Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ‘Hanompo An’i Jehovah Amim-pifaliana’ Ireo Vahiny

Ampio ‘Hanompo An’i Jehovah Amim-pifaliana’ Ireo Vahiny

“Miaro ny mpivahiny i Jehovah.”—SAL. 146:9.

HIRA: 17, 109

1, 2. a) Inona no olana mahazo ny rahalahy sy anabavintsika sasany? b) Inona ny fanontaniana hodinihintsika?

NISY ady an-trano tany Burundi taona maro lasa izay. Hoy ny rahalahy atao hoe Lije: “Tany amin’ny fivoriambe izahay mianakavy tamin’ilay izy nanomboka. Hitanay ny olona nihazakazaka, dia nisy koa nifampitifitra. Niara-nitsoaka tamin’i Dada sy Neny izahay 11 mianadahy. Zavatra kely fotsiny no mba nentinay. Tonga soa aman-tsara tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Malawi ny sasany taminay, rehefa avy nandeha an-tongotra 1 600 kilaometatra mahery. Ny ankoatra izay niparitaka.”

2 Olona 65 000 000 mahery eran-tany no voatery niala tany aminy, noho ny ady na fanenjehana. Mbola tsy betsaka hoatr’izany ny mpitsoa-ponenana hatramin’izay. * An’arivony amin’izy ireny no Vavolombelon’i Jehovah. Maro no maty havana, ary saika ny fananany rehetra no nafoiny. Inona koa no olana mahazo azy ireny? Inona no azo atao mba hanampiana azy ireny ‘hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana’ foana? (Sal. 100:2) Ahoana no fomba tsara indrindra hitoriana amin’ny mpitsoa-ponenana?

MANAO AHOANA NY FIAINANY?

3. Nahoana no lasa mpitsoa-ponenana i Jesosy sy ny maro tamin’ny mpianany?

3 Nampitandrina an’i Josefa ny anjelin’i Jehovah hoe nitady hamono an’i Jesosy i Heroda Mpanjaka. Lasa mpitsoa-ponenana tany Ejipta àry i Jesosy sy ny ray aman-dreniny, ary nijanona tany mandra-pahafatin’i Heroda. (Mat. 2:13, 14, 19-21) “Niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria” koa ny mpianatr’i Jesosy fa nisy fanenjehana. (Asa. 8:1) Efa fantatr’i Jesosy hoe maro ny mpanara-dia azy ho voatery handao ny tranony, ka hoy izy: “Rehefa enjehiny ao amin’ny tanàna iray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa.” (Mat. 10:23) Tsy mora anefa ny mandositra na inona na inona antony.

4, 5. Inona no olana atrehin’ny mpitsoa-ponenana a) rehefa eny am-pandosirana, sy b) rehefa ao amin’ny toby?

4 Mety hahita loza ny mpitsoa-ponenana rehefa eny am-pandosirana na ao amin’ny toby. Hoy i Gad, zandrin’i Lije: “Nandeha an-tongotra nandritra ny herinandro maro izahay, ary nisy faty an-jatony teny an-dalana. Vao 12 taona aho tamin’izay. Nivonto be ny tongotro, dia hoy aho tamin’ny fianakaviako hoe tonga dia mandehana. Tsy tian’i Dada ho azon’ny miaramila mpikomy anefa aho, dia nobatainy. Tsy nanahy be momba ny ampitso izahay fa nivavaka sy natoky an’i Jehovah. Manga naniry teny an-dalana no mba sakafonay indraindray.”—Fil. 4:12, 13.

