Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy Aminao ve ny Harena Ara-panahy?

Sarobidy Aminao ve ny Harena Ara-panahy?

“Any amin’izay misy ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo.” —LIOKA 12:34.

HIRA: 76, 59

1, 2. a) Inona ireo harena ara-panahy telo omen’i Jehovah antsika? b) Inona no hodinihintsika ato?

I JEHOVAH no mpanankarena indrindra eo amin’izao rehetra izao. (1 Tan. 29:11, 12) Malala-tanana anefa izy ka omeny harena ara-panahy be dia be izay mihevitra an’izany ho sarobidy. Tena misaotra azy isika noho izany. Inona avy, ohatra, izany harena omeny izany? 1) Ny Fanjakan’Andriamanitra, 2) ny fanompoana, ary 3) ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly. Raha tsy mitandrina anefa isika, dia mety tsy ho sarobidy amintsika intsony izy ireny ka toy ny hoe hariantsika. Mila miezaka foana àry isika mba ho tia kokoa an’ireo harena ara-panahy ananantsika. Hoy mantsy i Jesosy: “Any amin’izay misy ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo.”—Lioka 12:34.

2 Hodinihintsika hoe inona no hanampy antsika ho tia sy hankasitraka foana an’ilay Fanjakana sy ny fanompoana ary ny fahamarinana. Eritrereto hoe inona no azonao atao mba ho tia kokoa an’ireo harena ara-panahy ireo ianao.

TOY NY PERLA SAROBIDY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

3. Nahavita nanao inona ilay mpivarotra noresahin’i Jesosy mba hahazoana perla sarobidy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Vakio ny Matio 13:45, 46. Nilaza fanoharana momba ny mpivarotra iray nitady perla i Jesosy. Azo antoka fa perla an-jatony no efa novidiny sy namidiny tao anatin’ny taona maro. Nahita perla faran’izay tsara anefa izy, ka vao nahita an’ilay izy fotsiny izy dia efa faly be. Namidiny daholo izay nananany mba hividianana an’ilay izy. Azonao an-tsaina angamba hoe tena sarobidy taminy ilay izy.

4. Inona no hataontsika raha tena tiantsika ny Fanjakan’Andriamanitra?

4 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Toa an’io perla sarobidy io ny zavatra fantatsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana àry no hampisehoantsika fa tia azy io isika, toy ny nitiavan’ilay mpivarotra an’ilay perla? Tokony ho vonona hamoy ny zavatra rehetra isika mba ho lasa vahoakan’io Fanjakana io sy ho vahoakan’izy io foana. (Vakio ny Marka 10:28-30.) Hiresaka olona roa nanao an’izany isika izao.

5. Inona no porofo fa tena te ho vahoakan’ilay Fanjakana i Zakaiosy?

5 Lehiben’ny mpamory hetra i Zakaiosy, ary lasa nanankarena izy satria nanambaka olona. (Lioka 19:1-9) Rehefa naheno ny zavatra noresahin’i Jesosy momba ilay Fanjakana anefa izy, dia tena nankasitraka an’izany ka te hiova avy hatrany. Hoy izy: “Tompo ô, omeko ny mahantra ny antsasaky ny fananako, ary izay rehetra nalaiko tsy ara-drariny tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny.” Foiny tamin’ny fo manontolo ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary lasa tsy tia harena intsony izy.

6. Inona no fiovana nataon’ny vehivavy iray, ary nahoana izy no nanao an’izany?

6 Lasa nahafantatra ny marina momba ilay Fanjakana ny vehivavy iray, taona maromaro lasa izay. Nampiaraka tamin’ny vehivavy hoatr’azy izy. Prezidàn’ny fikambanana iray miaro ny zon’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy sy ny vehivavy miray amin’ny vehivavy koa izy. Rehefa nianatra Baiboly izy, dia lasa fantany fa tena ilaina ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantany anefa fa nila niova be izy. (1 Kor. 6:9, 10) Tena nanohina ny fony ny zavatra nianarany, dia niala tsy ho prezidàn’ilay fikambanana izy ary nisaraka tamin’ilay vehivavy niarahany. Natao batisa izy tamin’ny 2009, ary nanao mpisava lalana maharitra nanomboka tamin’ny 2010. I Jehovah sy ny Fanjakany no tiany kokoa, ka nahavita nifehy ny fanirian-dratsiny izy.—Mar. 12:29, 30.

