Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Voninahitra An’Andriamanitra ve ny Fiakanjonao?

Manome Voninahitra An’Andriamanitra ve ny Fiakanjonao?

“Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 KOR. 10:31.

HIRA: 34, 61

1, 2. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no manaraka toro lalana rehefa mifidy akanjo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

HOY ny gazety holandey iray momba ny fivoriana iray nataon’ny mpitondra fivavahana: “Betsaka no nanao akanjo tsy mihaja, indrindra rehefa nafana. Tsy hoatr’izany ny any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. ... Manao kompile sy kravaty ny lehilahy sy ny ankizilahy. Mety tsara koa ny halavan’ny zipon’ny vehivavy sy ny ankizivavy, nefa tsy hoe fiakanjo efa ntaolo be.” Nilaza ny apostoly Paoly fa tokony hiakanjo “amim-pahendrena” ny Kristianina, ka hanao fitafiana ‘milamina tsara sy maotina’ ary mifanentana amin’ireo “milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra.” (1 Tim. 2:9, 10) Mihatra amin’ny lehilahy kristianina koa izany, na dia ny vehivavy aza no noresahiny. Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no mahazo teny fiderana satria mankatò an’izany.

2 Tsapantsika vahoakan’i Jehovah fa ilaina ny manaraka toro lalana momba ny fitafiana. Tena tian’i Jehovah hanao an’izany mantsy isika. (Gen. 3:21) Hitantsika mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina fa manana fitsipika momba ny fitafiana i Jehovah. Tsy izay tiantsika fotsiny àry no ataontsika, rehefa mifidy akanjo na mifidy an’izay ho paozintsika. Tokony hoeritreretintsika koa hoe sao dia tsy mampifaly an’i Jehovah ilay izy.

3. Inona no ianarantsika avy amin’ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita?

3 Niaro ny Israelita mba tsy ho ratsy fitondran-tena hoatran’ny firenena nanodidina azy, ohatra, ny fitsipika sasany tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Hita ao fa tena tsy tian’i Jehovah raha miakanjo hoatran’ny lehilahy ny vehivavy, na miakanjo hoatran’ny vehivavy ny lehilahy. (Vakio ny Deoteronomia 22:5.) Misy karazan’akanjo mahatonga ny lehilahy ho hoatran’ny vehivavy koa ankehitriny, na mahatonga ny vehivavy ho hoatran’ny lehilahy. Misy koa tsy ahafahana manavaka tsara hoe lehilahy ve ilay manao azy sa vehivavy. Hita avy amin’ilay lalàna nomen’i Jehovah anefa fa tsy tiany hanao fitafiana toy izany isika.

4. Inona no afaka manampy ny Kristianina hahay hifidy akanjo?

4 Misy toro lalana manampy ny Kristianina hahay hifidy akanjo ao amin’ny Baiboly. Azontsika arahina foana izy ireny, na aiza na aiza misy antsika, ary na inona na inona kolontsaina na toetany any amin’ny tanintsika. Tsy mila lisitra lava be isika mba hahalalana hoe inona no karazana fitafiana azo ekena sy tsy azo ekena. Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly fotsiny isika. Na izany aza, dia mbola be dia be ny karazana fitafiana azontsika anaovana. Handinika ny sasany amin’izany toro lalana izany isika izao. Rehefa hifidy akanjo isika amin’izay, dia hahay ‘hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’—Rom. 12:1, 2.

‘MAMPISEHO NY TENANTSIKA HO MPANOMPON’ANDRIAMANITRA ISIKA’

5, 6. Inona no tokony ho vokany rehefa mahita ny paozintsika ny olona?

5 Nasain’i Jehovah nanoratra toro lalana tena ilaina ny apostoly Paoly. (Vakio ny 2 Korintianina 6:4.) Ny paozintsika no ahitana hoe olona hoatran’ny ahoana isika. Arakaraka ‘izay hitan’ny masony’ no itsaran’ny olona antsika. (1 Sam. 16:7) Tsy izay akanjo tiantsika na mampahazo aina antsika fotsiny àry no anaovantsika, satria mpanompon’Andriamanitra isika. Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, dia tsy hanao akanjo mifinjifinjy, na mampihanjahanja vatana, na manaitaitra ny filan’ny nofo. Midika izany hoe tsy hanao akanjo mampiseho na manasongadina an’ireo faritra mahamenatra isika. Tsy tokony hisy hahatsiaro ho hafahafa na ho voatery hitodika any an-toeran-kafa rehefa mahita ny paozintsika.

6 Inona kosa no ho vokany raha madio sy milamina ary maotina ny paozintsika? Ho mora amin’ny olona ny hiaiky hoe tena mpanompon’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, isika, ka mety ho te hanompo azy koa izy ireo. Ho tsara laza koa ny fandaminantsika, ka mety ho vonona hihaino antsika ny olona rehefa miresaka an’ilay hafatra mamonjy aina isika.

7, 8. Rahoviana isika no tena tokony hanao akanjo mety tsara?

