Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nahasoa Ahy ny Niaraka Tamin’ny Hendry

Nahasoa Ahy ny Niaraka Tamin’ny Hendry

TANY Brookings, atỳ Etazonia, aho tamin’izay. Nangatsiatsiaka ny andro indray maraina, dia azoko an-tsaina hoe ho avy ny ririnina mamirifiry. Nangovitry ny hatsiaka tao amin’ny trano iray fitehirizam-bokatra izaho sy ny olona vitsivitsy tamin’io andro io. Tsy nisy fitaovana fanafanana trano mantsy tao. Nitsangana teo anoloan’ny fasiana rano ho an’ny biby fiompy izahay. Nangatsiaka be ny rano tao anatin’ilay izy. Aleo hotantaraiko kely ny fiainako, dia ho azonareo hoe fa inona no nataonay teo.

TAMIN’IZAHO MBOLA KELY

Dadatoa Alfred sy Dada

Teraka tamin’ny 7 Martsa 1936 aho. Efatra mianadahy izahay ary izaho no zandriny indrindra. Tany amin’ny faritra atsinanan’i Dakota Atsimo izahay no nipetraka. Namboly sy niompy izahay, ary tena tianay izany. Tsy izany anefa no zava-dehibe indrindra taminay. Ny hanao ny sitrapon’i Jehovah no nataon’i Dada sy Neny vaindohan-draharaha. Efa nanokan-tena ho azy mantsy izy ireo. Natao batisa tamin’ny 1934 izy ireo dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Fiangonana kely tany Conde, any Dakota Atsimo, no nisy anay. Clarence no anaran’i Dada, ary izy no mpikarakara ny fiangonana (anti-panahy mpandrindra), dia tatỳ aoriana i Dadatoa Alfred.

Nivory tsy tapaka izahay mianakavy. Nitory isan-trano foana koa izahay, ka niresaka tamin’ny olona momba an’ilay hoavy tena tsara voalazan’ny Baiboly. Nanampy anay ho tia an’i Jehovah ny modely sy ny fampiofanana nomen’i Dada sy Neny. Lasa mpitory izaho sy Dorothy anabaviko tamin’izahay enin-taona. Nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana aho tamin’ny 1943, tamin’io sekoly io vao nanomboka.

Tamin’izaho mpisava lalana, tamin’ny 1952

Tena tianay koa ny namonjy fivoriambe. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tany Sioux Falls, any Dakota Atsimo, tamin’ny 1949. Mbola tadidiko foana ny lahateny nataon’ny Rahalahy Grant Suiter tamin’izay, hoe “Efa Tsy ho Ela ny Farany!” Nantitranteriny fa efa manjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tokony hazoto hitory momba azy io izay rehetra nanokan-tena ho azy. Nandrisika ahy hanokan-tena ho an’i Jehovah izany. Natao batisa àry aho tamin’ny 12 Novambra 1949, tamin’ny fivoriamben’ny faritra taorian’izay. Tamin’izay aho no tao amin’ilay trano noresahiko tamin’ny voalohany. Efatra izahay no natao batisa tao anatin’ilay fasiana rano.

Te hanao mpisava lalana aho taorian’izay, ary tanteraka izany tamin’ny 1 Janoary 1952, tamin’izaho 15 taona. Milaza ny Baiboly hoe “ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.” (Ohab. 13:20) Be dia be ny havako tena hendry ka nanampy ahy hanao mpisava lalana. I Dadatoa Julius matetika no namako. Mpisava lalana koa izy, ary 60 taona izy tamin’izany. Faly be izahay niara-nanompo, na dia nifanelanelana be aza ny taonanay. Betsaka ny zavatra efa niainany, dia tena niana-javatra taminy aho. Nanao mpisava lalana koa i Dorothy taoriana kelin’izay.

NISY MPIANDRAIKITRA NY FARITRA NANAMPY AHY

Nampiantrano ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny foana i Dada sy Neny, tamin’izaho mbola kely. Anisan’izany i Jesse sy Lynn Cantwell. Tena tia an’ahy sy nampahery an’ahy ry zareo, dia lasa te hanatratra tanjona teo amin’ny fanompoana aho. Anisan’ny nahatonga ahy hanao mpisava lalana ry zareo. Rehefa nitsidika fiangonana teny akaikinay ry zareo, dia nasainy niara-nanompo taminy aho indraindray. Tena nahafinaritra an’ahy izany.

I Bud Miller sy Joan vadiny no nitsidika ny fiangonanay, tatỳ aoriana. Feno 18 taona aho tamin’izay, dia voantso hanao miaramila. Nankany amin’ny birao miandraikitra an’izany aho, dia nisy asa nasain’izy ireo nataoko. Tsy neken’ny saiko anefa ilay izy, satria nandika ny didin’i Jesosy hoe tsy tokony ho anisan’izao tontolo izao. Izaho koa te hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Jaona 15:19) Nangataka hosokajina hoe mpitory àry aho, amin’izay afaka tsy manao miaramila.

