Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tia Ahy Mihoatra Noho ny Itiavanao An’iretsy ve Ianao?”

“Tia Ahy Mihoatra Noho ny Itiavanao An’iretsy ve Ianao?”

“Ry Simona zanak’i Jaona, tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?”—JAONA 21:15.

HIRA: 143, 65

1, 2. Inona avy no nitranga rehefa avy nanjono nandritra ny alina manontolo i Petera?

NISY mpianatr’i Jesosy fito nanjono teny amin’ny Ranomasin’i Galilia nandritra ny alina, saingy tsy nahazo na trondro iray aza. Nitazana azy ireo avy teny amin’ny torapasika i Jesosy tamin’izay, dia niteny hoe: “‘Atsipazo eo ankavanan’ny sambokely ny harato fa hahazo ianareo.’ Dia natsipin’ireo ny harato, ary tsy zakany nakarina intsony noho ny habetsahan’ny trondro.”—Jaona 21:1-6.

2 Rehefa avy nanome sakafo maraina azy ireo i Jesosy, dia nanontany an’i Simona Petera hoe: “Ry Simona zanak’i Jaona, tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” Fantany hoe tena tia nanarato i Petera, dia angamba izy te hanontany hoe iza no tian’i Petera kokoa: Izy sy ny fampianarany ve, sa ny trondro sy ny fanaratoana? Namaly i Petera hoe: “Eny, Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” (Jaona 21:15) Hita hoe tena tia an’i Kristy i Petera, satria nazoto nitory foana izy nanomboka teo. Lasa andrin’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany koa izy.

3. Inona no mila tandreman’ny Kristianina?

3 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera? Mila mitandrina isika mba tsy hihena ny fitiavantsika an’i Kristy. Mila mitandrina koa isika sao variana, dia tsy manompo tsara an’i Jehovah intsony. Fantatr’i Jesosy tsara hoe betsaka ny olana mety hampiady saina ny olona. Nilaza izy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy hoe hisy olona hanaiky “ny teny momba ilay fanjakana”, ary hafana fo be amin’ny voalohany. Hiova anefa izy ireo satria ‘hangeja ny teny’ ny “fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena.” (Mat. 13:19-22; Mar. 4:19) Raha tsy mitandrina tokoa isika, dia mety ho ny zavatra mampanahy antsika isan’andro no hameno ny fontsika, ka tsy hazoto hanompo an’i Jehovah isika. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana.”—Lioka 21:34.

4. Ahoana no hahalalantsika raha tena tia an’i Kristy isika na tsia? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Ny fitoriana no lasa zava-dehibe indrindra tamin’i Petera, rehefa avy nampisaintsaina azy i Jesosy. Afaka manaporofo koa isika hoe tia an’i Jesosy, raha manao hoatran’i Petera. Inona anefa no hanampy antsika hazoto hitory foana? Mila mieritreritra an’ireto isika tsindraindray: ‘Ny fanompoana an’i Jehovah ve no tena mahafaly ahy, sa zavatra hafa? Inona no tena tiako indrindra?’ Maromaro ny zavatra mety hampihena ny fitiavantsika an’i Kristy. Anisan’izany ny asa fivelomana sy ny fialam-boly ary ny vola sy harena. Hiresaka an’izany isika ato.

AZA VARIANA BE AMIN’NY ASA

5. Inona no asain’i Jehovah ataon’ny loham-pianakaviana?

5 Tsy hoe nahafinaritra an’i Petera fotsiny ny nanjono, fa asa namelomany ny ankohonany. Asain’i Jehovah mamelona ny ankohonany koa ny loham-pianakaviana. (1 Tim. 5:8) Mila miasa mafy izy ireo mba hahavitana an’izany. Andro farany anefa izao ka mampiady saina matetika ny asa fivelomana.

