Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Matokia An’i Jehovah ka Manaova ny Tsara”

“Matokia An’i Jehovah ka Manaova ny Tsara”

“Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara. Aoka ianao ... ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.”​—SAL. 37:3.

HIRA: 133, 63

1. Inona avy no nomen’i Jehovah antsika?

NOMEN’I Jehovah fahaizana miavaka isika olombelona. Nataony afaka mieritreritra tsara isika, dia mahavita mamaha olana sy mitsinjo ny hoavy. (Ohab. 2:11) Nomeny hery isika mba hahavitantsika an’izay kasaintsika hatao sy hanatratrarana tanjona. (Fil. 2:13) Nataony manana feon’ny fieritreretana koa isika, izany hoe mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Afaka misakana antsika tsy hanao ratsy izy io, ary manampy antsika hanitsy ny fahadisoantsika.​—Rom. 2:15.

2. Ahoana no tian’i Jehovah hampiasantsika an’izay nomeny antsika?

2 Tian’i Jehovah hampiasa tsara an’ireo zavatra nomeny ireo isika. Tia antsika mantsy izy, ary fantany fa hahafaly antsika izany. Nilaza, ohatra, izy ao amin’ny Soratra Hebreo hoe: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” Hoy koa izy: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.” (Ohab. 21:5; Mpito. 9:10) Izao koa no nolazainy ao amin’ny Soratra Grika: “Dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra.” “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy.” (Gal. 6:10; 1 Pet. 4:10) Tena tian’i Jehovah hanao izay azontsika atao àry isika, amin’izay mandray soa na isika na ny olon-kafa.

3. Inona no tsy vitan’ny olombelona?

3 Fantatr’i Jehovah koa anefa fa misy zavatra tsy ho vitantsika mihitsy. Tsy ho vitantsika mihitsy, ohatra, ny hanafoana ny tsy fahalavorariana sy ny ota ary ny fahafatesana. Tsy hahavita hifehy ny olon-kafa koa isika, satria manana safidy daholo ny olona. (1 Mpanj. 8:46) Ary na dia manana fahalalana sy traikefa be dia be aza isika, dia mbola kely foana izany raha oharina amin’ny an’i Jehovah.​—Isaia 55:9.

“Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara” rehefa misy olana

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Mila miantehitra amin’i Jehovah sy manaraka ny tari-dalany foana isika, ka matoky fa hanampy antsika izy ary izy no hanao izay tsy vitantsika. Mila manao izay azontsika atao koa anefa isika mba hamahana olana sy hanampiana ny hafa. (Vakio ny Salamo 37:3.) Raha tsorina, dia mila ‘matoky an’i Jehovah isika’ sady mila ‘manao ny tsara.’ Tokony ho ‘mendri-pitokisana amin’izay ataontsika’ koa isika. Ahoana no anaovana an’izany? Handinika ny ohatr’i Noa sy Davida ary ny mpanompon’i Jehovah hafa tsy nivadika isika. Niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo, ary nifantoka tamin’izay azony natao, fa tsy nieritreritra be an’izay tsy ho vitany.

AHOANA RAHA MANAO RATSY NY OLONA MANODIDINA ANTSIKA?

5. Nanao ahoana ny fiainana tamin’ny andron’i Noa?

5 Nanjaka ny herisetra tamin’ny andron’i Noa. Be dia be koa ny olona naloto fitondran-tena. (Gen. 6:4, 9-13) Fantatr’i Noa fa tsy maintsy horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy rehetra. Azo antoka anefa fa nalahelo izy nahita ny zava-dratsy nataon’izy ireo. Niaiky i Noa hoe nisy zavatra tsy ho vitany mihitsy, nefa nisy zavatra azony natao.

Rehefa misy manohitra eny am-pitoriana (Fehintsoratra 6-9)

6, 7. a) Inona no tsy vitan’i Noa? b) Inona no itovizan’ny zava-misy ankehitriny sy tamin’ny andron’i Noa?