Nasaina niverina tany amin’ilay birao miandraikitra ny raharaha miaramila aho, tatỳ aoriana. Faly be aho fa niteny tamiko ny Rahalahy Miller hoe hiaraka amiko ho any. Tsy mba menamenatra na saro-tahotra izy, sady nahay Baiboly be. Lasa tsy natahotahotra aho rehefa niaraka taminy. Neken’ireo tompon’andraikitra ihany ilay fangatahako, teo antenatenan’ny taona 1954. Lasa afaka nanatratra tanjona hafa indray aho, taoriana kelin’izay.

Tamin’izaho vao niasa kelikely tao amin’ny Betela. Eo akaikin’ny kamiao fampiasa tao amin’ilay toeram-pambolena

Voantso hanompo tany amin’ny Betela aho, dia niasa tany amin’ilay toeram-pambolen’ny fandaminana, tany Staten Island, any New York. Telo taona teo ho eo aho no tany, ary nahafinaritra be ilay izy. Niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy maro tena hendry mantsy aho.

TAO AMIN’NY BETELA

Tao amin’ilay radio WBBR, niaraka tamin’ny Rahalahy Franz

Tao amin’ilay toeram-pambolena koa no nisy ny radio WBBR. Nampiasa azy io ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1924 ka hatramin’ny 1957. Betelita 15 na 20 teo ho eo ihany no voatendry hiasa tamin’ny fambolena sy fiompiana. Mbola tanora sady tsy dia ampy traikefa ny ankamaroanay. Nisy rahalahy voahosotra efa be taona izay anefa niara-niasa taminay. Eldon Woodworth no anarany. Tena hendry izy, ary nataony hoatran’ny zanany mihitsy izahay. Nanampy anay hifandray tsara tamin’i Jehovah izy. Rehefa nisy tsy nifankahazo, dia hozy izy hoe: “Tena mahavariana ny zavatra vitan’ny Tompo rehefa eritreretina hoe olona tsy lavorary no ampiasainy.”

Harry Peterson, rahalahy tena nazoto nitory

Niara-niasa taminay koa ny Rahalahy Frederick Franz sady tena nanampy anay. Tena hendry sy nahay Baiboly be izy, sady tia anay tsirairay. Teo koa i Harry Peterson. Izany no fiantsoanay azy satria sarotra be ilay tena anarany hoe Papargyropoulos. Izy no mpahandro sakafo ho anay. Voahosotra koa izy sady tena nazoto nitory. Nataony tsara ny asany tao amin’ny Betela, nefa tsy hadinony mihitsy ny fanompoana. Gazety an-jatony no voazarany isam-bolana. Nahay Baiboly be koa izy, dia voavaliny ny ankamaroan’ny fanontanianay.

ANABAVY NANOME OHATRA TSARA

Natao tao anaty boaty vy ny vokatra azo tamin’ny fambolena. Voankazo sy legioma 45 000 boaty teo ho eo isan-taona no nokarakarainay ho an’ny Betelita. Ny Ranabavy Etta Huth no nanoro anay ny fomba nikarakarana an’ireo voankazo sy legioma. Tena hendry izy ary faly aho niara-niasa taminy. Nisy anabavy avy any amin’ny fiangonana tonga nanampy anay indraindray, ary anisan’ny nandamina ny asan’izy ireo i Etta. Ohatra tsara izy satria na dia tena nahay an’ilay asa aza izy, dia nanaja an’ireo mpiandraikitra foana.

Angela sy izaho ary Etta Huth

Anisan’ireo anabavy tanora tonga nanampy anay i Angela Romano. I Etta no nampianatra Baiboly azy. Niampy indray ny olona hendry nifanerasera tamiko. Nivady mantsy izahay sy Angela tamin’ny Aprily 1958. Efa 58 taona izao izahay no niaraka, ary betsaka ny tombontsoam-panompoana azonay nandritra an’izany. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Angela, ka nilamina tsara ny tokantranonay. Tena afaka miantehitra aminy aho na inona na inona olana mitranga.

MISIONERA DIA AVY EO MPIANDRAIKITRA MPITETY FARITANY

Namidy ny radio WBBR tamin’ny 1957, dia lasa nanompo tany amin’ny Betelan’i Brooklyn aho. Niala tany aho rehefa nanambady an’i Angela, dia nanao mpisava lalana tany Staten Island izahay nandritra ny telo taona teo ho eo. Nisy fotoana aho niasa tao amin’ny radio WPOW. Izany indray mantsy no lasa anaran’ilay radio WBRR, rehefa nisy nividy ilay izy.

