Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’​i Jehovah Ianao

Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’​i Jehovah Ianao

“Ny finoana dia . . . fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.”—HEB. 11:1.

HIRA: 54, 125

1. Ahoana no tokony hiheverantsika ny finoana?

TENA sarobidy ny finoana, saingy tsy ny olona rehetra no manana azy io. (2 Tes. 3:2) Omen’i Jehovah finoana daholo anefa ny mpanompony rehetra. (Rom. 12:3; Gal. 5:22) Tena tokony hisaotra an’i Jehovah àry isika.

2, 3. a) Inona no zavatra tsara azon’ny olona manana finoana? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

2 Nataon’i Jehovah sorona ny Zanany, amin’izay voavela heloka izay rehetra mino azy. Lasa afaka ny ho naman’i Jehovah sy hiaina mandrakizay koa izy ireo. (Jaona 6:44, 65; Rom. 6:23) Mendrika an’izany ve anefa isika? Tsia! Mpanota isika ka tokony ho faty. (Sal. 103:10) Hitan’i Jehovah anefa hoe mety hahavita zavatra tsara isika. Tena tsara fanahy àry izy, ka nataony izay hahafantarantsika ny vaovao tsara. Lasa nino an’i Jesosy isika, ka afaka manantena hiaina mandrakizay.—Vakio ny 1 Jaona 4:9, 10.

3 Inona anefa no atao hoe finoana? Ampy ve ny mahalala an’izay hataon’Andriamanitra ho antsika? Ary ahoana no ampisehoantsika fa manam-pinoana isika?

“AMIN’NY FO NO INOANA”

4. Inona no ataon’ny olona tena manam-pinoana?

4 Tsy hoe mahalala ny fikasan’Andriamanitra fotsiny ny olona manam-pinoana, fa tena te hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony koa. Rehefa mahalala ny zavatra nataon’Andriamanitra mba hamonjena antsika izy, dia lasa mazoto miresaka an’izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha ambaranao ampahibemaso izany ‘teny eo am-bavanao’ izany ka lazainao fa i Jesosy no Tompo, ary inoanao ao am-po fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.”—Rom. 10:9, 10; 2 Kor. 4:13.

5. Nahoana no tena ilaina ny finoana, ary inona no tokony hatao mba hampahatanjaka foana azy io? Hazavao amin’ny ohatra.

5 Mila manana finoana matanjaka foana isika, raha te hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Mila kolokoloina ny finoana, toy ny voninkazo mila tondrahana. Tsy mety simba ny voninkazo plastika, fa ny voninkazo tena izy kosa mora miova. Malazo izy raha tsy tondrahana, fa velona tsara foana kosa raha mahazo rano matetitetika. Mety ho faty mihitsy ny voninkazo iray na dia efa nandrobona be aza, raha toa ka tsy ampy rano. Hihena sy ho faty koa ny finoana raha tsy kolokoloina. (Lioka 22:32; Heb. 3:12) Mila manao zavatra àry isika mba ‘hitombo’ sy “hatanjaka” foana ny finoantsika.—2 Tes. 1:3; Tit. 2:2.

INONA NO ATAO HOE FINOANA?

6. Inona no lazain’ny Hebreo 11:1 momba ny finoana?

6 Manazava ny atao hoe finoana ny Hebreo 11:1. (Vakio.) 1) Ny finoana dia “fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina.” Mbola tsy tanteraka mantsy ny zavatra sasany nampanantenaina antsika, anisan’izany ny hoe hofoanana ny ratsy rehetra ary hisy tontolo vaovao. 2) Ny finoana dia “fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” Tsy hita maso, ohatra, i Jehovah Andriamanitra, Jesosy Kristy, ny anjely, ary ilay Fanjakana any an-danitra. Tena mino anefa isika hoe misy izy ireo. (Heb. 11:3) Ahoana no ahitana hoe tena inoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny zavatra tsy hita maso resahin’ny Baiboly? Hita amin’ny zavatra lazaintsika sy ataontsika izany.

