Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovy ny Sainao

Arovy ny Sainao

MITANDREMA fa mitady hamely anao i Satana, ilay fahavalonao lehibe indrindra. Tsy ny vatanao no kendreny, fa ny sainao. Mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika izy amin’izany, dia ny fitaka.

Mailo ny apostoly Paoly satria takany hoe mampidi-doza ny hevitra aelin’i Satana. Tsy hoatr’izany anefa ny Kristianina sasany tamin’ny androny. Toa lasa natoky tena loatra, ohatra, ny Kristianina sasany tany Korinto, ka nieritreritra hoe natanjaka be ny finoany dia tsy ho lavo mihitsy izy. (1 Kor. 10:12) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: ‘Matahotra aho sao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana mendrika an’i Kristy, tahaka ny nitaoman’ny menarana an’i Eva tamin-kafetsena.’—2 Kor. 11:3.

Hita amin’izany fa tsy mety ny matoky tena be loatra. Raha tianao ho voaro ny sainao, dia mila miaiky ianao hoe mampidi-doza ny hevi-diso aelin’i Satana ka mila mitandrina ianao.

NAHOANA ILAY IZY NO TENA MAMPIDI-DOZA?

Ny fitaka dia teny na hevitra hoatran’ny hoe marina nefa diso. Ny hibaiko ny olona amin’izay ataony no tanjona amin’izany, na ny hamolavola ny fomba fisainany. Milaza ny boky iray fa “ratsy sy mampidi-doza ary tsy rariny” ny milaza zavatra tsy marina mba hamitahana. Milaza ny olona sasany fa mitovy amin’ny “lainga sy fametsifetsena ary fanambakana” izany.

Tena mampidi-doza ny fitaka, satria mamolavola tsikelikely ny fomba fisainantsika nefa tsy tsapantsika akory. Hoatran’ny gazy tsy hita maso sady tsy misy fofona nefa mahafaty izy io. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Vance Packard: “Maro amintsika no voafitaky ny zavatra tsy marina henontsika. Mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika ny vokatr’ilay izy.” Milaza koa ny manam-pahaizana iray fa lasa “mahavanon-doza sy manaonao foana” ny olona sasany rehefa voafitaka. Nahatonga ady, ohatra, izany, fandripahana foko, ary fanenjehana olona hafa firazanana na fivavahana.

Raha ny olombelona aza mahavita mamitaka olon-kafa, tsy mainka ve fa i Satana? Efa hatramin’ny namoronana ny olona mantsy izy no nandinika azy ireo. “Izao tontolo izao manontolo” koa efa lasa eo ambany fahefany, ka azony atao ny mampiasa ny zava-drehetra eo amin’izy io mba hampielezana lainga. (1 Jaona 5:19; Jaona 8:44) Tena mahay “manajamba ny sain’ny tsy mino” i Satana. Miezaka “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” mihitsy izy izao. (2 Kor. 4:4; Apok. 12:9) Inona àry no tokony hataonao mba hiarovana ny sainao?

FANTARO NY MARINA

Misy fomba tsotra natoron’i Jesosy mba hiarovana ny saina: Ilaina ny ‘mamantatra ny marina.’ Hoy izy: “Ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Sarotra be matetika ny mahafantatra ny tena marina rehefa misy ady. Manely lainga mantsy ny fahavalo. Tokony ho azon’ny miaramila antoka àry hoe marina ny zavatra henony, mba tsy ho voafitaka izy. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika. Mila mandinika ny Baiboly isika, satria nasain’i Jehovah nosoratana ao daholo izay tokony ho fantatsika mba tsy ho voafitak’i Satana isika.—2 Tim. 3:16, 17.

Fantatr’i Satana izany. Mampiasa an’ity tontolo ity àry izy mba hahatonga antsika ho variana ka tsy hamaky Baiboly sy tsy hianatra azy io. Aza manaiky ho voafitany anefa. (Efes. 6:11) Miezaha mafy mba handalina ny fahamarinana, ka ‘hahatakatra tsara’ azy io. (Efes. 3:18) Tsy mora ny manao an’izany. Hoy anefa ilay mpanoratra atao hoe Noam Chomsky: “Tsy hisy olon-kafa afaka hampiditra ny fahamarinana ao an-tsainao, fa ianao mihitsy no tsy maintsy mikaroka.” Miezaha àry hikaroka, ka ‘diniho tsara ny Soratra Masina isan’andro.’—Asa. 17:11.

