Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANONTANY NY MPAMAKY...

Natao ho An’​ny Kristianina ve ny Krismasy?

Natao ho An’​ny Kristianina ve ny Krismasy?

Olona an-tapitrisany eran-tany no mino hoe fankalazana ny nitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy Kristy ny Krismasy. Nankalaza azy io ve anefa ny Kristianina voalohany, izay tena akaiky an’i Jesosy? Fantatrao ve hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana? Raha hainao ny valin’ireo, dia ho hitanao raha tena natao ho an’ny Kristianina ny Krismasy na tsia.

Voalohany, tsy milaza ny Baiboly hoe nankalazaina ny aniverseran’i Jesosy sy ny an’olon-kafa nanompo an’Andriamanitra. Olona roa ihany no resahiny hoe nankalaza aniversera. Samy tsy mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly, izy ireo. Nisy zava-dratsy nitranga koa nandritra an’ireo fankalazana ireo. (Genesisy 40:20; Marka 6:21) Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa tsy nankasitrahan’ny Kristianina voalohany ny “aniversera, satria fanaon’ny mpanompo sampy.”

Oviana i Jesosy no teraka?

Tsy lazain’ny Baiboly hoe oviana marina i Jesosy no teraka. Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong: “Tsy misy fomba azo amaritana ny daty nahaterahan’i Jesosy ao amin’ny T[estamenta] V[aovao], na ao amin’ny boky hafa.” Azo antoka fa ho noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany ny daty nahaterahany, raha tiany hankalaza ny aniverserany izy ireo.

Faharoa, tsy resahin’ny Baiboly hoe nankalaza Krismasy i Jesosy na ny mpianany. Milaza ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa ‘ny alimanaka romanina nosoratan’i Philocalus tamin’ny taona 336 tany ho any’, no miresaka voalohany momba ny Krismasy. Efa taorian’ny nahavitan’ny Baiboly izany, ary efa an-jatony taona taorian’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Milaza àry i McClintock sy Strong fa “tsy nandidy ny hankalazana ny Krismasy Andriamanitra, ary tsy hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] izy io.” *

Inona no fotoan-dehibe nasain’i Jesosy nankalazain’ny mpianany?

Mpampianatra Lehibe i Jesosy ka nohazavainy tsara tamin’ny mpianany izay tiany hataon’izy ireo. Efa voasoratra ao amin’ny Baiboly izany. Tsy nasainy nankalaza Krismasy anefa izy ireo. Tsy tian’ny mpampianatra ny olona ampianariny raha mivaona amin’ny toromarika nomeny. Toy izany koa i Jesosy. Tsy tiany ny mpanara-dia azy raha “mihoatra noho izay voasoratra” ao amin’ny Baiboly.—1 Korintianina 4:6.

Misy fotoan-dehibe iray tena nahazatra an’ireo Kristianina voalohany anefa. Tsy inona izany fa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany ny fotoana tokony hankalazana azy io sy ny fomba anaovana azy. Hita ao amin’ny Baiboly ireo toromarika ireo sy ny daty nahafatesany.—Lioka 22:19; 1 Korintianina 11:25.

Hitantsika teo fa fankalazana aniversera ny Krismasy, ary tsy nanaraka an’io fanaon’ny mpanompo sampy io ny Kristianina voalohany. Tsy milaza koa ny Baiboly hoe nankalaza Krismasy i Jesosy na ny olon-kafa. Kristianina an-tapitrisany eran-tany àry no nanatsoaka hevitra hoe tsy natao ho azy ireo ny Krismasy.

^ feh. 6 Manazava bebe kokoa momba ny niandohan’ireo fanao amin’ny Krismasy, ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Mpamaky: Inona no Marina Momba ny Krismasy?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2014. Misy ao amin’ny www.pr418.com/mg koa izy io.