Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asa, Josafata, Hezekia, ary Josia

Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo

Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo

‘Jehovah ô! Mba tsarovy re ny nandehanako teo anatrehanao tamim-pahitsiana sy tamin’ny foko manontolo e!’—2 MPANJ. 20:3.

HIRA: 52, 65

1-3. Ahoana izany hoe manompo an’i Jehovah ‘amin’ny fo manontolo’? Manomeza ohatra.

TSY lavorary isika ka manao fahadisoana matetika. Soa ihany anefa fa tsy mamaly antsika “araka ny fahotantsika” i Jehovah. Nanome ny vidim-panavotana izy, ka vonona hamela antsika raha manetry tena isika ary mibebaka. (Sal. 103:10) Raha tiantsika heken’i Jehovah anefa ny fanompoantsika azy isan’andro, dia mila ‘manompo azy amin’ny fo manontolo’ isika. (1 Tan. 28:9) Ahoana no hahavitantsika an’izany nefa isika tsy lavorary?

2 Hanampy antsika ny fampitahana ny fiainan’i Asa Mpanjaka sy ny fiainan’i Amazia Mpanjaka. Samy nanao ny tsara ireo mpanjakan’i Joda ireo, fa i Asa nanao an’izany tamin’ny fony manontolo. (2 Tan. 15:16, 17; 25:1, 2; Ohab. 17:3) Samy tsy lavorary koa izy ireo ka nanao fahadisoana. I Asa anefa niezaka foana mba hampifaly an’i Jehovah, satria tia azy ‘tamin’ny fony manontolo.’ (1 Tan. 28:9) I Amazia kosa tsy mba hoatr’izany. Rehefa resiny ny fahavalon’Andriamanitra, dia nentiny nankany aminy ny sampin’izy ireo ary nivavahany.—2 Tan. 25:11-16.

3 Tena tia an’i Jehovah sy te hanompo azy mandrakizay ny olona manompo azy ‘amin’ny fo manontolo.’ Ny maha izy antsika matetika no tiana holazaina amin’ny hoe “fo” ao amin’ny Baiboly. Tafiditra amin’izany ny faniriantsika, ny toe-tsaintsika, ny eritreritsika, ny fahaizantsika, ny antony mahatonga antsika hanao zavatra, ary ny tanjontsika. Tsy mody manompo an’i Jehovah fotsiny ny olona manompo azy amin’ny fo manontolo. Tsy fahazarana fotsiny koa ny zavatra ataony amin’izany. Hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry isika raha tena tia azy, fa tsy hihatsaravelatsihy. Afaka ny hahavita an’izany isika na dia tsy lavorary aza.—2 Tan. 19:9.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Ho azontsika tsara kokoa ny atao hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, rehefa mandinika ny fiainan’i Asa, Josafata, Hezekia, ary Josia isika. Nanao fahotana daholo ireo mpanjakan’i Joda ireo, nefa mbola nankasitrahan’i Jehovah. Nahoana i Jehovah no nilaza hoe nanompo azy tamin’ny fo manontolo izy ireo? Ahoana no azontsika anahafana azy ireo?

“NIFIKITRA TANTERAKA TAMIN’I JEHOVAH NY FON’I ASA”

5. Inona no nataon’i Asa tamin’izy lasa mpanjaka?

5 I Asa no mpanjaka fahatelo tao Joda, rehefa nizara roa ny firenen’Israely ka lasa nisy ny fanjakan’ny Israely sy ny fanjakan’ny Joda. Nofoanany ny fanompoan-tsampy tao amin’ny fanjakany, ary noroahiny ireo mpivaro-tenan’ny tempoly. Na i Maka renibeny aza nesoriny “tsy ho andriambavy”, satria “nanao sampy mahatsiravina.” (1 Mpanj. 15:11-13) Nampirisika ny vahoakany i Asa mba “hitady an’i Jehovah ... sy hankatò ny lalàna sy ny didy.” Nanao izay rehetra azony natao izy mba hanampiana ny olona hanompo an’i Jehovah.—2 Tan. 14:4.

