Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hidera An’i Jehovah?

Nahoana Isika no Tokony Hidera An’i Jehovah?

‘Miderà an’i Jah, fa mahafinaritra izany. Mety ny midera azy.’ —SAL. 147:1.

HIRA: 59, 3

1-3. a) Mety ho oviana ny Salamo faha-147 no nosoratana? b) Inona no voaresaka ao amin’io salamo io?

MENDRIKA hoderaina ny olona mahavita zavatra tsara, na manana toetra tena tsara. Koa raha olombelona aza mendrika hoderaina, tsy mainka ve fa i Jehovah Andriamanitra? Midera azy isika satria hita amin’ny zavatra noforoniny hoe tena mahery izy. Midera azy koa isika satria tena tia antsika izy matoa nanome ny Zanany ho vidim-panavotana.

2 Tena nazoto nidera an’i Jehovah ny mpanoratra ny Salamo faha-147, ary nampirisika ny hafa hanao an’izany koa.—Vakio ny Salamo 147:1, 7, 12.

3 Tsy fantatsika hoe iza no nanoratra an’io salamo io, fa mety ho tamin’ny fotoana nanafahan’i Jehovah ny Israelita tany Babylona izy io no nosoratana. Niverina tany Jerosalema izy ireo tamin’izay, ka afaka nanompo an’i Jehovah tany an-tanindrazany indray. (Sal. 147:2) Nahatonga an’ilay mpanao salamo hidera an’i Jehovah izany. Nilaza antony hafa tokony hiderana an’i Jehovah koa izy. Inona avy izany? Nahoana ianao no tokony ‘hidera an’i Jah’?—Sal. 147:1.

MANASITRANA AN’IREO TOROTORO FO I JEHOVAH

4. Inona no tsapan’ny Israelita rehefa nanafaka azy ireo i Kyrosy Mpanjaka, ary nahoana?

4 Eritrereto hoe inona no tsapan’ireo Israelita babo tany Babylona. Naneso azy ireo ny Babylonianina hoe: “Anaovy hiran’i Ziona izahay.” Azo antoka fa tsy te hihira ry zareo, satria i Ziona na Jerosalema aza rava. Izy io anefa no tena antom-pifalian’izy ireo. (Sal. 137:1-3, 6) Nalahelo be ry zareo ka nila nampaherezina sy nampiononina. Efa nampanantena i Jehovah hoe hanafaka azy ireo. Tanteraka ny teniny rehefa nandresy an’i Babylona i Kyrosy mpanjakan’i Persa. Hoy i Kyrosy: ‘Naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema i Jehovah. Koa na iza na iza manompo azy aminareo, dia homba azy anie i Jehovah Andriamaniny! Dia aoka izy hiakatra.’ (2 Tan. 36:23) Azo antoka fa nampahery an’ireo Israelita tany Babylona izany.

5. Inona no nolazain’ny mpanao salamo momba an’i Jehovah?

5 Tsy ny firenen’Israely ihany no nampaherezin’i Jehovah, fa ny Israelita tsirairay koa. Hoatr’izany koa no ataony amin’izao. Milaza ny mpanao salamo fa “manasitrana an’ireo torotoro fo izy, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.” (Sal. 147:3) Raha marary àry isika na kivy, dia azo antoka fa hikarakara antsika i Jehovah. Tena vonona hampahery antsika foana izy ary te hanasitrana ny ratram-pontsika. (Sal. 34:18; Isaia 57:15) Omeny fahendrena sy hery isika mba hahavitantsika hiatrika an’izay olana mahazo antsika.—Jak. 1:5.

