Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao ny Rariny Foana Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”

Manao ny Rariny Foana Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”

“Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy, fa ara-drariny daholo ny lalany.”—DEOT. 32:4.

HIRA: 112, 89

1. Inona no mampiseho fa natoky i Abrahama hoe manao ny rariny foana i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

HOY i Abrahama: ‘Tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?’ (Gen. 18:25) Tsy hoe nisalasala akory izy matoa nanontany an’izany. Nasehony kosa hoe natoky izy fa tena hanao ny rariny i Jehovah rehefa hitsara an’i Sodoma sy Gomora. Resy lahatra izy hoe tsy i Jehovah mihitsy no “hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy.” “Sanatria” aminy ny hanao an’izany. Nasain’i Jehovah nilaza toy izao momba azy i Mosesy, 400 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy, fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.”—Deot. 31:19; 32:4.

2. Nahoana isika no matoky fa tsy i Jehovah mihitsy no hanao ny tsy rariny?

2 Nahoana i Abrahama no natoky fa ho ara-drariny foana ny didim-pitsaran’i Jehovah? Satria i Jehovah no manao ny rariny sy ny hitsiny indrindra. Miaraka resahina matetika ny hoe “marina” sy ny hoe “rariny”, ao amin’ny Soratra Hebreo. Mitovitovy ihany ny dikan’izy ireo. Ara-drariny foana àry ny fitsaran’i Jehovah, satria izy no ohatra tsara indrindra amin’ny hoe manao ny rariny. Milaza koa ny Teniny hoe: “Tia ny rariny sy ny hitsiny izy.”—Sal. 33:5.

3. Milazà tsy rariny mitranga amin’izao androntsika izao.

3 Mampahery ny mahalala fa manao ny rariny foana i Jehovah. Manjaka mantsy izao ny tsy rariny, ka olona maro no mijaly be. Misy, ohatra, nogadraina noho ny heloka tsy nataony akory. Rehefa nandroso ny teknolojia vao afaka nanaporofo ny sasany tamin’izy ireny hoe tsy meloka. Efa avy nigadra am-polony taona anefa izy ireo. Mahakivy izany sady tena mampahatezitra. Misy tsy rariny mety ho mafy noho izany anefa.

EO ANIVON’NY FIANGONANA

4. Inona no mety hisedra ny finoantsika?

4 Efa ampoizintsika hoe mety hiharan’ny tsy rariny isika eto amin’ity tontolo ity. Mety hisedra ny finoantsika anefa raha ao amin’ny fiangonana no misy an’izany. Ahoana, ohatra, raha misy tsy rariny hitanao eo anivon’ny fiangonana? Na hoatran’ny hoe tsy rariny ny ataon’ny mpiara-manompo sasany aminao? Havelanao hanafintohina anao ve izany?

5. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga raha misy tsy rariny eo anivon’ny fiangonana?

5 Tsy lavorary isika rehetra ka mora manao fahadisoana. Mety hisy mpiara-manompo hanao ny tsy rariny amintsika àry, na isika no hanao ny tsy rariny aminy. (1 Jaona 1:8) Marina fa indraindray ihany izany vao mitranga. Tsy gaga na tafintohina anefa isika rehefa mitranga izany. Manome torohevitra antsika i Jehovah ao amin’ny Teniny mba hanampiana antsika tsy hivadika, na dia misy mpiara-manompo manao ny tsy rariny amintsika aza.—Sal. 55:12-14.

6, 7. Inona no tsy rariny nihatra tamin’ny rahalahy iray, ary inona no toetra nanampy azy hiatrika an’ilay izy?