6 Tsy afaka nanao inona i Noa? Nitory ny hafatr’i Jehovah foana i Noa mba hampitandremana ny olona. Tsy afaka nanery ny ratsy fanahy hanaiky an’ilay hafatra anefa izy. Tsy azony naroso koa ny fotoana hahatongavan’ny Safodrano. Nila natoky i Noa hoe hitana ny teniny i Jehovah ka handringana ny ratsy fanahy amin’ny fotoana hitany hoe tena mety.​—Gen. 6:17.

7 Be dia be koa ny zava-dratsy ankehitriny, ary nampanantena i Jehovah fa hanafoana an’izany. (1 Jaona 2:17) Tsy afaka manery ny olona hanaiky ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” anefa isika. Tsy misy azontsika atao koa mba hahatonga ny “fahoriana lehibe” hanomboka aloha kokoa. (Mat. 24:14, 21) Mila manana finoana matanjaka toa an’i Noa àry isika, ka hatoky fa tsy ho ela i Jehovah dia handringana ny ratsy fanahy. (Sal. 37:10, 11) Matoky isika fa tsy maintsy haringany ity tontolo ratsy ity, rehefa tonga ny fotoana tokony hanaovany an’izany. Tsy ho tara izany fandringanana izany, na iray andro aza.​—Hab. 2:3.

8. Inona no manaporofo fa nifantoka tamin’izay azony natao i Noa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Inona no azon’i Noa natao? Tsy hoe kivy i Noa satria nisy zavatra tsy ho vitany mihitsy. Nifantoka tamin’izay azony natao izy. Nitory ny hafatra fampitandremana nasain’i Jehovah notoriny izy. (2 Pet. 2:5) Azo antoka fa nanampy azy hanana finoana matanjaka izany. Nampiasa ny fahaizany sy ny heriny koa i Noa mba hanamboarana an’ilay sambofiara nasain’i Jehovah nataony.​—Vakio ny Hebreo 11:7.

9. Ahoana no hataontsika raha manahaka an’i Noa isika?

9 Miezaka ny “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” isika, toa an’i Noa. (1 Kor. 15:58) Manampy amin’ny fanorenana na fikojakojana trano fivoriana, ohatra, isika, na manao asa an-tsitrapo rehefa misy fivoriambe, na miasa any amin’ny biraon’ny sampana na Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana. Mazoto mitory koa isika, ary izany no tena zava-dehibe. Nilaza ny anabavy iray fa rehefa miresaka amin’ny olona momba ny zavatra hataon’ilay Fanjakana izy, dia mahita hoe tena tsy manana fanantenana ry zareo ary mihevitra fa tsy ho voavaha mihitsy ny olana mahazo azy. Isika kosa rehefa mitory, dia lasa matoky kokoa hoe tena hisy ilay hoavy tsara antenaintsika. Lasa vonona kokoa isika hanohy foana an’ilay hazakazaka mba hahazoana ny fiainana.​—1 Kor. 9:24.

AHOANA RAHA NANOTA ISIKA?

10. Inona no nataon’i Davida?

10 Tsy nivadika i Davida Mpanjaka, ary nilaza i Jehovah hoe ‘lehilahy sitraky ny fony’ izy. (Asa. 13:22) Nanao fahotana lehibe anefa i Davida: Nanao firaisana tamin’i Batseba vadin’i Oria izy. Tsy vitan’izay fa niezaka nanafina ny fahotany izy, ka nataony izay hahafaty an’i Oria tany an’ady. I Oria mihitsy aza no nampitondrainy an’ilay taratasy nisy ny toromarika hamonoana azy. (2 Sam. 11:1-21) Niharihary anefa ny fahotan’i Davida tatỳ aoriana. (Mar. 4:22) Ahoana no nataony?

Rehefa mahatsiaro ny fahotana nataonao taloha (Fehintsoratra 11-14)

11, 12. a) Tsy afaka nanao inona i Davida rehefa nanota? b) Inona no azo antoka fa hataon’i Jehovah raha mibebaka isika?

