Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Handray Lesona avy Amin’izay Nitranga Fahiny ve Ianao?

Handray Lesona avy Amin’izay Nitranga Fahiny ve Ianao?

‘Nosoratana izany mba ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.’—1 KOR. 10:11.

HIRA: 11, 61

1, 2. Nahoana isika no handinika ny zavatra nataon’ireo mpanjaka efatra tao Joda?

RAHA nahita olona nibolisatra dia nianjera teo amin’ny lalana iray ianao, tsy hitandrina ve ianao rehefa mandeha eo? Raha mieritreritra ny fahadisoana nataon’ny olona koa isika, dia mety tsy hanao hoatr’azy. Azontsika atao, ohatra, ny mandray lesona avy amin’ny fahadisoana nataon’ireo olona resahin’ny Baiboly.

2 Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo ireo mpanjaka efatra noresahintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nanao fahadisoana lehibe koa anefa izy ireo. Nosoratana ao amin’ny Baiboly izany, mba hosaintsainintsika sy handraisantsika lesona. Inona àry no azontsika ianarana avy amin’izy ireo, ary inona no hanampy antsika tsy hanao ny fahadisoana nataony?—Vakio ny Romanina 15:4.

MAMPIDI-DOZA NY MIANTEHITRA AMIN’NY FAHAIZAN’NY OLOMBELONA

3-5. a) Inona no fahadisoana nataon’i Asa, na dia nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah aza ny fony? b) Inona no mety ho nahatonga an’i Asa hiantehitra tamin’ny olombelona rehefa niady tamin’i Basa?

3 Handinika ny tantaran’i Asa aloha isika, ary handray lesona avy amin’izany. Niantehitra tamin’i Jehovah izy rehefa nisy Etiopianina iray tapitrisa nitady hanafika tao Joda. Tsy nanao an’izany kosa izy rehefa niady taminy i Basa mpanjakan’ny Israely. Nohamafisin’i Basa ny manda tao Rama, tany akaikin’ny sisin’ny faritra nanjakan’i Asa. (2 Tan. 16:1-3) Natoky ny fahaizany i Asa tamin’izay, ary nanome tsolotra an’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria mba hanambatambazana azy hiady tamin’i Basa. “Raha vao ren’i Basa izany, dia tsy nanorina ny tanànan’i Rama intsony izy, ary najanony ny asa nataony.” (2 Tan. 16:5) Hoatran’ny hoe nahomby àry ilay tetik’i Asa.

4 Ahoana anefa no fiheveran’i Jehovah ny zavatra nataony? Tezitra i Jehovah satria tsy niantehitra taminy izy. Naniraka an’i Hanany àry i Jehovah mba hananatra azy. (Vakio ny 2 Tantara 16:7-9.) Marina fa nandresy an’i Basa i Asa. Hoy anefa i Hanany: “Hisy hiady aminao foana manomboka izao.” Nisy firenena hafa niady tamin’i Asa sy ny vahoakany foana àry mandra-pahafatiny.

5 Hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha fa nampifaly an’i Jehovah i Asa. Hitan’i Jehovah hoe nifikitra tanteraka taminy ny fony na dia tsy lavorary aza izy. (1 Mpanj. 15:14) Na izany aza, dia tsy maintsy nizaka ny vokatry ny nataony izy. Nahoana anefa i Asa no tsy niantehitra tamin’i Jehovah fa natoky tena sy niantehitra tamin’i Beni-hadada? Nieritreritra angamba izy hoe handresy raha mahita fomba fiady tena tsara. Na koa mety ho nanaraka ny torohevitra nomen’olona azy izy.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Asa? Manomeza ohatra.