6 Eritrereto izay nanjo an’i Willi Diehl. Niasa tao amin’ny Betelan’i Berne, any Soisa, izy nanomboka tamin’ny 1931. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy fahavalo tany New York, any Etazonia, izy tamin’ny 1946. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany tany Soisa izy, taorian’ny fizarana diplaoma. Izao no notantarainy: “Niteny tany amin’ny foibe tany Berne aho tamin’ny Mey 1949 hoe hanambady.” Namaly ireo rahalahy tompon’andraikitra tany hoe: “Esorina aminao daholo izany ny tombontsoam-panompoanao. Fa mbola afaka manao mpisava lalana maharitra ianao.” Hoy ny Rahalahy Diehl: “Tsy nahazo nanao lahateny intsony aho. ... Be dia be ny mpiara-manompo tsy niarahaba anay mivady intsony, fa nataon-dry zareo hoatran’ireny voaroaka ireny izahay.”

7 Inona no nataon’ny Rahalahy Diehl? Hoy izy: “Fantatray fa tsy raran’ny Soratra Masina ny manambady. Dia nivavaka foana izahay mba tsy ho kivy, sady natoky an’i Jehovah.” Nisy rahalahy tsy nahazo tsara ny fampianaran’i Jehovah momba ny fanambadiana, ka izany no nahatonga azy mivady niharan’ny tsy rariny. Nahitsy anefa izany tatỳ aoriana, dia naverina tamin’ny Rahalahy Diehl ny tombontsoam-panompoany. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy ka nahazo valisoa. * Eritrereto àry hoe: ‘Hanam-paharetana ve aho raha iharan’ny tsy rariny hoatr’izany, dia hiandry an’i Jehovah handamina an’ilay izy? Sa izaho hatoky tena dia hiezaka handamina an’ilay izy samirery?’—Ohab. 11:2; vakio ny Mika 7:7.

8. Inona no mety hahatonga anao ho diso hevitra?

8 Mety ho ianao fotsiny anefa no mieritreritra hoe nisy tsy rariny natao taminao na natao tamin’ny mpiara-manompo. Tsy lavorary mantsy isika, dia mety ho diso ny fiheverantsika ny zava-mitranga sasany. Isika koa tsy mahalala ny zava-drehetra. Na diso hevitra anefa isika na tsia, dia mila miantehitra amin’i Jehovah sy mivavaka aminy ary tsy mivadika. Tsy ho ‘tezitra amin’i Jehovah’ isika amin’izay.—Vakio ny Ohabolana 19:3.

9. Inona no hodinihintsika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

9 Andeha isika handinika zavatra tsy rariny nitranga teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah fahiny. Horesahintsika ato ny tantaran’i Josefa, zafiafin’i Abrahama, sy izay nataon’ny rahalahiny taminy. Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay nataon’i Jehovah tamin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely sy izay nataon’ny apostoly Petera tamin’izy tany Antiokia any Syria. Jereo hoe inona no hanampy anao hatoky an’i Jehovah sy hifandray tsara aminy foana, indrindra raha mieritreritra ianao hoe niharan’ny tsy rariny.

NIHARAN’NY TSY RARINY I JOSEFA

10, 11. a) Inona no tsy rariny nanjo an’i Josefa? b) Afaka nanararaotra nanao inona i Josefa tany am-ponja?

10 Mpanompon’i Jehovah i Josefa, ary tsy nivadika mihitsy. Nisy olona tsy fantany nanao ny tsy rariny taminy. Ny rahalahiny mihitsy koa anefa no nanisy ratsy azy, ka izay no tena mafy taminy. Nosamborin’izy ireo izy tamin’izy 17 taona, ary namidiny ho andevo, dia nentina tany Ejipta. (Gen. 37:23-28; 42:21) Nendrikendrehina ho nitady hanolana vadin’olona izy tany, dia nigadra nefa tsy notsaraina akory. (Gen. 39:17-20) Naharitra 13 taona teo ho eo, raha atambatra, ny fotoana naha andevo azy sy nigadrany. Inona no ianarantsika avy amin’izany, raha misy mpiara-manompo manao ny tsy rariny amintsika?

