Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitarika ny Vahoakany i Jehovah

Mitarika ny Vahoakany i Jehovah

“Hitarika anao foana i Jehovah.”—ISAIA 58:11.

HIRA: 152, 22

1, 2. a) Inona no tsy itovizan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivavahana hafa? b) Inona no hodinihintsika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

MATETIKA ny olona no manontany antsika Vavolombelon’i Jehovah hoe: “Iza no lehibenareo?” Tsy mahagaga izany satria misy lehilahy na vehivavy mpitarika ao amin’ny ankamaroan’ny fivavahana. Faly erỳ isika milaza fa tsy olombelona tsy lavorary no Mpitarika antsika, fa i Jesosy Kristy. I Jehovah Rainy kosa no Mpitarika an’i Jesosy ka mankatò azy izy.—Mat. 23:10.

2 I Jehovah àry no tena Mpitarika antsika. Misy antokon’olona iray koa anefa eto an-tany mitarika ny vahoakany. Tsy iza izany fa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Efa hatramin’ny ela be i Jehovah no nampiasa olona hitarika ny vahoakany. Ahoana anefa no ahazoana antoka fa izy no nampiasa an’ireny olona ireny? Ahoana koa no ahalalantsika fa tena izy no mitarika antsika ary mampiasa an’i Jesosy izy amin’izany? Handinika porofo telo isika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Ho hitantsika fa i Jehovah no tena Mpitarika ny vahoakany hatramin’izay ka hatramin’izao.—Isaia 58:11.

NAHAZO HERY AVY AMIN’NY FANAHY MASINA

3. Inona no nanampy an’i Mosesy hitarika ny Israelita?

3 Nanome hery an’ireo solontenan’Andriamanitra ny fanahy masina. Anisan’izany i Mosesy. Notendren’i Jehovah ho mpitarika ny Israelita izy. Ahoana no nahavitany an’izany andraikitra lehibe izany? Nomen’i Jehovah “ny fanahiny masina” izy. (Vakio ny Isaia 63:11-14.) I Jehovah àry no tena nitarika ny vahoakany, satria ny fanahiny no nanampy an’i Mosesy.

4. Ahoana no nahalalan’ny Israelita fa nanampy an’i Mosesy ny fanahy masina? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Hery tsy hita maso anefa ny fanahy masina. Ahoana àry no nahalalan’ny Israelita fa nanampy an’i Mosesy tokoa izy io? Nahavita nanao fahagagana sy nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra tamin’i Farao i Mosesy. (Eks. 7:1-3) Lasa nanana toetra tsara koa izy, ka nahavita nitarika ny Israelita. Lasa be fitiavana sy nandefitra ary nanam-paharetana, ohatra, izy. Tsy nasiaka sy tsy tia tena hoatran’ny mpitondra tany an-tany hafa izy. (Eks. 5:2, 6-9) I Jehovah àry no nifidy an’i Mosesy ho mpitarika ny vahoakany.

5. Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana an’ireo lehilahy hafa nitarika ny vahoakany?

5 Nanendry lehilahy hafa hitarika ny vahoakany i Jehovah tatỳ aoriana, ary nahazo hery avy amin’ny fanahy masina koa izy ireny. “Feno fanahim-pahendrena”, ohatra, i Josoa zanak’i Nona. (Deot. 34:9) “Tonga tamin’i Gideona ny fanahin’i Jehovah.” (Mpits. 6:34) “Niasa tamin’i Davida” koa izy io. (1 Sam. 16:13) Niantehitra tamin’ny fanahin’Andriamanitra ireo lehilahy ireo, ka nahavita zavatra miavaka tsy ho vitany irery mihitsy. (Jos. 11:16, 17; Mpits. 7:7, 22; 1 Sam. 17:37, 50) Rariny àry raha nomem-boninahitra i Jehovah tamin’izany.

6. Nahoana ny Israelita no tian’i Jehovah hanaja ny mpitarika azy ireo?

6 Inona no tokony ho nataon’ny Israelita rehefa hitany hoe nampian’ny fanahy masina ireo lehilahy nitarika azy ireo? Tokony ho nanaja azy ireo ny Israelita. Nanakiana an’i Mosesy anefa izy ireo, ka hoy i Jehovah: “Mandra-pahoviana ity vahoaka ity no tsy hanaja ahy?” (Nom. 14:2, 11) I Jehovah àry no nifidy an’i Mosesy, Josoa, Gideona, ary Davida mba ho solontenany hitarika ny Israelita. Nanaiky an’i Jehovah ho Mpitarika izy ireo, rehefa nankatò an’ireny lehilahy ireny.