6 Inona no ianarantsika avy amin’i Asa? Tokony hiantehitra amin’i Jehovah foana isika, na inona na inona olana atrehintsika. Eritrereto àry izao: Matoky tena ve ianao indraindray ka miezaka mandamina an’ilay olana araka izay hitanao fa mety fotsiny? Sa ianao mandinika ny toro lalan’ny Baiboly foana aloha, dia miezaka mampihatra azy ireny? Eritrereto, ohatra, hoe manohitra ny fianakavianao, dia tsy avelany mivory na mamonjy fivoriambe ianao. Hivavaka amin’i Jehovah ve ianao mba hanoroany anao izay tokony hataonao? Eritrereto indray hoe tsy an’asa ianao. Efa nitady asa efa ela ianao, dia nahita mpampiasa mety handray anao amin’izay. Ho sahinao ve ny hilaza aminy hoe tsy maintsy mivory ianao isan-kerinandro? Tadidio ireto tenin’ny mpanao salamo ireto, na inona na inona olana atrehinao: “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary miantehera aminy, dia hanao zavatra izy.”—Sal. 37:5.

INONA NO METY HITRANGA RAHA TSY MAHAY MIFIDY NAMANA ISIKA?

7, 8. Inona no fahadisoana nataon’i Josafata, ary inona no vokany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Miana-javatra koa isika rehefa mandinika ny ohatr’i Josafata, zanak’i Asa. Nanana toetra tsara be dia be izy. Nahavita zavatra tsara betsaka izy, tamin’izy niantehitra tamin’i Jehovah. Nanao safidy ratsy koa anefa izy. Nataony, ohatra, izay hahatonga ny zanany lahy hanambady ny zanak’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy. Nanampy an’i Ahaba hiady tamin’ny Syrianina koa izy, na dia efa nosakanan’i Mikaia mpaminany aza. Saika maty i Josafata tamin’izay. (2 Tan. 18:1-32) Rehefa niverina tany Jerosalema izy, dia niteny taminy i Jeho mpaminany hoe: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampiana, ary izay mankahala an’i Jehovah ve no tokony ho tianao?”—Vakio ny 2 Tantara 19:1-3.

8 Tsy niraharaha an’izany tenin’i Jeho izany anefa i Josafata. Tsy fay koa izy na dia efa saika maty aza rehefa niaraka tamin’i Ahaba. Marina fa mbola nazoto nanao ny sitrapon’i Jehovah izy. Tsy nahay nifidy namana indray anefa izy. Nanao fifanekena tamin’i Ahazia zanak’i Ahaba izy, nefa fahavalon’Andriamanitra io mpanjaka ratsy fanahy io. Niara-nanamboatra sambo maromaro i Josafata sy Ahazia. Rendrika anefa ireo sambo, ka tsy afaka nankany amin’ny toerana saika nitondran’izy ireo azy.—2 Tan. 20:35-37.

9. Inona no ho vokany raha tsy mahay mifidy namana isika?

9 Inona no ianarantsika avy amin’i Josafata Mpanjaka? Nanao ny tsara izy, ary “nitady an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo.” (2 Tan. 22:9) Nahita olana anefa izy satria tsy nahay nifidy namana. Tadidio àry ny voalazan’ny Ohabolana 13:20 hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Mety ho te hanampy ny olona liana mba hanaiky ny fahamarinana isika. Mety hahita loza hoatran’i Josafata anefa isika raha mifandray be loatra amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah.

10. a) Inona no azon’ny olona te hanambady ianarana avy amin’i Josafata? b) Inona no tokony hotadidintsika?

10 Inona koa no ianarantsika avy amin’i Josafata? Ahoana, ohatra, raha lasa tia olona tsy manompo an’i Jehovah ny Kristianina iray? Mieritreritra angamba izy hoe tsy misy vady mety aminy eo anivon’ny fiangonana. Na angamba miteniteny azy foana ny havany tsy Vavolombelona hoe: ‘Manambadia amin’izay fa sao dia taraiky eo!’ Na izy mety hieritreritra hoatran’ny anabavy iray niteny hoe: “Tiantsika raha mba misy mpitia isika sady mba mana-namana. Efa izany mihitsy ange no nanaovana antsika e!” Inona anefa no tokony hataon’ny Kristianina iray raha tsy mahita vady mety aminy izy? Ilaina ny misaintsaina an’izay nanjo an’i Josafata. Nangataka ny tari-dalan’i Jehovah izy matetika. (2 Tan. 18:4-6) Tsy niraharaha ny toroheviny intsony anefa izy, rehefa nifandray tamin’i Ahaba. Tsy tia an’i Jehovah mantsy i Ahaba. Tokony ho notadidin’i Josafata fa mitady an’izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo i Jehovah. Mila mitadidy koa isika hoe “ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany”, ary vonona hampiasa ny heriny izy mba hanampiana antsika. (2 Tan. 16:9) Azony tsara ny manjo antsika, ary tia antsika izy. Matoky àry ve ianao fa fantatr’i Jehovah hoe mila fitiavana sy namana ianao, ka hanampy anao izy? Azo antoka fa hanao an’izany izy.