6. Inona no nataon’i Asa rehefa notafihin’ny Etiopianina ny mponina tao Joda?

6 Notahin’i Jehovah ny fitondran’i Asa, ka tsy nisy korontana tao Joda nandritra ny folo taona voalohany nanjakany. Tonga nanafika azy ireo anefa i Zera Etiopianina, tatỳ aoriana, ka nitondra miaramila 1 000 000 sy kalesy 300. (2 Tan. 14:1, 6, 9, 10) Ahoana no nataon’i Asa? Natoky tanteraka an’i Jehovah izy ka nangataka ny fanampiany. (Vakio ny 2 Tantara 14:11.) Namaly ny vavaka nataony i Jehovah dia nandresy izy. Nataon’i Jehovah tsy nisy niangana ny miaramila etiopianina. (2 Tan. 14:12, 13) Nataon’i Jehovah nandresy an’ireo fahavalony koa na ny mpanjaka sasany nivadika taminy aza, mba hampisehoana fa izy no tena Andriamanitra. (1 Mpanj. 20:13, 26-30) I Asa kosa nampiany satria natoky azy. Nanaonao foana anefa i Asa tatỳ aoriana. Niantehitra tamin’ny mpanjakan’i Syria izy, indray mandeha, fa tsy tamin’i Jehovah. (1 Mpanj. 15:16-22) Na izany aza, dia nilaza i Jehovah fa ‘nifikitra tanteraka taminy ny fon’i Asa, nandritra ny androm-piainany.’ Inona no azontsika ianarana avy amin’i Asa?—1 Mpanj. 15:14.

7, 8. Inona no tokony hataonao raha te hanahaka an’i Asa ianao?

7 Ahoana no ahalalana raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika na tsia? Eritrereto izao: ‘Hankatò an’i Jehovah foana ve aho na dia sarotra aza izany indraindray? Hanao izay azoko atao ve aho mba hiarovana ny fiangonana tsy ho voatarika hanao ratsy?’ Tena be herim-po i Asa ka nahavita nanala an’i Maka tsy ho “andriambavy.” Mila manahaka azy koa ianao. Ahoana, ohatra, raha misy havanao na namanao nanao fahotana lehibe nefa tsy nibebaka dia voaroaka? Tapa-kevitra ve ianao hoe tsy hifandray aminy intsony? Handrisika anao hanao inona ny fonao?

8 Afaka manahaka an’i Asa ianao rehefa misy manohitra. Mety hananihany anao ny any am-pianarana satria Vavolombelon’i Jehovah ianao. Na mety haneso anao ny mpiara-miasa aminao rehefa mangataka tsy hiasa ianao mba hanatrehana fivoriambe. Mety hiteny koa izy ireo hoe adala ianao satria tsy dia manao asa fanampiny mba hahazoana vola bebe kokoa. Rehefa mitranga izany, dia mivavaha amin’i Jehovah toy ny nataon’i Asa. Manàna herim-po ka ataovy foana izay fantatrao hoe tokony hatao. Tadidio fa nampahery sy nanampy an’i Asa i Jehovah, ary hampahery anao koa. Tia azy amin’ny fo manontolo ianao raha miantehitra aminy hoatr’izany.

9. Nahoana no mahafaly an’i Jehovah ny mahita antsika mitory?

9 Tsy tia tena i Asa fa nampirisika ny hafa “hitady an’i Jehovah” koa. Manahaka azy isika, ka manampy ny olona hanompo an’i Jehovah. Azo antoka fa faly i Jehovah rehefa mahita antsika miresaka momba azy. Fantany mantsy fa matoa isika manao an’izany, dia satria isika tena tia azy sady mitady izay hahasoa ny olona mandrakizay.

NITADY AN’I JEHOVAH I JOSAFATA

10, 11. Inona no azonao atao raha te hanahaka an’i Josafata ianao?

10 “Nanao hoatran’izay nataon’i Asa rainy foana” i Josafata. (2 Tan. 20:31, 32) Nampirisika ny olona hitady an’i Jehovah koa izy. Naniraka lehilahy maromaro izy mba hampianatra ny mponin’i Joda, ary “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah” no nampiasain’izy ireo. (2 Tan. 17:7-10) Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, tany amin’ny faritanin’ny foko folon’ny Israely, mihitsy aza izy, mba hanampy ny olona hiverina tamin’i Jehovah. (2 Tan. 19:4) “Nitady an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo” tokoa i Josafata Mpanjaka.—2 Tan. 22:9.

11 Tian’i Jehovah hampianarina momba azy koa ankehitriny ny olona eran-tany, ka afaka mandray anjara amin’izany isika rehetra. Miezaka ny handray anjara amin’io asa io àry ve ianao isam-bolana? Te hanana mpianatra Baiboly ve ianao, dia hanampy azy ho lasa mpanompon’i Jehovah? Mivavaka momba an’izany ve ianao? Raha miezaka ianao, dia hanampy anao hanomboka fampianarana Baiboly i Jehovah. Vonona hampianatra ve ianao, na dia amin’ny fotoana sasany fakanao aina aza? Hitantsika teo koa fa nanampy an’ireo Israelita tsy nanompo an’i Jehovah intsony i Josafata. Azontsika atao koa àry ny manampy ny olona tsy mitory intsony. Tokony hitsidika an’ireo voaroaka ao amin’ny faritanin’ny fiangonana koa ny anti-panahy, ary hiezaka hanampy azy ireo. Mety ho efa niala tamin’ny ratsy nataony mantsy ireny olona ireny.

