Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompo any Amin’​ny Fiangonana Miteny Vahiny ve Ianao?

Manompo any Amin’​ny Fiangonana Miteny Vahiny ve Ianao?

“Ato am-poko no itehirizako ny teninao.”​—SAL. 119:11.

HIRA: 142, 92

1-3. a) Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika rehetra? b) Inona koa no tsy maintsy hataon’ireo mianatra teny vahiny, ary inona ny fanontaniana hodinihintsika momba an’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

MILAZA ny faminaniana fa hotorina “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” ny vaovao tsara. (Apok. 14:6) Maro be ny Vavolombelon’i Jehovah mazoto mandray anjara amin’izany. Misy aza mianatra fiteny hafa mihitsy. Anisan’izany ve ianao? Misionera angamba ianao, na manitatra any an-tany hafa, na ao amin’ny taninao ihany ianao saingy mivory any amin’ny fiangonana miteny vahiny.

2 Mila mifandray tsara amin’i Jehovah daholo isika, ary hanampy ny fianakaviantsika hanao an’izany koa. (Mat. 5:3) Mpanompon’i Jehovah mantsy isika, ka izany no zava-dehibe indrindra amintsika. Be atao anefa isika indraindray, ka tsy afaka mianatra samirery tsara. Mbola manana olana hafa aza ireo nifindra any an-tany hafa na ao amin’ny fiangonana miteny vahiny.

3 Mila mianatra fiteny hafa izy ireny. Tokony hataony azo antoka koa hoe manohina ny fony ny zava-dalina ao amin’ny Baiboly, rehefa mianatra azy io tsy tapaka izy. (1 Kor. 2:10) Ahoana anefa no hahavitany an’izany raha tsy azony tsara ny fiteny ampiasaina ao amin’ny fiangonana? Nahoana izy ireo no tokony hanampy ny zanany handatsaka ao am-po ny Tenin’Andriamanitra?

AROVY NY FIFANDRAISANAO AMIN’I JEHOVAH

4. Inona no mety hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony? Manomeza ohatra.

4 Mety tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony ny olona iray, raha tsy azony tsara ny fiteny ampiasaina rehefa mianatra Baiboly izy. Tsy nahay niteny hebreo, ohatra, ny sasany tamin’ireo zanaky ny Jiosy nody avy tany Babylona. Natahotra i Nehemia rehefa nahafantatra an’izany. (Vakio ny Nehemia 13:23, 24.) Lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah sy ny vahoakany ireo ankizy ireo, satria tsy azony tsara izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra.—Neh. 8:2, 8.

5, 6. Inona no hitan’ny ray aman-dreny sasany manompo any amin’ny fiangonana miteny vahiny, ary nahoana?

5 Tsapan’ny Kristianina sasany nifindra any an-tany hafa fa lasa tsy dia liana amin’ny fahamarinana ny zanany. Tsy azon’izy ireo tsara mantsy ny zavatra resahina any am-pivoriana, ka lasa tsy manohina ny fony. Avy any Amerika Atsimo, ohatra, i Pedro [1] sy ny fianakaviany, fa nifindra tany Aostralia. Niaiky izy hoe rehefa mianatra momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly ny olona iray, dia tokony hanohina ny fony izany.—Lioka 24:32.

6 Manohina ny fontsika ny zavatra vakintsika rehefa amin’ny fitenintsika. Mety tsy ho hoatr’izany kosa ilay izy raha amin’ny fiteny vahiny. Mety ho reraka be koa ny saintsika sady tsy dia hazoto hanompo an’i Jehovah isika, raha tsy haintsika tsara ilay fiteny. Miezaha foana àry hazoto hanompo an’i Jehovah ao amin’ilay fiangonana miteny vahiny, nefa arovy koa ny fifandraisanao aminy.—Mat. 4:4.

NIEZAKA NIFANDRAY TSARA TAMIN’I JEHOVAH FOANA IZY IREO

7. Inona no nataon’ny Babylonianina mba hahatonga an’i Daniela hanaraka ny kolontsain’izy ireo sy ny fivavahany?

7 Nataon’ny Babylonianina izay hahatonga an’i Daniela sy ny namany hanaraka ny kolontsainy sy ny fivavahany, rehefa lasa babo tany Babylona izy ireo. Nampianariny “fitenin’ny Kaldeanina”, ohatra, izy ireo ary nomeny anarana babylonianina. (Dan. 1:3-7) Avy amin’ny hoe Bela ny anarana niantsoan-dry zareo an’i Daniela. Anaran’ilay andriamanitra tena nivavahan’ny Babylonianina ilay hoe Bela. Tian’i Nebokadnezara Mpanjaka hieritreritra angamba i Daniela hoe mahery noho i Jehovah io andriamanitra io.—Dan. 4:8.

