izay tena zava-dehibe sady tsy ho lasa tia harena na hitebiteby be? Nanome torohevitra tena tsara i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mat. 6:19-21) Hodinihintsika àry ny Matio 6:25-34, amin’izay isika ho resy lahatra hoe tsy tokony ho variana hanangona fananana, fa hikatsaka foana an’ilay Fanjakana.​—Lioka 12:31.

MANOME IZAY ILAINTSIKA I JEHOVAH

8, 9. a) Nahoana isika no tsy tokony hanahy be loatra momba ny zavatra ilaintsika? b) Inona avy no fantatr’i Jesosy momba antsika?

8 Vakio ny Matio 6:25. Nilaza tamin’ireo nihaino azy i Jesosy hoe: “Aza manahy intsony ny amin’ny ainareo.” Niasa saina be tamin’ny zavatra tsy tokony hampanahy azy mantsy izy ireo. Te hilaza àry i Jesosy hoe tsy tokony hanahy hoatr’izany intsony izy ireo. Mety tsy hahavita hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah mantsy ny olona iray raha mitebiteby loatra, na dia zavatra tena ilainy aza no mampiady saina azy. Tena tian’i Jesosy ny mpianany, ka inefatra izy taorian’izay no nilaza tamin’izy ireo mba tsy hanahy.​—Mat. 6:27, 28, 31, 34.

9 Nahoana i Jesosy no nilaza tamintsika mba tsy hanahy ny amin’izay hohanina na hosotroina na hotafina? Fa angaha moa tsy tena ilaintsika izany? Tsy ara-dalàna ve raha manahy isika rehefa tsy manana an’ireo? Ara-dalàna tokoa izany, ary nahafantatra an’izany i Jesosy. Fantany tsara hoe inona no ilain’ny olona isan’andro. Fantany koa fa hiatrika olana ny mpanara-dia azy amin’ny “andro farany”, satria “hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Tim. 3:1) Sarotra tokoa ny mahita asa amin’izao, misondrotra ny vidim-piainana, tsy ampy ny sakafo, ary be dia be no mahantra be. Fantatr’i Jesosy koa anefa fa zava-dehibe noho ‘ny sakafo ny aina, ary ny vatana noho ny fitafiana.’

10. Rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka i Jesosy, dia inona no nolazainy fa zava-dehibe kokoa?

10 Nampianatra an’ireo nihaino azy koa i Jesosy talohan’izay, mba hivavaka momba an’izay ilainy. Nampirisihiny hivavaka toy izao izy ireo: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.” (Mat. 6:11) Toy izao no nilazany an’izany tatỳ aoriana: “Omeo anay anio izay hanina ilainay anio.” (Lioka 11:3) Tsy midika izany hoe hieritreritra be foana an’izay ilaintsika isika. Nampianarin’i Jesosy koa mantsy fa mbola zava-dehibe kokoa ny mivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mat. 6:10; Lioka 11:2) Tsy tiany hanahy loatra ireo olona nihaino azy, ka nampahatsiahiviny hoe manome izay ilain’ny zavaboariny i Jehovah ary tsy misy mahavita hoatr’azy.

11, 12. Inona no ianarantsika rehefa mieritreritra ny fomba ikarakaran’i Jehovah ny vorona isika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 Vakio ny Matio 6:26. Tokony ‘hijery tsara ny voro-manidina’ isika. Kely izy ireny nefa mahery mihinana voankazo, voan-javatra, bibikely, na kankana. Mahalany sakafo betsaka kokoa noho ny olombelona izy ireny, raha ny lanjany no jerena. Tsy mila miasa tany sy mamboly anefa izy ireny, fa i Jehovah no manome an’izay rehetra ilainy. (Sal. 147:9) Tsy midika izany hoe fahanany ny vorona. Mila mitady an’izay hohaniny kosa izy ireny, ary tondraka ny sakafo azony alaina.

