Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Azo Anampiana ny Ankizy Vahiny?

Ahoana no Azo Anampiana ny Ankizy Vahiny?

“Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha foana ao amin’ny fahamarinana ny zanako.”—3 JAONA 4.

HIRA: 134, 133

1, 2. a) Inona matetika no olana mahazo ny zanaky ny olona nifindra monina? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

NIFINDRA monina ny fianakavian’i Joshua. Hoy izy: “Efa hatramin’ny mbola kely aho no nampiasa ny fitenin’i Dada sy Neny, na tao an-trano na rehefa niaraka tamin’ny fiangonana. Rehefa nianatra anefa aho, dia lasa tiako kokoa ny fiteny tany am-pianarana. Lasa tsy haiko intsony ny fitenin-drazanay taona vitsivitsy taorian’izay. Tsy nisy azoko koa ny fivoriana, ary lasa hafahafa tamiko ny kolontsain’i Dada sy Neny.” Maro no hoatran’i Joshua.

2 Olona 240 000 000 mahery izao no tsy mipetraka any amin’ny firenena niaviany. Raha nifindra monina àry ianao, inona no azonao atao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao, ka ‘handeha foana ao amin’ny fahamarinana’? (3 Jaona 4) Ary ahoana no azo anampiana ny fianakaviana nifindra monina, na ny ray aman-dreny izany na ny zanany?

RY RAY AMAN-DRENY, MIEZAHA HO MODELY

3, 4. a) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba ho modely ho an’ny zanany izy ireo? b) Inona no toe-tsaina tsy tokony hananan’izy ireo?

3 Tena tokony ho modely ianareo ray aman-dreny, raha tianareo hifandray tsara amin’i Jehovah ny zanakareo ka hiaina mandrakizay. Rehefa hitany hoe ataonareo loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia lasa miantehitra aminy koa izy mba hahazoana izay ilainy isan’andro. (Mat. 6:33, 34) Miezaha àry hanana fiainana tsotra sy tsy hitrosa. Ny fanompoana an’i Jehovah atao loha laharana, fa tsy ny fitadiavana vola na harena. Aza ampifamadihana mihitsy ireo. “Harena any an-danitra” tadiavina, izany hoe ny fankasitrahan’i Jehovah, fa aza variana mitady harena na ‘voninahitra avy amin’ny olona.’—Vakio ny Marka 10:21, 22; Jaona 12:43.

4 Mitandrema sao be atao loatra ka tsy manam-potoana hiarahana amin’ny zanakareo. Asehoy koa hoe faly ianareo rehefa i Jehovah no ataony loha laharana fa tsy variana mitady laza na vola izy, na ho azy izany na ho anareo. Aza mieritreritra hoe tokony hanampy anareo mba hiadana ny zanakareo. Tsy tokony hanana an’izany toe-tsaina izany mantsy ny Kristianina. Tadidio fa ‘tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ny zanany.’—2 Kor. 12:14.

AZA ATAO SAKANA NY FITENY

5. Nahoana ny ray aman-dreny no mila miresaka amin’ny zanany momba an’i Jehovah?

5 Tanteraka amin’izao ilay faminaniana hoe hisy olona be dia be “avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena” ho lasa anisan’ny fandaminan’i Jehovah. (Zak. 8:23) Ahoana anefa raha tsy azon’ny zanakao tsara ny fiteninao? Mety ho sarotra aminao ny hampianatra azy ny fahamarinana. Na izany aza, dia ny zanakao no tena tokony hampianarinao Baiboly. Ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo, raha mahafantatra an’i Jehovah. (Jaona 17:3) Raha tianao hahalala ny fampianaran’i Jehovah izy, dia mila miresaka aminy matetika momba an’izany ianao.—Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7.

6. Inona no tombony mety ho azon’ny zanakao raha mahay ny fiteninao izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Azo inoana fa hianatra an’ilay fiteny ampiasaina ao amin’ilay tany nifindranareo ny zanakao, rehefa any am-pianarana sy rehefa mifandray amin’ny olona. Hahay ny fiteninao kosa izy raha iresahanao matetika amin’ny fiteninao. Ho afaka hifampiresaka tsara an’izay any am-ponareo ianareo amin’izay. Tsy izay ihany anefa fa manampy ny ankizy harani-tsaina kokoa ny fahaizana fiteny maromaro, sady mahatonga azy hahay hifandray kokoa amin’olona. Mety ho afaka hampitombo ny fanompoany koa izy ireo amin’izay. Hoy i Carolina, zanaka vahiny: “Mahafinaritra be ilay manompo ao amin’ny fiangonana miteny vahiny. Tiako be ilay hoe afaka manampy fiangonana mila fanampiana.”

7. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, raha fiteny hafa no tena hain’ny zanany fa tsy ny fiteniny?