7. Ahoana izany hoe manam-pinoana, raha jerena ny nataon’i Noa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Milaza ny Hebreo 11:7 fa tena nanam-pinoana i Noa. ‘Naneho tahotra an’Andriamanitra sy nanamboatra sambofiara hamonjena ny ankohonany izy, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany.’ Mety ho nanontany azy ny mpiray tanàna taminy hoe: ‘Fa hatao inona koa io zavatra ngezabe io?’ Tsy nangina fotsiny angamba i Noa, nefa koa tsy niteny hoe: ‘Tsy misy idiranareo amin’izany.’ Nanam-pinoana izy ka sahy nitory, ary nampitandrina hoe handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. Azo inoana koa fa naveriny tamin’izy ireo ilay tenin’i Jehovah hoe: “Feno herisetra ny tany noho ny ataon’izy ireo. Koa haringako izy ireo. ... Hahatonga safodrano eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny nofo rehetra manam-pofonaina tsy ho eny ambanin’ny lanitra. Dia ho faty ny zava-drehetra eny ambonin’ny tany.” Tsy maintsy ho naverin’i Noa tamin’izy ireo koa ilay didin’i Jehovah hoe: “Midira ao anatin’ny sambofiara.” Nila nanao an’izany mantsy izay te ho voavonjy. Hita hoe nanam-pinoana àry i Noa satria ‘nitory ny fahamarinana.’—Gen. 6:13, 17, 18; 2 Pet. 2:5.

8. Inona no nolazain’i Jakoba momba ny finoana?

8 Niresaka momba ny finoana koa i Jakoba ao amin’ny taratasiny. Taoriana kelin’ny nanoratan’ny apostoly Paoly ny Hebreo toko faha-11 angamba izy no nanao an’izany. Nilaza hoatran’i Paoly koa izy fa mila aseho amin’ny atao ny finoana. Hoy izy: “Asehoy amiko amin’izao fotsiny ny finoanao, fa izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny ataoko.” (Jak. 2:18) Nohazavainy avy eo ny tsy itovizan’ny hoe mino sy ny hoe maneho finoana. Nilaza izy fa na ny demonia aza mino fa misy Andriamanitra. Tsy tena manam-pinoana anefa izy ireny, satria manohitra ny fikasan’Andriamanitra. (Jak. 2:19, 20) Niresaka momba ny lehilahy iray tena nanam-pinoana i Jakoba avy eo. Hoy izy: “Tsy nambara ho marina ve i Abrahama raintsika noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an’i Isaka zanany teo ambony alitara izy? Hitanao fa ny finoany dia niara-niasa tamin’izay nataony, ary nanjary lavorary ny finoany noho izay nataony.” Hoy koa izy: “Maty ny vatana raha tsy misy aina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.”—Jak. 2:21-23, 26.

9, 10. Ahoana no nataon’i Jaona mba hampisehoana fa tena mila maneho finoana isika?

9 Nahazo tsara ny atao hoe tena finoana koa ny apostoly Jaona, raha jerena ny Filazantsara sy ny taratasy telo nosoratany 30 taona mahery tatỳ aoriana. Izy no mpanoratra Baiboly tena nampiasa an’ilay teny grika nadika tsindraindray hoe “maneho finoana.”

10 Izao, ohatra, no nolazainy: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36) Mankatò ny didin’i Jesosy isika raha tena mino azy. Hita ao amin’ny zavatra nosoratan’i Jaona fa imbetsaka i Jesosy no namerimberina hoe mila miezaka maneho finoana foana isika.—Jaona 3:16; 6:29, 40; 11:25, 26; 14:1, 12.

11. Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka an’i Jehovah isika noho isika nampahafantariny ny marina?

11 Tokony hisaotra an’i Jehovah isika, satria mampiasa ny fanahy masina izy mba hampahafantarana antsika ny marina sy hanampiana antsika haneho finoana. (Vakio ny Lioka 10:21.) Tokony hisaotra azy foana koa isika satria nitaona antsika hifandray aminy izy. I Jesosy no nampiasainy mba hahatanteraka an’izany. Izy no “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika.” (Heb. 12:2) Ahoana anefa no ampisehoantsika fa mankasitraka an’izany hatsaram-panahin’i Jehovah izany isika? Mila mivavaka sy mianatra ny Teniny isika mba hanana finoana matanjaka foana.—Efes. 6:18; 1 Pet. 2:2.

Asehoy hoe manana finoana ianao, ka mitoria ny vaovao tsara isaky ny afaka manao an’izany (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no ampisehoantsika fa manam-pinoana isika?

12 Tokony hasehontsika foana koa hoe mino ny fampanantenan’i Jehovah isika. Tokony hiharihary amin’izay ataontsika izany. Mitory foana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ohatra, isika ary manampy ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. ‘Manao soa amin’ny rehetra’ koa isika, “indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Gal. 6:10) Miezaka mafy koa isika mba hiala amin’ny “toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy.” (Kol. 3:5, 8-10) Te hifandray tsara amin’i Jehovah foana mantsy isika.