12, 13. a) Inona no nataon’i Josafata rehefa natahotra izy? b) Nahoana isika no tokony hanao toa an’i Josafata, ka hiaiky hoe tsy manan-kery?

12 Niantehitra tamin’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Asa koa i Josafata, rehefa nisy miaramila be dia be nitady hanafika ny mponina tao Joda. (Vakio ny 2 Tantara 20:2-4.) Natahotra be i Josafata, ka “tapa-kevitra ny hitady an’i Jehovah.” Nivavaka izy ary niaiky hoe: ‘Tsy manan-kery izahay eo anatrehan’io vahoaka be io, ary tsy fantatray izay tokony hatao.’ Tena niantehitra tamin’i Jehovah izy ka nilaza hoe: “Ianao no andrandrainay.”—2 Tan. 20:12.

13 Tsy fantatsika koa indraindray izay tokony hatao ary matahotra mihitsy aza isika, hoatran’i Josafata. (2 Kor. 4:8, 9) Tadidio anefa ny nataony. Nivavaka teo anatrehan’ny vahoaka izy, ary niaiky hoe tsy manan-kery izy ireo. (2 Tan. 20:5) Afaka manahaka azy ny raim-pianakaviana, na izay manao ny andraikitry ny loham-pianakaviana. Mila mangataka amin’i Jehovah izy mba hanome azy tari-dalana sy hery hiatrehana olana. Aza menatra hoe maheno anao mivavaka hoatr’izany ny mpianakavinao. Ho tsapany mantsy amin’izay hoe matoky an’i Jehovah ianao. Hanampy anao i Jehovah, toy ny efa nanampiany an’i Josafata.

NANAO NY TSARA FOANA I HEZEKIA

14, 15. Inona no mampiseho fa tena niantehitra tamin’i Jehovah i Hezekia?

14 “Nifikitra tamin’i Jehovah foana” i Hezekia, na dia mpanompo sampy aza ny rainy fa tsy hoatran’ny rain’i Josafata. “Izy no nanala ny toerana avo sy namotipotika ny tsangambato masina sy nikapa ny tsato-kazo masina ary nanorotoro an’ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy.” Nivavahan’ny Israelita mantsy io bibilava io. Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo i Hezekia. “Notandremany foana ireo didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.”—2 Mpanj. 18:1-6.

15 Niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo koa i Hezekia, rehefa nitady hanafika an’i Joda sy Jerosalema i Asyria. Nanesoeso an’i Jehovah i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. Nampitahotra an’i Hezekia koa izy, amin’izay izy mitolo-batana. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa i Hezekia sady tena natoky fa mahavita mamonjy azy izy. (Vakio ny Isaia 37:15-20.) Namaly ny vavaka nataony i Jehovah, ka naniraka anjely iray mba hamono miaramila asyrianina 185 000.—Isaia 37:36, 37.

16, 17. Inona no azonao atao raha te hanahaka an’i Hezekia ianao?

16 Narary saika maty i Hezekia tatỳ aoriana. Niangavy an’i Jehovah izy mba hanampy azy sy hahatsiaro hoe tsy nivadika taminy mihitsy izy. (Vakio ny 2 Mpanjaka 20:1-3.) Nanasitrana azy àry i Jehovah. Tsy afaka manantena isika amin’izao hoe hanao fahagagana i Jehovah ka hanasitrana antsika na hahatonga antsika ho ela velona kokoa. Afaka manao hoatran’i Hezekia anefa isika, ka mivavaka amin’i Jehovah hoe: ‘Mba tsarovy re ny nandehanako teo anatrehanao tamim-pahitsiana sy tamin’ny foko manontolo e!’ Mino ve ianao fa hikarakara anao foana i Jehovah, na dia rehefa marary aza ianao?—Sal. 41:3.

17 Inona koa no azonao atao raha te hanahaka an’i Hezekia ianao? Misy zavatra tokony hialanao ve satria mahatonga anao tsy hifandray tsara amin’i Jehovah, na mandany ny fotoana tokony hanompoanao azy? Maro amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity no manindrahindra olona ao amin’ny tranonkala fifaneraserana ao amin’ny Internet. Ataony hoatran’ny andriamanitra kely mihitsy ilay olona. Marina fa tian’ny sasany amintsika ny mifandray amin’ny havana na ny namana amin’ny alalan’ny tranonkala fifaneraserana. Tsy tokony hanahaka ny ataon’ny olona maro eto amin’ity tontolo ity anefa isika. Mandany fotoana be loatra ao amin’ny tranonkala fifaneraserana izy ireny, ary mifandray amin’ny lehilahy na vehivavy tsy fantany akory. Lany fotoana be koa izy ireo mijery ny sarin’ilay olona na mamaky ny mombamomba azy. Mety ho variana amin’ny zavatra tsy misy dikany isika, raha manao an’izany. Mety hirehareha be koa ny Kristianina iray, rehefa be dia be ny olona tia ny sary na soratra apetrany ao. Mety ho tezitra koa izy raha tsy mijery an’izay ataony ao intsony ny olona sasany. Eritrereto anefa izao: Ny apostoly Paoly na i Akoila sy Prisila ve dia ho nametraka sary tao amin’ny tranonkala fifaneraserana isan’andro? Ry zareo ve dia hijerijery an’izay ataon’ny olona tsy kristianina ao? Milaza ny Baiboly fa “nifantoka tanteraka tamin’ny tenin’Andriamanitra” i Paoly. I Prisila sy Akoila indray nampiasa ny fotoanany mba hanampiana ny hafa hahalala bebe kokoa ny fampianarana kristianina. (Asa. 18:4, 5, 26) Eritrereto àry izao: ‘Miezaka mafy ve aho mba tsy hanindrahindra olona sy tsy handanilany ny fotoanako amin’ny zavatra tsy misy dikany?’—Vakio ny Efesianina 5:15, 16.