7. Inona no mila tandremantsika foana?

7 Maro amintsika no nila niova be mba ho lasa vahoakan’ilay Fanjakana. (Rom. 12:2) Mbola mila miady mafy foana anefa isika. Tsy maintsy mailo foana isika mba tsy hisy na inona na inona hampihena ny fitiavantsika an’ilay Fanjakana. Anisan’izany ny fitiavana vola sy harena na ny fanirian-dratsy mifandray amin’ny firaisana. (Ohab. 4:23; Mat. 5:27-29) Nomen’i Jehovah harena sarobidy iray hafa isika mba hanampiana antsika ho tia foana an’ilay Fanjakana.

MAMONJY AINA NY FANOMPOANTSIKA

8. a) Nahoana ny apostoly Paoly no nilaza fa hoatran’ny ‘harena ao anaty vilany tany’ ny fanompoantsika? b) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tena tiany ny fanompoana?

8 Asain’i Jesosy mitory sy mampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika. (Mat. 28:19, 20) Niaiky ny apostoly Paoly fa tena sarobidy izany fanompoana izany. Nohariny tamin’ny ‘harena ao anaty vilany tany’ ny fanompoana mifandray amin’ny fifanekena vaovao. (2 Kor. 4:7; 1 Tim. 1:12) Tsy lavorary mantsy isika, ka toy ny vilany tany. Toy ny harena sarobidy kosa ny zavatra torintsika, satria manampy antsika sy izay mihaino antsika mba hiaina mandrakizay. Hoy àry i Paoly: “Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.” (1 Kor. 9:23) Tena tian’i Paoly ny fanompoana, ka niezaka mafy izy nampianatra ny olona momba ilay Fanjakana. (Vakio ny Romanina 1:14, 15; 2 Timoty 4:2.) Lasa nahavita nitory foana izy na dia nenjehina mafy aza. (1 Tes. 2:2) Inona no hataontsika raha manahaka azy isika?

9. Inona avy no azontsika atao mba hampisehoana fa tena tiantsika ny fanompoana?

9 Ahoana koa no nampisehoan’i Paoly fa tena tiany ny fanompoana? Nanararaotra nitory izy isaky ny afaka nanao izany. Manahaka ny apostoly sy ireo Kristianina voalohany isika, ka mitory isan-trano sy any amin’ny toerana be olona. Itoriantsika koa izay sendra tafahaona amintsika. (Asa. 5:42; 20:20) Mitady fomba hampitomboana ny fanompoantsika koa isika. Manao mpisava lalana mpanampy na maharitra, ohatra, isika raha afaka manao an’izany. Mianatra fiteny vahiny koa angamba isika, na manitatra ao amin’ny tany misy antsika na any an-tany hafa mihitsy.—Asa. 16:9, 10.

10. Inona no vokatry ny ezaka mafy nataon’i Irene mba hitoriana ny vaovao tsara?

10 Eritrereto i Irene, anabavy mpitovo any Etazonia. Tena te hitory tamin’ny olona miteny rosianina nifindra monina tany izy. Nifindra tany amin’ny antoko-mpitory miteny rosianina tany New York àry izy, tamin’ny 1993. Mpitory 20 teo ho eo monja no tao tamin’izany. Niezaka mafy izy nandritra ny 20 taona teo ho eo mba hitory tamin’ny olona miteny rosianina. Hoy izy: “Mbola tsy mahay miteny rosianina tsara foana aho.” Nampian’i Jehovah anefa izy sy ireo mpitory hafa nanao hoatr’azy. Misy fiangonana enina miteny rosianina izao any New York. Nisy 15 tamin’ny olona nampianarin’i Irene koa no vita batisa. Betelita ny sasany, ary mpisava lalana na anti-panahy ny sasany. Hoy i Irene: “Tsy mino aho hoe ho faly be hoatr’izao raha zavatra hafa no nataoko tanjona.” Tena sarobidy amin’i Irene tokoa ny fanompoany!

Sarobidy aminao ve ny fanompoana, ka mandray anjara amin’izy io ianao isan-kerinandro? (Fehintsoratra 11, 12)