12 Natoky i Jesosy hoe tsy maintsy homen’i Jehovah an’izay tena ilainy ny olombelona, satria ny vorona aza omeny sakafo. [1] (1 Pet. 5:6, 7) Tsy hoe hamahana antsika anefa izy. Mila mamboly isika, na mila miasa mba hahazoana vola hividianana sakafo. Tahin’i Jehovah izany ezaka ataontsika izany. Mety hataony koa izay hahatonga ny olon-kafa hizara an’izay ananany, rehefa sendra sahirana isika. Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe manome trano ho an’ny vorona i Jehovah. Nataony mahay manao trano kosa izy ireny, sady omeny an’izay ilainy mba hanaovana an’izany. Afaka manampy antsika hahita trano mety ho an’ny fianakaviantsika koa àry i Jehovah.

13. Inona no manaporofo fa sarobidy noho ny vorona isika?

13 Hoy i Jesosy tamin’ireo nihaino azy: ‘Tsy sarobidy noho ny vorona ve ianareo?’ Azo antoka fa tonga tao an-tsainy tamin’izay hoe kely sisa izy dia hanao sorona ny ainy. (Ampitahao amin’ny Lioka 12:6, 7.) Tsy natao ho an’ny zavaboary hafa ankoatra ny olombelona io sorona io. Tsy maty ho an’ny vorona i Jesosy, fa maty ho antsika mba hahazoantsika fiainana mandrakizay.​—Mat. 20:28.

14. Inona no tsy ho vitan’ny olona manahy be loatra?

14 Vakio ny Matio 6:27. Nilaza i Jesosy fa na manahy aza ny olona iray, dia tsy hampitombo ny androm-piainany, na ny kely aza. Tsy hoe lasa ela velona isika rehefa manahy momba an’izay ilaintsika isan’andro. Vao mainka aza isika harary raha mitebiteby loatra, ary mety ho faty mihitsy.

15, 16. a) Inona no ianarantsika rehefa mieritreritra ny fomba ikarakaran’i Jehovah ny lisy isika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no fanontaniana mila eritreretintsika, ary nahoana?

15 Vakio ny Matio 6:28-30. Iza tokoa moa no tsy te hiakanjo tsara, indrindra rehefa manompo na mivory na mamonjy fivoriambe? Na izany aza, tokony ‘hanahy ny amin’ny fitafiana’ ve isika? Nasain’i Jesosy handinika ny zavaboarin’i Jehovah indray isika, dia ny “lisy any an-tsaha.” Tena miana-javatra isika rehefa manao an’izany. Voninkazo hoatran’ny lisy angamba no tao an-tsain’i Jesosy, ohatra hoe gilaelina, jasinta, irisy, na tiolipa. Samy tsara tarehy izy rehetra. Tsy manao kofehy izy ireny na manjaitra na manamboatra lamba, nefa mahafinaritra erỳ ny mijery azy! “Na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny.”

16 Hoy i Jesosy avy eo: “Raha ny zavamaniry any an-tsaha . . . no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana?” Azo antoka fa hanao an’izany Andriamanitra! Tsy tena ampy finoana anefa ny mpianatr’i Jesosy. (Mat. 8:26; 14:31; 16:8; 17:20) Nila natoky kokoa an’i Jehovah izy ireo. Ary isika? Matoky ve isika fa tena te hanome izay ilaintsika izy sady tena mahavita an’izany?

17. Inona no mety hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony?

17 Vakio ny Matio 6:31, 32. Tsy tokony hanahaka ny “olona eo amin’izao tontolo izao” isika. Tsy tena matoky izy ireo hoe misy Ray be fitiavana any an-danitra, ary mikarakara an’izay manao loha laharana an’ilay Fanjakana izy. Tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony isika, raha variana manangona an’izay rehetra “katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra.” Afaka matoky kosa isika fa hanome zava-tsoa ho antsika i Jehovah, raha mankatò azy isika ka ny fanompoana azy no ataontsika loha laharana. Raha mahafoy tena ho azy isika, dia hahay hianina rehefa manana ‘hanina sy fitafiana ary fialofana.’​—1 Tim. 6:6-8.