11 Lasa nigadra niaraka tamin’i Josefa ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Nanonofy io lehilahy io, indray mandeha. Nampahafantarin’i Jehovah an’i Josefa ny dikan’ny nofiny, dia nohazavain’i Josefa taminy hoe hafahana izy ary hiverina amin’ny asany taloha. Nanararaotra nitantara ny antony nahatonga azy nigadra àry i Josefa. Mandray lesona isika rehefa mandinika an’izay notantarainy sy izay tsy notantarainy.—Gen. 40:5-13.

12, 13. a) Inona no porofo fa tsy nanaiky befahatany an’izay natao taminy i Josefa? b) Inona no tsy noresahin’i Josefa tamin’ilay mpandroso zava-pisotro?

12 Vakio ny Genesisy 40:14, 15. Mariho fa nilaza i Josefa hoe “nalaina an-keriny” izy. Midika izany fa tena niharan’ny tsy rariny izy. Nilaza koa izy fa tsy nanao an’ilay zavatra nanagadrana an’azy izy. Niangavy an’ilay mpandroso zava-pisotro àry izy mba hiresaka momba azy any amin’i Farao. Nahoana? Satria te ho afaka tao amin’ilay toerana nigadrany izy.

13 Tsy nanao na inona na inona ve i Josefa fa nanaiky befahatany an’izay natao taminy? Tsia. Fantany tsara fa betsaka ny tsy rariny nanjo azy. Izany no nahatonga azy hitantara an’ilay izy tamin’ilay mpandroso zava-pisotro, satria mety ho afaka hanampy azy izy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe noresahin’i Josefa tamin’ny olona hoe ny rahalahiny no naka azy an-keriny. Na i Farao aza tsy noresahiny an’izany. Nandray tsara ny rahalahin’i Josefa mihitsy aza i Farao, rehefa tonga tany izy ireo ka nihavana tamin’i Josefa indray. Nanasa azy ireo hipetraka tany Ejipta sy hankafy “ny zava-tsoa” tao amin’ilay tany i Farao.—Gen. 45:16-20.

Mety hitatra ny olana raha resadresahina amin’ny olona (Fehintsoratra 14)

14. Raha iharan’ny tsy rariny isika eo anivon’ny fiangonana, dia inona no hanampy antsika tsy hiresadresaka an’ilay izy?

14 Raha mieritreritra isika hoe nisy mpiara-manompo nanao ny tsy rariny tamintsika, dia mila mitandrina mba tsy hiresadresaka an’ilay izy. Marina fa tena mila miresaka amin’ny anti-panahy isika rehefa misy mpiara-manompo nanao fahotana lehibe. (Lev. 5:1) Tsy fahotana lehibe anefa matetika no ataon’ny mpiara-manompo amintsika. Mety ho azo atao àry ny handamina an’ilay olana nefa tsy hiresaka an’izany amin’ny olon-kafa, na dia amin’ny anti-panahy aza. (Vakio ny Matio 5:23, 24; 18:15) Enga anie isika tsy hivadika mihitsy fa hankatò ny toro lalan’ny Baiboly rehefa misy olana. Mety ho tsapantsika koa indraindray hoe hay tsy nisy tsy rariny natao tamintsika akory. Ho faly isika amin’izay hoe tsy nanaratsy an’iza na iza, satria raha nanao an’izany isika dia vao mainka nitatra ilay olana. Tadidio koa fa na manana ny rariny isika na tsia, dia tsy ny firesahana an’ilay olana etsy sy eroa akory no hampilamina an’ilay izy. Tsy hanao an’izany isika, raha tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo amintsika. Nilaza ny mpanao salamo fa “tsy manendrikendrika amin’ny lelany” ny olona “mandeha tsy misy tsiny.” Tsy “manisy ratsy olona” koa izy, na “manala baraka ny namany akaiky.”—Sal. 15:2, 3; Jak. 3:5.