Raha tianao ho voaro ny sainao, dia mila miaiky ianao hoe mampidi-doza ny hevi-diso aelin’i Satana ka mila mitandrina ianao

Tadidio fa tsy tian’i Satana hieritreritra na handinika tsara ianao. Nahoana? Milaza ny boky iray fa matetika no ‘mandaitra be ny fitaka rehefa tsy avela hisaintsaina sy hanadihady tsara ny olona.’ Aza minomino befahatany an’izay renao àry. (Ohab. 14:15) Ampiasao kosa ny fahaiza-misaina nomen’Andriamanitra anao, mba ho ianao mihitsy no hahita ny tena marina.—Ohab. 2:10-15; Rom. 12:1, 2.

AZA MANAIKY HISARA-BAZANA

Mety hanely hevi-diso ny fahavalo, amin’izay matahotra ny miaramila na tsy hazoto hiady intsony. Mety hahatonga ny miaramila hitokantokana na hamely ny namany izany. Niaiky ny jeneraly alemà iray fa ‘nino ny zavatra tsy marina nolazain’ny fahavalo ny miaramila alemà’, ary anisan’ny nahatonga an-dry zareo ho resy tamin’ny Ady Lehibe I izany. Rehefa naheno ny laingan’ny fahavalo mantsy, hono, ireo miaramila, dia lasa hoatran’ny verivery saina ka “toy ny bitro tratran’ny fandraikiraiken’ny bibilava.” Mampiasa tetika hoatr’izany koa i Satana mba hampisara-bazana ny fiangonana. Ataony, ohatra, izay hahatonga ny mpiara-manompo tsy hifanaraka. Ataony koa izay hahatonga azy ireo hieritreritra hoe misy tsy rariny ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia lasa miala amin’ny fandaminana izy ireo.

Aza manaiky ho voafitaka àry, fa araho ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miezaha hifandray tsara foana amin’ireo rahalahy sy anabavy. Mampirisika antsika, ohatra, ny Baiboly mba ‘hifamela heloka tanteraka’ sy handamina haingana ny tsy fifanarahana. (Kol. 3:13, 14; Mat. 5:23, 24) Mampitandrina antsika koa izy io mba tsy hihatakataka amin’ny fiangonana. (Ohab. 18:1) Mandiniha tena mba hahitana raha mahatohitra an’i Satana ianao na tsia. Eritrereto, ohatra, izao: ‘Inona no tena noeritreretiko tamin’ny farany, tamin’izaho nanana olana tamin’ny mpiara-manompo? Ny toe-tsain’izao tontolo izao ve no narahiko, sa ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah?’—Gal. 5:16-26; Efes. 2:2, 3.

MATOKIA FOANA AN’IREO MITARIKA

Tsy hiady amin’ny fony manontolo ny miaramila, raha tsy dia matoky an’izay mitarika azy ireo. Ataon’ny fahavalo àry izay hahatonga azy ireo tsy hatoky ny lehibeny. Mety hilaza, ohatra, izy ireo hoe: “Olona tsy azo atokisana ireny!”, na hoe: “Hidiran-doza ianareo raha mbola manaraka ny tenin-dry zareo.” Rehefa manao fahadisoana ny lehiben’izy ireo, dia vao mainka mahazo vahana ny fahavalo satria hoatran’ny hoe voaporofo ny teniny. Izany koa no tetika ampiasain’i Satana. Ataony foana izay hahatonga anao tsy hatoky an’ireo rahalahy notendren’i Jehovah hitarika ny vahoakany.