ILAY FANJAKANA VE NO ATAONAO LOHA LAHARANA?

18. Inona no fantatr’i Jehovah momba antsika tsirairay, ary inona no hataony?

18 Vakio ny Matio 6:33. Ny Fanjakan’Andriamanitra foana no tsy maintsy ataontsika loha laharana. Nilaza i Jesosy fa homen’i Jehovah antsika izay rehetra ilaintsika raha manao an’izany isika. Hoy izy talohan’izay: “Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” Tsy sarotra amin’i Jehovah ny mamantatra mialoha hoe inona no ilaintsika tsirairay, na sakafo izany na akanjo na trano. Mbola tsy haintsika akory aza izany dia efa fantany. (Fil. 4:19) Fantany ny akanjontsika efa mitady ho rovitra sy ny sakafo ilaintsika ary ny trano antonona ny fianakaviantsika. Tsy maintsy hataony mahazo an’izay tena ilaintsika isika.

19. Nahoana isika no tsy tokony hanahy be momba ny hoavy?

19 Vakio ny Matio 6:34. Fanindroany izao i Jesosy no niteny hoe “aza manahy mihitsy.” Tiany raha ny androany ihany aloha no eritreretintsika, ary hatoky tanteraka isika hoe hanampy antsika i Jehovah. Mety hatoky tena mantsy ny olona iray fa tsy hatoky an’i Jehovah, raha manahy be momba ny hoavy. Mety hahatonga azy tsy hifandray tsara aminy intsony izany.​—Ohab. 3:5, 6; Fil. 4:6, 7.

ILAY FANJAKANA ALOHA KATSAHINA DIA HANAMPY ANAO I JEHOVAH

20. a) Inona no tanjona mety ho azonao tratrarina? b) Inona no azonao atao mba hahatonga ny fiainanao ho tsotra kokoa?

20 Ho matiantoka be isika raha variana mikatsaka harena ka tsy manana hery hanompoana an’i Jehovah. Tokony hiezaka kosa isika mba hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana. Afaka mifindra any amin’ny fiangonana mila mpitory bebe kokoa ve, ohatra, ianao? Sa ianao afaka manao mpisava lalana? Raha efa mpisava lalana indray ianao, efa nieritreritra ny hanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ve ianao? Ary ahoana raha manao asa an-tsitrapo any amin’ny Betela na any amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana, mandritra ny andro vitsivitsy isan-kerinandro? Sa ianao afaka ny ho mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana eo an-toerana, ka hanampy hanorina Efitrano Fanjakana? Eritrereto hoe inona no azonao atao mba ho tsotra kokoa ny fiainanao, amin’izay ianao ho afaka hanompo bebe kokoa. Diniho ilay efajoro hoe “ Ahoana no Hatao Raha Te Hanana Fiainana Tsotra?” Mangataha fanampiana amin’i Jehovah, ary ataovy izay tokony hataonao mba hanatratrarana ny tanjonao.

Afaka manatsotra ny fiainanao ve ianao mba ho afaka hanompo bebe kokoa? (Fehintsoratra 20)

21. Inona no hanampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah?

21 Tena mety àry ny nampianaran’i Jesosy antsika hoe katsaho ilay Fanjakana, fa aza variana manangona fananana. Tsy hanahy be momba ny zavatra ilaintsika isika raha manao an’izany. Mila matoky isika hoe hikarakara antsika i Jehovah. Mila mifehy tena koa isika mba tsy hividy an’izay rehetra manintona antsika na izay zava-drehetra avoakan’ity tontolo ity, na dia manam-bola aza. Vao mainka ho akaiky an’i Jehovah isika amin’izay. “Hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” isika, raha dieny izao dia efa manatsotra ny fiainantsika.​—1 Tim. 6:19.

^ [1] (fehintsoratra 12) Nahoana no avelan’i Jehovah ho tsy ampy sakafo ny Kristianina indraindray? Manazava an’izany ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2014, pejy 22.