5 Tany amin’ny tobin’ny Firenena Mikambana nandritra ny taona maro ny ankamaroan’ny fianakavian’i Lije. Tsy voaro anefa izy ireo tany. Hoy i Lije, izay mpiandraikitra ny faritra amin’izao: “Tsisy asa ny ankamaroan’ny olona. Nilaozan-dry zareo nifosafosa, nisotro toaka, niloka, ary nangalatra. Ratsy fitondran-tena koa izy ireo.” Tsy maintsy nazoto niaraka tamin’ny fiangonana àry ny Vavolombelona tany, raha tsy te ho lasa hoatran-dry zareo. (Heb. 6:11, 12; 10:24, 25) Nanararaotra tsara ny fotoanany izy ireo mba hatanjaka foana ny finoany. Maro, ohatra, no nanao mpisava lalana. Niezaka nitadidy koa izy ireo hoe tsy hijanona mandrakizay ao amin’ny toby, fa ho tafavoaka hoatran’ny Israelita tany an-tany efitra. Nanampy azy ireo tsy ho kivy izany.—2 Kor. 4:18.

ASEHOY HOE TIANAO IZY

6, 7. a) Mandrisika antsika hanao inona ny “fitiavana an’Andriamanitra”? b) Manomeza ohatra.

6 Mandrisika antsika haneho fitiavana an’ireo mpiara-manompo amintsika ny “fitiavana an’Andriamanitra”, indrindra fa rehefa manana olana izy ireo. (Vakio ny 1 Jaona 3:17, 18.) Rehefa nisy mosary nananontanona, ohatra, tany Jodia tamin’ny taonjato voalohany, dia nanampy an’ireo Kristianina tany ny mpiara-manompo aminy. (Asa. 11:28, 29) Nampirisika antsika ho tia mandray vahiny koa ny apostoly Paoly sy Petera. (Rom. 12:13; 1 Pet. 4:9) Raha ny mpiara-manompo mitsidika antsika aza tokony horaisintsika tsara, tsy mainka ve fa ireo miatrika loza na enjehina noho ny finoany?—Vakio ny Ohabolana 3:27. *

7 Nisy ady sy fanenjehana tany amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine vao haingana, ka Vavolombelona an’arivony no tsy maintsy nandositra. Mampalahelo fa maty ny sasany. Nampiantranoin’ny mpiara-manompo any amin’ny faritra hafa any Ukraine sy Rosia ny ankamaroan’izy ireo. Tsy manao politika izy ireo, satria “tsy anisan’izao tontolo izao.” Mazoto ‘mitory ny vaovao tsaran’ny tenin’Andriamanitra’ foana koa izy ireo.—Jaona 15:19; Asa. 8:4.

AMPIO IZY MBA HANANA FINOANA MATANJAKA

8, 9. a) Inona no olana mety hatrehin’ny mpitsoa-ponenana? b) Nahoana izy ireny no mila ny fanampiantsika?

8 Ao amin’ny faritra hafa ao amin’ny taniny ihany ny sasany no nandositra. Maro anefa no lasa any amin’ny tany vaovao be aminy. Mety homen’ny fanjakana sakafo sy akanjo ary trano izy ireny, nefa mety hanana olana ihany. Mety tsy hisy sakafo mahazatra azy, ohatra, ao amin’ilay tany. Avy any amin’ny tany mafana koa angamba izy, dia tsy hainy hoe inona ny akanjo tsara hanaovana rehefa mangatsiaka be ny andro. Raha avy any ambanivohitra indray izy, dia mety ho sahirana be mampiasa fitaovana maoderina fampiasa ao an-trano.

9 Manampy ny mpitsoa-ponenana mba ho zatra ny fiainany vaovao ny fanjakana any amin’ny tany sasany. Mandritra ny volana vitsivitsy ihany anefa izany matetika, ka tsy maintsy mamelon-tena izy ireny aorian’izay. Mety ho sarotra be ilay fiovana. Eritrereto hoe sady mianatra fiteny vaovao izy no mianatra mankatò lalàna be dia be. Anisan’izany ny lalàna momba ny hetra, ny fianarana, ny fandoavana jiro sy rano, sy ny sisa, ary na dia ny momba ny famaizana ny ankizy aza. Tsy maintsy mianatra manaja fotoana koa angamba izy. Mety tsy hitovy amin’ny nahazatra azy koa ny fahalalam-pomba. Izany rehetra izany no indray ianarany. Afaka manampy an’ireo rahalahy sy anabavy miatrika an’izany olana izany àry ve ianao? Tokony hanam-paharetana sy hanaja azy ianao rehefa manao an’izany.—Fil. 2:3, 4.