6. Nahoana no mampiady saina be izao ny asa?

6 Tsy dia betsaka ny asa nefa be dia be ny olona mitady asa. Lasa mifaninana àry izy ireo mba hahazoana asa. Maro no lasa manaiky hiasa mandritra ny ora maro, na dia tsy mifanaraka amin’izany aza ny karamany indraindray. Te hamokatra be koa ny orinasa, dia tereny hiasa mafy ny mpiasa. Lasa miady saina sy vizana be izy ireo, ary marary mihitsy. Mety ho voaroaka amin’ny asany izay tsy mety manao izay takin’ny mpampiasa.

7, 8. a) Iza no tsy tokony hivadihantsika voalohany indrindra? b) Inona no lesona nianaran’ny rahalahy iray?

7 Amin’i Jehovah isika Kristianina no tsy tokony hivadika voalohany indrindra, fa tsy amin’ny mpampiasa antsika. (Lioka 10:27) Miasa isika mba hahazoana an’izay tena ilaintsika sy hahafahana manompo. Mety ho ilay asa indray anefa no tsy hahafahantsika manompo, raha tsy mitandrina isika. Izany no nanjo ny rahalahy iray any Tailandy. Hoy izy: “Mpanamboatra ordinatera simba aho taloha, dia tena tiako ilay izy. Niasa be foana anefa izahay, dia zara raha nanam-potoana ho an’ny ara-panahy aho. Tonga saina aho hoe mila miova asa raha te hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah.” Inona no nataony?

8 Hoy izy: “Nieritreritra tsara an’izay hataoko aho, dia nanangom-bola nandritra ny herintaona. Tapa-kevitra aho hoe hivarotra gilasy eny an-dalana. Tsy ampy ny volako tamin’ny voalohany, dia kivy aho. Nihomehezan’ny mpiara-miasa tamiko taloha koa aho rehefa nihaona izahay. Naneso ahy ry zareo hoe fa inona no nahazo ahy no dia aleoko mivarotra gilasy toy izay manamboatra ordinatera ao anaty birao mangatsiatsiaka. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hahavita hiaritra sy hanatratra an’ilay tanjoko hoe hanam-potoana bebe kokoa ho an’ny ara-panahy.” Inona no nitranga tsy ela taorian’izay? Hoy ihany izy: “Lasa fantatro hoe inona no karazana gilasy tena tian’ny olona. Lasa nihanahay nanao gilasy koa aho, dia lafo daholo ny gilasiko isan’andro. Mahazo vola kokoa aho izao noho ny tamin’izaho nanamboatra ordinatera. Sambatra kokoa aho satria tsy mampiady saina be ahy hoatran’ny asako taloha ilay asako amin’izao. Fa ny tena mahafinaritra ahy, dia lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho.”—Vakio ny Matio 5:3, 6.

9. Inona no hanampy antsika hahay handanjalanja foana amin’ny resaka asa?

9 Tian’i Jehovah hazoto hiasa isika. Mahafinaritra koa ny miasa mafy. (Mpito. 5:18) Na izany aza, dia mila mitandrina isika sao dia variana loatra amin’ny asantsika, hoatran’ny nanjo an’ilay rahalahy voaresaka tetsy aloha. Hoy i Jesosy: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany [izany hoe izay tena ilaina].” (Mat. 6:33) Inona àry no hanampy antsika hamantatra raha ny fanompoana no zava-dehibe indrindra amintsika, fa tsy variana loatra amin’ny asa isika? Eritrereto izao: ‘Mahafinaritra be ahy ve ny asako, fa ny fanompoana an’i Jehovah mankaleo ahy?’ Raha mieritreritra an’izany isika, dia ho hitantsika hoe inona no tena tiantsika.

10. Inona no lesona lehibe nampianarin’i Jesosy?

10 Nampianarin’i Jesosy antsika hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Nitsidika an’i Maria sy Marta rahavaviny izy, indray mandeha. Tonga dia nandeha nikarakara sakafo i Marta, fa i Maria kosa nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy dia nihaino azy. Nitaraina i Marta avy eo hoe tsy mba nanampy azy i Maria. Nilaza àry i Jesosy hoe: ‘Nifidy ny tsara kokoa i Maria, ka tsy halaina aminy izany.’ (Lioka 10:38-42) Misy lesona lehibe tian’i Jesosy hampitaina tamin’izay: Tsy maintsy mifidy “ny tsara kokoa” foana isika, izany hoe mila ataontsika loha laharana foana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tsy ho variana loatra amin’ny zavatra ilaintsika isika amin’izay, sady hampiseho hoe tiantsika i Kristy.