NAMPIAN’NY ANJELY

7. Ahoana no nanampian’ny anjely an’i Mosesy?

7 Nampian’ny anjely ny solontenan’Andriamanitra. (Vakio ny Hebreo 1:7, 14.) Anjely no nasain’i Jehovah naniraka an’i Mosesy sy nitari-dalana azy. Nisy anjely niseho tamin’i Mosesy, ohatra, tao amin’ny voaroy. Nilaza taminy izy io fa nirahin’Andriamanitra “ho mpitondra sady mpanafaka” izy. (Asa. 7:35) Nampitain’i Jehovah “tamin’ny alalan’ny anjely” koa ny Lalàna, ary i Mosesy indray no nampita azy io tamin’ny Israelita. (Gal. 3:19) Nilaza taminy koa i Jehovah hoe: “Ento ho any amin’ny toerana efa nolazaiko taminao ny vahoaka. Ary handeha eo alohanao ilay anjeliko.” (Eks. 32:34) Tsy milaza ny Baiboly hoe nahita anjely nanao an’ireo ny Israelita. Hita amin’ny toromarika nomen’i Mosesy sy ny fomba nitarihany azy ireo anefa fa nampian’ny anjely izy.

8. Ahoana no nanampian’ny anjely an’i Josoa sy Hezekia?

8 I Josoa no nandimby an’i Mosesy. Nampahery azy ny anjely iray “lehiben’ny tafik’i Jehovah”, tamin’izy nitarika ny Israelita hiady tamin’ny Kananita. Nandresy ry zareo tamin’izay. (Jos. 5:13-15; 6:2, 21) Nampian’ny anjelin’i Jehovah koa i Hezekia Mpanjaka. Nisy miaramila asyrianina be dia be nandrahona hanafika an’i Jerosalema tamin’izay. Asyrianina 185 000 anefa no novonoin’ilay anjely tao anatin’ny indray alina monja.—2 Mpanj. 19:35.

9. Inona no tsy maintsy nataon’ny Israelita, na dia tsy lavorary aza ny olona nitarika azy ireo?

9 Marina fa lavorary ny anjely. Tsy lavorary kosa ny olona nampian’izy ireo. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, ohatra, i Mosesy indray mandeha. (Nom. 20:12) Tsy nangataka ny tari-dalan’i Jehovah koa i Josoa, fa tonga dia nanao fifanekena tamin’ny Gibeonita. (Jos. 9:14, 15) I Hezekia indray lasa nirehareha. (2 Tan. 32:25, 26) Tsy maintsy nankatò an’ireo mpitarika ireo anefa ny Israelita, na dia tsy lavorary aza izy ireo. Niharihary mantsy fa nampiasa anjely i Jehovah mba hanampiana azy ireo. I Jehovah àry no tena nitarika ny vahoakany.

NITARI-DALANA AZY IREO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

10. Inona no porofo fa nitari-dalana an’i Mosesy ny Lalàn’Andriamanitra?

10 Nitari-dalana an’ireo solontenan’Andriamanitra ny Teniny. Nantsoina hoe “lalàn’i Mosesy” ny Lalàna nomena ny Israelita. (1 Mpanj. 2:3) Avy amin’i Jehovah anefa ilay izy, raha ny marina. (2 Tan. 34:14) Na i Mosesy aza tsy maintsy nankatò azy io. Nasain’i Jehovah nanamboatra tranolay masina, ohatra, izy, ary natorony azy hoe hatao hoatran’ny ahoana ilay izy. “Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Mosesy. Eny, izany indrindra no nataony.”—Eks. 40:1-16.

11, 12. a) Inona no tsy maintsy nataon’i Josoa sy ny mpanjaka hafa nitondra ny vahoakan’i Jehovah? b) Rehefa namaky ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, dia inona no vokatr’izany taminy?

11 Efa nanana ny Tenin’Andriamanitra i Josoa, tamin’izy vao nanomboka nitarika ny Israelita. Nilaza taminy i Jehovah mba hamaky sy hisaintsaina ny Teniny andro aman’alina. Amin’izay izy dia hitandrina tsara an’izay rehetra voasoratra tao. (Jos. 1:8) Tsy maintsy namaky ny Lalàna isan’andro koa, tatỳ aoriana, ny mpanjaka nitondra ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy maintsy nandika azy io izy ireo, ary ‘nitandrina sy nankatò’ an’izay rehetra voalazan’izy io sy ny fitsipika tao.—Vakio ny Deoteronomia 17:18-20.