10. Ahoana no azo anampiana an’ireo mpitsoa-ponenana vao tonga mba hanana finoana matanjaka foana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Sarotra amin’ireo rahalahintsika mpitsoa-ponenana koa indraindray ny mifandray amin’ny fiangonana, noho ny ataon’ny manam-pahefana. Mety homeny asa, ohatra, izy ireo, saingy misakana azy tsy hivory ilay izy. Rahonany izy ireo hoe tsy homena fanampiana intsony na tsy havela hijanona ao amin’ilay tany raha tsy manaiky hanao an’ilay asa. Matahotra sy mahatsiaro ho tsy afa-manoatra ny rahalahy sasany, dia manaiky. Tena mila mihaona haingana araka izay azo atao amin’ireny rahalahy ireny àry isika raha vao tonga izy ireny. Tokony ho tsapany hoe tia azy isika. Hanampy azy hanana finoana matanjaka isika, raha mangoraka sady manampy azy.—Ohab. 12:25; 17:17.

OMEO IZAY ILAINY IZY IREO

11. a) Inona no mety hilain’ny mpitsoa-ponenana amin’ny voalohany? b) Ahoana no ampisehoan’ny mpitsoa-ponenana fa mahay mankasitraka izy?

11 Mety hila hanome sakafo sy akanjo ary zavatra hafa ho an’ireo rahalahy mpitsoa-ponenana isika, amin’ny voalohany. * Na zavatra kely fotsiny aza no omentsika, ohatra, hoe kravaty, dia efa mety hahafaly be azy ireo. Ho faly koa izay manome zavatra azy ireo raha mahay mankasitraka izy ireo, fa tsy sarotsarotiny. Marina fa mety hahatsiaro ho tsy misy dikany ireo rahalahy mpitsoa-ponenana, raha miantehitra amin’ny zavatra omen’olona foana. Mety hahatonga azy ireo tsy hifandray tsara amin’ny hafa koa izany. (2 Tes. 3:7-10) Tena mila fanampiana anefa izy ireo.

Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo mpiara-manompo lasa mpitsoa-ponenana? (Fehintsoratra 11-13)

12, 13. a) Ahoana no azontsika anampiana an’ireo mpitsoa-ponenana? b) Manomeza ohatra.

12 Tsy vola be no tena ilaina rehefa manampy mpitsoa-ponenana, fa fotoana sy fitiavana. Azo atoro azy, ohatra, hoe ahoana no hatao rehefa mandeha bisy, na aiza no ividianana sakafo tsy lafo be nefa mahasalama. Azo ampiana hitady asa na trano koa izy ireo. Zava-dehibe kokoa anefa ny hanampiana azy ho tamana tsara ao amin’ny fiangonany vaovao. Raha manana fiara ianao, dia azonao entina izy rehefa hivory. Hazavao aminy koa hoe ahoana no atao rehefa mitory ao amin’ny faritaninareo, ary ento manompo izy.

13 Nisy tanora efatra mpitsoa-ponenana tonga tao amin’ny fiangonana iray, dia nanampy azy ireo ny anti-panahy vitsivitsy tao. Nampianariny nitondra fiara sy nanoratra tamin’ny ordinatera izy ireo. Natorony azy ireo koa hoe ahoana no hatao rehefa manao taratasy fangatahana asa, ary ahoana no handaminana ny fotoana mba hanompoana tsara an’i Jehovah. (Gal. 6:10) Lasa mpisava lalana izy efatra tsy ela taorian’izay. Nandroso tsara izy ireo ary tsy voataonan’ny tontolon’i Satana, satria nampian’ny anti-panahy sady niezaka nanatratra tanjona teo amin’ny fanompoana.

14. a) Inona no tsy maintsy tandreman’ny mpitsoa-ponenana? b) Manomeza ohatra.