7 Rehefa lasa zatra an’ilay kolontsaina sy fiteny ao amin’ilay tany nifindrany anefa ny ankizy, dia mety ho tsy te hampiasa ny fitenin’ny ray aman-dreniny intsony. Mety tsy ho hainy intsony koa aza ny fitenin’izy ireo. Raha lasa hoatr’izany ny zanakao, maninona raha mianatra kely an’ilay fiteny ao amin’ilay tany? Ho mora kokoa aminao amin’izay ny hanampy azy ho lasa Kristianina. Ho azonao tsara mantsy ny zavatra lazainy sy ny fialam-boly tiany ary ny devoarany. Ho afaka hiresaka amin’ny mpampianatra azy koa ianao. Ekena aloha fa mila miezaka be sy manetry tena ianao rehefa mianatra teny vahiny. Mitaky fotoana koa ilay izy. Izao anefa: Raha sanatria lasa marenina ny zanakao, tsy hianatra tenin’ny tanana ve ianao mba hifampiresahana aminy? Dia tsy mba tokony hiezaka hoatr’izany koa àry ve ianao, raha fiteny hafa no tena hainy fa tsy ny fiteninao? *

8. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao, raha tsy hainao tsara ny fiteny hain’izy ireo?

8 Mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreny sasany ny hahay tsara an’ilay fiteny vaovao hain’ny zanany. Mety tsy ho mora amin’izy ireo àry ny hanampy ny zanany hahazo tsara “ny Soratra Masina.” (2 Tim. 3:15) Azo atao foana anefa ny manampy ny ankizy hahalala an’i Jehovah sy ho tia azy. Nitaiza irery ny zanany ny anabavy iray nifindra monina. Manan-janaka lahy atao hoe Shan izy ary anti-panahy izy io izao. Hoy i Shan: “Ilay fiteny tao amin’ilay tany no tena hainay. I Neny anefa tsy nahay tsara an’ilay izy. Izaho sy ireo anabaviko koa tsy nahay tsara ny fiteniny. Hitanay nianatra sy nivavaka foana anefa izy. Niezaka mafy foana koa izy nitarika Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro. Dia azonay hoe tena mila mahalala an’i Jehovah izahay.”

9. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao raha mila mianatra amin’ny fiteny roa ny zanany?

9 Ny ankizy sasany indray mila mianatra momba an’i Jehovah amin’ny fiteny anankiroa. Nahoana? Satria hafa ny fiteny ampiasainy any am-pianarana, ary hafa ny fiteny ifampiresahana ao an-trano. Mampiasa boky sy gazety, zavatra noraisim-peo, ary video amin’izany fiteny roa izany àry ny ray aman-dreny sasany. Hita avy amin’izany fa mila mahafoy fotoana bebe kokoa sy mahay mikaroka hevitra kokoa ny ray aman-dreny nifindra monina, raha te hanampy ny zanany hifandray tsara amin’i Jehovah.

AIZA NY FIANGONANA METY AMINAREO?

10. a) Iza no hanapa-kevitra hoe fiangonana miteny inona no halehan’ny fianakaviana? b) Inona no tokony hataony alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra?

10 Ahoana raha nifindra monina ianareo mianakavy, ary lavitra be anareo vao misy Vavolombelona mahay ny fiteninareo? Mila miaraka amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteny ao amin’ilay tany nifindranareo ianareo. (Sal. 146:9) Ary raha misy fiangonana mampiasa ny fiteninareo tsy lavitra eo? Mila misafidy ianareo amin’izay hoe fiangonana miteny inona no tena mety aminareo. Ny loham-pianakaviana no hanapa-kevitra ny amin’izany. (1 Kor. 11:3) Mila mieritreritra tsara anefa aloha izy, ary mivavaka sy mifampiresaka amin’ny vady aman-janany. Inona avy no mila dinihiny? Inona no toro lalan’ny Baiboly afaka manampy azy?

11, 12. a) Nahoana no tokony ho azon’ny ankizy tsara ny fiteny ampiasaina any am-pivoriana? b) Nahoana ny ankizy sasany no tsy te hianatra ny fitenin’ny ray aman-dreniny?

11 Mila mandinika tsara ny ray aman-dreny hoe inona no tena ilain’ny zanany. Marina fa tsy ampy ny fivoriana isan-kerinandro, raha tiana hahazo tsara ny fampianarana ao amin’ny Baiboly ny ankizy. Izao anefa: Raha amin’ny fiteny hain’ny ankizy tsara ilay fivoriana, dia mety ho be dia be ny zavatra ianarany, na dia manatrika eo fotsiny aza izy. Betsaka noho ny eritreretin’ny ray aman-dreniny aza angamba no miditra ao an-tsainy. Tsy izany kosa no hitranga raha amin’ny fiteny tsy azony tsara ny fivoriana. (Vakio ny 1 Korintianina 14:9, 11.) Tsy voatery ho ny fitenin-drazany foana koa no fiteny mora azon’ny ankizy sy manohina ny fony. Misy ankizy sasany mahavita manome valin-teny sy mitory ary manao anjara amin’ny fitenin’ny ray aman-dreniny, saingy tsy tena avy ao am-pony ny zavatra teneniny.