11 Tsy afaka nanao inona i Davida? Tsy afaka nikosoka ny fahotana vitany izy. Tsy azony nialana koa ny vokatry ny nataony. Ny sasany tamin’izany aza nozakainy nandritra ny androm-piainany. (2 Sam. 12:10-12, 14) Nila nanam-pinoana àry i Davida. Nila natoky izy hoe raha tena mibebaka izy, dia hamela ny fahotany i Jehovah ary hanampy azy hiaritra ny vokatry ny nataony.

12 Tsy lavorary isika rehetra ka manota daholo. Lehibe kokoa noho ny fahotana hafa ny fahotana sasany. Mety tsy ho afaka hikosoka ny fahotantsika isika, ary angamba tsy maintsy zakaintsika ny vokany. (Gal. 6:7) Matoky ny tenin’i Jehovah anefa isika hoe raha mibebaka isika, dia hanampy antsika izy rehefa manana olana isika, na dia isika ihany aza no nahatonga an’ilay izy.​—Vakio ny Isaia 1:18, 19; Asan’ny Apostoly 3:19.

13. Inona no nataon’i Davida mba hifandraisana tsara tamin’i Jehovah indray?

13 Inona no azon’i Davida natao? Te hifandray tsara tamin’i Jehovah indray izy, ka navelany hanampy azy i Jehovah. Nanaiky izy, ohatra, rehefa nanitsy azy i Natana, mpaminany nirahin’i Jehovah. (2 Sam. 12:13) Nivavaka koa izy ka niaiky ny fahotany tamin’i Jehovah. Hita hoe tena te hahazo sitraka taminy indray izy. (Sal. 51:1-17) Tsy nanamelo-tena be izy, fa nandray lesona tamin’izay nitranga. Tsy namerina an’ireo fahotana lehibe nataony intsony izy, ary tsy nivadika mandra-pahafatiny. Hotadidin’i Jehovah foana ny tsy fivadihany.​—Heb. 11:32-34.

14. Inona no ianarantsika avy amin’i Davida?

14 Inona no ianarantsika avy amin’i Davida? Raha nanao fahotana lehibe isika, dia mila mibebaka amin’ny fo ary mangata-pamelana amin’i Jehovah. Tsy maintsy miaiky ny fahotantsika aminy isika. (1 Jaona 1:9) Mila miresaka amin’ny anti-panahy koa isika, satria afaka manampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah indray izy ireo. (Vakio ny Jakoba 5:14-16.) Raha manaiky ampian’i Jehovah àry isika, dia ho hita fa matoky an’ilay teniny hoe hamela antsika izy. Mila mandray lesona avy amin’ny fahadisoantsika koa isika, ka hanompo an’i Jehovah foana sady tsy hatahotra hoe mbola hanameloka antsika izy.​—Heb. 12:12, 13.

AHOANA RAHA MISY OLANA HAFA?

Rehefa tsy salama (Fehintsoratra 15)

15. Inona no ianarantsika avy amin’i Hana?

15 Misy mpanompon’i Jehovah hafa koa niantehitra taminy rehefa nanana olana sady nanao izay azony natao. Anisan’izany i Hana. Tsy nety nanan-janaka izy ary tsy nisy azony natao tamin’izany. Natoky anefa izy hoe hampahery azy i Jehovah. Nanompo azy foana tany amin’ny tranolay masina àry izy, ary namboraka ny tao am-pony rehefa nivavaka. (1 Sam. 1:9-11) Tena modely ho antsika izy. Mila mametraka an’izay mampanahy antsika amin’i Jehovah isika, rehefa tsy salama na manana olana hafa tsy azo anoarana. Mila matoky isika hoe hikarakara antsika izy. (1 Pet. 5:6, 7) Manao izay vitantsika koa isika mba handraisana soa avy amin’ny fivoriana sy ny fandaharana hafa ataon’ny fandaminany.​—Heb. 10:24, 25.

Rehefa tsy manompo an’i Jehovah intsony ny zanakao (Fehintsoratra 16)

16. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Samoela?