Niezaka hanana fiainana tsotra izahay sy Angela, amin’izay izahay vonona handeha foana na aiza na aiza ilana anay. Nanaiky àry izahay rehefa nasaina hanao mpisava lalana manokana tany Falls City, any Nebraska, tamin’ny 1961. Vao tonga kelikely tany anefa izahay, dia voasa hanao Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Iray volana ilay izy ary tany South Lansing, any New York, no natao. Nahafinaritra ilay sekoly ary tsy andrinay izay hiverenana tany Nebraska mba hampiharana an’izay nianaranay. Gaga anefa izahay fa notendrena ho misionera tany Kambôdza, any Azia Atsimoatsinanana. Vaovao taminay ny zava-drehetra tany, na ny feo na ny fofona. Nahita zavatra mbola tsy hitanay mihitsy koa izahay. Ny tanàna koa tsara tarehy. Nazoto be izahay nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona tany.

Nisy fiovana ara-politika tany Kambôdza, dia tsy maintsy nifindra tany Vietnam Atsimo izahay. Narary be anefa aho roa taona taorian’izay, ka nasaina nody teto Etazonia izahay. Elaela aho vao salama tsara. Vao sitrana anefa aho dia nanompo manontolo andro indray izahay.

Izaho sy Angela tamin’ny 1975, nadinadinina tao amin’ny tele

Nitsidika fiangonana izahay nanomboka tamin’ny Martsa 1965, ary nanao an’izany nandritra ny 33 taona. Mpiandraikitra ny faritra aho, ary nisy fotoana mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Imbetsaka nandamina fivoriambe izahay tao anatin’izany. Nahafinaritra an’ahy izany, satria efa tiako be foana ny fivoriambe. Tany New York izahay nandritra ny taona maromaro, dia tao amin’ny Yankee Stadium ny ankamaroan’ny fivoriambe no natao.

NIVERINA TAO AMIN’NY BETELA ARY LASA NIANDRAIKITRA AN’IREO SEKOLY

Niovaova sady sarotra indraindray ny asa nanendrena anay sy Angela, hoatran’ny mitranga amin’ny ankamaroan’ny mpanompo manontolo andro manokana ihany. Nasaina nampianatra tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ohatra, aho tamin’ny 1995. Voantso hiasa tato amin’ny Betela izahay, telo taona taorian’izay. Faly be aho fa tafaverina tato indray. Tato mantsy aho no nanomboka nanompo manontolo andro, 40 taona lasa izay. Nisy fotoana aho niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ary nampianatra tamin’ny sekoly maromaro. Namorona sampan-draharaha miandraikitra an’ireo sekoly ara-baiboly atao eto amin’ny Betelan’i Patterson ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 2007, ary izaho no mpiandraikitra azy io nandritra ny taona maro.

Nisy fanovana be dia be natao vao haingana tamin’ireo sekoly ara-baiboly. Tamin’ny 2008 no nanomboka nisy ny Sekolin’ny Anti-panahy. Anti-panahy 12 000 mahery no nanao an’io sekoly io teto Patterson sy tany Brooklyn, nandritra ny roa taona taorian’izay. Mbola atao any amin’ny toerana maro izy io, ary efa tena za-draharaha ny mpampianatra amin’izy io. Novana hoe Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tamin’ny 2010. Lasa nisy koa ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina.

Nakambana ireo sekoly roa ireo nanomboka tamin’ny 2015, ary nantsoina hoe Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Afaka manao azy io ny mpivady sy ny rahalahy na anabavy mpitovo. Faly be ny mpiara-manompo tany amin’ny tany maro rehefa nampandrenesina fa hisy an’io sekoly io any amin-dry zareo. Tena mahafinaritra fa mihabetsaka ny olona afaka manao an’ireny sekoly ireny. Tena faly koa aho nihaona tamin’ireo rahalahy sy anabavy maro nanolo-tena hiofana tamin’izy ireny.

Be dia be ny olona hendry nanampy an’ahy, talohan’ny nanaovana batisa an’ahy ka hatramin’izao. Tena misaotra an’i Jehovah aho rehefa mieritreritra an’izany. Zokiko ny sasany, dia ny sasany zandriko. Nisy koa tsy nitovy kolontsaina tamiko. Hitako tamin’ny zavatra nataony sy ny toe-tsainy anefa hoe tena tia an’i Jehovah ry zareo. Misy rahalahy sy anabavy hendry be dia be azontsika atao namana ao amin’ny fandaminana. Izany no nataoko dia tena nandray soa aho.

Mahafinaritra an’ahy ny miresadresaka amin’ireo mpianatra avy any amin’ny firenena samy hafa tonga manao sekoly