14 Hoatr’antsika rehetra ihany ireo rahalahy mpitsoa-ponenana. Tsy maintsy miezaka mafy izy ireny mba tsy ho variana hitady vola ka tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony. * Hoy i Lije, ilay voaresaka tany aloha: ‘Tamin’izahay nandositra, dia narian’i Dada tsirairay ny zavatra kely tao anatin’ilay kitapo nentinay. Tsisy na inona na inona intsony tao anatin’ilay izy tamin’ny farany. Ningainy ilay izy avy eo, dia nitsiky izy sady niteny hoe: “Hitanareo! Tsy nilaintsika akory ny zavatra tato.”’ Tena nampianatra azy ireo mba hanana finoana izany, ary tadidiny hatramin’izao.—Vakio ny 1 Timoty 6:8.

KARAKARAO IZAY TENA ILAINY

15, 16. a) Ahoana no azo anampiana an’ireo mpitsoa-ponenana mba hanana finoana matanjaka? b) Ahoana no azo anampiana azy ireny tsy ho kivy?

15 Marina fa mila sakafo sy fitafiana ny mpitsoa-ponenana. Fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly sy fampiononana anefa no tena ilain’izy ireny. (Mat. 4:4) Azon’ny anti-panahy atao àry izay hahazoan’izy ireny boky sy gazety amin’ny fiteniny. Afaka manampy azy ireny hahita mpiara-manompo mahay ny fiteniny koa ny anti-panahy. Tena ilaina izany satria mifankatia be angamba ny fianakaviany na ny fiangonany na ny fiaraha-monina nisy azy, nefa tafasaraka ry zareo izao. Tokony ho tsapan’izy ireny amin’ny zavatra ataon’ny mpiara-manompo aminy fa tia sady mangoraka azy i Jehovah. Raha tsy izany, dia mety ho ny havany na ny mpiray tanindrazana aminy tsy Vavolombelona no hangatahany fanampiana. (1 Kor. 15:33) Ireny mantsy no mahazo tsara ny kolontsainy sy ny zavatra iainany. Manampy an’i Jehovah ‘hiaro ny mpivahiny’ isika, raha hataontsika izay hahatsapan’izy ireny hoe tsy vahiny izy ao amin’ny fiangonana.—Sal. 146:9.

16 Tsy afaka nody tany amin’ny taniny i Jesosy sy ny fianakaviany, raha mbola teo amin’ny fitondrana ny olona nanenjika azy. Mety ho hoatr’izany koa no manjo ny mpitsoa-ponenana. Hoy i Lije: “Maro ny mpitsoa-ponenana tsy te hitondra ny zanany hiverina any amin’ny taniny, satria izy mihitsy no nahita ny havany nisy nanolana na namono tamin’izy ireo tany.” Mba hanampiana an’ireo rahalahy niatrika an’izany, dia mila mampihatra ny 1 Petera 3:8 isika, hoe: “Miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena.” Lasa tsy dia tia mifandray amin’olona ny mpitsoa-ponenana sasany, noho izy ireo nampijalina. Mety ho menatra izy hiresaka momba ny zavatra natao taminy, indrindra raha eo ny zanany. Eritrereto àry izao: ‘Raha izaho no hoatr’izany, dia inona re no tiako hatao amiko e?’—Mat. 7:12.

ITORIO NY MPITSOA-PONENANA

17. Inona no vokatry ny asa fitoriana amin’ny mpitsoa-ponenana?

17 Maro ny mpitsoa-ponenana avy any amin’ny tany anakantsakanana ny asa fitoriana. An’arivony àry no lasa nandre “ny teny momba ilay fanjakana”, noho ireo Vavolombelona be zotom-po any amin’ny tany nandray azy ireo. (Mat. 13:19, 23) Maro amin’ireo kivy no mahazo fampaherezana rehefa mivory, ka tonga dia miaiky fa ‘tena eo amintsika tokoa Andriamanitra.’—Mat. 11:28-30; 1 Kor. 14:25.

18, 19. Inona no tokony hataontsika rehefa mitory amin’ny mpitsoa-ponenana?