Tandremo fa mampidi-doza ny mifandray be amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah (Fehintsoratra 10)

AZA AVELA HIREHAREHA NY FONAO

11, 12. a) Inona no nataon’i Hezekia ka nahitana izay tena tao am-pony? b) Nahoana i Jehovah no namindra fo tamin’i Hezekia?

11 Ary inona kosa no ianarantsika avy amin’i Hezekia? Nampiharihary an’izay tena tao am-pony i Jehovah, ilay Mpandinika ny fo. (Vakio ny 2 Tantara 32:31.) Narary mafy izy indray mandeha, ka nanao famantarana i Jehovah mba hanomezana toky azy fa ho sitrana izy. Nataon’i Jehovah nihemotra zanatohatra folo ny aloka tamin’izay. Te hahafantatra momba an’izany famantarana izany ny andrianan’i Babylona, ka naniraka olona ho any amin’i Hezekia. (2 Mpanj. 20:8-13; 2 Tan. 32:24) “Niala taminy” anefa i Jehovah tamin’izay fa tsy nilaza an’izay tokony hataony. Niharihary àry izay tena tao am-pon’i Hezekia. Nasehony an’ireo iraka avy tany Babylona “ny zava-drehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany.”

12 Lasa nirehareha i Hezekia. Nahoana? Mety ho noho izy naharesy an’ireo Asyrianina ve, sa noho izy nositranin’i Jehovah? Sa noho izy “nanan-karem-be sy nahazo voninahitra be”? Tsy lazain’ny Baiboly ny antony. “Tsy mba namaly ny soa natao taminy” i Hezekia satria lasa nirehareha. Tsy faly taminy àry i Jehovah, na dia nanompo azy tamin’ny fony manontolo aza izy. “Nanetry tena anefa i Hezekia” tatỳ aoriana, ka tsy tezitra taminy sy ny vahoakany intsony i Jehovah.—2 Tan. 32:25-27; Sal. 138:6.

13, 14. a) Rahoviana no mety ‘hiala amintsika Andriamanitra mba hizahan-toetra antsika’? b) Inona no azontsika atao rehefa misy midera antsika?

13 Inona no ianarantsika avy amin’ny fahadisoana nataon’i Hezekia? Tadidio fa lasa nanambony tena izy, taorian’ny nanampian’i Jehovah azy handresy an’i Sankeriba sy ny nanasitranany azy. Mety hahavita zavatra tsara koa isika indraindray. Mety ‘hiala amintsika Andriamanitra’ amin’izay, ‘mba hizahan-toetra antsika’ ka hahitana an’izay tena ao am-pontsika. Eritrereto, ohatra, hoe niezaka mafy ny rahalahy iray nanomana sy nanao ny lahateniny, dia be dia be avy eo ny olona midera azy. Ahoana no hataony?

14 Mila manaraka ny tenin’i Jesosy isika rehefa misy midera antsika. Hoy izy: “Rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’” (Lioka 17:10) Tadidio fa lasa tsy nankasitraka ny soa nataon’i Jehovah taminy i Hezekia, rehefa nirehareha. Rehefa misy midera anao àry, dia saintsaino ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ho anao. Hanampy anao tsy hanambony tena izany. Halan’i Jehovah mantsy io toetra io. Azonao atao koa ny miresaka momba an’i Jehovah sy ny nanampiany anao. Izy mantsy no nanome ny Baiboly sy ny fanahy masina mba hanampiana ny mpanompony.

MITANDREMA REHEFA MANAPA-KEVITRA

15, 16. Nahoana i Josia no tsy narovan’i Jehovah ka maty?