7 Te hanaja an’Andriamanitra sy ny rahalahy sy anabavy ary ny olona itoriantsika isika. Tokony hanome voninahitra an’i Jehovah àry ny akanjontsika, ary tokony ho mendrika an’ilay hafatra torintsika. (Rom. 13:8-10) Izany no tokony ho izy, indrindra fa rehefa mivory sy mitory isika. Tokony hifanentana amin’ny olona “milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra” ny paozintsika. (1 Tim. 2:10) Misy akanjo mety any amin’ny toerana sasany anefa, fa tsy mety any an-toeran-kafa. Mamantatra ny fanao any amin’izay misy azy àry ny vahoakan’i Jehovah, ka miezaka tsy hanao akanjo manafintohina olona.

Hanome voninahitra an’i Jehovah ve ny olona rehefa mahita ny fiakanjonao? (Fehintsoratra 7, 8)

8 Vakio ny 1 Korintianina 10:31. Rehefa mamonjy fivoriambe isika, dia tokony hifanentana amin’izany ny akanjontsika sady tokony ho maotina. Tsy tokony hanao paozy hafahafa be toy ny fanaon’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika. Tsy mety raha akanjo fitena be no anaovantsika na tsy mivaky loha amin’ny paozintsika isika, rehefa tonga ao amin’ny hotely na rehefa hiala ao. Tsy ho menatra isika amin’izay hilaza hoe Vavolombelon’i Jehovah. Ho sahy hitory koa isika rehefa afaka manao an’izany.

9, 10. Nahoana isika no tokony hampihatra ny Filipianina 2:4 rehefa hifidy akanjo?

9 Vakio ny Filipianina 2:4. Nahoana ny Kristianina no mila mieritreritra an’izay ho vokatry ny fiakanjony amin’ny mpiray finoana aminy? Satria miezaka mafy izy ireo hankatò an’ity torohevitra ity: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo.” (Kol. 3:2, 5) Tsy tiantsika raha lasa sarotra amin’ny mpiray finoana amintsika ny mankatò an’izany, noho ny ataontsika. Mety ho ratsy fitondran-tena ny sasany tamin’izy ireny taloha, ary angamba mbola misy fanirian-dratsy ao aminy ka mila miady mafy izy. (1 Kor. 6:9-11) Tsy isika mihitsy àry no hanampy trotraka ny ady mafy efa ataony.

10 Hanampy ny olona hadio fitondran-tena ny fiangonana misy antsika, raha manao akanjo maotina tsara isika rehefa mivory na amin’ny fotoana hafa. Marina fa afaka mifidy an’izay akanjo tiantsika isika. Andraikitsika rehetra anefa ny manao akanjo maotina, mba ho mora kokoa amin’ny hafa ny hadio fitondran-tena foana sy ho masina amin’izay eritreretiny sy lazainy ary ataony. (1 Pet. 1:15, 16) Ny fitiavana koa “tsy manao izay tsy mahamendrika” sady “tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”—1 Kor. 13:4, 5.

MAHAIZA MANDANJALANJA

11, 12. Nahoana ny Mpitoriteny 3:1, 17 no manampy antsika hifidy akanjo?

11 “Misy fotoanany avy ny zava-drehetra sy ny asa rehetra.” (Mpito. 3:1, 17) Mitadidy an’izany ny mpanompon’i Jehovah rehefa hifidy akanjo. Marina fa miovaova arakaraka ny toetany sy ny toetrandro ary ny toe-javatra ny akanjo anaovantsika. Tsy miovaova kosa ny fitsipik’i Jehovah.—Mal. 3:6.

12 Sarotra kokoa ny mifidy akanjo maotina tsara sy mendrika, rehefa mafana ny andro. Ho faly anefa ireo rahalahy sy anabavintsika, raha akanjo tsy tery be na malalaka loatra no anaovantsika. (Joba 31:1) Mety hampiharihary ny vatantsika mantsy ny akanjo hoatr’izany. Tokony ho maotina koa ny akanjo entintsika milomano, na any amoron-dranomasina izany na any amin’ny dobo filomanosana. (Ohab. 11:2, 20) Maro ny olona manao akanjo mampisehoseho vatana be rehefa milomano. Isika kosa tsy hanao hoatr’izany fa hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, satria tiantsika izy.

13. Nahoana isika no tokony hanaraka ny 1 Korintianina 10:32, 33 rehefa hifidy akanjo?

13 Tena ilaina koa ny mihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny mpiray finoana amintsika sy ny an’ny olon-kafa. (Vakio ny 1 Korintianina 10:32, 33.) Tsy tokony hanao akanjo manafintohina olona isika, ary tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy izany. Hoy i Paoly: “Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy.” Fa nahoana? Hoy ihany izy: “Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany.” (Rom. 15:2, 3) Zava-dehibe kokoa tamin’i Jesosy ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny nanampy olona, noho ny hoe nanao izay nahafinaritra azy. Ahoana no hanahafantsika azy? Handefitra isika fa tsy hanao izay tiantsika fotsiny, raha mety hahatonga ny olona tsy hihaino ny zavatra torintsika ny karazana akanjo na firavaka tiantsika.

14. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hanampiana ny zanany hifidy akanjo manome voninahitra an’i Jehovah?