AHOANA NO FIHEVERANAO NY FIALAM-BOLY?

11. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoe maka aina?

11 Miasa mafy isika sady be atao be, ka mila maka aina indraindray. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.” (Mpito. 2:24) Niaiky i Jesosy hoe ilaina ny miala sasatra indraindray. Rehefa avy niasa mafy teny amin’ny fanompoana ny mpianany indray mandeha, dia niteny izy hoe: “Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.”—Mar. 6:31, 32.

12. Inona no tokony hotandremana rehefa miala voly? Manomeza ohatra.

12 Tena ilaina ny miala voly. Izany anefa no mety ho lasa zava-dehibe indrindra amintsika, raha tsy mitandrina isika. Izao, ohatra, no toe-tsain’ny olona maro tamin’ny taonjato voalohany: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Kor. 15:32) Izany koa no toe-tsain’ny olona any amin’ny firenena maro ankehitriny. Nanomboka nivory, ohatra, ny ankizilahy iray tany Eoropa, taona maro lasa izay. Tena tia niala voly anefa izy, ka tsy nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony. Diso fanantenana sy nanana olana be dia be izy, dia tonga saina hoe noho izy variana niala voly no nahatonga an’izany. Niverina nianatra Baiboly àry izy, ary lasa mpitory. Rehefa vita batisa izy, dia nilaza hoe: “Izao ihany no anenenako: Efa ela be aho vao tonga saina hoe mahasambatra kokoa ny manompo an’i Jehovah noho ny mandany fotoana amin’ny fialam-bolin’ity tontolo ity.”

13. a) Inona no mety hitranga raha variana miala voly isika? Manomeza ohatra. b) Inona no mety hanampy antsika hahay handanjalanja?

13 Natao mba hahazoana hery sy hahafahana maka aina ny fialam-boly. Hoatran’ny ahoana àry ny habetsahan’ny fotoana tokony hatokantsika hialana voly? Eritrereto izao: Tia mihinana mofomamy ny ankamaroantsika. Raha mihinana mofomamy matetika loatra anefa isika dia harary. Sakafo mahasalama àry no tena hanintsika matetika. Hoatr’izany koa ny fialam-boly. Raha variana miala voly isika, dia tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony amin’ny farany. Raha tsy tiantsika hitranga izany, dia mila manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah foana isika. Inona àry no hanampy anao hahay handanjalanja rehefa miala voly? Azonao raisina an-tsoratra mandritra ny herinandro hoe adiny firy ianao no nanao zavatra mifandray amin’ny fanompoana, ohatra hoe nivory, nanompo, nianatra samirery, ary nanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Azonao soratana koa hoe adiny firy ianao no niala voly, ohatra hoe nanao spaoro, nijery tele, nanao lalao video, na nanao zavatra hafa mahafinaritra anao. Ampitahao ilay izy avy eo. Inona no hitanao? Sao dia mila miezaka mba tsy hihinana “mofomamy” matetika loatra ianao?—Vakio ny Efesianina 5:15, 16.

14. Inona no tokony hotadidintsika rehefa hifidy fialam-boly?

14 Afaka mifidy izay fialam-boly tiantsika isika tsirairay. Afaka mifidy izay fialam-boly tiany hataon’ny ankohonany koa ny loham-pianakaviana. Tokony hifanaraka amin’ny toro lalan’i Jehovah ao amin’ny Baiboly anefa ilay izy. * ‘Fanomezana avy aminy’ mantsy ny fialam-boly mahasoa. (Mpito. 3:12, 13) Marina fa tsy voatery hitovy ny safidintsika. (Gal. 6:4, 5) Mila mitandrina anefa isika, na inona na inona fialam-boly tiantsika hatao. Hoy mantsy i Jesosy: “Any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.” (Mat. 6:21) Raha tia an’i Jesosy àry isika, dia hanohana ny Fanjakany fa tsy ho variana amin’ny zavatra hafa. (Fil. 1:9, 10) Tokony ho hita amin’izay ifantohan’ny saintsika sy izay lazaintsika ary ataontsika izany.