11. Inona no ho vokany raha mitory foana isika na dia misy fanenjehana aza?

11 Raha sarobidy amintsika ny fanompoana, dia hanahaka ny apostoly Paoly isika ka hitory foana na dia misy fanenjehana aza. (Asa. 14:19-22) Nenjehina mafy, ohatra, ny mpiara-manompo amintsika tany Etazonia, teo anelanelan’ny taona 1930 sy 1944. Nanahaka an’i Paoly anefa izy ireo ka tsy nivadika mihitsy fa nitory foana. Rehefa tsy navelan’ny manam-pahefana hitory izy ireo, dia nankany amin’ny fitsarana mba hiaro ny zony hanao izany. Imbetsaka izy ireo no nandresy. Nisy raharaha nampakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, indray mandeha, ary nandresy isika. Izao no nolazain’ny Rahalahy Nathan Knorr momba an’ilay izy, tamin’ny 1943: “Niezaka mafy ianareo matoa nandresy imbetsaka isika. Raha tsy nitory foana ny mpitory, dia tsy ho nisy raharaha nampakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony. Tsy nilavo lefona mihitsy ianareo mpitory rehetra eran’izao tontolo izao fa nitory foana, ka resy ny mpanenjika. Tsy nivadika mihitsy ny mpanompon’ny Tompo, dia nandresy tamin’ny fitsarana isika.” Tsy nivadika hoatr’izany koa ny mpiara-manompo tany an-tany hafa, dia nandresy imbetsaka. Tsy hahavita hisakana antsika tsy hitory àry ny mpanenjika raha tia manompo isika.

12. Tapa-kevitra hanao inona ianao?

12 Raha toy ny harena sarobidy avy amin’i Jehovah ny fanompoana amintsika, dia tsy ny “hanenjika ora” fotsiny no ho tanjontsika. Hanao izay rehetra azontsika atao kosa isika, mba ‘hitoriana amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’ (Asa. 20:24; 2 Tim. 4:5) Inona anefa no hampianarintsika ny olona rehefa mitory aminy isika? Andeha isika handinika zavatra hafa tena sarobidy omen’i Jehovah antsika.

SAROBIDY NY FAHALALANA ANANANTSIKA

13, 14. Inona ilay ‘trano fitehirizana’ resahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 13:52, ary ahoana no hamenoana azy io?

13 Manana harena hafa tena sarobidy koa isika, dia ny fahamarinana ampahafantarin’i Jehovah antsika. Andriamanitry ny fahamarinana mantsy izy. (2 Sam. 7:28; Sal. 31:5) Tia mizara izy, ka ampahafantariny an’izay matahotra azy ny marina. Be dia be ny zavatra lasa fantatsika hatramin’ny nianarantsika ny fahamarinana. Tao amin’ny Baiboly sy ireo bokintsika ary tany amin’ny fivoriana sy fivoriambe no nahalalantsika azy ireny. Lasa hoatran’ny hoe manana ‘trano fitehirizana’ isika izao, ka ao daholo ny zavatra nianarantsika efa ela sy vao haingana. (Vakio ny Matio 13:52.) Raha mikaroka ny marina toy ny fikaroka harena miafina isika, dia hanampy antsika i Jehovah ka hitombo foana ny zavatra fantatsika sy voangontsika ao amin’ilay ‘trano fitehirizana.’ (Vakio ny Ohabolana 2:4-7.) Inona àry no tokony hataontsika?

14 Tsy maintsy mianatra samirery tsy tapaka isika ary mikaroka tsara ao amin’ny Baiboly sy ny bokintsika. Hianatra zavatra “vaovao” isika amin’izay, izany hoe zavatra mbola tsy fantatsika. (Jos. 1:8, 9; Sal. 1:2, 3) Nilaza ny laharana voalohany tamin’ity gazety ity, tamin’ny Jolay 1879, fa hoatran’ny voninkazo kely iray mitady ho saron’ny ahidratsy mandrobona be ny fahamarinana. Tsy hahita an’io voninkazo io ny olona iray raha tsy mikaroka tsara. Rehefa hitany anefa ilay izy, dia tsy tokony hianina amin’izay izy fa mbola tokony hitady hafa. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika rehefa misy zavatra iray lasa fantatsika. Tsy hianina amin’izany isika fa hikaroka foana mba hahalalana zavatra hafa.

15. Nahoana no azo lazaina hoe “tranainy” ny fahamarinana sasany nianarantsika, ary inona amin’ireny no tena sarobidy aminao?

15 Lasa nahalala zavatra tena sarobidy isika rehefa nanomboka nianatra Baiboly. Mety tsara raha hatao hoe “tranainy” ny zavatra nianarantsika tamin’izany, satria ireny no fantatsika voalohany. Anisan’izany ny hoe i Jehovah no Mpamorona sy Mpanome aina, ary misy zavatra tiany hatao ho an’ny olombelona. Nianarantsika koa hoe tena tia antsika izy, ka nataony sorona ny Zanany mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Lasa fantatsika koa hoe hanafoana ny fijaliana rehetra ny Fanjakany, ary afaka ny hiaina mandrakizay sy ho sambatra isika rehefa io Fanjakany io no hitondra.—Jaona 3:16; Apok. 4:11; 21:3, 4.