TENA ILAINA NY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA

13. Tena ilaina ve ny “finoana an’Andriamanitra”? Oharina amin’ny inona izy io, ary nahoana?

13 Hoy ny Hebreo 11:6: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” Anisan’ny zavatra voalohany indrindra ilain’ny tena Kristianina ny “finoana an’Andriamanitra.” Oharina amin’ny fototry ny trano izy io ao amin’ny Baiboly. (Heb. 6:1) Mila miezaka hanana toetra tsara hafa koa anefa ny Kristianina, raha te ho tian’Andriamanitra foana.—Vakio ny 2 Petera 1:5-7; Joda 20, 21.

14, 15. Nahoana no zava-dehibe kokoa noho ny finoana ny fitiavana?

14 Miresaka imbetsaka momba ny finoana ireo mpanoratra Baiboly, satria tena ilaina izy io. Io no toetra voaresaka matetika indrindra ao amin’ny Baiboly. Midika ve izany fa izy io no toetra tena ilaina indrindra?

15 Nampitaha ny finoana sy ny fitiavana i Paoly, ka niteny hoe: ‘Tsinontsinona aho raha manana ny finoana rehetra ka mahafindra tendrombohitra, nefa tsy manam-pitiavana.’ (1 Kor. 13:2) Rehefa nisy nanontany koa i Jesosy hoe “inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna”, dia namaly izy hoe ny fitiavana an’Andriamanitra. (Mat. 22:35-40) Manampy antsika hanana toetra tsara maro hafa ny fitiavana, anisan’izany ny finoana. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: ‘Mino ny zava-drehetra ny fitiavana.’ Mino an’izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly àry ny olona manana fitiavana.—1 Kor. 13:4, 7.

16, 17. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa samy ilaina ny finoana sy ny fitiavana? Iza anefa no lehibe indrindra amin’ireo, ary nahoana?

16 Tena ilaina ny finoana sy ny fitiavana, ka imbetsaka izy ireo no miara-resahin’ireo mpanoratra Baiboly. Nampirisika an’ireo mpiara-manompo taminy, ohatra, i Paoly “hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra.” (1 Tes. 5:8) I Petera indray nanoratra hoe: “Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo. Ary na tsy hitanareo aza izy ankehitriny, dia mino azy ianareo.” (1 Pet. 1:8) Nanontany an’ireo rahalahiny voahosotra koa i Jakoba hoe: “Tsy ny mahantra eo amin’izao tontolo izao ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ilay fanjakana nampanantenainy an’ireo tia azy?” (Jak. 2:5) Nilaza koa i Jaona hoe izao no didin’Andriamanitra: “Ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika.”1 Jaona 3:23.

17 Na dia tena ilaina aza anefa ny mino ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tsy hilaina intsony izany rehefa tanteraka daholo izy ireny. Mbola tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika foana anefa isika. Izany no nahatonga an’i Paoly hanoratra hoe: “Fa mitoetra ireto telo ireto ankehitriny: Finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin’ireo.”—1 Kor. 13:13.

MISY VOKANY TENA MIAVAKA NY FINOANA

18, 19. Inona no vokatry ny finoana asehon’ny vahoakan’i Jehovah, ary iza no tokony hoderaina noho izany?

18 Mino ny vahoakan’i Jehovah fa efa manjaka any an-danitra ilay Fanjakana, ary asehon’izy ireo amin’ny ataony izany. Mifankatia koa izy ireo, satria miezaka hanana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Gal. 5:22, 23) Mihavana sy miray saina àry ny vahoakan’i Jehovah valo tapitrisa mahery, ao amin’ireo fiangonana eran-tany. Misy vokany tsara tokoa ny finoana sy ny fitiavana!

19 Tsy olombelona mihitsy no nahavita an’izany, fa i Jehovah. Mendrika hoderaina àry izy. (Isaia 55:13) Tena misaotra azy isika satria nataony izay hamonjena an’izay manana finoana. (Efes. 2:8) Mbola hihamaro ny olona hampian’i Jehovah mba hanana finoana. Ho feno olona lavorary sy manao ny marina ary sambatra ny tany amin’ny farany, ary hidera an’i Jehovah mandrakizay izy ireo. Enga anie àry isika hino foana fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, ka hasehontsika amin’ny ataontsika izany.