14 Andraikitry ny ray aman-dreny kristianina ny mampianatra ny zanany hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Ataon’izy ireo azo antoka àry fa maotina sy milamina tsara ny paozin’izy mianakavy, amin’izay faly ny fon’i Jehovah. (Ohab. 22:6; 27:11) Afaka manampy ny zanany hanaja an’i Jehovah sy ny fitsipiny izy ireo. Ahoana no hanaovany an’izany? Tokony ho modely izy ireo, nefa koa hanoro amim-pitiavana an’izay tokony hatao. Tena tsara raha atorony ny zanany hoe aiza no misy akanjo maotina tsara, ary ahoana no hahalalana hoe maotina ilay izy. Ampianariny azy hoe tsy izay tiany fotsiny no tokony hofidiny, fa izay hanampy azy hanome voninahitra an’i Jehovah.

MAHAIZA MIFIDY

15. Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa hifidy akanjo?

15 Manampy antsika hahay hifidy akanjo manome voninahitra an’Andriamanitra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Samy mba manana ny mahafinaritra azy koa anefa isika. Na tsy mitovy aza anefa ny akanjo tiantsika sy ny vola ananantsika, dia tokony hadio sy hilamina ary ho maotina foana ny paozintsika. Tokony hifanentana amin’ny zavatra atao koa ilay izy sady tsy hanafintohina olona.

16. Nahoana no tsy very maina ny ezaka ataontsika mba hahitana akanjo mety tsara?

16 Tsy mora anefa indraindray ny mahita akanjo maotina sy mifanaraka amin’izay atao. Akanjo lamaody mantsy no tena fahita eny amin’ny mpivarotra, ka mety hila handany fotoana sy hiezaka be isika vao hahita zipo na ambonin’akanjo maotina, ary pataloa tsy mifinjifinjy. Azo antoka anefa fa ho hitan’ny mpiara-mpanompo sady hankasitrahany ny ezaka ataontsika mba hahitana akanjo mety tsara sady mihaja. Na sahirana aza isika vao mahita an’ilay izy, dia tsy hampaninona antsika izany. Ho afa-po mantsy isika satria manome voninahitra an’ilay Raintsika be fitiavana.

17. Inona avy no tokony hoeritreretin’ny rahalahy te hanao volombava?

17 Ary ahoana indray ny volombava? Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy maintsy manao volombava ny lehilahy. Tsy fehezin’io lalàna io intsony anefa isika, ka tsy voatery hanaraka an’izany. (Lev. 19:27; 21:5; Gal. 3:24, 25) Any amin’ny toerana sasany, dia heverina ho mihaja ny volombava voahety tsara. Tsy mampaninona ny olona any ilay izy, ary mety tsy hisakana azy ireo tsy hihaino ny hafatra torintsika. Manao volombava mihitsy aza ny rahalahy sasany manana andraikitra. Misy ihany anefa rahalahy tsy manao an’izany. (1 Kor. 8:9, 13; 10:32) Tsy mahazatra ny olona any an-toeran-kafa kosa ny mahita lehilahy manao volombava, ka hafahafa amin’izy ireo ny mahita Kristianina manao an’izany. Raha manao volombava àry ny rahalahy any, dia mety tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra ny paoziny, ka mety ho lasa “misy hokianina” izy.—Rom. 15:1-3; 1 Tim. 3:2, 7.

18, 19. Nahoana ny Mika 6:8 no manampy antsika hifidy akanjo mampifaly an’Andriamanitra?

18 Tena faly isika fa tsy teren’i Jehovah hanaraka fitsipika be dia be sy feno tsipiriany momba ny akanjo sy ny paozy. Avelany hifidy sy hanapa-kevitra isika tsirairay, nefa tokony hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana. Na ny fiakanjontsika sy ny paozintsika aza, dia tiantsika hampiseho fa ‘manetry tena’ isika ‘rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra.’—Mika 6:8.

19 Manetry tena isika raha manaiky fa madio sy masina i Jehovah, ary ny tari-dalany no tsara indrindra sy tokony harahina. Hihevitra ny hafa sy ny fihetseham-pony koa isika raha manetry tena, ary hitandrina sao hanafintohina azy.

20. Inona no tokony ho tonga ao an-tsain’ny olona rehefa mahita ny fiakanjontsika?

20 Tokony ho tonga dia hita amin’ny fiakanjontsika hoe mpanompon’i Jehovah isika. Tokony ho hitan’ireo rahalahy sy anabavintsika ary ny olon-kafa hoe tena mendrika ny hisolo tena an’ilay Andriamanitra marina isika. Ny fitsipiny no tsara indrindra ary faly isika manaraka azy ireny. Mendri-piderana ny rahalahy sy anabavy manao paozy mety tsara sy tsara fitondran-tena. Mahatonga ny olona tso-po hihaino ny hafatra torintsika izany, sady mampifaly an’i Jehovah sy manome voninahitra azy. Raha mahay mifidy akanjo koa isika, dia hahazo dera foana i Jehovah, ilay Andriamanitra “mitafy haja amam-boninahitra.”—Sal. 104:1, 2.