TENA ILAINA NY MIFANDRAY AMIN’I JEHOVAH FOANA

15. Inona no soa noraisin’i Josefa noho izy nifandray tsara tamin’i Jehovah foana?

15 Nifandray tsara tamin’i Jehovah koa i Josefa, ka tena ohatra tsara ho antsika. Hita hoe nitovy fomba fihevitra tamin’i Jehovah izy nandritra an’ireo 13 taona niaretany ny tsy rariny. (Gen. 45:5-8) Tsy nanome tsiny azy mihitsy izy. Marina fa tsy hadinon’i Josefa ny zavatra nanjo azy. Tsy tezitezitra tamin’izany anefa izy. Tsy navelany hampisaraka azy tamin’i Jehovah koa ny zava-dratsy nataon’ny olona na ny fahadisoana vitan’izy ireo noho izy ireo tsy lavorary. Tsy nivadika i Josefa ka notahin’i Jehovah izy sy ny fianakaviany. Hitany koa ny nandaminan’i Jehovah ny tsy rariny nihatra taminy.

16. Nahoana isika no tokony hifandray kokoa amin’i Jehovah raha misy mpiara-manompo manao ny tsy rariny amintsika?

16 Tokony ho tena tiantsika àry ny hoe mifandray amin’i Jehovah, ary mila miezaka isika mba hifandray tsara aminy foana. Aza avela hampisaraka antsika amin’ilay Andriamanitra tiantsika sy ivavahantsika ny fahadisoan’ny mpiara-manompo. (Rom. 8:38, 39) Raha misy mpiara-manompo manao ny tsy rariny amintsika, dia tahafo i Josefa ka miezaha hifandray kokoa amin’i Jehovah sy hitovy fomba fihevitra aminy. Araho ny toro lalan’ny Baiboly mba handaminana an’ilay olana. Rehefa avy nanao izay rehetra azonao atao ianao, dia miandrasa an’i Jehovah. Matokia fa handamina an’ilay olana araka izay hitany fa mety izy, amin’ny fotoana hitany hoe mety amin’izany.

MATOKIA AN’ILAY “MPITSARA NY TANY MANONTOLO”

17. Inona no hataontsika raha matoky an’ilay “Mpitsara ny tany manontolo” isika?

17 Tsy maintsy iharan’ny tsy rariny isika raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Mety hahita zavatra hoatran’ny hoe tsy rariny ianao eo anivon’ny fiangonana, na hahatsapa hoe hoatran’ny tsy rariny ny ataon’ny mpiara-manompo sasany aminao. Mahalana izany vao mitranga, ary mety hanjo ny namanao na ny havanao koa. Aza avela hanafintohina anao anefa izany. (Sal. 119:165) Aza mivadika amin’i Jehovah mihitsy. Mangataha fanampiana aminy ary matokia azy. Miezaha koa hanetry tena, ary tadidio fa tsy fantatrao ny zava-misy rehetra. Mety ho diso fandray ny zava-nitranga koa ianao satria tsy lavorary. Tahafo i Josefa, dia aza resadresahina ilay olana fa vao mainka mitatra. Aza manandrana mandamina an’ilay izy samirery, fa miandrasa foana an’i Jehovah ary avelao izy no hanitsy an’izay tokony hahitsy. Hahazo sitraka aminy ianao raha manao an’izany sady hotahiny, toy ny nataony tamin’i Josefa. Matokia fa hanao ny rariny foana i Jehovah, ilay “Mpitsara ny tany manontolo”, satria “ara-drariny daholo ny lalany.”—Gen. 18:25; Deot. 32:4.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Handinika zavatra tsy rariny hafa nitranga teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah fahiny isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika ao fa tena ilaina ny manetry tena sy mamela heloka, raha te hanahaka ny fiheveran’i Jehovah ny rariny isika.

^ feh. 7 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Novambra 1991, pejy 25-29, ny tantaran’i Willi Diehl.