12 Misy zavatra hafa koa anefa mety hamolavola ny ankizy, ankoatra ny fiteny. Izany no tsapan’i Joshua, ilay voaresaka teo aloha. I Esther anabaviny indray nilaza hoe: “Rehefa tian’ny ankizy ny mampiasa ny fitenin’ny ray aman-dreniny, dia tiany koa ny kolontsainy sy ny fivavahany.” Raha tsy dia mahazoazo ny kolontsain’ny ray aman-dreniny ny ankizy, dia mety ho tsy te hianatra ny fitenin’izy ireo sady tsy te hanaraka ny fivavahany. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao amin’izany?

13, 14. a) Inona no nahatonga ny mpivady iray hanapa-kevitra hoe aleo mifindra fiangonana? b) Inona no nanampy azy mivady hifandray tsara amin’i Jehovah foana?

13 Tsy izay mahafinaritra azy no zava-dehibe kokoa amin’ny ray aman-dreny kristianina, fa izay hahasoa ny zanany. (1 Kor. 10:24) Hoy i Samuel, dadan’i Joshua sy Esther: “Nandinika ny zanakay izahay mivady, mba hahitana hoe amin’ny fiteny inona ny fahamarinana no manohina ny fon’izy ireo. Nivavaka koa izahay mba hahay hanapa-kevitra. Tsoriko aloha fa tsy nety taminay mivady ny vahaolana hitanay e! Fa rehefa hitanay hoe tsy dia nandray soa ny zanakay rehefa namonjy fivoriana tamin’ny fiteninay, dia naleonay nankany amin’ny fiangonana mampiasa ny fitenin’ny olona ao amin’ilay tany. Niara-nivory sy niara-nanompo foana izahay tany, dia nanasa mpiara-manompo mba hisakafo sy hitsangantsangana niaraka taminay. Lasa nahalala kokoa an’ireo rahalahy ny zanakay sady nahalala kokoa an’i Jehovah. Lasa Rainy sy Namany mihitsy i Jehovah. Izany no zava-dehibe kokoa taminay noho ny hoe mahay ny fiteninay ry zareo.”

14 Hoy koa i Samuel: “Namonjy fivoriana tamin’ny fiteninay koa izahay mivady, mba hatanjaka ara-panahy foana. Lasa be atao be izahay, dia reraka matetika. Misaotra an’i Jehovah anefa izahay, satria nampiany izahay dia nisy vokany ny ezaka sy ny sorona nataonay. Manompo manontolo andro izao izy telo mianadahy.”

INONA NO AZON’NY ANKIZY ATAO?

15. Inona no nahatonga an’i Kristina hifindra tany amin’ny fiangonana mampiasa fiteny hafa?

15 Rehefa mihalehibe ny ankizy, dia mety ho hitany hoe mahavita manompo an’i Jehovah tsara kokoa izy raha mankany amin’ny fiangonana mampiasa fiteny azony tsara. Tsy tokony hieritreritra ny ray aman-drenin’izy ireo amin’izay hoe lasa tsy tia azy intsony ny zanany. Nilaza, ohatra, i Kristina hoe nahaihay ny fitenin’ny dada sy mamany izy. Tsy nisy azony anefa, hono, ny fivoriana natao tamin’ilay fiteny. Hoy koa izy: “Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny fiteny nampiasaina tany am-pianaranay aho, tamin’izaho 12 taona. Tamin’izay vao azoko hoe tena marina ny zavatra ianarako. Lasa nampiasa an’ilay fiteny aho rehefa nivavaka, dia tena afaka namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah!” (Asa. 2:11, 41) Nifampiresaka tamin’ny dada sy mamany izy rehefa feno 18 taona, dia nifindra tany amin’ny fiangonana mampiasa an’ilay fiteny nampiasaina tany am-pianarany. Nilaza izy hoe lasa nanohina ny fony ny zavatra nianarany momba an’i Jehovah, dia lasa te hampihatra an’izay nianarany izy. Nanao mpisava lalana izy taoriana kelin’izay, ary tena faly.