Inona àry no tokony hataonao? Aza miala amin’ny fandaminan’i Jehovah mihitsy. Aza mivadika fa tohano foana ireo mpiandraikitra, na manao fahadisoana aza izy ireo. (1 Tes. 5:12, 13) Mety hanakiana ny fandaminana ny mpivadi-pinoana na ny olon-kafa. (Tit. 1:10) Na hoatran’ny hoe marina aza anefa ny tenin’izy ireny, dia “aza malaky mikorontan-tsaina.” (2 Tes. 2:2) Araho ny torohevitra nomena an’i Timoty, ka aza miala amin’ny fahamarinana nianaranao. Tadidio koa hoe ahoana no nahalalanao an’ilay izy. (2 Tim. 3:14, 15) Ny mpanompo mendri-pitokisana no mampianatra antsika ny fahamarinana. Efa ho zato taona izao i Jehovah no nampiasa an’io mpanompo io, ary be dia be ny porofo hoe azo atokisana izy io.—Mat. 24:45-47; Heb. 13:7, 17.

AZA MANAIKY HAMPITAHORINA

Mety hahatonga anao hatahotra koa ny hevi-diso aelin’i Satana. Milaza ny boky iray fa “anisan’ny tetikady tranainy indrindra ny milaza zavatra mampahatahotra ny fahavalo.” Nilaza ilay manam-pahaizana britanika atao hoe Philip Taylor fa “nampitahotra ny fahavalony sy nanely hevi-diso” ny Asyrianina mba hifehezana azy ireo. Ataon’i Satana koa izay hahatonga anao hatahotra olona, hatahotra fanenjehana, hatahotra fahafatesana, na hatahotra zavatra hafa. Amin’izay izy afaka mifehy anao, dia tsy hanompo an’i Jehovah intsony ianao.—Isaia 8:12; Jer. 42:11; Heb. 2:15.

Aza manaiky hampitahorin’i Satana anefa, ka ho kivy na hivadika. Tadidio ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa avy eo tsy mahay manao mihoatra noho izany akory.” (Lioka 12:4) Efa nampanantena i Jehovah hoe hiambina anao, sy hanome anao “hery fanampiny”, ary hanampy anao tsy hanaiky hampitahorin’i Satana. Matokia fa tena hanao an’izany izy.—2 Kor. 4:7-9; 1 Pet. 3:14.

Marina fa mety hisy zavatra hampahatahotra sy hampitebiteby indraindray. Tadidio anefa ny tenin’i Jehovah tamin’i Josoa hoe: “Mahereza sy matanjaha. Aza mivadi-po na mihorohoro, fa momba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.” (Jos. 1:9) Raha misy zavatra mampitebiteby anao àry, dia tonga dia resaho amin’i Jehovah daholo ilay izy. Afaka matoky ianao fa ‘hiambina ny fonao sy ny sainao’ ny “fiadanan’Andriamanitra”, ka tsy ho voafitak’i Satana mihitsy ianao.—Fil. 4:6, 7, 13.

Tadidinao ve ny lainga nolazain’i Rabsake, iraky ny Asyrianina, mba hampitahorana ny vahoakan’i Jehovah? Tiany hino izy ireo hoe tsy misy na iza na iza afaka hiaro azy ireo amin’ny Asyrianina. Na i Jehovah aza, hono, tsy hahavita an’izany. Sahy nilaza mihitsy aza izy hoe i Jehovah no naniraka azy ireo handrava an’i Jerosalema. Nilaza anefa i Jehovah hoe: “Aza matahotra noho ny teny renao, dia izay nanevatevan’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asyria ahy.” (2 Mpanj. 18:22-25; 19:6) Naniraka anjely anankiray izy avy eo, dia naringany tao anatin’ny iray alina ny Asyrianina 185 000.—2 Mpanj. 19:35.

IZAY LAZAIN’I JEHOVAH FOANA INOANA

Efa nijery filma angamba ianao, dia nisy olona hitanao hoe voafitaka tao amin’ilay izy. Te hiteny taminy ianao hoe: ‘Aza mino an’izany fa lainga izany.’ Hoatr’izany koa no ataon’ny anjelin’i Jehovah aminao. Milaza aminao izy ireo hoe: “Aza manaiky ho voafitaky ny laingan’i Satana.”

Aza mihaino ny teny mamitaka aelin’i Satana àry. (Ohab. 26:24, 25) I Jehovah kosa no henoy, ary matokia azy amin’izay rehetra ataonao. (Ohab. 3:5-7) Miangavy anao izy hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko.” (Ohab. 27:11) Ho voaro ny sainao raha manao an’izany ianao.