18 Tokony ho “malina” tsara isika rehefa mitory amin’ny mpitsoa-ponenana. (Mat. 10:16; Ohab. 22:3) Henoy tsara izy ireo rehefa milaza ny zavatra mampiady saina azy, saingy aza miresaka politika. Araho ny toromarika omen’ny biraon’ny sampana sy ny manam-pahefana, ary aza manao zavatra mety hampidi-doza anao na ny hafa. Fantaro hoe inona no maha sarotiny an’ireo mpitsoa-ponenana eo amin’ny resaka fivavahana sy kolontsaina, dia hajao izany. Manana ny heviny momba ny tokony ho fiakanjon’ny vehivavy, ohatra, ny olona avy any amin’ny tany sasany. Miezaha àry hanao fitafy tsy manafintohina azy ireo rehefa mitory aminy.

19 Te hanampy an’ireo mijaly isika, toy ny nataon’ilay Samaritanina noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana. (Lioka 10:33-37) Ampiantsika na ireo tsy Vavolombelona aza. Ny fitoriana ny vaovao tsara amin’izy ireo no fomba tsara indrindra hanaovana an’izany. Hoy ny anti-panahy efa nanampy mpitsoa-ponenana be dia be: “Tena ilaina ny milaza avy hatrany hoe Vavolombelon’i Jehovah isika.” Nilaza koa izy fa tokony hampahafantarina hoe “ny hiresaka an’ilay hoavy voalazan’ny Baiboly no tena anton-diantsika, fa tsy ny hanome vola na fanampiana. Raha tsy izany mantsy, dia mety hifandray amintsika izy satria fotsiny hoe te hahazo fanampiana.”

HO FALY IZY IREO RAHA AMPIANTSIKA

20, 21. a) Inona no ho tsapan’ny mpitsoa-ponenana raha asehontsika hoe tiantsika izy ireny? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Misy vokany tsara amin’ny mpitsoa-ponenana ny zavatra ataontsika mba hampisehoana hoe tiantsika izy ireny. Nisy fanenjehana, ohatra, tany Érythrée, dia nitsoaka niala tany ny anabavy atao hoe Alganesh rehefa maty ny vadiny. Namakivaky tany efitra nandritra ny valo andro izy sy ny zanany enina, vao tonga tany Soudan. Reraka be ry zareo. Hoy anefa i Alganesh: “Nataon’ny mpiara-manompo hoatran’ny havany mihitsy izahay, dia nomeny sakafo, akanjo, trano, ary saran-dalana. Aiza no hisy hampiantrano olona tsy fantany hoatr’izany, satria fotsiny hoe mitovy ny Andriamanitra ivavahan’izy ireo? Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manao an’izany.”—Vakio ny Jaona 13:35.

21 Ahoana kosa no azo anampiana an’ireo ankizy maro be nifindra monina niaraka tamin’ny ray aman-dreniny? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa azontsika rehetra atao ny manampy azy ireny ho faly foana manompo an’i Jehovah.

^ feh. 2 Mety ho nankany an-tany hafa na toeran-kafa ao amin’ny taniny ihany izy ireo, satria nisy ady na fanenjehana na loza. “Mpitsoa-ponenana” no iantsoantsika azy ireny ato. Milaza ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana fa “1 isaky ny 113” eran-tany ny olona “voatery mifindra monina.”

^ feh. 6 Jereo ilay hoe “Aza Hadinoina ny Fitiavana Mandray Vahiny”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Oktobra 2016, pejy 8-12.

^ feh. 11 Vao misy mpitsoa-ponenana tonga, dia tokony harahin’ny anti-panahy ny toromarika ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko 8, fehintsoratra 30. Afaka manoratra any amin’ny biraon’ny sampana ao amin’ny jw.org izy ireo, mba hahafahany mifandray amin’ny fiangonana niavian’ilay mpitsoa-ponenana. Eo am-piandrasana ny valiny, dia azon’izy ireo anontaniana azy ny mombamomba ny fiangonany sy ny fanompoany, mba hahalalana hoe manao ahoana ny ara-panahiny.

^ feh. 14 Jereo ilay hoe “Tsy Misy Mahay Manompo Tompo Roa” sy ilay hoe “Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2014, pejy 17-26.