Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza ny apostoly Paoly hoe: ‘Andriamanitra tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.’ (1 Kor. 10:13) Midika ve izany fa fantarin’i Jehovah mialoha izay mety ho zakantsika, dia avy eo izy mifidy an’izay fitsapana hatrehintsika?

Eritrereto hoe hanao ahoana ny fiainantsika, raha marina izany. Nisy rahalahy iray nanan-janakalahy. Namono tena ilay zanany, ka nieritreritra izy hoe: ‘Efa nofantarin’i Jehovah mialoha ve hoe ho zakanay mivady izany? Nanapa-kevitra ve izy hoe tsy maninona raha mitranga ilay izy, satria hahavita hiaritra izahay?’ Mety hiatrika zava-tsarotra daholo isika. I Jehovah ve anefa no mandahatra ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainantsika?

Raha mandinika tsara ny tenin’i Paoly ao amin’ilay 1 Korintianina 10:13 isika, dia ho hitantsika fa tsy marina izany. Tsy fantarin’i Jehovah mialoha izay mety ho zakantsika, dia hoe fidiny mifanaraka amin’izay ny fitsapana hatrehintsika. Handinika porofo efatra manamarina an’izany isika.

Voalohany, avelan’i Jehovah hisafidy ny olombelona. Tiany hifidy izay tiantsika hatao isika. (Deot. 30:19, 20; Jos. 24:15) Raha mifidy ny hanao ny tsara isika, dia afaka matoky hoe hitari-dalana antsika i Jehovah. (Ohab. 16:9) Raha mifidy ny hanao ratsy kosa isika, dia tsy maintsy hijinja ny vokatr’izany. (Gal. 6:7) Mbola ho afaka hisafidy anefa ve isika, raha efa fidin’i Jehovah mialoha izay hitranga amintsika?

Faharoa, tsy miaro antsika tsy ho ‘azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ i Jehovah. (Mpito. 9:11) Mety hiharan-doza isika raha sendra eo amin’ilay toerana itrangan’ilay izy. Mety ho ratsy be mihitsy aza ny vokatr’ilay izy. Niresaka olona 18 maty nianjeran’ny tilikambo, ohatra, i Jesosy. Tsy nilaza izy hoe Andriamanitra no nahatonga azy ireo ho faty. (Lioka 13:1-5) Tsy mitombina àry ny hoe Andriamanitra no mandahatra mialoha izay ho faty na ho velona, rehefa sendra misy loza.

Fahatelo, mila manaporofo isika tsirairay hoe tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy. Tadidio fa nilaza i Satana hoe fitadiavana tombony no anompoantsika an’i Jehovah, ary hivadika isika raha vao miatrika zava-tsarotra. (Joba 1:9-11; 2:4; Apok. 12:10) Ahoana àry raha sakanan’i Jehovah tsy hitranga amintsika ny olana sasany satria hitany hoe tsy ho zakantsika ilay izy? Tsy vao mainka ve izany manamarina ny tenin’i Satana?

Fahefatra, tsy voatery fantarin’i Jehovah mialoha izay rehetra hitranga amintsika. Ahoana anefa raha fidiny mialoha izay fitsapana hatrehintsika? Tsy midika ve izany hoe fantany daholo ny hoavintsika? Marina fa hain’i Jehovah ny mamantatra ny hoavy. (Isaia 46:10) Hita ao amin’ny Baiboly anefa fa fidifidin’i Jehovah izay hofantariny mialoha. (Gen. 18:20, 21; 22:12) Mahay mandanjalanja àry izy na dia afaka mamantatra an’izay hitranga aza, ka mamela antsika hanana safidy. Be fitiavana sy manao ny rariny mantsy izy, ary tiany hankafy ny fahafahana nomeny isika.—Deot. 32:4; 2 Kor. 3:17.

Inona àry no dikan’ilay tenin’i Paoly hoe: ‘Andriamanitra tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo’? Izay ataon’i Jehovah mandritra an’ilay zava-tsarotra no tian’i Paoly horesahina, fa tsy izay ataony alohan’izay. * Azo antoka àry fa raha matoky an’i Jehovah isika, dia hanohana antsika foana izy na inona na inona manjo antsika. (Sal. 55:22) Misy antony roa nahatonga an’i Paoly hatoky an’izany.

Voalohany, “mpahazo ny olona” ny zava-tsarotra mihatra amintsika. Ho vitantsika ny hiatrika azy ireny raha miantehitra amin’i Jehovah isika. (1 Pet. 5:8, 9) Niresaka momba ny fitsapana nanjo ny Israelita tany an-tany efitra i Paoly, talohan’ny niresahany an’ilay 1 Korintianina 10:13. (1 Kor. 10:6-11) Mpahazo ny olona ny zavatra natrehin’izy ireo, ary tokony ho vitany tsara ny niatrika azy. Tsy nankatò anefa ny “sasany” tamin’izy ireo. Inefatra i Paoly no nilaza an’izany. Tsy niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo ka resin’ny fanirian-dratsy.

Faharoa, ‘tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra.’ Hita amin’ny zavatra nataony tamin’ny vahoakany fahiny fa tsy mivadika izy ary tiany foana izay “tia azy sy mitandrina ny didiny.” (Deot. 7:9) Mitana ny teniny foana koa izy. (Jos. 23:14) Afaka matoky an’izao àry ny olona tia azy sy mankatò azy: 1) Na inona na inona zava-tsarotra mahazo azy ireo, dia tsy havelan’i Jehovah ho lasa mafy loatra ilay izy ka tsy ho zakany. 2) Tsy maintsy ‘hanisy lalan-kivoahana’ izy.

“Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” i Jehovah

Ahoana no ataon’i Jehovah mba hisian’ny lalan-kivoahana ho an’izay matoky azy? Mazava ho azy fa afaka manafoana an’ilay zava-tsarotra izy. Tadidio anefa ilay tenin’i Paoly hoe: “Hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.” Inona àry matetika no ataon’i Jehovah rehefa manana olana isika? Manome izay ilaintsika izy mba hahavitantsika hiaritra. Ireto misy fomba vitsivitsy anaovany an’izany:

  • “Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” i Jehovah. (2 Kor. 1:3, 4) Mampiasa ny Teniny sy ny fanahy masina izy, mba hampitony ny fontsika sy hampilamina ny saintsika. Manome sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana koa izy.—Mat. 24:45; Jaona 14:16; Rom. 15:4.

  • Manome ny fanahy masina izy mba hitari-dalana antsika. (Jaona 14:26) Rehefa tojo zava-tsarotra isika, dia hanampy antsika ny fanahy masina mba hahatadidy tantara sy toro lalana ao amin’ny Baiboly. Ho fantatsika avy eo izay tokony hatao.

  • Afaka maniraka anjely hanampy antsika izy.—Heb. 1:14.

  • Afaka mampiasa ny mpiara-manompo izy. Mety ‘hanampy sy hankahery’ antsika ny zavatra lazain’izy ireo sy ataony.—Kol. 4:11.

Inona àry no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 10:13? Tsy mifidy ny zava-tsarotra hatrehintsika i Jehovah. Izao anefa no azo antoka: Raha matoky tanteraka an’i Jehovah isika, dia tsy havelany hiaritra zava-tsarotra tsy ho zakantsika. Hanisy lalan-kivoahana foana izy mba hahafahantsika hiaritra. Tena mampahery izany!

^ feh. 2 Mety hidika koa hoe “fitsapana” na “fisedrana” ilay teny grika nadika hoe “fakam-panahy.”