Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Tantarantsika

“Ry Mpitory eto Grande-Bretagne, Mifohaza!!”

“Ry Mpitory eto Grande-Bretagne, Mifohaza!!”

NISY fampirisihana nazava tsara tao amin’ny Mpilaza Vaovao * (Desambra 1937) ho an’i Londres. Izao ilay izy: “Ry Mpitory eto Grande-Bretagne, Mifohaza!!” Nisy lohatenikely nampieritreritra tao amin’ilay izy, hoe: “Tsy Nisy Fitomboana Miavaka tao Anatin’ny Folo Taona.” Nanaporofo an’izany ny tatitra teo anelanelan’ny taona 1928 sy 1937, teo amin’ny pejy voalohany.

BE LOATRA AHOANA NY MPISAVA LALANA?

Nahoana no lasa tsy dia nisy fitomboana tany Grande-Bretagne? Satria lasa tsy dia nazoto ny mpitory nandritra ny taona maro, ka tsy niezaka nampitombo ny fanompoany. Nilaza koa ny biraon’ny sampana fa efa ampy ireo mpisava lalana 200 teo ho eo. Tsy niara-niasa tamin’ny fiangonana anefa izy ireo fa tany amin’ny faritany lavitra be. Rehefa nisy te hanao mpisava lalana, dia nilaza ny sampana fa efa tsy misy faritany intsony fa aleo mankany an-tany hafa any Eoropa. Mpisava lalana be dia be àry no nankany an-tany hafa, ohatra hoe tany Frantsa. Zara raha nahay ny fiteny tany anefa izy ireo na tsy nahay mihitsy. Tena mendri-piderana ry zareo!

‘NENTANINA NY MPITORY’

Nilaza koa ilay lahatsoratra tamin’ny 1937 hoe iray tapitrisa ora no tanjona amin’ny taona 1938. Ho mora ny hanatratra an’izany raha mahavita adiny 15 isam-bolana ny mpitory ary adiny 110 ny mpisava lalana. Nasaina nanokana andro hiarahana mitory ny fiangonana, ary hanompo adiny dimy ao anatin’ny iray andro. Nampirisihina koa izy ireo mba hitsidika ny olona liana, indrindra rehefa hariva amin’ny andavanandro.

Nazoto nanompo ireo mpisava lalana nafana fo

Tena faly ny ankamaroan’ny mpitory. Hoy i Hilda Padgett: * “Ny foibe mihitsy no nanentana ny mpitory, ary izany no efa nandrasan’ny ankamaroanay hatry ny ela. Vetivety dia nisy vokany ilay antso.” Hoy koa ny Ranabavy E. Wallis: “Tena nahafinaritra ilay hoe nanompo adiny dimy tao anatin’ny iray andro. Nanao ny asan’ny Tompo ianao nandritra ny tontolo andro. Misy zavatra hafa mahafaly mihoatra noho izany ve? ... Reraka izahay indraindray rehefa nody saingy falifaly.” Namaly an’ilay antso koa i Stephen Miller satria tsapany hoe tena maika ilay asa. Mbola tanora izy tamin’izany, ary te handray anjara dieny mbola afaka. Maromaro ry zareo no nitondra bisikileta, dia nanompo tontolo andro. Rehefa vanin-taona mafana, dia nampihainoiny lahateny noraisim-peo ny olona tamin’ny hariva. Nazoto nilanja takelaka fitoriana sy nizara gazety teny an-dalana koa izy ireo.

Nisy antso natao koa tao amin’ilay Mpilaza Vaovao, hoe: “Mila mpisava lalana 1000 isika.” Nisy toromarika vaovao nomena momba ny faritany ka lasa niara-niasa tamin’ny fiangonana ny mpisava lalana. Amin’izay izy ireo afaka manampy sy mampahery azy ireo. Hoy i Joyce Ellis: “Maro no tonga saina hoe nila nanao mpisava lalana. Vao 13 taona aho tamin’izany nefa mba te hanao an’izany koa.” Tratrany ny tanjony tamin’ny Jolay 1940, tamin’izy 15 taona. Hoatr’izany koa i Peter, izay lasa vadin’i Joyce. Rehefa nahita an’ilay fampirisihana izy, dia “lasa te hanao mpisava lalana.” Tanteraka izany tamin’ny Jona 1940, tamin’izy 17 taona. Nandeha bisikileta 105 kilaometatra nankany Scarborough izy tamin’izay, satria tany ny faritaniny.

Nahafoy tena ireo nanomboka ny asan’ny mpisava lalana. Anisan’izany i Cyril sy Kitty Johnson. Nivarotra ny tranony sy ny fananany izy ireo mba hahafahana manao an’izany. Niala tamin’ny asany koa i Cyril. Iray volana taorian’izay izy ireo dia efa nanomboka. Hoy izy: “Azonay antoka hoe nety ny nataonay. Tena vokatry ny fonay ilay izy, sady nahafaly anay.”

TRANO HO AN’NY MPISAVA LALANA

Lasa be dia be ny mpisava lalana, ka nitady hevitra hanampiana an-dry zareo ireo rahalahy niandraikitra ny asa fitoriana. Nisy soso-kevitra nomena, ohatra, hoe tokony hasiana trano ho an’ny mpisava lalana any amin’ireo tanàn-dehibe. Nanaraka an’izany soso-kevitra izany i Jim Carr, mpiandraikitra ny faritra tamin’ny 1938. Nampirisihina mba hiray trano sy hiara-manompo ny mpisava lalana maromaro, amin’izay mitsitsy vola. Nisy trano lehibe iray nofana tany Sheffield, ary nisy rahalahy iray matotra nasaina niandraikitra azy io. Nanome vola sy fanaka ny fiangonana tany. Hoy i Jim: “Samy niezaka ny rehetra mba hampety an’ilay izy.” Mpisava lalana folo tena nazoto no nipetraka tao, ary niezaka ry zareo mba hanana fahazarana tsara ara-panahy. Hoy ihany i Jim: ‘Niara-nanao teny vakina ry zareo isa-maraina rehefa hisakafo. Samy namonjy ny faritaniny ry zareo isan’andro.’

Lasa be dia be ny mpitory nanao mpisava lalana tany Grande-Bretagne

Samy niezaka na ny mpitory na ny mpisava lalana, ka nahavita iray tapitrisa ora tokoa ry zareo tamin’ny 1938. Rehefa jerena ny tatitra, dia nitombo koa ny fiverenana mitsidika sy ny zavatra hafa rehetra. Nitombo efa ho avo telo heny ny mpitory tany Grande-Bretagne tao anatin’ny dimy taona. Lasa nazoto nitory momba ilay Fanjakana indray ny vahoakan’i Jehovah, ka vitan’izy ireo ny niatrika olana rehefa nipoaka ny ady tatỳ aoriana.

Mbola mitombo foana ny isan’ny mpisava lalana any Grande-Bretagne amin’izao Hara-magedona efa akaiky izao. Nisy tampon’isa vaovao imbetsaka tao anatin’ny folo taona lasa. Nisy 13224, ohatra, izy ireo tamin’ny Oktobra 2015. Narahin’izy ireo tokoa ilay fampirisihana hoe: “Mifohaza!!” Tsapany mantsy hoe anisan’ny fomba tsara indrindra azony ampiasana ny fiainany ny manompo manontolo andro.

^ feh. 3 Nantsoina hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana izy io tatỳ aoriana.

^ feh. 8 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1995, pejy 19-24, ny tantaran’ny Ranabavy Padgett.