16. Nahoana i Nadia no nijanona tao amin’ny fiangonana mampiasa ny fitenin’ny ray aman-dreniny?

16 Tanora àry ve ianao ary nifindra monina ianareo? Aleonao ve mivory any amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteny ao amin’ilay tany nifindranareo? Raha izany, dia eritrereto ny antony. Te hifindra ve ianao satria hitanao hoe hanampy anao ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany? (Jak. 4:8) Sa ianao tsy te hiezaka be hianatra ny fitenin’ny dadanao sy mamanao? Sa tsy tianao hanara-maso be an’izay ataonao ry zareo? Hoy i Nadia, izay manompo ao amin’ny Betela: “Rehefa nihalehibe izahay mpiray tam-po, dia te hifindra tany amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteny tao amin’ilay tany nifindranay.” Tsy nanaiky anefa ny ray aman-dreniny, satria hitan-dry zareo hoe tsy hanampy azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah izany. Hoy ihany i Nadia: “Tena faly izahay hoe niezaka mafy nampianatra anay ny fiteniny i Dada sy Neny, ary nandresy lahatra anay hijanona tao amin’ilay fiangonana mampiasa ny fitenin-dry zareo. Hitako hoe lasa nahafinaritra kokoa ny fiainanay, sady betsaka kokoa ny olona azonay nampiana mba hahalala an’i Jehovah.”

AHOANA NO AZO ANAMPIANA AZY IREO?

17. a) Iza no asain’i Jehovah mampianatra ny ankizy ny fahamarinana? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao raha mila fanampiana izy mba hampianarana ny zanany?

17 Ny ray aman-dreny no asain’i Jehovah mampianatra ny ankizy ny fahamarinana, fa tsy ny dadabeny na ny bebeny na olon-kafa. (Vakio ny Ohabolana 1:8; 31:10, 27, 28.) Raha tsy mahay an’ilay fiteny ao amin’ilay tany anefa ny ray aman-dreny, dia mety hila olona hanampy azy hanohina ny fon’ny zanany. Tsy miala andraikitra akory izy raha mangataka fanampiana. Mety hanampy azy aza izany mba hitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Azony atao, ohatra, ny mangataka soso-kevitra amin’ny anti-panahy hoe ahoana no anaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, na ahoana no anampiana ny ankizy hana-namana tsara.

Mandray soa ny ray aman-dreny sy ny ankizy rehefa miaraka amin’ny fiangonana (Fehintsoratra 18, 19)

18, 19. a) Inona no azon’ny mpiara-manompo atao mba hanampiana ny ankizy? b) Inona anefa no tsy maintsy ataon’ny ray aman-dreny?

18 Azon’ny ray aman-dreny atao indraindray ny manasa fianakaviana hafa mba hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amin’izy ireo. Afaka miara-manompo na miara-miala voly amin’ny Kristianina hafa koa ny tanora. Maro no niana-javatra rehefa nanao an’izany. (Ohab. 27:17) Hoy i Shan, ilay voaresaka teo aloha: “Tadidiko hoe nisy rahalahy maromaro nikarakara ahy. Niana-javatra foana aho isaky ny nampian-dry zareo hanao ny anjarako tamin’ny fivoriana. Nisy fotoana koa izahay niala voly niaraka tamin’olona vitsivitsy, dia tena nahafinaritra ilay izy.”

19 Mila mampirisika ny ankizy hanaja foana ny ray aman-dreniny ireo rahalahy na anabavy asaina manampy azy ireny. Tokony hilaza zavatra tsara momba an’ireo ray aman-dreny, ohatra, izy ireo. Tsy tokony ho izy ireo koa no hanao ny andraikitry ny ray aman-dreny. Mila mitandrina tsara koa ilay rahalahy na anabavy rehefa manampy an’ilay ankizy, mba tsy hanao zavatra mety hanendrikendrehan’ny olona azy ho mpanao ratsy, na olona ao amin’ny fiangonana izany na olon-kafa. (1 Pet. 2:12) Tsy mety anefa raha ankinina tanteraka amin’ny hafa ny fanampiana ny ankizy eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ny ray aman-dreny foana no tokony hampianatra ny zanany ny fahamarinana. Raha misy manampy ny zanak’izy ireo, dia tsy maintsy manara-maso an’izany izy ireo.

20. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho lasa mpanompon’i Jehovah?

20 Ry ray aman-dreny, mivavaha mba hampian’i Jehovah, ary manaova izay tsara indrindra vitanareo. (Vakio ny 2 Tantara 15:7.) Tsy izay mahasoa anareo no tokony ho zava-dehibe kokoa aminareo, fa ny hanampy ny zanakareo ho lasa naman’i Jehovah. Ataovy izay rehetra azonareo atao mba hahatonga ny Tenin’Andriamanitra hanohina ny fony. Tadidio foana hoe mety ho lasa mpanompon’i Jehovah ny zanakareo. Hoy ny apostoly Jaona momba ny olona sasany nampiany: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha foana ao amin’ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4) Ho faly hoatr’izany koa ianareo rehefa mankatò ny Tenin’Andriamanitra ny zanakareo, ary manaraka ny modely omenareo.

^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tsara ny Mianatra Teny Vahiny!”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2007, pejy 10-12.