Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hifandamina ary Tandrovy ny Fihavanana

Miezaha Hifandamina ary Tandrovy ny Fihavanana

MAMPIRISIKA ny mpanompony ho tia fihavanana i Jehovah Andriamanitra. Tiany hitandro fihavanana foana isika. Raha manao an’izany isika, dia hihavana tsara ny fiangonana ka hanintona ny olon-kafa tia fihavanana.

Voamariky ny mpimasy iray malaza eto Madagasikara, ohatra, fa tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nieritreritra izy hoe: ‘Raha izaho no hivavaka indray andro any, dia any aho no handeha.’ Tsy nilalao ody intsony izy tatỳ aoriana, ary niezaka be nandritra ny volana maro mba hampifanaraka ny fanambadiany amin’izay lazain’ny Baiboly. Lasa mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fiadanana, izy.

An’arivony isan-taona no lasa mpanompon’i Jehovah hoatran’io lehilahy io. Tsapany hoe mifankatia ny fiangonana, ary izany fihavanana izany mihitsy no tena tadiaviny. Milaza anefa ny Baiboly fa mety hiady amin’ny namantsika sy hampisy olana eo anivon’ny fiangonana isika, raha “be fialonana sy tia mifanditra.” (Jak. 3:14-16) Soa ihany fa atoron’ny Baiboly koa hoe ahoana no hisorohana an’izany ary inona no tokony hatao mba hifanaraka tsara kokoa isika. Hojerentsika àry hoe inona no vokany rehefa nanaraka an’ireny toro lalana ireny ny olona sasany.

OLANA SY VAHAOLANA

“Sarotra be tamiko ny nifandray tamin’ny rahalahy iray niara-niasa tamiko. Nifampivazavaza izahay, indray mandeha. Nisy olona roa niditra tao amin’ilay toerana nisy anay tamin’izay, dia nahita anay nifamaly.”​—CHRIS.

“Niara-nanompo matetika izaho sy izay rahavavy izay, nefa tampotampoka teo dia tsy nety niaraka tamiko intsony izy. Tsy niresaka tamiko intsony koa aza izy. Tsy haiko ny antony.”​—JANET.

“Telo izahay no nifampiresaka tamin’ny telefaonina, indray mandeha. Nanao veloma ilay anankiray, dia nieritreritra aho hoe efa notapahiny ny telefaoniny. Nanaratsy azy aho avy eo. Hay kay mbola tao izy dia henony daholo ilay izy.”​—MICHAEL.

“Nisy mpisava lalana roa tsy nifankahazo tao amin’ny fiangonanay. Nasiaka be tamin’ilay iray foana ilay anankiray. Kivy ny olona nahita ny nataon-dry zareo.”​—GARY.

Mety hieritreritra ianao hoe tsy olana lehibe ireo. Mety ho nahatonga an’ireo olona ireo halahelo be foana anefa ny zava-nitranga, sady mety ho nampisara-bazana ny fiangonana. Soa ihany fa nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo dia efa mihavana tsara indray. Inona no toro lalana nampiharin’izy ireo?

“Aza mifampila vaniny ianareo eny an-dalana eny.” (Gen. 45:24) I Josefa no nilaza an’izany tamin’ny rahalahiny, tamin’izy ireo hody tany amin’ny dadany. Tena tsara ny torohevitra nomeny. Mety hampahatezitra ny hafa mantsy ny olona iray raha tsy mifehy ny fihetseham-pony fa mora tezitra. Tsapan’i Chris fa nanambony tena izy sady tsy tia toroana hevitra. Te hiova izy ka niala tsiny tamin’ilay rahalahy niadivany, ary niezaka mafy mba tsy ho mora tezitra. Nahita azy niova ilay rahalahy, dia niezaka niova koa. Faly izy ireo izao miara-manompo an’i Jehovah.

“Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana.” (Ohab. 15:22) Hitan’i Janet hoe nila nampihatra an’izany izy. Nandeha niresaka tamin’ilay rahavavy àry izy. Nanontany azy moramora i Janet hoe inona no nampalahelo azy. Samy hafahafa izy roa tamin’ny voalohany. Rehefa nandeha anefa ny resaka sady tony tsara ry zareo, dia lasa samy nahazo aina. Tonga saina ilay rahavavy hoe hay izy no diso fandray zavatra, sady tsy nahakasika an’i Janet akory ilay izy. Niala tsiny izy, ary lasa miara-manompo an’i Jehovah indray izy roa izao.

“Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.” (Mat. 5:23, 24) I Jesosy no nanome an’io torohevitra io, tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Nanenina be i Michael rehefa tsapany hoe ratsy fanahy be izy. Tapa-kevitra àry izy fa hanao izay hihavanana amin’ilay rahalahy. Nanetry tena izy dia nandeha niala tsiny tany aminy. Inona no vokany? Hoy i Michael: “Namela ahy tamin’ny fony manontolo izy.” Lasa mpinamana indray izy roa lahy.

“Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kol. 3:12-14) Nisy anti-panahy tsara fanahy nanampy an’ireo mpisava lalana roa tsy nifankahazo. Nampiany hisaintsaina izy ireo hoe: Mety ve raha miady ry zareo dia lasa malahelo ny olon-kafa? Misy antony tena lehibe ve mahatonga an-dry zareo tsy ho afaka hifampizaka sy hiaraka hanompo tsara an’i Jehovah? Nanaiky hahitsy izy roa, ary nanaraka ny torohevitr’ilay anti-panahy. Mifanaraka tsara ry zareo izao, ary faly miara-mitory ny vaovao tsara.

Raha nisy nampahatezitra anao, dia tsara aloha ny mampihatra an’ilay Kolosianina 3:12-14. Maro no mahatsapa hoe rehefa manetry tena izy, dia vitany ny mamela heloka sy manadino an’ilay zavatra nampahatezitra azy. Ahoana anefa raha tsy vitanao izany nefa ianao efa niezaka? Azo atao indray ny mampihatra ny Matio 18:15. Marina fa rehefa misy fahotana lehibe vao tena tokony hampiharina io torohevitr’i Jesosy io. Azo ampiharina anefa izy io isaky ny manana olana amin’ny mpiara-manompo isika. Manatòna fotsiny an’ilay olona, dia resaho aminy ilay olana ary miezaha handamina an’ilay izy. Tokony hanetry tena sy ho tsara fanahy ianao amin’izay.

Misy soso-kevitra maro hafa tena tsara ao amin’ny Baiboly. Matetika izy ireny no manasongadina fa ilaina ny maneho “ny vokatry ny fanahy”, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy”, ary “fifehezan-tena.” (Gal. 5:22, 23) Toy ny menaka mampandeha tsara ny milina iray ireo toetra ireo. Mora kokoa ny mihavana amin’ny olona rehefa manana an’ireo isika.

TSY VOATERY HO RATSY NY HOE TSY MITOVY TOETRA

Samy manana ny maha izy azy ny olona. Midika izany hoe samy manana ny toetra mampiavaka antsika isika, ary tsy mitovy ny fomba fihevitsika sy ny fomba fanehoantsika an’izany. Mahatonga ny fifandraisana hahafinaritra ireny toetra samy hafa ireny. Mety hahatonga antsika tsy hifankahazo koa anefa izy ireny. Nilaza, ohatra, ny anti-panahy iray efa za-draharaha hoe: “Mety ho sarotra amin’ny olona saro-kenatra ny hifandray amin’ny olona sariaka be sy maresaka be. Hoatran’ny hoe tsy dia mampaninona izany, nefa mety hampisy olana be.” Tsy afaka ny hifankahazo mihitsy àry ve ny olona tsy mitovy toetra? Eritrereto ny apostoly Petera sy ny apostoly Jaona. Taitaitra sy mahitsihitsy fiteny angamba i Petera aminao, fa i Jaona indray be fitiavana sady mahavita mitandrina tsara an’izay lazainy sy ataony. Misy maha marina an’ireo ihany. Toa samy hafa mantsy ny toetran’i Petera sy Jaona. Niara-niasa tsara anefa izy ireo. (Asa. 8:14; Gal. 2:9) Midika izany hoe afaka miara-miasa tsara isika, na dia tena tsy mitovy aza ny toetrantsika.

Ahoana àry raha nampahatezitra anao ny zavatra nolazain’ny rahalahy iray, na ny zavatra nataony? Tadidio fa maty ho azy i Kristy, ary tokony hasehonao hoe tianao izy. (Jaona 13:34, 35; Rom. 5:6-8) Aza mihatakataka aminy àry, na tonga dia manapa-kevitra hoe tsy hinamana aminy intsony. Diniho kosa izao: ‘Voararan’ny Baiboly ve ny zavatra ataony? Ratsy saina ve izy, ka manao fanahy iniana mampahatezitra ahy? Sa ve ny toetranay fotsiny no tsy mitovy?’ Tena tsara koa ny misaintsaina an’izao: ‘Inona no toetra tsarany mety ho azoko alaina tahaka?’