NITANDRINA NY DIDIN’I JEHOVAH FOANA I JOSIA

18, 19. Inona no azonao atao raha te hanahaka an’i Josia ianao?

18 Nitandrina ny didin’i Jehovah ‘tamin’ny fony manontolo’ koa i Josia Mpanjaka, zafiafin’i Hezekia. (2 Tan. 34:31) “Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida” izy, tamin’izy 15 taona teo ho eo. Nanomboka nanala ny fanompoan-tsampy tao Joda koa izy, tamin’izy 20 taona. (Vakio ny 2 Tantara 34:1-3.) Tena nazoto nanao izay tian’i Jehovah i Josia, ary betsaka ny ezaka nataony raha oharina amin’ny nataon’ny mpanjaka maro hafa tao Joda. Rehefa hita tao amin’ny tempoly anefa ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy ary novakina taminy, dia mbola te hiezaka bebe kokoa izy mba hanao ny sitrapon’i Jehovah. Toa ilay boky nosoratan’i Mosesy mihitsy izy io. Nampirisika ny olona hanompo an’i Jehovah i Josia, ka “nanaraka an’i Jehovah” foana izy ireo nandritra ny androm-piainan’i Josia.—2 Tan. 34:27, 33.

19 Ry tanora, araho izay nataon’i Josia ka miezaha hahafantatra tsara an’i Jehovah. Ahoana no anaovanareo an’izany? Miezaha hinamana amin’ireo mpanompon’i Jehovah efa lehibe sady tsy mivadika, ao amin’ny fianakavianareo na ao amin’ny fiangonana. Azon’izy ireny resahina aminareo amin’izay ny fomba nanampian’i Jehovah azy. Hoatr’izany mantsy no nataon’i Josia. I Manase Mpanjaka no dadabeny, ary azo inoana fa nifandray tsara taminy izy. Mety ho noresahin’i Manase taminy hoe mamindra fo i Jehovah. Tadidio koa fa rehefa novakina tamin’i Josia ny Soratra Masina, dia nanohina ny fony ka nankatò an’izay voasoratra tao izy. Hankatò an’i Jehovah koa ianao raha mamaky ny Teniny, ka vao mainka hifandray tsara aminy sy ho sambatra. Hazoto hanampy ny hafa hanompo an’i Jehovah koa ianao amin’izay. (Vakio ny 2 Tantara 34:18, 19.) Ho hitanao hoe inona no azonao hatsaraina eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah raha mianatra ny Teniny ianao. Rehefa hitanao izay tokony hatsaraina, dia miezaha mafy hoatran’ny nataon’i Josia.

MANOMPOA AN’I JEHOVAH AMIN’NY FO MANONTOLO

20, 21. a) Inona no nitovizan’ireo mpanjaka efatra noresahintsika tato? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Niresaka mpanjaka efatra nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo isika tato. Inona no ianarantsika avy amin’izy ireo? Nafana fo izy ireo nanao ny sitrapon’i Jehovah, ary nanao an’izany foana tamin’ny fony manontolo. Niantehitra taminy koa izy ireo rehefa nisy fahavalo nampahatahotra nanafika azy ireo. Fitiavana no antony nanompoan’izy ireo an’i Jehovah, ary izany no zava-dehibe indrindra.

21 Tsy lavorary ireo mpanjaka efatra ireo ka nanao fahadisoana. Rehefa nandinika azy ireo anefa ilay Mpandinika ny fo, dia hitany hoe tena tia azy tamin’ny fony manontolo izy ireo. Tsy lavorary koa isika ka manao fahadisoana. Ho faly anefa i Jehovah raha mahita hoe manompo azy amin’ny fo manontolo isika. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no ianarantsika avy amin’ny fahadisoana nataon’ireo mpanjaka efatra ireo.