8. Nahoana i Daniela no nifandray tsara tamin’i Jehovah foana, na dia tany an-tanin’olona aza?

8 Nomena sakafo avy tamin’ny hanim-pito loha fihinan’ny mpanjaka i Daniela. “Tapa-kevitra tao am-pony” anefa izy fa “tsy handoto ny tenany” amin’izany. (Dan. 1:8) Nifandray tsara tamin’i Jehovah foana izy, na dia tany an-tanin’olona aza. Nazoto nianatra an’izay Soratra Masina nananany tamin’ny fitenin-drazany mantsy izy. (Dan. 9:2) Mbola ny anarany tamin’ny teny hebreo foana àry no nahalalan’ny olona azy, 70 taona teo ho eo taorian’ny nahatongavany tany Babylona.—Dan. 5:13.

9. Inona no nataon’ny mpanoratra ny Salamo 119?

9 Ohatra tsara koa ny mpanoratra ny Salamo 119. Nanohitra azy ny manam-pahefana sasany tao an-dapa. (Sal. 119:23, 61) Nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra anefa izy, ary navelany hanohina ny fony izany. (Vakio ny Salamo 119:11, 46.) Nahavita niaritra àry izy, ary lasa tsy nampaninona azy ny hoe niavaka tamin’ny olona.

MIEZAHA HIFANDRAY TSARA AMIN’I JEHOVAH FOANA

10, 11. a) Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mianatra Baiboly? b) Ahoana no hahavitantsika an’izany? Hazavao amin’ny ohatra.

10 Mety ho be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy amin’ny asantsika isika. Mila manokana fotoana hianarana samirery sy hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa anefa isika rehetra. (Efes. 5:15, 16) Tsy ny hamaky pejy be dia be fotsiny no tanjontsika, na ny hanomana valin-teny holazaina any am-pivoriana fotsiny. Tokony havelantsika hanohina ny fontsika sy hanatanjaka ny finoantsika koa ny Tenin’Andriamanitra.

11 Ahoana no hanaovana an’izany? Mila mieritreritra an’izay ilaintsika isika rehefa mianatra, fa tsy hieritreritra an’izay ilain’ny hafa fotsiny. (Fil. 1:9, 10) Tsy voatery hieritreritra an’izay mahakasika antsika mantsy isika rehefa manomana fivoriana na lahateny, na rehefa miomana hanompo. Manandrana ny sakafo andrahoiny, ohatra, ny mpahandro any amin’ny hotely. Tsy ampy hahasalama azy anefa izany, fa mila misakafo tsara izy. Mila mianatra Baiboly tsy tapaka koa isika, amin’izay mahazo an’izay tena ilaintsika ka hifandray tsara amin’i Jehovah foana.

12, 13. Nahoana ireo manompo any an-tany hafa no mahita fa mahasoa ny mianatra tsy tapaka amin’ny fitenin-drazany?

12 Maro amin’ireo manompo any an-tany hafa no mahita fa mahasoa azy ireo ny mianatra Baiboly tsy tapaka amin’ny ‘fitenin-drazany.’ (Asa. 2:8) Na ny misionera aza miaiky fa tsy tokony hianina amin’izay henony any am-pivoriana izy, raha te hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Mety ho azony amin’ny ambangovangony fotsiny mantsy ny zavatra resahina any.

13 Efa valo taona teo ho eo i Alain no nianatra teny persianina. Niaiky izy hoe: “Mifantoka be amin’ilay fiteny aho rehefa manomana fivoriana. Ny saiko no tena miasa, dia tsy voatery manohina ny foko ny zavatra vakiko. Izany no mahatonga an’ahy hanokana fotoana hianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ny boky sy gazety amin’ny fitenin-drazako.”

MIEZAHA HANOHINA NY FON’NY ZANAKAO

14. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, ary nahoana?

14 Tokony hataon’ny Kristianina azo antoka hoe manohina ny fon’ny zanany sy milentika ao an-tsainy ny Tenin’Andriamanitra. Nanompo telo taona mahery tao amin’ny fiangonana miteny vahiny i Serge sy Muriel, mpivady any Frantsa. Hitany anefa hoe lasa kamo mivory sy manompo ny zanany lahy 17 taona. Hoy i Muriel: “Sorisorena izy isaky ny hitory amin’ny teny vahiny. Tiany be anefa taloha ny nitory tamin’ny teny frantsay satria izay no fitenin-drazanay. Hitanay hoe tsy nandroso tsara izy rehefa tao amin’ny fiangonana miteny vahiny izahay, dia naleonay niverina tany amin’ilay fiangonanay taloha.”

Ataovy azo antoka hoe manohina ny fon’ny zanakao ny fahamarinana (Fehintsoratra 14, 15)

15. a) Inona no hanampy ny ray aman-dreny hanapa-kevitra raha hiverina any amin’ny fiangonany taloha izy na tsia? b) Mampirisika ny ray aman-dreny hanao inona ny Deoteronomia 6:5-7?