Ahoana, ohatra, raha maresaka be ny rahalahy na anabavy iray, fa ianao kosa be tsy miteny? Azo inoana fa mora aminy ny manombo-dresaka rehefa mitory. Nahoana àry raha mangataka hiara-mitory aminy, dia mba mijery izay azonao tahafina? Ary ahoana raha malala-tanana izy, fa ianao somary kahihitra? Maninona raha manahaka azy dia manome ho an’ny zokiolona sy ny marary ary ny mahantra? Ho hitanao amin’izay fa mahafaly ny manome. Hita amin’izany àry fa na tsy mitovy aza ianareo, dia afaka ny ho mpinamana raha samy mifantoka amin’ny toetra tsara. Mety tsy ho lasa mpinamana be ianareo, nefa azo inoana fa hifandray akaiky kokoa. Hilamin-tsaina kokoa ianao amin’izay, ary hiray saina kokoa ny fiangonana.

Nisy anabavy roa atao hoe Eodia sy Syntyke tamin’ny taonjato voalohany. Samy hafa be angamba ny toetran’izy ireo. Nampirisika azy ireo anefa ny apostoly Paoly mba “hiray saina ao amin’ny Tompo.” (Fil. 4:2) Hiezaka hampihatra an’izany torohevitra izany koa ve ianao ary hitandro fihavanana foana?

AZA AVELA HITOHY NY OLANA

Azo oharina amin’ny ahidratsy ao amin’ny zaridaina feno voninkazo tsara tarehy ny lonilony. Raha tsy hongotantsika ilay ahidratsy, dia ho feno azy ilay zaridaina. Raha avelantsika hamaka ao am-pontsika koa ny lonilony, dia mety hanimba ny fiangonana iray manontolo. Raha tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo àry isika, dia hanao izay rehetra azontsika atao mba hiray saina foana ny fiangonana.

Tena hisy vokany tsara raha manetry tena ianao ka miezaka ny hihavana amin’ilay olona

Tena hisy vokany tsara raha ny hihavana no hataontsika tanjona rehefa mandamina tsy fifanarahana isika. Hoy ny anabavy iray: “Tsy tiako mihitsy ny nataon’ny rahavavy iray tamiko fa nataony hoatran’ny zazakely aho. Vao mainka tezitra aho dia lasa niketoketoka azy rehefa niresaka izahay. Nieritreritra aho hoe: ‘Rehefa tsy manaja ahy izy, dia tsy hohajaiko koa.’”

Nandini-tena izy avy eo. Hoy izy: “Lasa fantatro ny toetra ratsiko, ka kivy be aho. Tonga saina aho hoe nila nanova ny fomba fisainako. Nivavaka tamin’i Jehovah momba an’ilay olana aho, dia nividianako fanomezana kely ilay rahavavy. Nomeko karta kely koa izy. Nosoratako tao hoe miala tsiny aho fa tsy nety ny nataoko. Nifamihina izahay dia nifanaraka hoe aleo hivalona any ny lasa. Tsy nanana olana intsony izahay taorian’izay.”

Tena te hifandray tsara amin’ny hafa ny olona. Raha vao manambony tena anefa izy na matahotra hoe hisy haka ny toerany, dia mety hanao zavatra mampiady. Izany matetika no ataon’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy tokony hanao an’izany kosa ny mpanompon’i Jehovah, fa tokony hiray saina sy hihavana tsara. Nasain’i Jehovah nanoratra toy izao i Paoly: “Miangavy anareo aho ... mba hitondra tena mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo ianareo, ary hanao izany amim-panetren-tena sy amim-pahalemem-panahy tanteraka, ary amin’ny fahari-po, ka hifampizaka amim-pitiavana, sy hiezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.” (Efes. 4:1-3) Tena sarobidy ny fihavanana, satria “fatorana mampiray” antsika. Enga anie àry isika ho tapa-kevitra ny hifandamina rehefa misy ny tsy fifanarahana, dia vao mainka ho mafy io “fatorana” io.