Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Litera Hebreo Efatra na ny anarana masin’Andriamanitra hoe Jehovah, vakina avy eo ankavanana miankavia

Ilay Litera Kely Indrindra Manome Toky Antsika

Ilay Litera Kely Indrindra Manome Toky Antsika

Afaka matoky ve isika fa ho tanteraka daholo izay nampanantenain’Andriamanitra? Tena nino an’izany i Jesosy, ary nampiany hatoky an’izany koa ny mpihaino azy. Diniho ny fanoharana nataony tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy ao amin’ny Matio 5:18: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany, noho ny hahalevona ny litera kely indrindra na ny tendron-tsoratra iray ao amin’ny Lalàna, mandra-pahatanterak’izay rehetra voasoratra ao.”

Yôda (י) no litera kely indrindra amin’ny abidy hebreo. Izy io no voalohany amin’ireo Litera Hebreo Efatra na ny anarana masin’Andriamanitra hoe Jehovah. * Noheverin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ho zava-dehibe ny teny sy ny litera tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra, na dia ny “tendron-tsoratra iray” aza.

Nilaza i Jesosy fa ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany, noho ny hoe tsy ho tanteraka ny tsipiriany kely indrindra ao amin’ny Lalàna. Milaza anefa ny Baiboly fa haharitra mandrakizay ny lanitra sy ny tany ara-bakiteny. (Salamo 78:69) Te hilaza àry i Jesosy hoe ho tanteraka daholo na dia ny tsipiriany madinika indrindra ao amin’ny Lalàna aza.

Zava-dehibe amin’i Jehovah ve na dia ny tsipiriany madinika aza? Eny. Tsy navelany hisy hotapahina, ohatra, ny taolan’ny ondry nohanina tamin’ny Paska. (Eksodosy 12:46) Hoatran’ny hoe zavatra madinika izany. Angamba tsy azon’ny Israelita hoe nahoana izy ireo no tsy tokony hanapaka ny taolana rehetra ao amin’ilay ondry. Fantatr’i Jehovah anefa fa faminaniana momba an’izay hitranga amin’ny Mesia io tsipiriany io. Tsy hisy hotapahina koa mantsy ny taolany, rehefa hovonoina eo amin’ny hazo fijaliana izy.—Salamo 34:20; Jaona 19:31-33, 36.

Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Afaka matoky koa isika hoe ho tanteraka daholo izay nampanantenain’i Jehovah, na dia ny tsipiriany madinika indrindra aza. Manome toky antsika tokoa ilay litera kely indrindra amin’ny teny hebreo!

^ feh. 3 Iôta no litera kely indrindra amin’ny abidy grika. Mitovy amin’ilay litera hebreo hoe י (yôda) izy io. Azo inoana fa ilay litera hebreo no noresahin’i Jesosy, satria nosoratana sy nampitaina tamin’ny teny hebreo ny Lalàn’i Mosesy.