6. Nahoana no mampahery antsika ny Salamo 147:4? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Nijery ny lanitra ilay mpanao salamo avy eo. Nilaza izy fa “manisa ny kintana” i Jehovah, ary ‘miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.’ (Sal. 147:4) Be dia be ny kintana hitan’ilay mpanao salamo, saingy tsy fantany ny isany. Ny mpahay siansa amin’izao kosa mahafantatra fa misy kintana an’arivony tapitrisa ao amin’ny vahindanitra misy ny tany. Mety ho an-tapitrisa tapitrisany anefa ny vahindanitra eran’izao rehetra izao. Tsy ho voaisantsika mihitsy àry ny kintana. Ny Mpamorona anefa mahavita an’izany. Fantany tsara ny kintana tsirairay, ary nomeny anarana mampiavaka azy izy rehetra. (1 Kor. 15:41) Fantany foana koa izay misy ny tsirairay amin’izy ireny. Ary isika olombelona? Fantany tsara isika tsirairay: Fantany hoe aiza no misy anao, inona no ao am-ponao, ary inona no ilainao.

7, 8. a) Inona no tadidin’i Jehovah rehefa manampy antsika izy? b) Milazà ohatra mampiseho fa mangoraka ny olona tsy lavorary i Jehovah.

7 Tsy hoe mahafantatra an’izay manjo anao fotsiny i Jehovah, fa miara-ory aminao koa ary manana hery hanampiana anao. (Vakio ny Salamo 147:5.) Mety hieritreritra ianao hoe mafy loatra ny manjo anao, ka tsy ho vitanao ny hiatrika an’ilay izy. Fantatr’Andriamanitra anefa hoe inona no ho vitantsika sy tsy ho vitantsika, satria “tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Sal. 103:14) Tsy lavorary isika ka mamerina foana ny fahadisoana efa nataontsika. Mety hiteniteny foana isika na hieritreri-dratsy na hialona, ka hanenina tongotra aman-tanana. Tsy manao fahadisoana hoatr’izany i Jehovah, nefa azony tsara izay ao am-pontsika amin’ireny fotoana ireny.—Isaia 40:28.

8 Nisy fotoana angamba ianao niatrika zava-tsarotra, nefa nanampy anao Andriamanitra. (Isaia 41:10, 13) Izany no nanjo an’i Kyoko, anabavy mpisava lalana. Kivy be izy rehefa voatendry hanompo tany amin’ny faritany hafa. Ahoana no nahafantarany fa azon’i Jehovah tsara ny nanjo azy? Nisy mpiara-manompo maro nahazo tsara ny fihetseham-pony tao amin’ilay fiangonana vaovao nisy azy. Nilaza izy fa hoatran’ny hoe niteny taminy i Jehovah hoe: “Tena tiako ianao. Tsy hoe satria ianao mpisava lalana dia tiako be, fa satria ianao zanako ary nanokan-tena ho ahy. Anisan’ny Vavolombeloko ianao, ary tiako hankafy ny fiainanao.” Ary ianao? Ahoana no nampisehoan’i Jehovah taminao fa “mahira-tsaina tsy misy hoatr’izany” izy ka mahalala tsara anao?

MANOME IZAY ILAINTSIKA I JEHOVAH

9, 10. Inona no tena ataon’i Jehovah rehefa manampy antsika? Manomeza ohatra.

9 Mety ho sakafo na akanjo na trano indraindray no ilaintsika. Mety hitebiteby, ohatra, ianao hoe sao dia tsy ho ampy ny sakafonao. Nataon’i Jehovah mamokatra sakafo ampy ho an’ny olona rehetra anefa ny tany. Na ny zana-goaika mikiakiaka mitady sakafo aza mahazo. (Vakio ny Salamo 147:8, 9.) Koa raha ny zana-goaika aza omen’i Jehovah sakafo foana, dia azo antoka fa homeny an’izay ilainao koa ianao.—Sal. 37:25.