16. Inona no tokony hataontsika rehefa hahitsy ny fanazavana avoakan’ny fandaminana?

16 Mety hahitsy indraindray ny fahazoantsika ny faminaniana na andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Rehefa misy fanazavana vaovao avoakan’ny fandaminana àry, dia mila maka fotoana isika mba hianarana tsara sy hisaintsainana an’ilay izy. (Asa. 17:11; 1 Tim. 4:15) Tokony hiezaka isika mba hahazo tsara hoe inona no tena maha samy hafa an’ilay fanazavana taloha sy ilay vaovao. Tokony hofantarintsika tsara koa anefa ny tsipiriany tsy mampitovy azy. Ho voatahiry tsara ao amin’ilay ‘trano fitehirizana’ amin’izay ny zavatra vaovao hianarantsika. Nahoana isika no mila manao ezaka be hoatr’izany?

17, 18. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika?

17 Nilaza i Jesosy fa afaka mampahatsiahy antsika an’izay nianarantsika ny fanahy masina. (Jaona 14:25, 26) Nahoana izany no manampy antsika rehefa mitory isika? Diniho izay nitranga tamin’ny rahalahy atao hoe Peter, tamin’ny 1970, tamin’izy 19 taona. Vao nanomboka niasa kelikely tao amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne izy tamin’izay. Nitory isan-trano izy, indray mandeha, dia nihaona tamin’ny rangahy iray be volombava, tokotokony ho 50 taona. Nanontanian’i Peter izy raha te hahazo an’izay lazain’ny Baiboly. Tezitra ilay rangahy satria mpitondra fivavahana jiosy, hono, izy ka i Peter indray ve no mba hampianatra azy. Te hitsapa an’i Peter izy, ka nanontany hoe: “Tamin’ny teny inona àry no nanoratana ny bokin’i Daniela, raha fantatr’ialahy?” Namaly i Peter hoe: “Tamin’ny teny aramianina ny sasany.” Gaga be ilay rangahy hoe fantatr’i Peter ny valiny. I Peter koa aza anefa mba gaga hoe fa ahoana no nahaizany an’izany! Hoy i Peter: “Nijery tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nivoaka vao haingana aho rehefa tonga tany an-trano, dia nahita lahatsoratra nanazava hoe tamin’ny teny aramianina no nosoratana ny bokin’i Daniela.” Hitantsika amin’izany fa vitan’ny fanahy masina ny mampahatsiahy antsika an’izay hevitra efa novakintsika sy nataontsika tao amin’ilay ‘trano fitehirizana.’—Lioka 12:11, 12; 21:13-15.

18 Raha mankasitraka ny fahamarinana ampahafantarin’i Jehovah antsika isika, dia hiezaka foana mba hanangona azy ireny ao amin’ny trano fitehirizana. Vao mainka hahay hampianatra ny fahamarinana isika, raha manao an’izany foana.

AROVY NY HARENA SAROBIDY ANANANAO

19. Nahoana isika no mila miaro ny harena ara-panahy ananantsika?

19 Miezaka foana i Satana sy ity tontolo ity mba hampihena ny fitiavantsika harena ara-panahy na hahatonga antsika tsy ho tia an’ilay izy mihitsy. Mety hitranga amintsika izany. Mety hisy hampanantena asa be karama, ohatra, isika, na hanonofinofy fiainana miadana, na halaim-panahy hampideradera fananana. Nampitandrina antsika anefa ny apostoly Jaona hoe mandalo ity tontolo ity sy ny faniriany. (1 Jaona 2:15-17) Tokony ho mailo tsara àry isika mba tsy hisy zavatra hafa ho tiantsika kokoa noho ny harena ara-panahy ananantsika. Mila miezaka mafy isika mba hankasitraka azy ireny foana.

20. Tapa-kevitra hanao inona ianao mba hiarovana ny harenanao ara-panahy?

20 Tokony ho vonona hamoy an’izay rehetra mety hampihena ny fitiavanao ny Fanjakan’Andriamanitra àry ianao. Mazotoa mitory foana, ary aza avela hihena mihitsy ny fitiavanao ny fanompoana. Karohy foana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Amin’izay ianao dia hanangona ‘harena any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra hatonina ary tsy lanin’ny bibikely.’ ‘Any amin’izay misy ny harenanao’ mantsy ‘dia ho any koa ny fonao.’—Lioka 12:33, 34.