15 Misy rahalahy sy anabavy mety hieritreritra ny hiverina any amin’ny fiangonany taloha, satria ny fiteny any no tena hain’ny zanany. Mila dinihiny anefa aloha hoe manam-potoana sy hery ve izy hanampiana ny zanany ho tia an’i Jehovah sady hampianarana azy teny vahiny. Mila jereny koa raha kamokamo mitory na mivory ny zanany, na koa tsy dia tia mankany amin’ilay fiangonana miteny vahiny. Rehefa avy mandinika an’ireo izy mivady, dia mety hanapa-kevitra hiverina any amin’ilay fiangonany taloha. Afaka mifindra any amin’ny fiangonana miteny vahiny ihany izy ireo, rehefa hitany hoe mifandray tsara amin’i Jehovah ny zanany.—Vakio ny Deoteronomia 6:5-7.

16, 17. Inona no ataon’ny Kristianina sasany mba hampianarana ny zanany momba an’i Jehovah?

16 Misy koa anefa mahavita mampianatra Baiboly ny zanany amin’ny fitenin-drazany sady mivory any amin’ny fiangonana na antoko-mpitory miteny vahiny. Mivory any amin’ny antoko-mpitory miteny lingala, ohatra, ry Charles mianakavy. Manan-janaka telo vavy 9 taona sy 12 taona ary 13 taona izy. Hoy i Charles: “Nanapa-kevitra izahay hoe ny fitenin-drazanay ihany no ampiasainay, rehefa mampianatra Baiboly azy ireo sy manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Manao fanazaran-tena sy kilalao amin’ny teny lingala koa izahay, amin’izay ry zareo sady mianatra no miala voly.”

Miezaha hianatra an’ilay fiteny, ary manomeza valin-teny rehefa any am-pivoriana (Fehintsoratra 16, 17)

17 Mivory any amin’ny fiangonana miteny vahiny koa ry Kevin. Roa vavy ny zanany, ary dimy taona sy valo taona izy ireo. Miezaka be izy mampianatra azy roa vavy, satria mbola tsy azony tsara izay lazaina any am-pivoriana. Hoy i Kevin: “Ampianarinay tsirairay amin’ny teny frantsay izy roa vavy. Izany mantsy no fitenin-drazanay. Miezaka manatrika fivoriana amin’ny teny frantsay indray mandeha isam-bolana koa izahay. Manararaotra manatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny teny frantsay koa izahay rehefa vakansy.”

18. a) Inona no hanampy anao hamantatra an’izay tena mety ho an’ny zanakao, araka ny Romanina 15:1, 2 b) Inona no soso-kevitry ny ray aman-dreny sasany? (Jereo ny fanamarihana.)

18 Anjaran’ny fianakaviana tsirairay ny manapa-kevitra hoe inona no tena hanampy azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah. [2] (Gal. 6:5) Nilaza i Muriel, ilay voaresaka tany aloha, fa tsy maintsy nandefitra izy mivady na dia te hijanona tao amin’ilay fiangonana miteny vahiny aza. Tiany hifandray tsara amin’i Jehovah foana mantsy ny zanany. (Vakio ny Romanina 15:1, 2.) Nilaza i Serge fa tsy nanenenan’izy ireo izany. Hoy izy: “Lasa nandroso be ilay zanakay lahy raha vao niverina tao amin’ny fiangonana frantsay izahay. Natao batisa koa izy, ary mpisava lalana maharitra izy izao. Mieritreritra ny hiverina any amin’ny antoko-mpitory miteny vahiny mihitsy aza izy.”

AVELAO HANOHINA NY FONAO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

19, 20. Ahoana no ampisehoantsika fa tiantsika ny Tenin’Andriamanitra?

19 Tia antsika i Jehovah ka nanome ny Teniny, dia ny Baiboly. Nataony misy amin’ny fiteny an-jatony izy io, mba hanampiana ‘ny karazan’olona rehetra hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (1 Tim. 2:4) Fantany fa vao mainka isika hifandray tsara aminy, raha mamaky ny Teniny amin’ny fiteny azontsika tsara.

20 Isika rehetra mihitsy anefa no mila miezaka mafy hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Hahavita an’izany isika raha mianatra tsy tapaka ny Baiboly amin’izay fiteny azontsika tsara. Ho afaka hanampy ny fianakaviantsika hifandray tsara amin’i Jehovah foana koa isika, ary ho hita amin’izany fa tena tiantsika ny Tenin’Andriamanitra.—Sal. 119:11.

^ [1] (fehintsoratra 5) Novana ireo anarana.

^ [2] (fehintsoratra 18) Misy toro lalan’ny Baiboly afaka manampy ny fianakaviana, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2002, ao amin’ilay hoe “Ny Olana sy ny Valisoa Entin’ny Fitaizan-janaka any An-tany Hafa.