10 Ampian’i Jehovah koa anefa isika mba hanana finoana matanjaka, ary izany no tena zava-dehibe. Omeny ny fiadanany isika, ary “lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” izy io. (Fil. 4:6, 7) Eritrereto ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Mutsuo sy ny vadiny any Japon. Nisy tsunami tany tamin’ny 2011. Raha tsy niakatra tany an-tafon-tranony ry zareo tamin’izay, dia efa maty. Saika tsy nisy niangana ny fananan’izy ireo. Nankao ambony rihana tao amin’ilay tranony efa simba be ry zareo avy eo, ary nijanona tao nandritra ny alina. Maizina be tao tamin’izay sady nangatsiaka be. Nitady zavatra hampahery azy ry zareo ny ampitso maraina, ary tsy nahita afa-tsy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006. Ilay hoe “Tsunami nahafaty olona be indrindra hatramin’izay” no tonga dia hitan’i Mutsuo tao. Voaresaka tao ilay horohoron-tany nahatonga tsunami tany Sumatra, tamin’ny 2004. Io no tsunami nahery vaika indrindra hatramin’izay. Nitomany i Mutsuo sy ny vadiny rehefa namaky an’ilay tantara. Nampahery azy ireo ilay izy, ka niaiky izy ireo hoe be fitiavana i Jehovah ary nanome izay tena nilainy tamin’ny fotoana nilany azy. Nomen’i Jehovah ny zavatra hafa nilainy koa anefa izy ireo. Nandefa sakafo sy akanjo ho an-dry zareo ny mpiara-manompo. Naniraka rahalahy hitsidika azy ireo koa ny fandaminan’i Jehovah, ary izany no nampahery azy ireo indrindra. Hoy i Mutsuo: “Teo anilanay tsirairay mihitsy i Jehovah ary nikarakara anay. Mampahery izany!” Izay hahatonga antsika hanana finoana matanjaka àry no tena ataon’i Jehovah. Omeny an’izay zavatra hafa ilaintsika koa anefa isika.

ATAOVY IZAY HAHAZOANA NY FANAMPIANY

11. Inona no tokony hataontsika raha te hahazo ny fanampian’i Jehovah isika?

11 “Manao izay hahamaivana ny fahorian’ny mpandefitra i Jehovah.” (Sal. 147:6a) Vonona hanampy azy ireo foana izy. Inona anefa no tokony hataontsika mba hahazoana ny fanampiany? Mila mifandray tsara aminy isika. Raha te hifandray tsara aminy anefa isika, dia mila miezaka mandefitra. (Zef. 2:3) Miandry an’i Jehovah mba hanitsy ny tsy rariny sy hanafoana ny fijaliany ny olona mandefitra. Ankasitrahan’i Jehovah ny olona toy izany.

12, 13. a) Inona no tokony hohalavirintsika raha tiantsika ny hampian’i Jehovah? b) Iza no ankasitrahan’i Jehovah?

12 Ny ratsy fanahy kosa ‘aetrin’i Jehovah amin’ny tany.’ (Sal. 147:6b) Tena mampahatahotra izany! Raha tsy tiantsika ho tezitra amintsika àry i Jehovah fa ho tia antsika foana, dia tsy maintsy mankahala ny zavatra halany isika. (Sal. 97:10) Mila mankahala ny fijangajangana, ohatra, isika. Midika izany hoe tsy maintsy halavirintsika izay rehetra mety hahatonga antsika hijangajanga, anisan’izany ny sary vetaveta. (Sal. 119:37; Mat. 5:28) Mety hiady mafy isika vao hahavita an’izany. Na mafy aza anefa izany dia tokony hiezaka isika, satria hotahin’i Jehovah isika raha manao an’izany.

13 Mila matoky an’i Jehovah isika fa tsy miady irery, raha te handresy fanirian-dratsy. Milaza ny Salamo 147:10 hoe “tsy ny tanjaky ny soavaly no mahafinaritra” an’i Jehovah, ary “tsy ny hafainganan-tongotry ny olona no ankasitrahany.” Midika izany hoe tsy tian’i Jehovah raha matoky tena isika na miantehitra amin’ny olon-kafa. Tsy maintsy mitalaho aminy isika mba hanampiany antsika. Tsy hoatran’ny olona mantsy i Jehovah ka hoe ho leo mihaino antsika. Vonona hihaino antsika foana izy, na imbetsaka aza isika no mitalaho fanampiana aminy. “Ny olona matahotra azy no ankasitrahan’i Jehovah, eny, ny olona miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.” (Sal. 147:11) Tia antsika foana àry i Jehovah, ka matoky isika fa hampiany foana mba handresy ny fanirian-dratsy.