AZA VARIANA MITADY VOLA SY HARENA

15, 16. a) Nahoana ny fitadiavana vola na harena no mety ho lasa fandrika ho an’ny Kristianina? b) Inona no torohevitra tsara nomen’i Jesosy?

15 Maro no mieritreritra fa tsy maintsy manana an’izay zavatra nivoaka farany izy. Mety ho akanjo izany na telefaonina na ordinatera. Mila mandini-tena tsy tapaka àry ny Kristianina, ary mieritreritra hoe: ‘Izay hahazoana vola na zavatra ve no zava-dehibe indrindra amiko? Kely kokoa ve ny fotoana anomanako fivoriana raha oharina amin’ny fotoana laniko ieritreretana na itadiavana akanjo lamaody na fitaovana elektronika nivoaka farany? Lasa variana amin’ny fiainana ve aho, dia nihena ny fotoana atokako hivavahana na hamakiana Baiboly?’ Raha tsapanao hoe ny vola sy harena indray no tianao kokoa noho i Jesosy, dia saintsaino ireto teniny ireto: “Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana.” (Lioka 12:15) Nahoana izy no nilaza an’izany?

16 Nilaza i Jesosy fa “tsy misy mahay manompo tompo roa.” Hoy koa izy: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” Tsy ho vitantsika mantsy ny hoe sady hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo no hikatsaka vola sy harena. Nilaza i Jesosy fa ‘ho halantsika ny iray ary ny iray ho tiantsika, na ‘ny iray hifikirantsika ary ny iray hohamavointsika.’ (Mat. 6:24) Tsy lavorary isika, dia mila miezaka foana mba tsy ho resin’ny “fanirian’ny nofontsika”, anisan’izany ny faniriana hanam-bola be sy hanan-karena.—Efes. 2:3.

17. a) Nahoana no tsy mahay mandanjalanja amin’ny resaka vola sy harena ny olona maro? b) Inona no hanampy antsika tsy ho resin’ny faniriana hanan-karena?

17 Tsy mahay mandanjalanja amin’ny resaka vola sy harena ny olona maro, satria tsy mieritreritra afa-tsy izay mahafinaritra azy. (Vakio ny 1 Korintianina 2:14.) Lasa tsy misaina tsara izy ireo, dia sarotra kokoa aminy ny manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Heb. 5:11-14) Lasa te hahazo zavatra foana izy, ary tsy mety afa-po mihitsy. (Mpito. 5:10) Tsy hifindra amintsika izany toe-tsaina izany, raha mamaky ny Baiboly tsy tapaka isika. (1 Pet. 2:2) Nahavita nanohitra fakam-panahy i Jesosy rehefa nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. (Mat. 4:8-10) Hoatr’izany koa isika. Tsy ho resin’ny faniriana hanan-karena isika, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Izany koa no hanaporofoantsika amin’i Jesosy hoe izy no tiantsika kokoa.

Inona no zava-dehibe indrindra aminao? (Fehintsoratra 18)

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Te hampahatsiahy an’i Petera i Jesosy hoe ny fanompoana an’i Jehovah no tokony hataony loha laharana. Izay no nahatonga azy hanontany an’i Petera hoe: “Tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” Noporofoin’i Petera fa nety tsara taminy ny anarany izay midika hoe “Vato.” Tsy niova mihitsy mantsy izy, izany hoe tsy nivadika. (Asa. 4:5-20) Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hivadika fa ho tia an’i Kristy foana hoatran’i Petera, ka tsy ho variana be amin’ny asa sy ny fialam-boly na ny vola sy harena. Hoporofointsika amin’ny safidy ataontsika izany, ka ho afaka hilaza toa an’i Petera isika hoe: “Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.”

^ feh. 14 Jereo ilay hoe “Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2011, pejy 9-12, feh. 6-15.