12 Tena nisy vokany tamin’ireo lehilahy nitarika ny vahoakan’Andriamanitra ny famakiana ny Teniny. Eritrereto i Josia Mpanjaka. Rehefa hita ny boky nisy ny Lalàn’i Mosesy, dia namaky an’ilay izy taminy ny mpitan-tsorany. * Raha vao nandre izay voalaza tao amin’ilay boky izy, dia “nandrovitra ny akanjony avy hatrany.” Tsy vitan’izany fa nataony izay hanafoanana ny fanompoan-tsampy. Nandamina fankalazana Paska koa izy, ary io no Paska niavaka indrindra tamin’izany andro izany. (2 Mpanj. 22:11; 23:1-23) Nanaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra i Josia sy ny mpitarika hafa, ka tsy nampaninona azy ireo ny nanitsy ny toromarika nomeny ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Nanampy ny vahoaka mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireny fanovana ireny.

13. Inona no tsy nitovizan’ny mpitondra ny vahoakan’i Jehovah sy ny mpitondra hafa?

13 Tena tsy nitovy tamin’ireo mpanjaka tsy nivadika ireo ny mpitondra tany amin’ny firenena hafa. Niantehitra tamin’ny olombelona izy ireny, nefa tsy mahay mitsinjo ny hoavy ny olombelona sady voafetra ny zavatra hainy. Diniho, ohatra, ny nataon’ny mpanjaka kananita. Nanao zavatra naharikoriko izy ireo sy ny vahoakany. Anisan’izany ny firaisana tamin’ny havany akaiky na tamin’ny biby, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny fanaovana sorona ankizy, ary ny fanompoan-tsampy. (Lev. 18:6, 21-25) Ny mpitondra tany Babylona sy Ejipta indray tsy nanome lalàna momba ny fahadiovana, hoatran’ny nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany. (Nom. 19:13) Ny mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra kosa nanampy azy ireo hadio sy hifandray tsara tamin’Andriamanitra ary tsy ho ratsy fitondran-tena. Niharihary àry fa i Jehovah tokoa no nitarika azy ireo.

14. Nahoana i Jehovah no nanafay ny olona sasany nitarika ny vahoakany?

14 Tsy nanaraka ny toromarik’i Jehovah anefa ny mpanjaka sasany nitondra ny vahoakany. Tsy nety nanaraka ny tari-dalan’ny Teniny sy ny fanahy masina ary ny anjely izy ireny. Nofaizin’i Jehovah ny sasany taminy, ary nisy aza nosoloany mihitsy. (1 Sam. 13:13, 14) Nanendry mpanjaka hafa izy tatỳ aoriana, ary mbola tsy nisy mpitondra mahay hoatr’azy hatramin’izay.

NANENDRY MPITONDRA LAVORARY I JEHOVAH

15. a) Ahoana no nampahafantaran’ireo mpaminany fa hisy mpitondra faran’izay mahay hitarika ny vahoakan’i Jehovah? b) Iza ilay mpitondra voalazan’ny faminaniana?

15 Efa ela be i Jehovah no nampanantena hoe hisy mpitondra faran’izay mahay hotendreny hitarika ny vahoakany. Nasainy niteny tamin’ny Israelita, ohatra, i Mosesy hoe: “Mpaminany avy eo aminao, avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpaminany toa ahy, no hotendren’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Izy no tokony hohenoinao.” (Deot. 18:15) Naminany koa i Isaia hoe “ho filoha sy ho mpitarika” izy io. (Isaia 55:4) I Daniela indray nilaza fa ho tonga ny “Mesia Mpitarika.” (Dan. 9:25) I Jesosy Kristy mihitsy tatỳ aoriana no nampahafantatra fa izy no “Mpitarika” ny vahoakan’Andriamanitra. (Vakio ny Matio 23:10.) Nifidy ny hanara-dia azy ny mpianany, ary nino izy ireo hoe izy no nofidin’i Jehovah hitarika ny vahoakany. (Jaona 6:68, 69) Inona no nahatonga azy ireo hino an’izany?

16. Inona no porofo fa nahazo hery avy amin’ny fanahy masina i Jesosy?

16 Nahazo hery avy amin’ny fanahy masina i Jesosy. Nahita “ny lanitra nisokatra” i Jaona tamin’izy nanao batisa an’i Jesosy. Hitany koa “ny fanahy masina nidina toy ny voromailala nankeo amboniny.” “Nentanin’ny fanahy masina” i Jesosy avy eo “mba ho any an-tany efitra.” (Mar. 1:10-12) Nahazo hery avy amin’ny fanahy masina foana izy taorian’izay, ka nahavita fahagagana sy nahay nampianatra. (Asa. 10:38) Nanampy azy hanana toetra tsara koa ny fanahy masina ka be fitiavana izy, faly foana, ary nanana finoana matanjaka. (Jaona 15:9; Heb. 12:2) Tsy nisy mpitondra hafa nampian’ny fanahy masina hoatr’izany. Tena niharihary hoe i Jehovah no nifidy an’i Jesosy.