15 Ary inona no ianarantsika avy amin’i Josia? Mpanjaka tsara izy fa nanao fahadisoana dia maty vokatr’izany. (Vakio ny 2 Tantara 35:20-22.) “Nivoaka hifanandrina” tamin’i Neko mpanjakan’i Ejipta izy, nefa efa nilaza io mpanjaka io fa tsy hiady aminy. Milaza ny Baiboly fa “teny nampilazain’Andriamanitra” an’i Neko izany. Nahoana anefa i Josia no mbola nisisika niady ihany? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly.

16 Ahoana anefa moa no hahafantaran’i Josia hoe avy amin’i Jehovah ny zavatra nolazain’i Neko? Tokony ho nanontany an’i Jeremia mpaminany, ohatra, izy. (2 Tan. 35:23, 25) Tokony ho nandinika tsara koa aloha izy. Ho any Karkemisy mantsy i Neko, mba hiady amin’ny “fahavalo hafa” fa tsy amin’i Jerosalema. Tsy nieritreritra ny hanala baraka an’i Jehovah sy ny vahoakany mihitsy i Neko. Nanaonao foana àry i Josia niady taminy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa misy olana, dia mila mandinika tsara aloha isika hoe inona no tian’i Jehovah hataontsika.

17. Inona no tokony hataontsika raha tsy te hanao fahadisoana hoatran’i Josia isika?

17 Rehefa manana olana isika, dia mila mandinika aloha hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly mety hanampy antsika. Mila mampihatra an’ilay izy isika avy eo, ary miezaka hahay handanjalanja. Mety hanao fikarohana ao amin’ny bokintsika isika mba hahalalana bebe kokoa an’izay tokony hatao. Azontsika atao koa indraindray ny miresaka amin’ny anti-panahy. Mety hahita toro lalana hafa mila saintsainintsika mantsy izy. Eritrereto ny anabavy iray manam-bady tsy Vavolombelona. Fantany hoe mila mitory ny vaovao tsara izy. (Asa. 4:20) Niomana hanompo izy indray andro, nefa niteny taminy ny vadiny hoe tsy tiany handeha izy. Efa elaela mantsy, hono, izy roa no tsy mba niaraka, ka te hitsangantsangana hiaraka aminy izy. Inona no hataon’ilay anabavy? Hitady andinin-teny afaka manampy azy hanapa-kevitra tsara izy. Fantany, ohatra, hoe tokony hankatò an’Andriamanitra isika ary mila mitory. (Mat. 28:19, 20; Asa. 5:29) Mila mitadidy koa anefa izy hoe tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, ary ilaina ny mandanjalanja. (Efes. 5:22-24; Fil. 4:5) Tena tsy avelan’ny vadiny hanompo mihitsy ve izy? Sa ilay vadiny mba te hiaraka aminy fotsiny amin’io indray mandeha io? Marina fa miezaka manao ny sitrapon’i Jehovah isika. Mila mahay mandanjalanja koa anefa isika sady tsy tokony hanao zavatra hahatonga antsika henjehin’ny eritreritsika.

MANOMPOA FOANA AN’I JEHOVAH AMIN’NY FO MANONTOLO

18. Inona no soa noraisinao rehefa avy nandinika ny tantaran’ireo mpanjaka efatra tao Joda ianao?

18 Tsy lavorary isika ka mety hanao hoatran’ireo mpanjaka efatra noresahina tato. 1) Mety hiantehitra amin’ny fahaizantsika isika, 2) mety tsy hahay hifidy namana, 3) mety hirehareha, ary 4) mety ho tonga dia hanapa-kevitra fa tsy hisaintsaina hoe inona no tian’i Jehovah hataontsika. Soa ihany fa tsara fanahy i Jehovah dia ny zavatra tsara ataontsika no jereny, toy ny nataony tamin’ireo mpanjaka efatra tao Joda. Hitany koa hoe tena tia azy isika ary te hanompo azy amin’ny fo manontolo. Nampahafantariny antsika ny nanjo an’ireny olona taloha ireny, amin’izay isika tsy manao fahadisoana lehibe. Saintsaino àry ireny tantara ao amin’ny Baiboly ireny, ary misaora an’i Jehovah nampanoratra azy ireny tao.