16 Ary inona no azon’ireo ray aman-dreny tsy mivadika atao, raha tsy manompo an’i Jehovah intsony ny zanany? Nampianatra ny zanany hankatò ny fitsipik’i Jehovah i Samoela. Tsy afaka nanery azy ireo hankatò an’izany anefa izy rehefa nihalehibe izy ireo. (1 Sam. 8:1-3) Tsy maintsy niandry an’i Jehovah izy. Nanao izay azony natao anefa i Samoela mba tsy hivadika mihitsy ka hampifaly an’i Jehovah Rainy. (Ohab. 27:11) Maro koa ny ray aman-dreny manan-janaka maditra hoatran’ny zanak’i Samoela. Matoky anefa izy ireo hoe vonona handray an’ireo mpanota mibebaka i Jehovah, tsy misy hafa amin’ilay raim-pianakaviana ao amin’ilay fanoharana momba ny zanaka adala. (Lioka 15:20) Miezaka mafy koa izy ireo mba tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Manantena mantsy izy ireo fa mety hiverina ny zanany, rehefa mahita ny modely omeny.

Rehefa tsy manam-bola (Fehintsoratra 17)

17. Nahoana no mampahery ny tantaran’ilay mpitondratena nahantra?

17 Eritrereto koa ilay mpitondratena nahantra tamin’ny andron’i Jesosy. (Vakio ny Lioka 21:1-4.) Nahafantatra ny zavatra tsy mety nataon’ny olona tao amin’ny tempoly izy, saingy tsy nisy azony natao. (Mat. 21:12, 13) Tsy dia nisy azony natao koa mba hampetipety ny fiainany. Nomeny tamin’ny fony manontolo anefa ireo “vola madinika roa”, na dia ireo aza sisa no volany. Natoky tanteraka an’i Jehovah io vehivavy tsy nivadika io. Fantany fa homen’i Jehovah an’izay ilainy izy, raha ny fanompoana azy no ataony loha laharana. Nandrisika azy hanohana ny fivavahana marina izany. Matoky koa isika fa tsy maintsy homen’i Jehovah an’izay ilaintsika, raha ny Fanjakany no ataontsika loha laharana.​—Mat. 6:33.

18. Inona no toe-tsaina tsara nananan’ny rahalahy iray?

18 Matoky an’i Jehovah sady manao izay azony atao koa ny rahalahy sy anabavy maro. Anisan’izany i Malcolm. Tsy nivadika io rahalahy io mandra-pahafatiny tamin’ny 2015. Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro izy sy ny vadiny, ary nifamahofaho tao anatin’izany ny mangidy sy ny mamy. Hoy izy: “Miovaova ny fiainana ary tsy fantatra izay havoaky ny ampitso. Mety ho tena sarotra aza ny hiatrika an’izay mitranga. Tahin’i Jehovah anefa ny olona miantehitra aminy.” Izao no torohevitra nomen’i Malcolm: “Mivavaha mba hazoto tsara sy hahavita be amin’ny fanompoana an’i Jehovah, araka izay azonao atao. Mifantoha amin’izay azonao atao, fa aza mifantoka amin’izay tsy ho vitanao.” *

19. a) Nahoana no mety tsara ilay andinin-teny ho an’ny taona 2017? b) Ahoana no eritreretinao hampiharana ny andinin-teny ho an’ny taona 2017?

19 “Vao mainka hiharatsy kokoa” ity tontolo ity, ka azo antoka fa hitombo ny zava-manahirana. (2 Tim. 3:1, 13) Vao mainka àry isika mila miezaka mba tsy ho kivy loatra rehefa misy olana. Raha tsy izany mantsy, dia tsy hahavita hiatrika an’ilay izy isika. Mila mianatra matoky tanteraka an’i Jehovah koa isika, sady manao izay rehetra azontsika atao. Mety tsara àry ilay andinin-teny ho an’ny taona 2017 hoe: “Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara.”​—Sal. 37:3.

Andinin-teny ho an’ny taona 2017: “Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara.”​—Salamo 37:3