Ahoana no nanampian’ny anjely an’i Jesosy taoriana kelin’ny batisany? (Fehintsoratra 17)

17. Inona no nataon’ny anjely mba hanampiana an’i Jesosy?

17 Nampian’ny anjely i Jesosy. “Nisy anjely tonga nikarakara azy”, taoriana kelin’ny batisany. (Mat. 4:11) “Nisy anjely anankiray avy any an-danitra” koa “niseho taminy, ary nankahery azy”, ora vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. (Lioka 22:43) Natoky i Jesosy fa handefa anjely hanampy azy i Jehovah, isaky ny nila fanampiana izy mba hanaovana ny sitrapony.—Mat. 26:53.

18, 19. Inona no porofo fa nanaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy teo amin’ny fiainany sy ny fanompoany?

18 Nitari-dalana an’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra. Vao nanomboka ny fanompoany izy, dia efa nanaraka ny tari-dalan’ny Soratra Masina. (Mat. 4:4) Nankatò an’izay voalaza tao izy ka nekeny hatramin’ny hoe ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. Na tamin’izy efa ho faty aza, dia mbola niresaka faminaniana momba ny Mesia ihany. (Mat. 27:46; Lioka 23:46) Tsy hoatr’izany anefa ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Tsy niraharaha an’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, rehefa tsy nifanaraka tamin’ny fampianarany ilay izy. Nilaza i Jesosy fa marina ny tenin’i Isaia mpaminany momba azy ireo hoe: “Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy. Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.” (Mat. 15:7-9) I Jehovah àry ve dia hifidy olona hoatr’izany mba hitarika ny vahoakany?

19 Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra koa i Jesosy rehefa nampianatra. Rehefa namandrika azy, ohatra, ny mpitondra fivavahana, dia tsy niantehitra tamin’ny fahaizany na ny traikefany izy. Ny Soratra Masina no nampiasainy. (Mat. 22:33-40) Tsy nandany fotoana nitantarana ny fiainany tany an-danitra na ny famoronana an’izao rehetra izao izy, mba hampifalifaliana ny olona. Nataony kosa izay ‘hahazoan’izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina.’ (Lioka 24:32, 45) Tena tia ny Tenin’Andriamanitra izy, ka nazoto niresaka momba azy io.

20. a) Ahoana no nanomezan’i Jesosy voninahitra an’i Jehovah? b) Olona hoatran’ny ahoana no tian’i Jehovah ho mpitarika ny vahoakany, rehefa ampitahaina i Jesosy sy Heroda?

20 Nahavariana ny olona “ny teny mahafinaritra” nolazain’i Jesosy. I Jehovah, ilay Mpampianatra azy, anefa no nomeny voninahitra. (Lioka 4:22) Nanetry tena koa izy rehefa nisy lehilahy nanankarena niantso azy hoe: “Mpampianatra Tsara.” Namaly izy hoe: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” (Mar. 10:17, 18) Tsy hoatr’izany mihitsy i Heroda Agripa I, izay lasa mpanjakan’i Jodia valo taona teo ho eo taorian’izay. Nisy fivoriana manokana, indray mandeha, dia nanao akanjo mihaja be izy. Nanindrahindra azy ny vahoaka sady niantsoantso hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” Azo antoka fa nirehareha erỳ i Heroda tamin’izay. Inona no vokany? “Teo no ho eo ihany, dia namely an’i Heroda ny anjelin’i Jehovah, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy. Ary lanin’ny kankana izy, ka tapitra ny ainy.” (Asa. 12:21-23) Raha nandinika tsara ny olona iray, dia tsy hieritreritra mihitsy hoe i Jehovah no nifidy azy ho mpitarika. Niharihary kosa hoe i Jehovah no nanendry an’i Jesosy. Nekeny hoe i Jehovah no tena mitarika ny vahoakany, ka nanome voninahitra azy foana izy.

21. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tsy natao hitarika ny vahoakan’i Jehovah mandritra ny taona vitsivitsy monja i Jesosy. Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia niteny izy hoe: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Hoy koa izy: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:18-20) Ahoana anefa no ahafahany mitarika ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany, nefa izy fanahy tsy hita maso any an-danitra? Iza no notendren’i Jehovah hisolo tena an’i Jesosy hitarika ny vahoakany? Ary ahoana no hamantaran’ny Kristianina hoe iza ireo solontenany ireo? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

^ feh. 12 Mety ho ilay boky nosoratan’i Mosesy mihitsy izy io.