14. Inona no nampahery an’ilay mpanao salamo?

14 Nieritreritra ny fomba nanampian’i Jehovah ny Israelita tamin’izy ireo niverina tany Jerosalema ilay mpanao salamo. Hoy izy: “Manamafy ny bara hidin’ny vavahadinao izy, ary mitahy ny zanakao eo aminao. Ataony manjaka ao amin’ny faritra misy anao ny fiadanana.” (Sal. 147:13, 14) Tena nampahery an’ilay mpanao salamo ny nahalala fa hohamafisin’i Jehovah ny vavahadin’ny tanàna, ka ho voaro ny vahoakany. Manome toky antsika izany fa hanampy antsika i Jehovah rehefa mila an’izany isika.

Nahoana ny Tenin’Andriamanitra no manampy antsika rehefa manana olana isika ka mitebiteby be? (Fehintsoratra 15-17)

15-17. a) Inona no mety hitranga rehefa manana olana isika, ary ahoana no ampiasan’i Jehovah ny Teniny mba hanampiana antsika? b) Manomeza ohatra manaporofo fa “haingana erỳ ny fihazakazaky” ny Tenin’i Jehovah.

15 Mety hitebiteby be ianao rehefa manana olana. Afaka manome fahendrena anao anefa i Jehovah mba hahavitanao hiatrika an’ilay izy. Nilaza ny mpanao salamo fa “mandefa ny didiny etỳ an-tany” i Jehovah, ka “haingana erỳ ny fihazakazaky ny teniny.” Nilaza koa izy hoe “manome lanezy” i Jehovah ary ‘manaparitaka sy manipy ranomandry.’ Nanontany izy avy eo hoe: “Iza no mahatanty ny hatsiaka aeliny?” Nilaza koa izy fa “mandefa ny teniny” i Jehovah “dia mitsonika ireny.” (Sal. 147:15-18) Hita amin’izany fa mahavita mifehy ny ranomandry sy ny lanezy ilay Andriamanitra mahay ny zava-drehetra sy mahery indrindra. Azo antoka àry fa vitany koa ny manampy anao hiatrika an’izay olana mahazo anao.

16 Mitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny Baiboly i Jehovah. “Haingana erỳ ny fihazakazaky ny teniny”, izany hoe mailaka manome tari-dalana antsika izy isaky ny mila an’izany isika. Eritrereto ny soa azonao rehefa mamaky Baiboly, mianatra an’ireo boky sy gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mijery Tele JW, mankao amin’ny jw.org, miresaka amin’ny anti-panahy, ary miaraka amin’ny mpiara-manompo. (Mat. 24:45) Tsy hitanao ve hoe mailaka manome tari-dalana anao i Jehovah?

17 Nanampy an’i Simone ny Tenin’Andriamanitra. Nahatsiaro ho tsy misy dikany izy. Nieritreritra mihitsy aza izy hoe tsy ho tia azy mihitsy Andriamanitra. Nivavaka foana anefa izy isaky ny kivy, dia nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah. Nazoto nianatra samirery ny Baiboly koa izy. Hoy izy: “Mbola tsy nisy mihitsy fotoana hoe nanana olana aho, ka tsy nomen’i Jehovah hery na tari-dalana.” Nanampy azy izany mba hiezaka hieritreritra zavatra tsara foana.

18. Nahoana ianao no mahatsiaro hoe manana tombontsoa manokana, ary nahoana ianao no tokony hidera an’i Jah?

18 Fantatry ny mpanao salamo fa ny firenen’Israely irery no nofidin’i Jehovah ho vahoakany. Izy ireo irery no nilazany ‘ny teniny sy ny fitsipiny ary ny didim-pitsarany.’ (Vakio ny Salamo 147:19, 20.) Isika irery koa ankehitriny no mitondra ny anaran’Andriamanitra, ary voninahitra lehibe izany. Lasa mifandray akaiky aminy isika, satria mahafantatra azy sady manana ny Teniny mba hitari-dalana antsika. Manana antony be dia be ‘hiderana an’i Jah’ sy hampirisihana ny hafa hanao an’izany àry ianao, toa an’ilay mpanoratra ny Salamo faha-147.